Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tena Mahavariana ny Olona Rehefa Krismasy?

Inona no Tena Mahavariana ny Olona Rehefa Krismasy?

Inona no Tena Mahavariana ny Olona Rehefa Krismasy?

OLONA an-tapitrisany no mihevitra azy io ho fotoana fiarahana amin’ny tapaka sy namana, ary manararaotra izany mba hanamafisana ny fifankatiavana. Maro koa no mihevitra azy io ho fotoana fisaintsainana ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, sy ny namonjeny ny olombelona. Tsy toy ny tany amin’ny firenena maro anefa ny tany Rosia, satria tsy nahazo nanao Krismasy ny olona tany taloha. Norarana tsy hankalaza azy io mantsy ny Eglizy Ortodoksa Rosianina, saika nandritra ny taonjato faha-20 manontolo, na dia efa nankalaza izany tamin-kalalahana aza nandritra ny an-jatony taona talohan’izay. Inona no nahatonga izany?

Taoriana kelin’ny Tolom-bahoaka Kominista tany Rosia tamin’ny 1917, dia nanao izay tratran’ny heriny ny manam-pahefana sovietika, mba hampirisihana ny olona eran’i Rosia tsy hino an’Andriamanitra. Tsy nankasitrahana intsony ny Krismasy, satria namofompofona fivavahana. Nanomboka nanao fampielezan-kevitra nanoherana ny fetin’ny Krismasy sy Taom-baovao ny Fanjakana. Noharatsina an-karihary mihitsy aza ny hazo Noely sy Ded Moroz na Dadabe Fanala, izany hoe ny Dadabe Noely rosianina.

Nisy zava-nitranga anefa tamin’ny 1935, ka nanova tanteraka ny fomba nankalazan’ny Rosianina ny fetin’ny faran’ny taona. Neken’ny mpitondra rosianina indray ny hankalazana ny fetin’ny Taom-baovao. Naverina koa i Dadabe Fanala sy ilay hazo efa nampiasaina hatramin’izay. Tena nisy naha samy hafa azy tamin’ny taloha anefa. Rehefa Taom-baovao indray mantsy i Dadabe Fanala vao nitondra fanomezana, fa tsy rehefa Krismasy. Novana koa ny anaran’ny hazo Noely, ka nantsoina hoe hazon’ny Taom-baovao! Lasa zavatra hafa mihitsy no nahavariana ny olona tany amin’ny Firaisana Sovietika. Hadino hatreo ny Krismasy, fa ny fetin’ny Taom-baovao no naka ny toerany.

Novana tamin’ny fomba ofisialy ho fety tsy ara-pivavahana ny Krismasy. Zavatra nahitana taratry ny fandrosoan’ny Firaisana Sovietika indray no nandravahana ny hazon’ny Taom-baovao, fa tsy zavatra nisy ifandraisana tamin’ny fivavahana. Izany no hazavain’ny gazety rosianina Vokrug Sveta (Eran-tany), manao hoe: “Hita amin’ny fiovaovan’ny zavatra nandravahana an’ilay hazo isan-taona, ny fivoarana nentin’ny fitondrana kominista. Sarina bitro sy vongan-dranomandry ary mofo boribory kely, ohatra, no nandravahana azy io tamin’ny voalohany, nampiarahina tamin’ny sarin’antsy fijinjana sy marotoa ary traktera. Novana izany rehefa nandeha ny fotoana, ka lasa sarina mpitrandraka harena an-kibon’ny tany, mpanamory sambon-danitra, tilikambo fitrandrahana solika, bala afomanga, ary fiarakodia fitondra eny amin’ny volana.”

Fa natao ahoana kosa ny Krismasy? Mbola tsy nekena ihany ny hankalazana azy io. Navadiky ny manam-pahefana ho andro fiasana mihitsy aza ilay daty. Tsy maintsy niafina izay naniry hankalaza Krismasy, satria mety tsy ho faly taminy ny Fanjakana, ka hahita olana izy. Hita tamin’ny tantaran’i Rosia nandritra ny taonjato faha-20, fa lasa nifantoka tamin-javatra hafa tanteraka izy ireo fa tsy tamin’ny fivavahana, rehefa tonga ny fetin’ny faran’ny taona.

Fiovana vao haingana

Rava ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1991, ka nahazo fahalalahana bebe kokoa ny mponina tany. Tsy nanery ny vahoaka tsy hino an’Andriamanitra intsony ny Fanjakana. Nitsangana ny fanjakana maromaro nizaka tena, izay tsy nitsabaka tamin’ny resaka fivavahana. Maro tamin’ny mpivavaka no nihevitra fa afaka manaraka ny finoany amin’izay izy. Nino izy ireo fa fomba iray hanaovana izany, ny fankalazana ilay fety ara-pivavahana hoe Krismasy. Tsy ela anefa dia diso fanantenana ny ankamaroany. Nahoana?

