Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao no Fotoana Handraisana Fanapahan-kevitra Hentitra

Izao no Fotoana Handraisana Fanapahan-kevitra Hentitra

Izao no Fotoana Handraisana Fanapahan-kevitra Hentitra

“Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?”—1 MPANJAKA 18:21.

1. Inona no mampiavaka ny fotoana iainantsika?

MINO ve ianao fa i Jehovah irery no tena Andriamanitra? Inoanao koa ve fa ‘andro faran’ny’ tontolo ratsin’i Satana izao, araka ny faminanian’ny Baiboly? (2 Timoty 3:1) Azo antoka àry fa ekenao hoe izao indrindra no fotoana tokony handraisana fanapahan-kevitra hentitra. Ain’olona maro be mantsy no tandindomin-doza, ary mbola tsy nisy toy izany hatramin’izay.

2. Inona no nitranga tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahaba?

2 Nila nandray fanapahan-kevitra tena lehibe ny firenen’ny Israely, tamin’ireo taona 900 T.K. Iza no hotompoiny? Nampiroborobo ny fivavahana tamin’i Bala tany amin’ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely i Ahaba Mpanjaka, rehefa nampirisihin’i Jezebela, ilay vadiny mpanompo sampy. Andriamanitry ny fahavokarana i Bala, ary noheverina fa avy aminy ny orana sy ny vokatra be. Maro angamba ny mpivavaka tamin’i Bala niankohoka teo anoloan’ny sarivongany, na nanao fihetsika tamin’ny tanana ho fanorohana azy io. Nanao firaisana tamin’ny mpivaro-tenan’ny tempoly izy ireo, mba hitahian’i Bala ny voliny sy ny biby fiompiny. Fanaon’izy ireo koa ny nitetika ny tenany mba hivoahan’ny ra.—1 Mpanjaka 18:28.

3. Inona no nitranga tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, noho ny fisian’ny fivavahana tamin’i Bala?

3 Israelita 7 000 teo ho eo ihany, no tsy nety nanaraka an’ilay fivavahana nanjakan’ny fanompoan-tsampy sy fitondran-tena maloto ary herisetra. (1 Mpanjaka 19:18) Nenjehina izy ireo rehefa tsy nety nivadika tamin’ny fifanekeny tamin’i Jehovah Andriamanitra. Maro, ohatra, ny mpaminanin’i Jehovah novonoin’i Jezebela Vadi-mpanjaka. (1 Mpanjaka 18:4, 13) Latsaka an-katerena ny Israelita, ka maro taminy no nanao karazana fivavahana iraisam-pinoana, mba hampifaliana an’i Jehovah sy Bala. Nivadi-pinoana anefa ny Israelita iray, raha nandao an’i Jehovah ka nanompo andriamani-diso. Nampanantena i Jehovah fa hitahy ny Israelita, raha tia azy sy nankatò ny didiny izy ireo. Nampitandrina kosa izy, fa hofongorany izy ireo raha nanompo andriamani-kafa, satria Andriamanitra “saro-piaro” izy.—Deoteronomia 5:6-10; 28:15, 63.

4. Inona no nolazain’i Jesosy sy ny apostoliny mialoha fa hitranga amin’ny Kristianina, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

4 Toy izany koa ny zava-misy eo anivon’ny Kristianisma Anarana, ankehitriny. Milaza ho Kristianina ireo mpiangona, nefa tsy mifanaraka amin’izay ampianarin’ny Baiboly ny fetiny sy ny fitondran-tenany ary ny zavatra inoany. Manahaka an’i Jezebela ny mpitondra fivavahana, ka loha laharana amin’ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah. Efa hatry ny ela koa izy ireo no nanohana ady, ka nanjary tompon’andraikitra tamin’ny fahafatesan’ireo mpiangona an-tapitrisany. Milaza ny Baiboly fa mijangajanga ny fivavahana manohana fitondram-panjakana toy izany. (Apokalypsy 18:2, 3) Vao mainka leferin’ny Kristianisma Anarana koa ny fitondran-tena maloto, na dia ny mpitondra fivavahana aza no manao izany. Efa niresaka mialoha an’io fivadiham-pinoana lehibe io, i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. (Matio 13:36-43; Asan’ny Apostoly 20:29, 30; 2 Petera 2:1, 2) Inona no hiafaran’ireo olona arivo tapitrisa mahery anisan’ny Kristianisma Anarana? Inona kosa no andraikitry ny tena mpivavaka amin’i Jehovah amin’izy ireny sy ireo olon-kafa voafitaky ny fivavahan-diso? Hahita ny valin’izany isika, rehefa mandinika ilay zava-niseho tena nanaitra, izay niafara tamin’ny ‘fandravana an’i Bala tsy ho amin’ny Israely.’—2 Mpanjaka 10:28.

