Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mitoria Fanafahana Amin’ny Babo’

‘Mitoria Fanafahana Amin’ny Babo’

‘Mitoria Fanafahana Amin’ny Babo’

NILAZA i Jesosy teo am-piandohan’ny fanompoany, fa anisan’ny asa nanirahana azy ny “hitory fanafahana amin’ny babo.” (Lioka 4:18) Manaraka ny ohatra navelan’ny Tompony ny tena Kristianina. Mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny “karazan’olona rehetra” izy ireo, mba hanafahana azy ireny amin’ny fahababoana ara-panahy, izany hoe ny fampianaran-diso sy ny fanao ratsy, ary mba hanampiana azy hanatsara ny fiainany.—1 Timoty 2:4.

Anisan’io asa io koa ankehitriny ny fitoriana amin’ny babo ara-bakiteny, izany hoe ireo migadra noho ny heloka bevava samihafa nataony. Mankasitraka ny fanafahana ara-panahy ny sasany amin’izy ireny. Mino izahay fa hahafinaritra anareo ireto tatitra mampahery ireto, izay miresaka ny fitoriana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo fonjan’i Ukraine sy fonja hafa any Eoropa.

Mpidoroka zava-mahadomelina lasa Kristianina

Valo amby telopolo taona i Serhii, * ary 20 taona izao no naha tany am-ponja azy. Tany mihitsy aza izy no namita ny fianarany. Hoy izy: “Nampidirina am-ponja aho taona maro lasa izay satria namono olona, ary mbola misy taona maromaro tsy maintsy hefaiko. Nanjakazaka aho tamin’izany, ka natahotra ahy ny mpigadra hafa.” Nahatonga azy ho olona afaka ve izany? Tsia, satria nandevozin’ny zava-mahadomelina, toaka, ary sigara sy paraky izy, nandritra ny taona maro.

Nisy mpigadra niresaka taminy momba ny fahamarinana ara-baiboly, tatỳ aoriana. Toy ny tara-pahazavana tao amin’ny maizina ilay izy. Niala tamin’ireo zavatra nanandevo azy izy, tao anatin’ny volana vitsivitsy, ka lasa mpitory ny vaovao tsara ary natao batisa. Be atao izao i Serhii ao am-ponja, satria mpitory manontolo andro. Fito ny mpanao heloka bevava nampiany mba hiova toetra sy ho tonga rahalahiny kristianina. Efa afaka ny enina tamin’izy ireo. I Serhii kosa anefa mbola any am-ponja. Tsy mahatezitra azy izany, fa sambatra kosa izy satria afaka manampy olon-kafa ho afaka amin’ny fahababoana ara-panahy.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Iray tamin’ireo mpianatr’i Serhii tany am-ponja i Victor, mpivarotra zava-mahadomelina sady mpidoroka taloha. Nandroso tsara foana izy, na dia efa nivoaka ny fonja aza. Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana natao tany Ukraine izy, tatỳ aoriana. Mpisava lalana manokana any Moldavia izy izao. Hoy izy: “Valo taona aho no nanomboka nifoka, 12 taona no nanomboka niboboka toaka, ary 14 taona no nampiasa zava-mahadomelina voalohany. Naniry hanova ny fiainako aho, fa tsy nahomby ny ezaka rehetra nataoko. Nikasa hifindra monina izahay sy ny vadiko, tamin’ny 1995, mba hialana tamin’ireo naman-dratsiko. Tamin’izay indrindra anefa izy no novonoin’ny olona iray marary saina. Nanjombona tanteraka ny fiainako. [Nieritreritra aho hoe:] ‘Aiza izao ny vadiko? Manao ahoana ny olona rehefa maty?’ Tsy nitsahatra nametra-panontaniana aho, nefa tsy nahazo valiny. Vao mainka aho nidoroka zava-mahadomelina, mba hamenoana ilay banga tamin’ny fiainako. Tratra nivarotra zava-mahadomelina aho, ka voaheloka higadra dimy taona. Tany aho no nampian’i Serhii hahita ny valin’ny fanontaniako. Efa imbetsaka aho no nanandrana niala tamin’ny zava-mahadomelina, nefa tsy nahomby raha tsy noho ny fanampian’ny Baiboly. Tena manan-kery ny Tenin’Andriamanitra!”—Hebreo 4:12.

