Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mora ny Namoaka ny Baiboly Italianina

Tsy Mora ny Namoaka ny Baiboly Italianina

Tsy Mora ny Namoaka ny Baiboly Italianina

“ANISAN’NY boky miely indrindra eto amintsika [Italia] ny Baiboly, nefa koa anisan’ny vitsy mpamaky indrindra angamba. Tsy ampirisihina firy hianatra Baiboly ny Katolika hatramin’izao, ary tsy dia misy mitaona azy hamaky Baiboly ka hihevitra azy io ho Tenin’Andriamanitra. Misy ihany ny te hahafantatra ny Baiboly, nefa matetika no tsy misy mampianatra azy.”

Kaonferansan’ny Eveka Italianina tamin’ny 1995 no nilazana an’ireo teny ireo, izay mampipoitra an’ireto fanontaniana ireto: Betsaka ve ny Italianina namaky Baiboly nandritra ireo taonjato lasa? Nahoana no tsy niely haingana toy ny tany amin’ny firenen-kafa izy io tany Italia? Nahoana izy io no mbola anisan’ny boky vitsy mpamaky indrindra any? Ho voavaly ireo fanontaniana ireo, rehefa dinihina ny tantaran’ny nandikana ny Baiboly italianina.

Taonjato maro vao teraka avy tamin’ny teny latinina ny teny toy ny espaniola, frantsay, italianina, ary portogey. Tany amin’ny tany eoropeanina mampiasa fiteny avy tamin’ny teny latinina, dia nihanisy lanjany kokoa ireo fitenin’ny sarambabem-bahoaka, ka nampiasaina hanaovana asa soratra mihitsy aza. Nisy fiantraikany nivantana teo amin’ny fandikana ny Baiboly anefa ny fivoaran’ireny fiteny ireny. Nahoana? Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary samy hafa be ny teny latinina fampiasan’ny Eglizy Katolika, sy ny fitenin’ny olona andavanandro, ary ireo tenim-paritra. Tsy nahay teny latinina intsony àry ireo tsy nandia fianarana firy.

Tamin’ny taona 1000 dia sarotra tamin’ny ankamaroan’ny Italianina ny namaky ny Baiboly Vulgate latinina, na dia afaka nividy azy io aza izy ireo. Teo am-pelatanan’ny Eglizy ny fampianarana, nandritra ny taonjato maro, ary anisan’izany ny tany amin’ny oniversite sasany. Ny olona ambony ihany no nahazo tombony tamin’izany fampianarana izany. Nanjary “boky tsy fantatra” àry ny Baiboly, tamin’ny farany. Maro anefa no naniry hanana ny Tenin’Andriamanitra sy hahatakatra izay voalaza ao, amin’ny fiteniny.

Tsy navelan’ny mpitondra fivavahana hadika amin’ny fiteny hafa ny Baiboly, satria natahotra izy ireo sao hiely, hono, ny fivadiham-pinoana. Nilaza i Massimo Firpo, mpahay tantara, fa ny nampiasana ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka dia nandrodana ny fampiasana teny latinina, izay nahatonga ny mpitondra fivavahana ho masi-mandidy tamin’ny resaka fivavahana. Kolontsaina sy fivavahana ary fiaraha-monina àry, no mahatonga ny olona maro any Italia tsy hahalala Baiboly.

Ampahany amin’ny Baiboly no nadika voalohany

Tamin’ny taonjato faha-13 no nadika voalohany ho amin’ny teny italianina ny boky sasany ao amin’ny Baiboly, izay tamin’ny teny latinina teo aloha. Nadika tanana ireny ampahany amin’ny Baiboly ireny, sady lafo be. Nihabetsaka ny fandikan-teny natao tamin’ny taonjato faha-14, ka efa ho ny Baiboly manontolo no voadika tamin’ny teny italianina. Samy hafa anefa ny olona nandika ireo boky ao amin’ny Baiboly, ary toy izany koa ny toerana sy ny fotoana nanaovana azy. Ny mpanankarena sy ireo nahita fianarana ihany, no afaka nividy sy namaky ireny fandikan-teny nataon’olona tsy nitonona anarana ireny.