Tian’Andriamanitra ilay vahoakany nania

5. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tia sy niahy ny vahoakany nania izy?

5 Tsy mahafinaritra an’i Jehovah Andriamanitra ny manasazy an’ireo mivadika aminy. Ray be fitiavana izy, ka tiany hibebaka sy hiverina aminy ny ratsy fanahy. (Ezekiela 18:32; 2 Petera 3:9) Izany no nandefasany mpaminany maro tamin’ny andron’i Ahaba sy Jezebela, mba hampitandrina ny vahoakany ny amin’ny vokatry ny fivavahana tamin’i Bala. Anisan’ireny mpaminany ireny i Elia. Nasainy novorin’i Ahaba Mpanjaka tany an-tendrombohitra Karmela ny Israelita sy ny mpaminanin’i Bala, taorian’ilay hain-tany nambara mialoha.—1 Mpanjaka 18:1, 19.

6, 7. a) Ahoana no nampihariharian’i Elia ny antony nahatonga ny Israely hivadi-pinoana? b) Inona no nataon’ny mpaminanin’i Bala? d) Inona no nataon’i Elia?

6 Vory lanona ny rehetra, teo amin’ilay toerana nisy ny alitaran’i Jehovah. ‘Efa noravana’ izy io, angamba mba hampifaliana an’i Jezebela. (1 Mpanjaka 18:30) Tsy nahazo antoka anefa ireo Israelita nanatrika teo hoe i Jehovah sa i Bala, no tena hahavita handrotsaka ny orana nilainy. Mpaminany 450 no nisolo tena an’i Bala, fa i Elia irery no nisolo tena an’i Jehovah. Nahariharin’i Elia ny fototry ny zava-manahirana azy ireo. Hoy izy: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?” Niteny nivantana kokoa izy avy eo hoe: “Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy.” Notaomin’i Elia hanao fitsapana hamantarana izay tena Andriamanitra ireo Israelita niroa saina ireo, mba hampirisihana azy ireo hanompo an’i Jehovah irery ihany. Omby roa no hatao fanatitra, ka ny iray ho an’i Jehovah ary ny iray ho an’i Bala. Izay mandevona amin’ny afo ny fanatitra nomena azy no tena Andriamanitra. Vonona ny fanatitry ny mpaminanin’i Bala. Nangataka nandritra ny ora maro izy ireo hoe: “Ry Bala ô, henoy izahay!” Rehefa nanomboka naneso azy ireo i Elia, dia nitetika ny tenany izy ireo mandra-pivoakan’ny ra. Niantso mafy araka izay tratrany koa izy ireo, nefa tsy nisy namaly.—1 Mpanjaka 18:21, 26-29.

7 Tonga ny anjaran’i Elia. Namboariny aloha ilay alitaran’i Jehovah, ary napetrany teo amboniny ilay vantotr’omby efa voarasa. Nasainy nararaka teo ambonin’ilay fanatitra ny rano efatra siny. Intelo no nanaovana izany, mandra-pahafenon’ilay hady kely nanodidina ny alitara. Nivavaka toy izao i Elia avy eo: “Jehovah ô, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao. Mihainoa ahy, mihainoa ahy, Jehovah ô, mba hahafantaran’ireto olona ireto fa Hianao Jehovah no Andriamanitra, ary Hianao no mampiverina ny fony indray.”—1 Mpanjaka 18:30-37.

8. Ahoana no namalian’Andriamanitra ny vavak’i Elia, ary inona no nataon’ilay mpaminany?

8 Namaly vavaka ilay tena Andriamanitra. Nolevoniny tamin’ny afo avy tany an-danitra ilay fanatitra sy alitara. Ritra koa na dia ny rano tao amin’ilay hady kely nanodidina ny alitara aza! Alao sary an-tsaina ny vokatr’izany teo amin’ny Israelita. “Niankohoka [izy ireo] ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.” Nandray fanapahan-kevitra hentitra indray i Elia teo, ka nandidy ny Israelita hoe: “Sambory ny mpaminanin’i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza.” Novonoina teo am-pototry ny Tendrombohitra Karmela avokoa ny mpaminanin’i Bala 450.—1 Mpanjaka 18:38-40.