Niova ny mpanao heloka bevava gaigilahy

Mbola tsy nampiasa zava-mahadomelina mihitsy i Vasyl, nefa nisy zavatra hafa nanandevo azy. Hoy izy: “Tena nafana fo tamin’ny kickboxing [ady totohondry misy daka] aho. Nanazatra tena aho mba tsy ho mangana izay olona nifanandrina tamiko.” Nampiasa herisetra i Vasyl mba handrobana olona. “Nigadra intelo aho, ka nisaraka tamiko ny vadiko. Nanomboka namaky ny boky sy gazetin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, nandritra ireo dimy taona farany nigadrako. Nanosika ahy hamaky Baiboly izy ireny. Mbola revo tamin’ilay zavatra tena tiako ihany anefa aho, dia ny kickboxing.”

“Tsapako hoe niova aho, rehefa avy namaky Baiboly nandritra ny enim-bolana. Lasa tsy nahafa-po ahy intsony ny nandresy tamin’ny ady. Nodinihiko tsara raha nifanaraka tamin’ny voalazan’ny Isaia 2:4 ny fiainako. Takatro fa ho lany any am-ponja ny androm-piainako, raha tsy manitsy ny fomba fisainako aho. Nariako daholo àry ny fitaovana fentiko miady, ary nanomboka nanova ny toetrako aho. Tsy mora izany, nefa nanampy ahy tsikelikely hiala tamin’ny fahazaran-dratsiko, ny fisaintsainana sy ny vavaka. Nitalaho tamin-dranomaso tamin’i Jehovah aho indraindray, mba hanomezany hery ahy hialana tamin’ilay zavatra nanandevo ahy. Afaka ihany aho tamin’ny farany.”

“Tafaray tamin’ny fianakaviako indray aho, rehefa nivoaka ny fonja. Miasa amin’ny toeram-pitrandrahana arintany aho izao, ka manam-potoana ampy hitoriana miaraka amin’ny vadiko, sy hamitana ny andraikitro eo amin’ny fiangonana.”

I Mykola indray dia nandroba banky maromaro tany Ukraine, niaraka tamin’ny namany, ka nigadra folo taona. Indray mandeha monja izy no mba niditra am-piangonana talohan’ny nigadrany. Nanao tetika handrobana an’ilay fiangonana no nalehany tao, saingy tsy nahomby izany. Rehefa avy tany izy, dia nanjary nihevitra ny Baiboly ho boky feno tantara mankaleo momba ny pretra ortodoksa sy ny labozia ary ny fety ara-pivavahana. Hoy izy: “Tsy tena fantatro ny antony, fa lasa nanomboka namaky Baiboly aho. Gaga aho fa tsy araka ny niheverako azy mihitsy ilay izy!” Nangataka hampianarina Baiboly izy, ary natao batisa tamin’ny 1999. Raha mahita azy ianao izao, dia tsy hino hoe io mpanampy amin’ny fanompoana manetry tena io, ilay mpandroba banky nitam-piadiana sy ratsy fanahy taloha!

I Vladimir kosa dia voaheloka ho faty. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy teo am-piandrasana ny hamonoana azy, ary nampanantena hanompo azy raha afaka amin’ilay fanamelohana ho faty. Niova ny lalàna nandritra izany fotoana izany, ka tsy voaheloka ho faty indray izy, fa nohalefahina ny saziny, ary lasa nigadra mandra-pahafatiny izy. Te hitana ny teniny i Vladimir, ka nanomboka nitady ny fivavahana marina. Nianatra Baiboly an-taratasy tamin’ny fiangonana advantista izy, ary nahazo diplaoma tamin’izany, nefa tsy afa-po.

