Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Ankatoavinao: Andriamanitra sa Olona?

Iza no Ankatoavinao: Andriamanitra sa Olona?

Iza no Ankatoavinao: Andriamanitra sa Olona?

“Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—ASAN’NY APOSTOLY 5:29.

1. a) Inona no andinin-teny fototr’ity fianarana ity? b) Nahoana ireo apostoly no nosamborina?

AZO antoka fa tezitra be ireo mpitsara tao amin’ny fitsarana tampony jiosy, satria tsy hita izay nalehan’ireo voafonja. Tsy iza izy ireo fa ny apostolin’i Jesosy Kristy, ilay lehilahy nomelohin’ilay fitsarana avo ho faty, herinandro vitsivitsy talohan’izay. Vonona ny hifanehatra tamin’ireo mpanara-dia azy akaiky izao ilay fitsarana. Rehefa nirahina haka azy ireo anefa ny mpiambina, dia foana ilay efitra figadrana, nefa nihidy ny varavarana. Ren’ireo mpiambina, taoriana kelin’izay, fa tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ireo apostoly, sady tsy natahotra akory nampianatra momba an’i Jesosy Kristy. Izany ihany anefa no efa nisamborana azy ireo! Nankany amin’ny tempoly avy hatrany ireo mpiambina, nisambotra azy ireo indray, ary nitondra azy teo anatrehan’ny fitsarana.—Asan’ny Apostoly 5:17-27.

2. Inona no didy nomen’ny anjely an’ireo apostoly?

2 Nafahan’ny anjely avy tao am-ponja ireo apostoly. Nahoana? Mba hiarovana azy ireo amin’ny fanenjehana ho avy ve? Tsia. Nafahana izy ireo, satria tokony handre ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy ny mponin’i Jerosalema. Nandidy azy ireo ilay anjely, mba tsy ‘hitsahatra hitory amin’ny olona ny teny rehetra momba izany fiainana izany.’ (Asan’ny Apostoly 5:19, 20) Teo am-pankatoavana an’io didy io àry izy ireo, rehefa tonga hisambotra azy ny mpiambina ny tempoly.

3, 4. a) Inona no navalin’i Petera sy Jaona rehefa norarana tsy hitory izy ireo? b) Inona no navalin’ny apostoly hafa?

3 Efa niakatra fitsarana ny roa tamin’ireo apostoly be fikirizana ireo, dia ny apostoly Petera sy Jaona. Sosotra i Josefa Kaiafa, filohan’ny fitsarana tampony, rehefa nampahatsiahy azy ireo hoe: “Efa noraranay mafy ianareo tsy hampianatra intsony [amin’ny anaran’i Jesosy], nefa jereo fa nofenoinareo ny fampianaranareo i Jerosalema.” (Asan’ny Apostoly 5:28) Tsy tokony ho gaga anefa i Kaiafa, raha nahita an’i Petera sy Jaona teo anatrehan’ny fitsarana indray. Rehefa norarana tsy hitory mantsy izy ireo tamin’ny voalohany, dia namaly hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo fa tsy Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” Toa an’i Jeremia, mpaminany fahiny, dia tsy afaka nanajanona ny asa fitoriana nanirahana azy izy ireo.—Asan’ny Apostoly 4:18-20; Jeremia 20:9.

4 Tsy i Petera sy Jaona ihany anefa tamin’io fotoana io, no afaka nanambara ny toerana notanany teo anatrehan’ny fitsarana, fa ny apostoly rehetra, anisan’izany i Matia, ilay apostoly vao nofidina. (Asan’ny Apostoly 1:21-26) Sahy namaly toy izao izy ireo, rehefa norarana tsy hitory: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asan’ny Apostoly 5:29.

Hankatò an’Andriamanitra sa ny olona?

5, 6. Nahoana ireo apostoly no tsy nankatò ny didy navoakan’ny fitsarana?