9. Inona indray no fitsapana nihatra tamin’ny mpivavaka marina?

9 Tamin’io andro tsy hay hadinoina io i Jehovah vao nandrotsaka orana tao amin’ilay tany, tao anatin’ny telo taona sy tapany! (Jakoba 5:17, 18) Mety ho azonao an-tsaina ny zavatra noresahin’ireo Israelita rehefa nody. Nohamarinin’i Jehovah fa izy no tena Andriamanitra. Tsy nilavo lefona anefa ny mpivavaka tamin’i Bala. Mbola nanenjika ny mpanompon’i Jehovah foana i Jezebela. (1 Mpanjaka 19:1, 2; 21:11-16) Niharam-pitsapana indray ny tsy fivadihan’ny vahoakan’Andriamanitra. Mbola hivavaka amin’i Jehovah irery ihany ve izy ireo, amin’ny andro hampiharany didim-pitsarana amin’ny mpivavaka amin’i Bala?

Mandraisa fanapahan-kevitra hentitra dieny izao

10. a) Inona no ataon’ny Kristianina voahosotra ankehitriny? b) Inona avy no ataon’izay mankatò an’ilay didy ao amin’ny Apokalypsy 18:4?

10 Manao asa toy ny an’i Elia ny Kristianina voahosotra ankehitriny. Ampitandreman’izy ireo ny olona amin’ny firenena rehetra, anisan’ny Kristianisma Anarana na tsia, fa ahitan-doza ny fanarahana fivavahan-diso. Ataony am-bava sy amin’ny alalan’ny boky sy gazety izany. Olona an-tapitrisany àry no nandray fanapahan-kevitra hentitra, ka niala tamin’ny fivavahan-diso. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo, ary lasa mpianatr’i Jesosy Kristy vita batisa. Tena namaly ny antso maika nataon’Andriamanitra izy ireo. Hoy mantsy izy momba ny fivavahan-diso: “Mivoaha ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.”—Apokalypsy 18:4.

11. Mila manao inona ny olona raha te hankasitrahan’i Jehovah?

11 Olona an-tapitrisany anefa no mbola tsy mahazo antoka izay tokony hataony, na dia liana amin’ny hafatra ara-baiboly aelin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza. Tonga mamonjy fivoriana kristianina, toy ny Sakafo Harivan’ny Tompo na fivoriambe, ny sasany amin’izy ireny indraindray. Asaina handinika tsara an’izao tenin’i Elia izao ny olona toy ireny: “Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo?” (1 Mpanjaka 18:21) Tsy tokony hangataka andro izy ireo, fa handray fanapahan-kevitra hentitra dieny izao, ary hiezaka ho tonga mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa. Mety tsy ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo raha tsy izany!—2 Tesalonianina 1:6-9.

12. Inona no toe-javatra mampidi-doza misy ny Kristianina vita batisa sasany, ary inona no tokony hataon’izy ireo?

12 Mampalahelo fa lasa mpitory tapatapaka na tsy mitory intsony, ny Kristianina vita batisa sasany. (Hebreo 10:23-25; 13:15, 16) Misy koa tsy mazoto intsony satria matahotra fanenjehana, manahy ny amin’izay ilainy eo amin’ny fiainana, te hanan-karena, na tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany. Efa nilaza i Jesosy fa ireo zavatra ireo indrindra no hampihemotra, hangeja, ary hamandrika ny sasany amin’ny mpanara-dia azy. (Matio 10:28-33; 13:20-22; Lioka 12:22-31; 21:34-36) Tsy tokony “hiroa saina” ny olona toy izany, fa “hafana fo sy hibebaka”, izany hoe handray fanapahan-kevitra hentitra ka hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany indray.—Apokalypsy 3:15-19.

