Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hazo Krismasy Fanao Rosianina Ve? Sa Fanao Kristianina?

Hazo Krismasy Fanao Rosianina Ve? Sa Fanao Kristianina?

Hazo Krismasy Fanao Rosianina Ve? Sa Fanao Kristianina?

‘MBOLA noheverin’ny [Rosianina] ho “fanaon’ny Alemà” ny mampiasa hazo kesika amin’ny fotoan’ny Krismasy, teo am-piandohan’ireo taona 1830. “Lasa fanaon’ny” olona ambony tany Saint-Pétersbourg anefa izany, folo taona taorian’izay. Ny mpitondra fivavahana sy ny tantsaha ihany no tsy nampihaingo ny tranony tamin’ny hazo Krismasy, tamin’ny taonjato faha-19.’

‘Tsy tena tian’ny Rosianina ny hazo kesika, talohan’ny [taonjato faha-19]. Noheverin’izy ireo ho mariky ny fahafatesana sy nampifandraisiny tamin’ny “tontolon’ny maty” mantsy izy io, araka ny lovantsofiny. Fanaon’izy ireo koa ny nametraka azy io teny amin’ny tafon’ny bara. Niova anefa ny fiheveran’izy ireo azy io, tany antenatenan’ny taonjato faha-19. Nanjary nitovy hevitra tamin’ny Tandrefana izy ireo. Nampiasa an’io hazo io tamin’ny fotoan’ny Krismasy mantsy ny Tandrefana, ary izany koa no nahatonga ny Rosianina hanjary hanaiky an’io fomban’ny vahiny io.’

‘Sarotra tamin’ny Rosianina ny nanaiky ny fampiasana an’io hazo io ho lasa fanao kristianina, satria tsy neken’ny Eglizy Ortodoksa izany. Hitan’ny mpitondra fivavahana mantsy fa nisy “asan’ny demonia” sy fanaon’ny mpanompo sampy tamin’ilay fankalazana vaovao, sady tsy nisy nifandraisany tamin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy mihitsy. Fanao avy any amin’ny tany tandrefana izy io, ankoatra izany.’—Yelena Dushechkina, profesora ao amin’ny Oniversiten’i Saint-Pétersbourg.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Sary: Nikolai Rakhmanov