Isan-taona dia ny varotra no mihamahazo vahana rehefa Krismasy. Toy ny any Amerika sy Eoropa ihany, dia lasa anisan’ny vanim-potoana tsara indrindra hitadiavam-bola ilay izy, na ho an’ny orinasa lehibe izany, na ho an’ny mpivarotra ambongadiny sy antsinjarany. Arantiranty eny amin’ny fivarotana ny haingon-trano fampiasa amin’ny Krismasy. Re eny koa ny mozika sy hira Krismasy avy any Eoropa sy Amerika, izay mbola tsy re tany Rosia mihitsy hatramin’izay. Mivezivezy eny amin’ny lamasinina sy ny fitateram-bahoaka ny mpivarotra, mivimbina harom-be feno haingon-trano madinidinika. Izany no hita any Rosia ankehitriny.

Misy zavatra tsy tian’ny olona sasany anefa, na dia tsy miraharaha ny fanararaotan’ny mpivarotra aza izy. Mahasosotra azy ireo ny mahita ny fibobohan-toaka sy ny loza rehetra aterak’izany. Nanazava toy izao ny dokotera miasa ao amin’ny fitsaboana vonjy taitra, ao amin’ny hopitaly iray any Moscou: “Efa tsy gaga intsony ny dokotera, rehefa mahita olona maro maratra amin’ny Taom-baovao. Ao ny mivonto, mangana, voadidin’ny antsy, na voatifitra. Vokatry ny ady ao an-tokantrano na adin’ny mpimamo na lozam-piarakodia izany matetika.” Hoy koa ny mpikaroka iray anisan’ny Akademian’ny Siansa Rosianina: “Mihabetsaka ny isan’ny matin’ny zava-pisotro misy alkaola. Tamin’ny 2000 no tena betsaka. Nitombo koa ny isan’ny vonoan’olona sy ny olona mamono tena.”

Mampalahelo fa misy zavatra hafa manampy trotraka an’izany any Rosia. Hoy ny gazety Izvestiya, teo ambanin’ny lohateny hoe “Manao Krismasy Indroa ny Rosianina”: “Saika ny ampahafolon’ny Rosianina no mankalaza Krismasy indroa. Niaiky ny 8 isan-jaton’ny olona nadinadinin’ny fikambanana ROMIR, fa manao Krismasy izy ny 25 Desambra, araka ny kalandrie katolika, ary mbola mankalaza azy io koa ny 7 Janoary, araka ny fanaon’ny Ortodoksa ... Toa tsy ny fivavahana loatra no zava-dehibe amin’ny sasany rehefa Krismasy, fa te hanararaotra hanao fety fotsiny izy.” *

Tena manome voninahitra an’i Kristy ve ny fetin’ny faran’ny taona?

Miharihary fa be dia be ny fitondran-tena tsy mendrika, amin’ny fetin’ny faran’ny taona. Mampieritreritra izany. Mety hihevitra anefa ny sasany fa tokony hankalaza ireo fety ireo ihany izy, mba ho fanajany an’Andriamanitra sy Kristy. Ekena aloha fa tena tsara ny maniry hampifaly an’Andriamanitra. Tena mahafaly azy sy Kristy anefa ve ny fankalazana Krismasy? Eritrereto ny niandohan’io fety io.

Na ahoana na ahoana fiheverantsika ny fanaon’ny Sovietika, dia tsy azontsika lavina ny tantara marina resahin’ny Rakipahalalana Lehibe Momba ny Sovietika (anglisy). Izao no lazainy: ‘Ny Krismasy dia avy amin’ny fivavahana tamin’ireo andriamanitra “lazaina fa nodimandry, nefa mitsangana amin’ny maty indray avy eo.” Talohan’ny andro kristianina no nisy an’izany, ary ny tantsaha no tena nafana fo tamin’ilay izy. Nanao izany isan-taona izy ireo, matetika teo anelanelan’ny 21 sy 25 Desambra. Nankalazainy tamin’io ny “fahaterahan’ny” Andriamanitra Mpamonjy, izay mamoha ny zavaboary sy manome azy aina vaovao indray.’