5 Mpanaja lalàna ny apostoly, sady tsy mpandika ireo didy navoakan’ny fitsarana. Tsy misy olona anefa, na dia manana fahefana toy inona aza, manan-jo handrara olon-kafa tsy hankatò ny didin’Andriamanitra. I Jehovah mantsy no “Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” (Salamo 83:18) Ary tsy hoe “Mpitsara ny tany rehetra” fotsiny izy, fa Mpanome Lalàna Fara Tampony koa sady Mpanjakan’ny mandrakizay. Tsy manan-kery eo imasony àry izay didy avoakan’ny fitsarana, raha mifanohitra amin’ny iray amin’ireo didiny.—Genesisy 18:25; Isaia 33:22.

6 Niaiky ny fahamarinan’izany ny mpahay lalàna ikoizana sasany, toa an’i William Blackstone, Anglisy nalaza tamin’ny taonjato faha-18. Nilaza izy fa tsy misy lalàn’olombelona tokony havela handika ny “lalàna naharihary” ao amin’ny Baiboly. Nihoa-pefy àry ny Fitsarana Avo, rehefa nandidy an’ireo apostoly tsy hitory intsony. Tsy afaka ny hankatò io didy io mihitsy izy ireo.

7. Nahoana no nahatezitra ny lohan’ny mpisorona ny asa fitoriana?

7 Tezitra ny lohan’ny mpisorona, rehefa nahita fa mbola tapa-kevitra ny hitory ihany ny apostoly. Sadoseo tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty mantsy ny mpisorona sasany, anisan’izany i Kaiafa. (Asan’ny Apostoly 4:1, 2; 5:17) Nanizingizina anefa ireo apostoly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nanao izay hahazoana sitraka tamin’ny mpitondra romanina koa ny lohan’ny mpisorona sasany. Rehefa nilazana, ohatra, izy ireo nandritra ny fitsarana an’i Jesosy fa afaka ny ho mpanjakan’izy ireo izy, dia vitan’ireo lohan’ny mpisorona ny niantsoantso hoe: “Tsy manana mpanjaka ankoatra an’i Kaisara izahay.” (Jaona 19:15) * Tsy nilaza fotsiny ireo apostoly hoe natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nampianatra koa izy ireo fa ankoatra ny anaran’i Jesosy, dia “tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny Apostoly 2:36; 4:12) Natahotra àry ny mpisorona. Raha nanomboka nihevitra an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty ho Mpitarika azy mantsy ny vahoaka, dia mety ho avy ny Romanina, ka hafoin’ny mpitarika jiosy ny ‘toeram-pivavahany sy ny fireneny.’—Jaona 11:48.

8. Inona no torohevitra feno fahendrena nomen’i Gamaliela ny Fitsarana Avo?

8 Toa tsy nisy nantenaina ny apostolin’i Jesosy Kristy. Tapa-kevitra ny hamono azy ireo mantsy ny Fitsarana Avo. (Asan’ny Apostoly 5:33) Nitsimbadika tampoka anefa ny toe-javatra. Nitsangana i Gamaliela, mpahay Lalàna, ary nampitandrina an’ireo mpitsara hafa mba tsy hanao zavatra maimaika. Feno fahendrena ny teniny hoe: ‘Raha avy amin’olombelona izao fikasana na asa izao, dia ho rava, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy.’ Nilaza an’ity hevi-dehibe hafa ity koa izy avy eo: “Sao dia ho hita fa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”—Asan’ny Apostoly 5:34, 38, 39.

9. Inona no porofo fa avy tamin’Andriamanitra ny asan’ireo apostoly?

9 Nahagaga fa nanaraka ny torohevitr’i Gamaliela ilay fitsarana. “Nampiantso ny apostoly” izy io, “ary nikapoka sy nandrara azy tsy hiteny intsony tamin’ny anaran’i Jesosy, dia namela azy handeha.” Tsy nampahatahotra an’ireo apostoly izany. Tapa-kevitra ny hankatò ny didy hitory nomen’ilay anjely kosa izy ireo. Rehefa nafahana àry izy ireo, dia “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, ... isan’andro, na tao amin’ny tempoly izany na isan-trano.” (Asan’ny Apostoly 5:40, 42) Notahin’i Jehovah ny ezaka nataon’izy ireo, satria “tsy nitsahatra niroborobo ny tenin’Andriamanitra, ka nihamaro ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema, ary mpisorona maro be [mihitsy aza] no nanjary nanaiky ny finoana.” (Asan’ny Apostoly 6:7) Azo antoka fa nanahiran-tsaina ny lohan’ny mpisorona izany! Nihamaro hatrany ny porofo fa avy tamin’Andriamanitra tokoa ny asan’ireo apostoly!

