Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Tianao ve ny namaky ireo nomerao faramparany tamin’ny Tilikambo Fiambenana? Jereo àry raha hainao ny mamaly ireto fanontaniana ireto:

Nahoana no azo oharina amin’ny aretina manaranaka ny ota voalohany, na ny tsy fankatoavan’i Adama?

Sahala amin’ny aretina ilay izy, satria nafindran’i Adama tamin’ny taranany. Nifindra tamintsika àry ny ota, toy ny aretina afindran’ny ray aman-dreny amin’ny zanany.—15/8, pejy 5.

Inona avy no tena antony mampitombo ny herisetra ankehitriny?

Miezaka mampisaraka ny olona amin’i Jehovah i Satana, ka mamafy herisetra ao am-pon’izy ireo. Ampiasainy hanaovana izany, ohatra, ny filma sy ny mozika. Eo koa ny lalao video ahitana habibiana mahatsiravina sy vonoan’olona, ary hoatran’ny hoe mandray anjara amin’ilay izy mihitsy ny mpilalao. Anisan’ny mahatonga heloka bevava maro, ny herisetra aseho ao amin’ireo haino aman-jery.—1/9, pejy 29.

Iza moa i Pontio Pilato?

Romanina izy, ary ambany saranga kokoa raha mitaha amin’ny andriana. Tao amin’ny tafika angamba izy tamin’ny voalohany. Notendren’i Tiberio, mpanjaka romanina, ho governoran’i Jodia izy, tamin’ny taona 26. Nihaino ny fiampangana nataon’ireo filoha jiosy i Pilato, nandritra ny fitsarana an’i Jesosy. Nanaiky ny hamonoana an’i Jesosy izy mba hampifaliana ny vahoaka.—15/9, pejy 10-12.

Inona ilay “famantarana” resahina ao amin’ny Matio 24:3?

Misy lafiny maromaro izy io, ka izy ireo mitambatra no atao hoe famantarana. Anisan’izany ny ady, mosary, areti-mandringana, ary horohoron-tany. Fantatry ny mpianatr’i Jesosy avy amin’ireny, ny fotoan’ny ‘fanatrehany’ sy ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—1/10, pejy 4-5.

Iza moa ireo Jiosy tany am-pielezana, ary taiza avy no nisy azy ireo?

Nantsoina hoe Jiosy tany am-pielezana, ireo Jiosy nonina tany ivelan’i Palestina. Ireto avy no toerana be Jiosy, tamin’ny taonjato voalohany: Syria, Azia Minora, Babylonia, ary Ejipta. Nisy Jiosy sasantsasany koa nonina tany amin’ny faritra nofehezin’ny Fanjakana Romanina tany Eoropa.—15/10, pejy 12.

Afaka ny hanana feon’ny fieritreretana madio foana ve ny Kristianina, raha manaiky asa mitaky ny hitanana fitaovam-piadiana?

Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra, raha hanaiky asa mitaky fitanana basy na fitaovam-piadiana hafa izy na tsia. Mety hahatonga ny olona iray hivesatra trosan-dra anefa ny asa toy izany, raha voatery hampiasa ilay fitaovam-piadiana izy. Atahorana haratra na ho faty koa izy, raha misy manafika na mamaly faty. Tsy mendrika ny hahazo tombontsoam-panompoana eo anivon’ny fiangonana ny Kristianina mitana fitaovam-piadiana toy izany. (1 Timoty 3:3, 10)—1/11, pejy 31.

Avy amin’ny hoe “Tendrombohitr’i Megido” ilay teny hoe “Hara-magedona.” Midika ve izany fa hatao any amin’ny tendrombohitra iray any Moyen-Orient io ady io?

Tsia, satria tsy tena misy io tendrombohitra io. Havoana kely fotsiny no eo amin’ilay lohasaha nisy an’i Megido fahiny, any Israely. Tsy ho antonona an’ireo “mpanjakan’ny tany [rehetra] mbamin’ny tafiny” mihitsy io faritra io. Haneran-tany ilay ady lehiben’Andriamanitra, ary hamarana ny ady rehetra. (Apokalypsy 16:14, 16; 19:19; Salamo 46:8, 9)—1/12, pejy 4-7.