Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Porofon’ny Fitiavana sy Finoana ary Fankatoavana

Porofon’ny Fitiavana sy Finoana ary Fankatoavana

Porofon’ny Fitiavana sy Finoana ary Fankatoavana

TSARA erỳ ny andro tamin’ny marainan’ny 16 Mey 2005, teto amin’ny Toeram-pambolena sy Fiompian’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Wallkill, New York. Namirapiratra ny ahi-maitso tsara hety, sy ny voninkazo lenan’ny orana vao mangiran-dratsy. Nisy gana niaraka tamin’ny zanany valo nisononoka teo amin’ny kamory iray. Variana nijery ny hakanton’ilay toerana ny mpitsidika. Tsy nisy niteny mafy izy ireo, toy ny hoe tsy te hanakotaba ny fahatonian’ny maraina.

Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny firenena 48 ireo mpitsidika. Tsy hitsidika ilay toerana kanto anefa no anton-diany, fa hijery izay mitranga ao anatin’ny trano biriky iray vao naorina. Malalaka be io trano fanampin’ny Betelan’i Etazonia, eto Wallkill io. Variana indray ny mpitsidika rehefa niditra tao, na dia tsy nangina toy ny tany ivelany aza tao.

Avy eny ambony izy ireo no nitazana ireo milina isan-karazany be pitsiny. Misy milina fanontam-pirinty dimy lehibe, eo amin’ny tany voalalotra simenitra sady mangirana. Malalaka noho ny kianja enina fanaovana baolina kitra ilay toerana. Eto no atao pirinty ny Baiboly sy boky ary gazety. Milanja 1 700 kilao ny horonan-taratasy lehibe iray, ary mihodina toy ny kodiarana kamiao mandeha mafy be. Mivaha sy mandalo amin’ny milina, ao anatin’ny 25 minitra monja, ny horonan-taratasy tsirairay mirefy 23 kilaometatra. Manisy ranomainty sy manamaina an’ilay taratasy ilay milina, mandritra izany fotoana izany, ary mampangatsiaka azy io mba ho azo aforitra ho gazety. Entin’ny fitaovana mpitatitra entana haingana izy ireny, mba hatao ao anaty baoritra ary halefa any amin’ny fiangonana. Manao pirinty fehezam-pejy kosa ny milina sasany. Apetraka haingana eo amin’ny talantalana avo be hatrany amin’ny valindrihana izy ireny, alohan’ny hanakambanana azy ho boky. Ordinatera no mibaiko ny zava-drehetra, ka mirindra tsara sy maty paika erỳ!

Nankany amin’ny toerana fanakambanam-boky ny mpitsidika, rehefa avy tao amin’ny fanontam-pirinty. Mahavita boky misy fonony mafy sy Baiboly misy ranom-bolamena efa ho 50 000 isan’andro ireo milina eto. Alahatra tsara ireo fehezam-pejy, atambatra, ary tapahina tsara ny sisiny. Apetaka ny fonony avy eo, ary atao ao anaty baoritra ny boky vita. Milina no manidy sy manisy adiresy ny baoritra, ary mandahatra azy ireny eo ambonin’ny takela-kazo mora hibatana azy. Manangona sy mamono boky 100 000 isan’andro koa, ny milina lehibe iray mpanao boky misy fonony malefaka. Ireto avy no hita amin’ilay milina: maotera maro be, fitaovana mpitatitra entana, kodia misy nifinifiny, kodiarana, ary fingotra mihodina. Mihetsika sy mihodina haingana be ireo rehetra ireo, mba hamokarana boky sy gazety ara-baiboly.

Zava-mahatalanjona novokarin’ny teknolojia avo lenta ireo milina maoderina ireo, ary manaraka adim-pamantaranandro marina tsara sy haingam-piasa. Ho hitantsika fa porofon’ny fitiavana sy finoana ary fankatoavan’ny vahoakan’Andriamanitra koa izy ireo. Nahoana anefa no nafindra teto Wallkill, ny fanontam-pirinty tany Brooklyn?

Mba ho mora kokoa ny fanaovana pirinty sy fandefasana entana, rehefa atao amin’ny toerana iray ihany. Tany Brooklyn mantsy no natao ireo boky, nandritra ny taona maro, fa ny gazety kosa teto Wallkill. Hihena ny isan’ny mpiasa ilaina ary ho tsara tantana kokoa ny vola natao fanomezana, rehefa atao amin’ny toerana iray ireo asa ireo. Efa nihantitra koa ny milina tany Brooklyn, ka nohafarana avy tany Alemaina ny milina roa fanontam-pirinty MAN Roland Lithoman. Tsy antonona ny trano fanontam-pirinty tany Brooklyn izy ireo, fa lehibe loatra.