Tsy handresy ny mpiady amin’Andriamanitra

10. Nahoana i Kaiafa no nety ho nieritreritra fa tsy hiala tamin’ny toerany mihitsy, nefa nahoana no tsy nety ny natokisany olona?

10 Ny mpitondra romanina no nanendry ny mpisoronabe jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. I Valerius Gratus, ohatra, no nanendry an’i Josefa Kaiafa, lehilahy mpanankarena, ho mpisoronabe. Elaela ihany no nitanan’i Kaiafa an’io toerana io, raha oharina tamin’ireo mpisoronabe talohany. Nieritreritra angamba izy fa noho izy nahay nifandray tamin’olona sy namana akaikin’i Pilato no nahavitany izany, fa tsy noho ny fitondran’Andriamanitra. Na ahoana na ahoana, dia tsy nety ny natokisany olona. Tsy tian’ny mpitondra romanina intsony izy, telo taona monja taorian’ny nisehoan’ny apostoly teo anatrehan’ny Fitsarana Avo. Nesorina tsy ho mpisoronabe àry izy.

11. Inona no niafaran’i Pontio Pilato sy ny tontolo jiosy, ary inona no fanatsoahan-kevitrao?

11 I Lucius Vitellius, governoran’i Syria sady lehiben’i Pilato, no nanala an’i Kaiafa tamin’ny toerany. Tsy afaka nisakana izany i Pilato, ilay namana akaikin’i Kaiafa. Herintaona monja taorian’ny nanesorana an’i Kaiafa tsy ho mpisoronabe, dia nesorina tamin’ny toerany koa i Pilato. Nasaina niverina tany Roma izy mba hotsaraina, noho ireo fiampangana lehibe momba azy. Tonga tokoa ny Romanina naka ‘ny toeram-pivavahana sy ny firenen’[ireo]’ mpitarika jiosy natoky an’i Kaisara. Nitranga izany tamin’ny taona 70, rehefa noravan’ny tafika romanina tanteraka i Jerosalema, anisan’izany ny tempoly sy ny lapan’ny Fitsarana Avo. Marina tokoa ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy”!—Jaona 11:48; Salamo 146:3.

12. Inona no manaporofo fa fahendrena ny mankatò an’Andriamanitra, rehefa dinihina ny ohatr’i Jesosy?

12 Notendren’Andriamanitra ho Mpisoronaben’ny tempoly lehibe ara-panahy kosa i Jesosy Kristy, rehefa natsangana tamin’ny maty. Tsy misy olona mahafoana izany fanendrena izany. “Manana fisoronana tsy misy mpandimby” tokoa i Jesosy. (Hebreo 2:9; 7:17, 24; 9:11) Notendren’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty koa izy. (1 Petera 4:5) Izy àry no hamaritra raha mbola hatsangana amin’ny maty na tsia, i Josefa Kaiafa sy Pontio Pilato.—Matio 23:33; Asan’ny Apostoly 24:15.