Namaky ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tao amin’ny fitahirizam-bokin’ny fonja i Vladimir. Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Ukraine izy avy eo, ary nangataka ny hotsidihina. Efa nihevi-tena ho Vavolombelona izy sady efa nitory tao am-ponja, rehefa tonga nitsidika azy ny rahalahy teo an-toerana. Nampiana izy mba hahafeno fepetra ho mpitory ilay Fanjakana. Niomana hatao batisa izy sy ny olona fito hafa ao amin’ilay fonja, tamin’izahay nanoratra ity lahatsoratra ity. Manana olana anefa ry zareo, satria samy Vavolombelona no miray efitra. Ny mpigadra mitovy fivavahana mantsy no ampiarahina efitra. Iza àry no azon’izy ireo itoriana ny vaovao tsara? Mitory amin’ireo mpiambina izy ireo, na mitory an-taratasy.

I Nazar indray dia avy any Ukraine, fa nifindra nankany amin’ny Repoblika Tseky. Niaraka tamin’andian-jiolahy mpangalatra izy tany, ka nigadra telo taona sy tapany. Noraisiny tsara ny Vavolombelon’i Jehovah avy ao amin’ny tanànan’i Karlovy Vary, tamin’izy tany am-ponja. Nianatra ny fahamarinana izy ka niova tanteraka. Rehefa nahita izany ny mpiambina iray, dia nilaza tamin’ireo mpiara-migadra tamin’i Nazar hoe: “Ho afaka hiova asa amin’izay aho, raha manao toa an’io Ukrainien io daholo ianareo.” Hoy koa ny iray hafa: “Tena mahavita zavatra mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpanao heloka bevava no miditra ato am-ponja, nefa lasa olo-mendrika rehefa mivoaka avy ato!” Efa nody any aminy izao i Nazar. Nianatra nandrafitra izy ary nanambady. Samy mpitory manontolo andro izao izy mivady. Tena velom-pankasitrahana izy noho ny Vavolombelona nitsidika ny fonja!

Velom-pankasitrahana ireo tompon’andraikitra

Tsy ny voafonja ihany no mankasitraka ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy i Miroslaw Kowalski, tompon’andraikitra ao amin’ny fonja iray any Polonina: “Tena ankasitrahanay ny fitsidihan’izy ireo. Mampalahelo mantsy ny zavatra niainan’ny voafonja sasany. Tsy nentina toy ny olombelona mihitsy angamba izy ireny. ... Tsy ampy koa ny mpiasa sy ny mpanabe eto aminay, ka tena sarobidy ny fanampian’ny [Vavolombelona].”

Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana ny mpiandraikitra ny fonja iray hafa any Polonina. Nangataka ny Vavolombelona izy mba hampitombo ny asan’izy ireo tao amin’ny fonja iandraiketany. Nahoana? Hoy izy: “Mety hanjary hanana toetra mahafinaritra an’ireo mpiara-monina aminy ny voafonja, ka tsy hahery setra intsony, raha mitsidika azy ireo matetika kokoa ny solontenan’ny Tilikambo Fiambenana.”

Niresaka momba ny mpigadra iray kivy be ny gazety iray any Ukraine. Nanandrana namono tena izy io, nefa nampian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ilay gazety: “Efa mihatsara izy izao. Manaraka tsara ny fandaharan’ny fonja izy, ary modely ho an’ny hafa.”

Fanampiana hatrany ivelan’ny fonja

Tsy ny ao am-ponja ihany no mandray soa avy amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola ampiany ireo voafonja, na dia efa afaka aza. Nanao izany nandritra ny taona vitsivitsy izao ny vehivavy kristianina roa atao hoe Brigitte sy Renate. Hoy ny gazety alemà iray (Main-Echo Aschaffenburg) momba azy ireo: “Mikarakara ny voafonja, mandritra ny telo ka hatramin’ny dimy volana aorian’ny anafahana azy, izy mirahavavy, ary mampirisika azy hanana tanjona eo amin’ny fiainana. ... Ankoatra izany, dia neken’ny manam-pahefana ho mpiasa an-tsitrapo izy mirahavavy, ka manara-maso an’ireo iharan’ny sazy mihantona. ... Mifandray tsara amin’ny mpiasan’ny fonja koa izy ireo, sady manampy azy.” Maro no nanolo-tena ho an’i Jehovah, noho io karazam-panampiana io.