Mendri-komarihina fa “tsy nankalaza Krismasy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany”, araka ny voalazan’io rakipahalalana io. Ny mpivavaka tamin’i Mithra kosa no nankalaza ny fiovan’ny toetrandro, rehefa nanomboka nafana ny andro, tamin’ny faran’ny taona. “Teo antenatenan’ny taonjato fahefatra, dia nanomboka nankalaza an’io fety io ny Kristianina, saingy novany hoe Krismasy ny anarany. Ny mpivavaka tany Roma no nankalaza azy io voalohany. Niara-tonga tany Rosia ny Krismasy sy ny Kristianisma, tamin’ny taonjato fahafolo, ary nakambana tamin’ny fetin’ny ririnina, izay fanaon’ny Slavy fahiny mba hanomezam-boninahitra ny razany.”

Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Milaza tokoa ve ny Tenin’Andriamanitra fa teraka tamin’ny 25 Desambra i Jesosy?’ Tsy manome ny daty nahaterahan’i Jesosy ny Baiboly, raha ny marina. Tsy misy koa filazana hoe niresaka momba an’izany i Jesosy, na nanasa ny olona hankalaza ny nahaterahany. Manampy antsika anefa ny Baiboly, mba hamaritra hoe taiza ho aiza tao anatin’ny taona i Jesosy no teraka.

Voalaza ao amin’ny Filazantsaran’i Matio toko faha-26 sy 27, fa novonoina i Jesosy ny tolakandron’ny 14 Nisana. Paska Jiosy tamin’izay, dia ny 31 Martsa taona 33. Hitantsika ao amin’ny Filazantsaran’i Lioka fa 30 taona teo ho eo i Jesosy, rehefa natao batisa sy nanomboka ny fanompoany. (Lioka 3:21-23) Naharitra telo taona sy tapany izany fanompoany izany. Noho izany, dia 33 taona sy tapany teo ho eo i Jesosy, rehefa maty. Tokony ho feno 34 taona izy ny 1 Oktobra 33. Tantarain’i Lioka fa tamin’ny andro nahaterahan’i Jesosy, dia ‘nitoetra tany an-tsaha ny mpiandry ondry tamin’ny alina, niambina ny andian’ondriny.’ (Lioka 2:8) Tsy ho nijanona teny ivelany niaraka tamin’ny andian’ondriny mihitsy ny mpiandry ondry rehefa Desambra, satria mangatsiaka ny andro amin’io volana io. Misy lanezy mihitsy aza indraindray eny amin’ny manodidina an’i Betlehema. Azon’izy ireo natao tsara anefa ny nankeny ivelany, raha tany amin’ny 1 Oktobra tany ho any, izay azo inoana fa fotoana nahaterahan’i Jesosy.

Ahoana indray ny amin’ny fankalazana ny Taom-baovao? Efa hitantsika teo fa misy fitondran-tena mahamenatra be dia be amin’io fety io. Marina fa navadika ho fety tsy ara-pivavahana izy io, kanefa mampiahiahy koa ny niandohany.

Nohadihadintsika tsara teo ny amin’ny fetin’ny faran’ny taona. Miharihary fa tsy misy ifandraisany amin’i Jesosy mihitsy ilay izy, na dia misy aza ny teny filamatra handrisihana ny olona hahatsiaro azy amin’io fotoana io. Sosotra ve ianao mahita ny fanararaotan’ny mpivarotra sy ny fitondran-tena mahamenatra mandritra io fety io? Manelingelina ny eritreritrao ve hoe avy amin’ny fanompoan-tsampy izy io? Aza kivy raha izany no izy. Misy fomba mety tsara azontsika anomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy Kristy, sady anamafisana ny fatoram-pianakaviana.

Fomba tsara kokoa hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy Kristy

Milaza amintsika ny Baiboly, fa tonga mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro” i Jesosy Kristy. (Matio 20:28) Nanaiky hovonoina izy, mba hanaronana ny fahotantsika. Te hanome voninahitra azy ny olona, ary misy mihevitra fa amin’ny Krismasy izy no afaka manao izany. Hitantsika teo anefa fa zara raha misy ifandraisany amin’i Kristy ny Krismasy sy ny Taom-baovao, sady avy amin’ny fanompoan-tsampy. Fanararaotana mba hahazoam-bola fotsiny koa ny Krismasy, na dia tena mahafinaritra ny olona sasany aza. Ary iaraha-mahalala fa ahitana fitondran-tena mahamenatra io fety io, sady tsy mampifaly an’Andriamanitra sy Kristy.

Inona àry no tokony hataon’ny olona maniry hampifaly an’Andriamanitra? Tsy manaraka an-jambany ireo fombafomba mifanohitra amin’ny Soratra Masina ny olona tso-po, satria fotsiny hoe mahatonga azy hahatsiaro tena ho mpivavaka izany. Mikaroka kosa izy mba hahafantarany hoe ahoana marina no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy Kristy. Ahoana marina àry no hanomezam-boninahitra azy ireo? Inona no tokony hataontsika?