Manohana ilay asa i Jehovah

Mba hampielezana hatrany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no antony hanaovana pirinty. Miharihary fa nitahy ilay asa i Jehovah, hatrany am-boalohany. Orinasa mpanao pirinty mantsy no nanao ny boky sy gazetintsika, tamin’ny 1879 ka hatramin’ny 1922. Nanofa trano nisy rihana dimy tao 18 Concord Street, any Brooklyn, anefa ireo rahalahy, tamin’ny 1922, ary nividy fitaovana mba hanaovana pirinty ireo boky. Nisy nisalasala anefa tamin’izay hoe tsy ho vitan’ireo rahalahy ilay asa.

Anisan’ireny ny tompon’ilay orinasa nanao pirinty ny ankamaroan’ny bokintsika. Hoy izy rehefa nitsidika an’ilay trano tany Concord Street: “Manana milina faran’izay tsara ianareo, kanefa tsy misy mahay mampiasa azy. Ho simba io rehefa afaka enim-bolana, ka ho hitanareo fa ireo efa nanao ny bokinareo ihany no hanao azy.”

Hoy i Robert Martin, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty tamin’izany: “Toa lojika izany, nefa hadinony ny Tompo. Ary nomba antsika foana ny Tompo. ... Tsy ela dia afaka nanao boky koa isika.” Boky an’arivony tapitrisa no vita pirinty tamin’ireo milin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tao anatin’ireo 80 taona nanaraka.

Nivory ny mpikambana ao amin’ny Watch Tower, tamin’ny 5 Oktobra 2002. Nolazaina tao amin’io fivoriana fanao isan-taona io, fa neken’ny Filan-kevi-pitantanana ny hamindrana eto Wallkill ny fanontam-pirintin’ny sampan’i Etazonia. Nifanarahana fa ho tonga ny Febroary 2004 ireo milina roa vaovao nohafarana. Nila nanao planina sy nanitatra an’ilay trano fanontam-pirinty àry ireo rahalahy, ary tokony ho vonona handray ireo milina vaovao ao anatin’ny herintaona sy telo volana izy ireo. Tokony ho vita ao anatin’ny sivy volana nanaraka, ny toerana fanakambanam-boky sy fandefasana entana. Mety ho nisy nisalasala hoe tsy ho vita izany, rehefa nahare ilay fandaharam-potoana. Fantatr’ireo rahalahy anefa fa ho vita izany, noho ny fitahian’i Jehovah.

‘Faly niara-niasa’

Natombok’ireo rahalahy ilay tetikasa, satria fantany fa hazoto hanolo-tena ny vahoakan’i Jehovah. (Salamo 110:3) Lehibe ilay tetikasa, ka mpiasa maro kokoa noho ny tao amin’ny sampan-draharahan’ny fanorenana tao amin’ny Betela no nilaina. Nanolo-tena handray anjara tamin’ilay asa àry ny rahalahy sy anabavy 1 000 mahery. Nisy nanao izany nandritra ny herinandro na mahery, ary nisy aza nandritra ny telo volana. Avy eto Etazonia sy avy any Kanada ireo mpiasa an-tsitrapo tsy maharitra ireo, sady manana traikefa momba ny fanorenana. Nisy mpanompo iraisam-pirenena sy mpiasa an-tsitrapo koa nasaina, ary nanampy be dia be ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana.

Maro no nila nangataka andro tsy hiasana sy nandany vola be natao saran-dalana, mba handraisana anjara tamin’ilay tetikasa teto Wallkill. Nahafaly azy ireo anefa ny nahafoy izany rehetra izany. Nanohana an’ilay tetikasa koa ny fianakavian’ny Betela, rehefa nampiantrano sy nanome sakafo an’ireny mpiasa an-tsitrapo maro ireny. Nisy Betelita avy any Brooklyn sy Patterson ary Wallkill nanao asa an-tsitrapo rehefa asabotsy, ankoatra ny asany andavanandro. Nisy 535 mahery izy ireo. Noho ny fanohanan’i Jehovah ihany no nahatonga ny vahoakany hanolotra fanampiana be dia be toy izany, tamin’iny ezaka manan-tantara iny.

Nisy koa nanao fanomezana. Nahazo taratasy avy tany amin’i Abby, ankizivavikely sivy taona, ohatra, ireo rahalahy. Hoy izy: “Misaotra betsaka noho ny asa rehetra ataonareo mba hanaovana boky tsara tarehy. Mety hitsidika anareo aho tsy ho ela. Amin’ny herintaona, hoy i dadanay! Hanao karatra aho, amin’izay dia ho fantatrareo. Intỳ misy 20 dolara [Ar 40 000 eo ho eo] mba ho fandraisako anjara amin’ilay milina fanontam-pirinty vaovao! Vola nomen’i Dada sy Neny ahy io, nefa tiako homena anareo.”