Tsy matahotra ny mpitory ilay Fanjakana ankehitriny

13. Inona ankehitriny no asa avy amin’ny olona, ary inona no asa avy amin’Andriamanitra? Ahoana no ahalalanao izany?

13 Tsy vitsy koa ny “mpiady amin’Andriamanitra” ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato voalohany. (Asan’ny Apostoly 5:39) Nivoady ny handripaka ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, ohatra, i Adolf Hitler, rehefa tsy nanaiky azy ho Mpitarika izy ireo. (Matio 23:10) Ampy fitaovana tokoa ireo mpomba an’i Hitler mba hamonoana azy ireo. Nahavita nisambotra Vavolombelona an’arivony ny Nazia, ary nandefa azy ireny tany amin’ny toby fitanana. Nisy mihitsy aza novonoin’izy ireo ho faty. Tsy vitany anefa ny nampiova hevitra ny Vavolombelona, fa mbola tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra irery ihany izy ireo. Tsy vitany koa ny namongotra ny mpanompon’Andriamanitra. Avy tamin’Andriamanitra ny asan’ireny Kristianina ireny, fa tsy avy tamin’ny olona. Ary tsy misy maharava ny asan’Andriamanitra. Enim-polo taona atỳ aoriana, dia mbola manompo an’i Jehovah ‘amin’ny fony manontolo sy ny tenany manontolo ary ny sainy manontolo’, ireo Kristianina mahatoky tsy maty tany amin’ny toby fitanana. Maty kosa i Hitler ary tsy misy intsony ny Nazia, ka ny asa ratsiny sisa no tsaroana.—Matio 22:37.

14. a) Ahoana no nanendrikendrehan’ny mpanohitra an’ireo mpanompon’Andriamanitra, ary inona no vokany? b) Hitondra fahavoazana maharitra ho an’ny vahoakan’Andriamanitra ve izany? (Hebreo 13:5, 6)

14 Taorian’ny ezaka nataon’ny Nazia, dia misy hafa koa miady amin’i Jehovah sy ny vahoakany. Toy ny atody miady amam-bato anefa ireo mpanohitra ireo. Fetsifetsy ny mpitondra fivavahana sy mpitondra fanjakana any amin’ny tany maro any Eoropa, ka miezaka mafy hampino ny olona hoe ‘sekta mampidi-doza’ ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny nahazo an’ireo Kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 28:22) Efa neken’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona anefa fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia fivavahana fa tsy sekta. Azo antoka fa fantatry ny mpanohitra izany. Mbola manoso-potaka ny Vavolombelona ihany anefa izy ireo. Noho izany fanendrikendrehana izany, dia misy Kristianina voaroaka amin’ny asany, ary misy zanaka Vavolombelona ampijalina any am-pianarana. Matahotra koa ny tompon-trano sasany ka mivadika amin’ny fifanekeny. Tsy avelany hivorian’ny Vavolombelona intsony ny tranony, na dia efa nanofa azy io an-taonany maro aza izy ireo. Misy mihitsy aza mpitondra fanjakana vitsivitsy mandà tsy hanome ny zom-pirenena ho an’ny olona sasany, satria fotsiny hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo! Tsy kivy anefa ny Vavolombelona.

15, 16. Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa, na dia misy manohitra aza ny asa kristianina ataony? Nahoana izy ireo no mbola mitory foana?

15 Mahay mandanjalanja sy malala-tsaina, ohatra, ny mponina any Frantsa, amin’ny ankapobeny. Misy mpanohitra vitsivitsy anefa mamoaka lalàna natao hanakantsakanana ny asan’ilay Fanjakana, any amin’io tany io. Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah manoloana izany? Vao mainka izy ireo mampitombo ny asa fitoriany, mihoatra noho ny hatramin’izay mihitsy aza. Ary tena mahafaly ny vokatra azon’izy ireo. (Jakoba 4:7) Nitombo 33 isan-jato ny isan’ny fampianarana Baiboly any, tao anatin’ny enim-bolana monja! Azo antoka fa romotra ny Devoly mahita an’ireo olona tso-po any Frantsa, mandray ny vaovao tsara. (Apokalypsy 12:17) Matoky ireo Kristianina namantsika any Frantsa, fa ho tanteraka amin’izy ireo ny tenin’i Isaia mpaminany hoe: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra.”—Isaia 54:17.

16 Tsy mahafinaritra ny Vavolombelon’i Jehovah ny enjehina. Tsy afaka ny tsy hiresaka momba izay reny anefa izy ireo, ary tsy hitsahatra hanao izany mihitsy, satria mankatò ny didin’Andriamanitra. Miezaka ny ho olom-pirenena mahafatra-po izy ireo. Rehefa mifanipaka anefa ny lalàn’Andriamanitra sy ny lalàn’olombelona, dia Andriamanitra no tsy maintsy ankatoaviny, satria izy no mpitondra azy ireo.