Mandray soa avy amin’ny asa fampianarana Baiboly ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia ny tompon’andraikitry ny fonja aza. Anisan’izany i Roman, manam-boninahitry ny tafika sady psikology tao amin’ny fonja iray any Ukraine. Nanaiky hianatra Baiboly izy, rehefa notsidihin’ny Vavolombelona tany an-tranony. Fantany avy eo fa tsy nahazo nifandray tamin’ny mpigadra tao amin’ny fonja niasany, ny Vavolombelona. Nangataka alalana tamin’ny tompon’andraikitra àry izy, mba hiresaka momba ny Baiboly tamin’ireo voafonja nokarakarainy. Nekena ny fangatahany, ary voafonja folo teo ho eo no liana tamin’ilay izy. Noresahiny tamin’ireo voafonja foana izay zava-baovao nianarany avy ao amin’ny Baiboly, ary nisy vokany tsara dia tsara ny fiezahany. Mbola nandroso tsara foana ny mpigadra sasany rehefa nivoaka ny fonja, ka lasa Kristianina vita batisa. Nanjary zava-dehibe kokoa tamin’i Roman ny fianarany, rehefa hitany ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Niala tamin’ny tafika àry izy, ary nanohy ny fianarany Baiboly. Miara-mitory izao izy sy ny lehilahy iray voafonja taloha.

Nanoratra toy izao ny voafonja iray: “Azo lazaina hoe ny Baiboly sy ny fianarana azy io ary ny boky aman-gazety ara-baiboly, no sakafo ivelomanay atỳ.” Hita tsara avy amin’izany, fa tena mila boky sy gazety ara-baiboly ny fonja sasany. Izao no tatitry ny fiangonana iray any Ukraine, momba ny asa fampianarana Baiboly ataony ao amin’ny fonja ao amin’ny faritaniny: “Mankasitraka ny boky sy gazety omenay ny tompon’andraikitra. Anateranay Ny Tilikambo Fiambenana 60 sy Mifohaza! 60 ry zareo, isaky ny misy vaovao.” Izao no nosoratan’ny fiangonana iray hafa: “Mikarakara fonja iray manana fitahirizam-boky kely 20 izahay. Nametrahanay boky sy gazety fampiasantsika ny fitahirizam-boky tsirairay. Nahatratra 20 baoritra ny fitambaran’izany.” Any amin’ny fonja iray hafa koa, dia tahirizin’ny mpiambina ao amin’ny fitahirizam-boky ny gazety rehetra avoakantsika, mba ho afaka handray soa amin’izany ny mpigadra.

Nasiana Sampan-draharaha Mikarakara ny Voafonja, ao amin’ny biraon’ny sampan’i Ukraine, tamin’ny 2002. Nifandray tamin’ny fonja 120 teo ho eo io sampan-draharaha io hatramin’izao, ary efa nanendry fiangonana hikarakara azy ireny. Taratasy 50 eo ho eo isam-bolana no voaray avy amin’ny voafonja, ary fangatahana boky sy gazety na fampianarana Baiboly ny ankamaroany. Andefasan’ny sampana boky sy gazety ary bokikely aloha izy ireo, eo am-piandrasana ireo rahalahy hitsidika azy.

“Tsarovy ireo mifatotra any am-ponja”, hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristianina namany. (Hebreo 13:3) Ireo nampidirina an-tranomaizina noho ny finoany no noresahiny teo. Mahatsiaro ireo migadra koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, ka mitsidika ireo fonja mba “hitory fanafahana amin’ny babo.”—Lioka 4:18.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 9]

Tambohon’ny fonja any Lviv, Ukraine

[Sary, pejy 10]

Mykola

[Sary, pejy 10]

Vasyl sy Iryna vadiny

[Sary, pejy 10]

Victor