Nanoratra toy izao ny anabavy iray: “Raiso re ireto satroka ba mba vitako ireto e! Tiako homena an’ireo hanao ilay asa any Wallkill izy ireto. Nilaza mantsy ny alimanaka iray fa hangatsiaka be ny ririnina. Asa na marina izany na tsia. Fantatro anefa fa hatao eny ivelany ny ankabeazan’ny asa, ka tsy tiako hangatsiaka ny lohan’ireo anadahiko sy rahavaviko. Tsy manana ny fahaizana takina amin’ilay tetikasa aho, nefa mahay manao krôse. Nanapa-kevitra ny hampiasa izany talentako izany àry aho mba hanaovana izay vitako.” Nandefa satroka ba 106 izy!

Vita ara-potoana ilay toerana hanaovana pirinty. Hoy i John Larson, mpiandraikitra ny fanontam-pirinty: ‘Faly erỳ ireo rahalahy niara-niasa. Azo antoka fa nitahy an’ilay asa i Jehovah. Nandroso haingana be ilay izy. Tsaroako fa mbola fotaka fotsiny no teo amin’ilay toerana, tamin’izaho nijery an’ireo rahalahy nametraka fototra, tamin’ny Mey 2003. Nisy milina fanontam-pirinty niasa anefa teo, herintaona latsaka tatỳ aoriana.’

Fitokanana

Notokanana tamin’ny alatsinainy 16 Mey 2005 teto Wallkill, ilay fanontam-pirinty vaovao sy ny trano fonenana telo. Nanaraka izany tamin’ny video ny Betelita tany Patterson sy Brooklyn ary Kanada. Nisy 6 049 ny olona nanaraka ilay fandaharana. I Theodore Jaracz, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nitari-draharaha. Namintina vetivety ny tantaran’ny asa fanontam-pirinty izy. Nisy fanadinadinana sy fampisehoana video koa natao, rehefa nampahatsiahy ny tantaran’ilay asa fanorenana sy ny fanontam-pirinty teto Etazonia, i John Larson sy John Kikot, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Etazonia. I John Barr, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no nanao ny lahateny famaranana, ary notokanany ho an’i Jehovah Andriamanitra ilay fanontam-pirinty vaovao sy ny trano telo.

Afaka nitsidika an’ireo trano vaovao ny Betelita avy any Patterson sy Brooklyn, nandritra ny herinandro nanaraka. Nisy 5 920 no tonga nitsidika.

Ahoana no fiheverantsika an’ilay fanontam-pirinty?

Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Barr tamin’ny lahateny fitokanana, fa ny olona no tena mampiavaka an’ilay fanontam-pirinty fa tsy ny milina akory, na dia mahazendana tokoa aza izy io. Misy vokany lalina eo amin’ny fiainan’ny olona mantsy, ireo boky sy gazety ataontsika pirinty.

Adiny iray mahery monja dia mahavita taratasy mivalona iray tapitrisa ny milina iray vaovao! Mety hisy heriny lalina eo amin’ny fiainan’ny olona iray anefa, na dia taratasy mivalona iray aza. Nanaraka lalamby, ohatra, ny ekipana mpiasa mpikojakoja lalamby tatsy Afrika Atsimo, tamin’ny 1921. Nahita tapa-taratasy nihitsoka tao ambany lalamby i Christiaan, iray tamin’izy ireo. Anisan’ny taratasy mivalona navoakantsika ilay izy. Liana be izy namaky azy io. Nihazakazaka nankany amin’ny vinantolahiny izy, sady faly erỳ nilaza hoe: “Hitako ny fahamarinana!” Nanoratra izy mianaka, taoriana kelin’izay, mba hangataka fanazavana misimisy kokoa. Nandefa boky sy gazety ho azy ireo ny biraon’ny sampan’i Afrika Atsimo. Nianatra Baiboly izy ireo, natao batisa, ary niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny hafa. Maro no nanaiky ny fahamarinana, noho izany. Zato mahery ny taranany lasa Vavolombelon’i Jehovah, tany am-piandohan’ireo taona 1990. Noho ny nahitan’ny lehilahy iray taratasy mivalona iray monja tao ambany lalamby izany rehetra izany!

