Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Afa-po ve Ianao Amin’ny Fetin’ny Faran’ny Taona?

Ho Afa-po ve Ianao Amin’ny Fetin’ny Faran’ny Taona?

Ho Afa-po ve Ianao Amin’ny Fetin’ny Faran’ny Taona?

“Namoaka didy i Pierre [Lehibe, mpanjaka tany Rosia], fa asiana fotoam-pivavahana manokana any amin’ny fiangonana rehetra isaky ny 1 Janoary, noho ny Taom-baovao. Nasainy noravahana sampan-kazo koa ny tolam-baravarana tao an-trano, ary nodidiany ny olom-pirenena rehetra tany Moscou mba ‘haneho ny fifaliany ka hihorakoraka hifampiarahaba tratran’ny taona.’ ”—Ny Fiainan’i Pierre Lehibe sy ny Tontolo Nisy Azy (anglisy).

INONA no tena tsy andrinao rehefa tonga ny fetin’ny faran’ny taona? Ny Krismasy no zava-dehibe indrindra amin’ny olona maro eran-tany amin’io fotoana io, satria io no fankalazany ny andro nahaterahan’i Kristy. Tsy hadinoin’izy ireo koa anefa ny fetin’ny Taom-baovao. Noho izany, dia maharitraritra ihany ny fetin’ny faran’ny taona. Tsy miasa angamba ny ray aman-dreny ary vakansy koa ny ankizy, ka mety ho fotoana tsara hiarahan’ny mpianakavy izany. Milaza anefa ny sasany fa fotoana tokony hanomezam-boninahitra an’i Kristy izy io, ka antsoiny hoe “fotoanan’ny Krismasy.” Mihevitra koa angamba ianao fa izany no zava-dehibe indrindra amin’io fotoana io.

Samy tsindrian-daona miandry ny higadonan’ny fetin’ny faran’ny taona, ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy an-tapitrisany eran-tany. Ao ny te hanome voninahitra an’i Kristy, ao koa ny te hiara-mikorana amin’ny fianakaviany, na izy roa mitambatra. Hanao ahoana ny amin’ity taona ity? Ho fotoana miavaka ho an’ny fianakaviana ve izy io? Fotoana miavaka ve izy io amin’Andriamanitra? Raha hiara-mikorana ianareo mianakavy, hahafa-po anao ve izany sa handiso fanantenana anao?

Maro amin’ireo mankafy ny fotoam-pivavahana atao amin’ny Krismasy sy Taom-baovao, no mahatsikaritra fa tsy mahatsiaro an’i Kristy akory ny olona sasany amin’ireo fety ireo. Ny fifampizarana fanomezana no lasa mibahan-toerana. Misy koa ny manararaotra manao lanonana, ary ahitana fitondran-tena manala baraka an’i Kristy izy ireny indraindray. Mety ho ny fivoriam-pianakaviana koa no tena mafotaka. Mazàna no manaram-po amin’ny sakafo sy ny zava-pisotro misy alkaola ny mpianakavy iray na maromaro, ka rafitra ny fifamaliana. Mikasi-tanana mihitsy aza ny sasany amin’ny farany, ka simba ilay fikoranana. Mety ho efa nahita izany ianao, na efa niaina an’izany mihitsy.

Mety hiaiky àry ianao fa tsy niova firy ny zava-misy, hatramin’ny andron’ny Mpanjaka Pierre Lehibe. Nampirisika ny olona hanao lanonam-be mantsy izy, raha ny marina, ary mbola izany ihany no fanaon’ny olona ankehitriny. Tsy mankasitraka ny filibana fanaon’ny olona mandritra ny fetin’ny faran’ny taona anefa ny olona maro. Irin’izy ireo kosa raha mba fivavahana no tena eritreretina amin’io fotoana io, ary mba hahafinaritra koa ny fiarahan’ny mpianakavy. Miezaka mafy hitondra fiovana mihitsy aza ny olona sasany, ka manao fampielezan-kevitra sy mamorona teny filamatra, mba hampirisihana ny rehetra hampifantoka ny sainy amin’i Kristy rehefa Krismasy. Azo tanterahina ve izany fiovana izany? Ary raha tanteraka ilay izy, azo antoka ve fa hanome voninahitra an’i Kristy? Misy zavatra hafa tafiditra amin’ireo fety ireo ve, ka tokony hampieritreritra antsika?

Hahazo valiny mahafa-po isika, rehefa mandinika ny tantaran’ny firenena iray, izay nankalaza Krismasy efa hatramin’ny ela.