Tsy nahay taratasy ny ankabeazan’ny mponina, nandritra ny taonjato maro. Na tamin’ny 1861, izay nanaovana an’i Italia ho firenena tokana aza, dia mbola ny telo ampahefatry ny mponina no tsy nahay taratasy. Tsara homarihina fa namolavola izao lalàna izao ilay fitondrana vaovao tany Italia: Tsy maintsy mianatra ny rehetra, ary maimaim-poana izany. Nanoratra tamin’ny mpanjaka anefa ny Papa Pio Faha-9, tamin’ny 1870, mba hampirisihana azy hanohitra an’io lalàna io, izay nolazainy fa “loza” natao “hanafoanana tanteraka ny sekoly katolika.”

Baiboly manontolo voalohany tamin’ny teny italianina

Natao pirinty tany Venise, tamin’ny 1471, ny Baiboly manontolo voalohany tamin’ny teny italianina. Efa 16 taona talohan’izay no nampiasaina voalohany tany Eoropa, ny fanontam-pirinty ampiasana lohavỳ. Vitan’i Nicolò Malerbi, moanina katolika, tao anatin’ny valo volana io fandikan-teniny io. Nampiasa betsaka ireo fandikan-teny efa nisy izy, ary nampifanarahiny tamin’ny Vulgate latinina ireo. Nosoloany teny fampiasa tany Vénétie, faritra nisy azy, koa ny teny sasany. Io fandikan-teniny io no Baiboly vita pirinty voalohany tamin’ny teny italianina, ary niely be tokoa izy io.

Namoaka Baiboly tany Venise koa i Antonio Brucioli, mpandala ny maha olona, tamin’ny 1532. Tiany kokoa ny Protestanta, na dia tsy niala tamin’ny Eglizy Katolika mihitsy aza izy. Nandika ny Baiboly avy tamin’ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany izy. Io no Baiboly italianina voalohany nadika avy tamin’ny teny tany am-boalohany. Marina fa tsy mirindra tsara ny teny italianina ao anatin’izy io, nefa miavaka ilay izy satria tsy mihataka amin’ny hevi-teny tany am-boalohany, na dia tsy nahay fiteny tranainy firy aza ny olona tamin’izany. Naverin’i Brucioli tao amin’ny andininy sasany tokony hisy azy ny anaran’Andriamanitra hoe “Ieova”, tamin’ny Baiboly sasany natontany. Tena tian’ny Protestanta italianina sy ny antokom-pinoana hafa ny Baiboly navoakany, nandritra ny 100 taona teo ho eo.

Nisy fandikan-teny hafa tamin’ny teny italianina koa navoaka, ary Katolika no nanao ny sasany. Baibolin’i Brucioli nohatsaraina ihany anefa izy ireny raha ny marina, saingy tsy niely loatra. Nandika Baiboly avy tamin’ny teny hebreo sy grika ho amin’ny teny italianina koa i Giovanni Diodati, pasitera kalvinista, tamin’ny 1607. Natontany tany Genève izy io, satria nandositra tany Soisa noho ny fanenjehana fivavahana ny ray aman-dreniny. Io Baiboly navoakany io no nampiasain’ny Protestanta italianina, nandritra ny taonjato maro. Noheverina ho Baiboly italianina tena tsara izy io tamin’ny fotoana namoahana azy. Nanampy ny Italianina hahatakatra ny fampianaran’ny Baiboly, ny Baibolin’i Diodati. Voasakantsakana anefa ny fanelezana azy io sy ny Baiboly hafa, noho ny sivana nataon’ny mpitondra fivavahana.