Nilaza ny Rahalahy Barr, fa mampahafantatra ny olona ny fahamarinana ireo boky sy gazetintsika. Mahatonga azy ireo hifikitra foana amin’ny fahamarinana izy ireny, mandrisika azy ireo hazoto kokoa, ary mampiray ny fianakavian’ny mpirahalahy. Manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitsika koa ny boky sy gazety rehetra aelintsika!

Ahoana no fiheveran’i Jehovah an’ilay fanontam-pirinty?

Nasain’ny Rahalahy Barr nieritreritra momba ny fiheveran’i Jehovah an’ilay fanontam-pirinty koa ny mpanatrika. Tsy hoe tsy mahavita zavatra akory i Jehovah raha tsy eo io. Hainy ny manao izay hahatonga ny vato hitory ny vaovao tsara! (Lioka 19:40) Tsy manaitra azy koa ny milina be pitsiny, lehibe, haingam-piasa, na mahavita zavatra betsaka. Izy aza no namorona izao rehetra izao! (Salamo 147:10, 11) Mahafantatra fomba tsara kokoa mbola tsy hitan’olona na tonga tao an-tsainy izy, mba hamokarana boky sy gazety. Inona àry no heverin’i Jehovah ho tena sarobidy, rehefa mijery an’ilay fanontam-pirinty izy? Azo antoka fa ireo toetra sarobidy ananan’ny vahoakany, dia ny fitiavana sy finoana ary fankatoavana.

Nanao fanoharana ny Rahalahy Barr, mba hanazavana hoe nahoana izany no fanehoam-pitiavana. Misy ankizivavy iray, ohatra, manao mofomamy ho an’ny ray aman-dreniny. Azo inoana fa hahafaly azy ireo izany. Na manao ahoana na manao ahoana anefa ilay mofomamy, dia ny fitiavana nasehon-janany tamin’ny nanomezany azy io no manohina ny fon’izy ireo. Mahita zavatra tsara lavitra noho ilay trano sy ireo milina koa i Jehovah, rehefa mijery an’ilay fanontam-pirinty vaovao. Heveriny ho porofom-pitiavana ny anarany izy io.—Hebreo 6:10.

Heverin’i Jehovah ho porofo mivaingan’ny finoantsika koa izy io, toy ny niheverany fa porofon’ny finoan’i Noa ny sambo fiara. Inona no ninoan’i Noa? Nino izy fa tena hitranga izay nolazain’i Jehovah. Mino koa isika fa miaina amin’ny andro farany, ary ny vaovao tsara no hafatra lehibe indrindra ambara eto an-tany, ka mila mandre izany ny olona. Fantatsika mantsy fa mamonjy aina ny hafatra raketin’ny Baiboly.—Romanina 10:13, 14.

Azo antoka fa mahita ny porofon’ny fankatoavantsika koa i Jehovah, rehefa mijery an’ilay fanontam-pirinty. Tiany hotorina maneran-tany mantsy ny vaovao tsara, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14) Hanampy antsika hanatanteraka an’io asa nanirahana antsika io, ilay fanontam-pirinty eto sy ireo any an-toeran-kafa.

Hita fa manana fitiavana sy finoana ary mankatò ny vahoakan’i Jehovah, rehefa nanao fanomezana sy fanorenana, ary miasa ao amin’ny fanontam-pirinty. Hita koa izany toetra izany, rehefa mazoto mitory ny fahamarinana amin’ireo vonona hihaino foana izy ireo, na aiza na aiza.

[Efajoro/Sary, pejy 11]

FITARAN’NY ASA FANONTAM-PIRINTY ETO ETAZONIA

1920: Ny milina mihodinkodina no voalohany nanontana gazety, tao 35 Myrtle Avenue, Brooklyn.

1922: Nafindra tao amin’ny trano misy rihana dimy tao 18 Concord Street ny fanontam-pirinty. Nanomboka nanonta boky ireo rahalahy.

1927: Nafindra tao amin’ny trano vaovao tao 117 Adams Street ny fanontam-pirinty.

1949: Lasa avo roa heny ny velaran’ny toerana fanontam-pirinty, rehefa nampiana trano nisy rihana valo.

1956: Nisy trano vaovao naorina tao 77 Sands Street, ka lasa avo roa heny ny velaran’ny toerana fanontam-pirinty tao Adams Street.

1967: Naorina ny trano misy rihana sivy, ka azo nampifandraisina ireo trano fanontam-pirinty. Lasa avo folo heny noho ny tamin’ny voalohany ny velaran’ny toerana fanontam-pirinty.

1973: Nisy trano fanontam-pirinty naorina koa teto Wallkill, ary gazety no tena natonta teto.

2004: Nampiarahina teto Wallkill daholo ny fanontam-pirinty, ny fanakambanam-boky, ary ny fandefasana entana eto Etazonia.