Ho fongotra tampoka ny fivavahan-diso

13. Lazalazao ny zava-niseho teo amin’ny Israely, tamin’ny fotoana nanosorana an’i Jeho ho mpanjaka.

13 Ilaina maika ny handraisan’ny olona fanapahan-kevitra hentitra dieny izao. Izany no asehon’ilay zava-nitranga teo amin’ny Israely, 18 taona teo ho eo taorian’ny nandaminana ilay adihevitra ny amin’izay tena Andriamanitra, tany an-tendrombohitra Karmela. Tonga tampoka sy tsy nampoizina ny andro nitsaran’i Jehovah ny fivavahana tamin’i Bala, nandritra ny fotoana nanompoan’i Elisa, mpandimby an’i Elia. I Jorama, zanak’i Ahaba, no mpanjakan’ny Israely, ary mbola velona i Jezebela reniny. Naniraka mangingina ny mpanompony i Elisa, mba hanosotra an’i Jeho mpitari-tafika ho mpanjaka. Tany Ramota-gileada, tany atsinanan’i Jordana, i Jeho tamin’izay, ary nitarika ny ady nataon’ny Israely tamin’ny fahavalony. I Jorama Mpanjaka kosa notsaboina tany Jezirela, teo amin’ny lemaka iray akaikin’i Megido, satria naratra tany an’ady.—2 Mpanjaka 8:29–9:4.

14, 15. Inona no baiko azon’i Jeho, ary ahoana no nanatontosany izany?

14 Nanome baiko an’i Jeho toy izao i Jehovah: “Hamely ny tamingan’i Ahaba tomponao hianao, mba hampanodiaviko an’i Jezebela ny ran’ny mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra. Eny, ho fongotra ny taranak’i Ahaba rehetra; ... Jezebela hohanin’ny alika ao amin’ny tany Jezirela, ka tsy hisy handevina azy.”—2 Mpanjaka 9:7-10.

15 Tsy niroa saina i Jeho. Tsy nitaredretra izy fa nandray ny kalesiny, ary nirimorimo nankany Jezirela. Fantatry ny mpitily iray tany Jezirela ny fomba fitondran’i Jeho kalesy, ka nitatitra izany tamin’i Jorama Mpanjaka izy. Nandray ny kalesiny àry i Jorama, ary lasa nitsena ny mpitari-tafiny. Hoy i Jorama rehefa nifanena izy ireo: “Fihavanana va, ry Jeho?” Namaly i Jeho hoe: “Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?” Saika handositra i Jorama Mpanjaka. Notifirin’i Jeho tamin’ny tsipìka anefa izy, ka voa teo amin’ny fony ary maty.—2 Mpanjaka 9:20-24.

16. a) Inona no toe-javatra tsy nampoizina natrehin’ny tandapan’i Jezebela? b) Ahoana no nahatanterahan’ny tenin’i Jehovah momba an’i Jezebela?

16 Nirimorimo nankany an-tanàna avy hatrany i Jeho. Nijery azy avy teo am-baravarankely i Jezebela be makiazy, ka sady niarahaba no nandrahona. Tsy namaly azy i Jeho, fa niantso olon-kafa hanampy azy. Hoy izy: “Iza aminareo ireo no momba ahy? Iza?” Nila nandray fanapahan-kevitra hentitra ny mpanompon’i Jezebela tamin’izay. Nitsirika avy teo am-baravarankely ny tandapa roa na telo. Niharam-pitsapana avy hatrany ny tsy fivadihan’izy ireo. Nanome baiko i Jeho hoe: “Azerao io vehivavy io.” Nazeran’ireo tandapa i Jezebela, ary nohitsakitsahin’ny soavaly sy ny kalesin’i Jeho teo amin’ny lalana. Maty ilay mpitarika ny fivavahana tamin’i Bala, teo amin’ny Israely. Mendrika izany izy. Mbola tsy voalevina akory izy, dia efa lanin’ny alika ny nofony, araka ny efa nambara mialoha.—2 Mpanjaka 9:30-37.

17. Inona no vao mainka inoantsika fa hitranga amin’ny hoavy, rehefa dinihina ny nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany tamin’i Jezebela?

17 Ho fongotra tampoka toy izany, ilay mpivaro-tena an’ohatra atao hoe “Babylona Lehibe.” Izy io dia manondro ny fivavahan-diso rehetra, izay anisan’ny tontolon’i Satana sy niandoha tany Babylona fahiny. Rehefa ringana ny fivavahan-diso rehetra, dia haringan’i Jehovah Andriamanitra koa ny olon-drehetra anisan’ny tontolo tsy ara-pivavahan’i Satana. Fanomanana an’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana izany.—Apokalypsy 17:3-6; 19:19-21; 21:1-4.