Aza matahotra azy ireo

17. a) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny fahavalontsika? b) Ahoana no tokony ho fihetsitsika manoloana ny mpanenjika?

17 Mitady loza mihitsy ny fahavalontsika. Miady amin’Andriamanitra mantsy izy ireo. Tsy matahotra an’ireo mpanenjika antsika àry isika, fa mivavaka ho azy ireo kosa, araka ny nandidian’i Jesosy. (Matio 5:44) Angamba noho ny tsy fahalalany no hanoherany an’Andriamanitra, toy ny nataon’i Saoly avy any Tarsosy. Raha izany no izy, dia mivavaka isika mba hanokafan’i Jehovah ny masony, ka hahitany ny fahamarinana. (2 Korintianina 4:4) Niova ho Paoly, apostoly kristianina, i Saoly ary tena nampijaly azy ny fitondram-panjakana tamin’ny androny. Nampahatsiahy ny mpiray finoana taminy foana anefa izy “mba hanaiky sy hankatò ny fanjakana sy ny manam-pahefana mpitondra, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hanaratsy olona [eny, fa na dia ireo olona fatra-panenjika azy ireo aza], tsy ho tia ady, fa handefitra sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.” (Titosy 3:1, 2) Miezaka mampihatra an’io torohevitra io ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa sy any an-toeran-kafa.

18. a) Amin’ny fomba ahoana avy no mety hamonjen’i Jehovah ny vahoakany? b) Inona no hiafaran’ilay raharaha?

18 Hoy Andriamanitra tamin’i Jeremia mpaminany: “Momba anao hamonjy anao Aho.” (Jeremia 1:8) Ahoana no mety hamonjen’i Jehovah antsika ankehitriny, raha tojo fanenjehana isika? Mety hataony izay hisian’ny mpitsara tsy miangatra toa an’i Gamaliela. Na mety hesoriny tampoka tsy ho eo amin’ny toerany ny manam-pahefana iray tia kolikoly na manohitra, ka hosoloany olona mahay mandanjalanja kokoa. Indraindray anefa mety havelan’i Jehovah hitohy ny fanenjehana ny vahoakany. (2 Timoty 3:12) Raha avelany hitranga izany, dia homeny hery hiaretana hatrany isika. (1 Korintianina 10:13) Azontsika antoka ny hiafaran’ilay raharaha, na inona na inona avelany hitranga: Miady amin’Andriamanitra ireo miady amin’ny vahoakany, ka tsy handresy mihitsy.

19. Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2006, ary nahoana izy io no mety tsara?

19 Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa hiatrika fahoriana izy ireo. (Jaona 16:33) Tena ara-potoana tokoa àry ny teny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29 manao hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” Izany no nifidianana azy io ho andinin-tenin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ny taona 2006. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra foana na inon-kidona na inon-kihatra, mandritra ny taona ho avy sy ho mandrakizay!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 I Tiberio, mpanjaka romanina tsy tiam-bahoaka, ilay “Kaisara” nofidin’ny lohan’ny mpisorona tamin’io fotoana io. Mpihatsaravelatsihy izy sady mpamono olona, ary nalaza ho mpanao firaisana mamoafady.—Daniela 11:15, 21.

Hainao Valiana Ve?

• Inona no ohatra mampahery navelan’ny apostoly ho antsika, rehefa nenjehina izy ireo?

• Nahoana no Andriamanitra foana no tokony hankatoavintsika fa tsy olona?

• Iza raha ny marina no iadian’ireo mpanohitra antsika?

• Inona no ampoizintsika fa ho azon’ireo miaritra fanenjehana, amin’ny farany?

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 23]

Izao no andinin-teny ho an’ny taona 2006: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.” —Asan’ny Apostoly 5:29.

[Sary, pejy 19]

“Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay”

[Sary, pejy 21]

Natoky olona i Kaiafa fa tsy natoky an’Andriamanitra