“Boky tsy fantatra” ny Baiboly

Hoy ny Rakipahalalana Katolika (italianina): “Nahavita nanara-maso foana ny boky rehetra nivoaka ny Eglizy. Tsy nila nanao lisitry ny boky voarara anefa ny Eglizy talohan’ny nisian’ny fanontam-pirinty, satria nodorana ny boky noheverina ho nampidi-doza.” Na dia taorian’ny nanombohan’ny Fanavaozana Protestanta aza, dia nanao izay azony natao ny mpitondra fivavahana tany amin’ny tany eoropeanina maromaro, mba tsy hielezan’ny boky lazaina fa an’ny mpivadi-pinoana. Nisy fiovana lehibe nitranga taorian’ny Konsilin’i Trente tamin’ny 1546, rehefa nodinihina ny momba ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka. Nisy hevitra roa samy hafa nipoitra. Nolazain’ireo nankasitraka an’ilay fandrarana, fa “fototry ny fivadiham-pinoana rehetra” ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka. Nilaza kosa ireo tsy nankasitraka, fa vao mainka hilaza ny Protestanta ‘fahavalony’ hoe manafina “lainga sy fitaka” ny eglizy, matoa mandrara ny Baiboly tsy hadika.

Tsy nisy fanapahan-kevitra hentitra noraisina tamin’ilay Konsily, noho ny tsy fitovian-kevitra. Nekena ho marina anefa ny Vulgate, ka nanjary fampiasan’ny Eglizy Katolika. Nanamarika anefa i Carlo Buzzetti, mpampianatra ao amin’ny oniversite katolika iray any Roma, fa rehefa nambara hoe “marina” ny Vulgate dia toa “milaza izany fa io irery no Baiboly ara-dalàna.” Nanamarina izany ny zava-nitranga tatỳ aoriana.

Namoaka ny lisitra voalohany nisy ireo boky voarara ny Papa Paoly Faha-4, tamin’ny 1559. Tsy nahazo namaky, nivarotra, nandika, na nanana an’ireo boky tao anatin’io lisitra io ny Katolika. Noheverina ho boky tsy tsara sy manimba finoana ary mampivaona ny fitondran-tena izy ireny. Voarara koa ny famakiana ireo Baiboly nadika tamin’ny fitenin’ny olona, anisan’izany ny an’i Brucioli. Noroahina tsy ho anisan’ny Eglizy ny olona tsy nanaraka izany. Mbola betsaka kokoa aza ny boky voarara, tamin’ny 1596. Tsy nisy nahazo alalana handika na hanao pirinty Baiboly ho amin’ny fiteny andavanandro. Tokony ho nopotehina ireny Baiboly ireny.

Nihabetsaka àry ny Baiboly nodorana teny an-tokotanim-piangonana, rehefa nifarana ny taonjato faha-16. Nanjary noheverin’ny ankamaroan’ny olona ho bokin’ny mpivadi-pinoana ny Soratra Masina, ary mbola betsaka no mihevitra toy izany. Nopotehina ny ankamaroan’ny Baiboly sy ny boky rehetra mivaofy ny Baiboly, tany amin’ny tranomboky rehetra. Tsy nisy Katolika nandika Baiboly ho amin’ny teny italianina koa, tao anatin’ny 200 taona. Ny Baiboly nadikan’ny manam-pahaizana protestanta ihany sisa no naely tany Italia, saingy natao tamim-piafenana izany sao noraofin’ny Eglizy. Hoy i Mario Cignoni, mpahay tantara: “Tsy navela hamaky Baiboly intsony ny mpiangona. Nanjary azo lazaina ho boky tsy fantatra ny Baiboly, ary Italianina an-tapitrisany no mbola tsy namaky azy io mihitsy teo amin’ny fiainany.”