I Kristy mihitsy no nilaza hoe: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Midika izany fa ny olona tso-po, dia manao fikarohana mba hahalalany hoe ahoana marina no hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy Kristy. Mampihatra izay ianarany izy avy eo, nefa tsy amin’ny vanim-potoana manokana ao anatin’ny taona fotsiny, fa eo amin’ny fiainany andavanandro mihitsy. Mahafaly an’Andriamanitra ny ezaka vokatry ny fo toy izany, ary hahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay.

Tianao ve ny fianakavianao raha anisan’ireo tena manome voninahitra an’Andriamanitra sy Kristy, araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina? Fianakaviana an-tapitrisany no efa nampian’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahazo ny fahalalana iankinan’ny aina avy ao amin’ny Baiboly. Manasa anao àry izahay mba hifandray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny toerana misy anao, na hanoratra any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-2 amin’ity gazety ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Ny kalandrie jolianina no nampiasaina tany Rosia, talohan’ilay tolom-bahoaka tamin’ny Oktobra 1917, na dia efa nanaraka ny kalandrie gregorianina fampiasantsika ankehitriny aza ny firenen-kafa. Tara 13 andro ny kalandrie jolianina, raha oharina amin’ny kalandrie gregorianina. Nanjary nanaraka ny kalandrie gregorianina koa ny Sovietika taorian’ilay tolom-bahoaka, ka nitovy tamin’ny firenen-kafa eran-tany i Rosia. Nanaraka ny kalandrie jolianina ihany anefa ny Eglizy Ortodoksa rehefa nankalaza fety, ary nantsoiny hoe kalandrie “Tranainy” izy io. Aza gaga àry raha mahare ianao hoe misy fankalazana Krismasy any Rosia rehefa 7 Janoary. Tadidio fa 7 Janoary amin’ny kalandrie gregorianina, ny 25 Desambra amin’ny kalandrie jolianina. Noho izany, dia izao no andaminan’ny Rosianina ny fetin’ny faran’ny taonany: 25 Desambra, Krismasy toy ny any an-tany hafa; 1 Janoary, Taom-baovao voalohany; 7 Janoary, Krismasy Ortodoksa; 14 Janoary, Taom-baovao araka ny kalandrie Tranainy.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

Ahoana no Niandohan’ny Fetin’ny Taom-baovao?

Mijoro ho Vavolombelona ny Pretra Ortodoksa Iray

“Avy amin’ny fety maromaro fanaon’ny mpanompo sampy tany Roma fahiny, ny fetin’ny Taom-baovao. Ny 1 Janoary, ohatra, dia natokana ho fankalazana an’i Janus, andriamanitry ny mpanompo sampy. Avy amin’ny anarany ny anaran’ilay volana hoe Janoary. Hita amin’ny sary fa nanana tarehy roa i Janus, ka ny iray nitodika tany aloha, ary ny iray nitodika tany aoriana. Te hilaza izany fa sady nahita ny lasa izy, no nahalala ny hoavy. Nino ny olona fahiny fa ho sambatra sy ho salama mandavantaona ianao, raha arahabainao amin’ny fifaliana, hehy, ary sakafo sy zava-pisotro tondraka ny 1 Janoary. Olona maro atỳ amintsika no manaraka izany finoanoam-poana izany, rehefa mankalaza taom-baovao ... Olona mihitsy no natao sorona ho an’ny sampy, tamin’ny fety sasany. Malaza ho nahitana fanaranam-po tamin’ny fitondran-tena maloto sy fanitsakitsaham-bady ary fijangajangana, ny sasany tamin’izy ireny. Ny fetin’i Janus, ohatra, dia feno fanaranam-po tamin’ny sakafo, fibobohan-toaka, fimamoana, ary fahalotoana isan-karazany. Raha tsaroantsika àry fa nankalaza Taom-baovao isika taloha, dia tsy maintsy miaiky isika fa nandray anjara tamin’io fetin’ny mpanompo sampy io.”—Gazety iray any Géorgie.

[Sary, pejy 6]

Nampidirina tao amin’ny Kristianisma Anarana ny fivavahana tamin’i Mithra

[Sary nahazoan-dalana]

Museum Wiesbaden

[Sary, pejy 7]

Mangatsiaka be ny volana Desambra, ka tsy ho nankeny ivelany niaraka tamin’ny andian’ondriny ny mpiandry ondry