18. Inona no nanjo ny mpivavaka tamin’i Bala teo amin’ny Israely, taorian’ny nahafatesan’i Jezebela?

18 Naringan’i Jeho Mpanjaka avy hatrany ny taranak’i Ahaba sy ireo tena mpanohana azy, taorian’ny nahafatesan’i Jezebela. (2 Mpanjaka 10:11) Mbola maro anefa ny mpivavaka tamin’i Bala tao amin’ilay tany. Nandray fanapahan-kevitra hentitra momba azy ireo koa i Jeho, mba hampisehoany ny ‘zotom-pony ho an’i Jehovah.’ (2 Mpanjaka 10:16) Niseho ho mpivavaka tamin’i Bala i Jeho, ary nandamina fety be tao amin’ilay tempolin’i Bala, izay naorin’i Ahaba tany Samaria. Tonga tao amin’ilay fety daholo ny mpivavaka tamin’i Bala rehetra teo amin’ny Israely. Matin’ny miaramilan’i Jeho izy ireo, satria tsy nisy nialany tao amin’ilay tempoly intsony. Mamarana an’ilay tantara toy izao ny Baiboly: “Toy izany no nandravan’i Jeho an’i Bala tsy ho amin’ny Isiraely.”—2 Mpanjaka 10:18-28.

19. Inona no fanantenana mahatalanjona ananan’ny “vahoaka be” anisan’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika?

19 Fongotra teo amin’ny Israely ny fivavahana tamin’i Bala. Ho fongotra tampoka sy tsy hampoizina toy izany koa ny fivavahan-dison’ity tontolo ity. Iza no hiandanianao amin’io andro lehibe hampiharana didim-pitsarana io? Mandraisa fanapahan-kevitra hentitra dieny izao, dia mety hahazo tombontsoa ho anisan’ilay “vahoaka be” ianao, ka ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” Ho faly ianao amin’izay hitodika ny lasa, ary hidera an’Andriamanitra noho izy nitsara an’ilay “mpivaro-tena lehibe, izay nanimba ny tany tamin’ny fijangajangany.” Hekenao sy ny mpivavaka marina rehetra koa izay voalazan’ity hira mampientam-po avy any an-danitra ity: “Miderà an’i Jah, satria efa nanomboka nanjaka i Jehovah Andriamanitsika, ilay Hery Fara Tampony.”—Apokalypsy 7:9, 10, 14; 19:1, 2, 6.

Fanontaniana Hosaintsainina

• Ahoana no nahatonga ny Israely fahiny ho mpivavaka tamin’i Bala?

• Inona ilay fivadiham-pinoana lehibe noresahin’ny Baiboly mialoha, ary ahoana no nahatanterahan’izany?

• Ahoana no namongoran’i Jeho ny fivavahana tamin’i Bala?

• Inona no tsy maintsy ataontsika, raha tiantsika ny ho tafavoaka velona amin’ny andro fitsaran’Andriamanitra?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 25]

(Jereo ny gazety)

Soko

Afeka

Helkata

Jokneama

Megido

Tanaka

Dotana

SAMARIA

En-dora

Sonema

Ofra

Jezirela

Ibleama (Gata-rimona)

Tirza

Beti-semesy

Beti-sana

Jabesi-gileada?

Abela-mehola

Bet-arbela

Ramota-gileada

[Tendrombohitra]

T. Karmela

T. Tabara

More

T. Gilboa

[Ranomasina/Farihy]

Ranomasina Mediterane

Ranomasin’i Galilia

[Renirano]

Reniranon’i Jordana

[Loharano]

Loharanon’i Haroda

[Sary nahazoan-dalana]

Based on maps copyrighted by Pictorial Archive (Near Eastern History) Est. and Survey of Israel

[Sary, pejy 26]

Tena iankinan’ny aina ny fitoriana momba ilay Fanjakana sy ny fivoriana tsy tapaka

[Sary, pejy 28, 29]

Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra toa an’i Jeho, izay rehetra te ho tafavoaka velona amin’ny andron’i Jehovah