Nihanalefaka ilay fandrarana

Nanova an’ilay lalàna teo aloha ny Papa Benoît Faha-14, tamin’ny 13 Jona 1757, ka “navela hamaky Baiboly voadika tamin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka ny olona, izany hoe ireo Baiboly neken’ny Papa sy natonta teo ambany fitantanan’ny eveka.” Niomana ny handika ny Vulgate àry i Antonio Martini, izay lasa arsevekan’i Florence. Navoaka tamin’ny 1769 ny ampahany voalohany, ary vita tanteraka ilay izy tamin’ny 1781. Milaza ny boky katolika iray, fa ny fandikan-tenin’i Martini no Baiboly “voalohany tena niavaka.” Tsy afaka namaky ny Baiboly navelan’ny eglizy hovakina ny Katolika tsy nahay teny latinina, talohan’ny nivoahan’io fandikan-teny io. Ny Baibolin’i Martini ihany no azon’ny Katolika italianina novakina, tao anatin’ny 150 taona.

Nitondra fiovana lehibe ny konsilin’i Vatikana II. Sambany, tamin’ny 1965, ny Dei Verbum no nampirisika ny hamoahana Baiboly ‘amin’ny fiteny samihafa, izany hoe fandikan-teny mifanaraka amin’izay ilain’ny olona sy marina tsara, izay nadika avy tamin’ny teny tany am-boalohany.’ Taloha kelin’izay, tamin’ny 1958, dia namoaka “ny Baiboly manontolo voalohany an’ny Katolika” ny Pontificio istituto biblico (Sekoly Ara-baibolin’ny Eveka). Nadika “avy tamin’ny teny tany am-boalohany” izy io. Tamin’ny andininy sasany, dia naverin’io fandikan-teny io tamin’ny laoniny ny anaran’Andriamanitra. “Jahve” no nanoratany azy.

Maro ny voka-dratsin’ny fanoherana ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny andavanandro, ary mbola hita taratra izany hatramin’izao. Nilaza i Gigliola Fragnito fa nanjary “tsy natoky ny fahaizany misaina intsony ireo mpino, ary nisalasala momba ny fahalalahany hanaraka ny feon’ny fieritreretany.” Noterena hanaraka fombafomba ara-pivavahana koa ny Katolika, ka maro no mihevitra an’ireny ho zava-dehibe kokoa noho ny Baiboly. Izany rehetra izany no nahatonga ny olona tsy hahalala ny Soratra Masina, na dia efa nahay taratasy aza ny ankabeazany.

Nanjary te hahafantatra Baiboly bebe kokoa anefa ny Italianina, noho ny fitoriana ny vaovao tsara ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny teny italianina izy ireo, tamin’ny 1963. Tamin’ny 1967 kosa no vita ny Baiboly manontolo. Nisy 4 000 000 mahery no naely nanerana an’i Italia fotsiny. Tsy mihataka mihitsy amin’ny hevi-teny tany am-boalohany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary naveriny amin’ny laoniny koa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Izany no mampiavaka io fandikan-teny io.

Mandeha isan-trano ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny hafatra manome fanantenana ao amin’ny Baiboly no vakiny sy hazavainy amin’izay vonon-kihaino. (Asan’ny Apostoly 20:20) Rehefa mahita Vavolombelon’i Jehovah ianao amin’ny manaraka, dia anontanio azy izay lazain’ny Baiboly momba ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hanorina “tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana” izy, ary efa tsy ho ela intsony izany.—2 Petera 3:13.

[Sarintany, pejy 13]

(Jereo ny gazety)

Venise

ROMA

[Sary, pejy 15]

Ahitana ny anaran’Andriamanitra hoe Ieova ny fandikan-tenin’i Brucioli

[Sary, pejy 15]

Lisitry ny boky voarara. Nampidirin’izy io ho anisan’izany ireo Baiboly voadika tamin’ny fitenin’ny olona

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Baiboly: Biblioteca Nazionale Centrale di Roma

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Baibolin’i Brucioli: Biblioteca Nazionale Centrale di Roma; Lisitra: Su concessione del Ministero per i Beni e le Attività Culturali