Handresy ny Ratsy ny Tsara
Handresy ny Ratsy ny Tsara
Tsara toetra i Davida Mpanjaka. Tena tia an’Andriamanitra izy, sady tia ny rariny, ary niahy ny mahantra. Nijangajanga tamin’i Batseba, vadin’ny miaramila nitokisany, anefa io mpanjaka tsara io. Nony fantany fa bevohoka taminy ravehivavy, dia nataony izay hamonoana ny vadin’izy io. Nalainy ho vady i Batseba avy eo mba hanafenany ny heloka vitany.—2 Samoela 11:1-27.
AFAKA manao ny tsara ny olona. Koa nahoana àry izy no mahavita zava-dratsy be dia be koa? Hazavain’ny Baiboly ny anton’izany, sy ny fomba hanesoran’Andriamanitra ny faharatsiana mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.
Mirona hanao ratsy ny olona
Nolazain’i Davida Mpanjaka ny antony iray mahatonga ny olona hanao ratsy. Niaiky tanteraka ny fahadisoany izy, rehefa nolazaina taminy ny ratsy nataony. Nanenina àry izy, ka nanoratra hoe: “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko.” (Salamo 51:5) Tsy fikasan’Andriamanitra mihitsy ny hiterahan’ny olona zanaka mpanota. Nifidy ny hikomy tamin’Andriamanitra anefa i Eva, ary avy eo i Adama, ka tsy afaka niteraka zanaka tsy misy ota izy ireo. (Romanina 5:12) Rehefa nihamaro ny olombelona tsy lavorary, dia niharihary fa nirona hanao ratsy izy ireo, araka ny voalazan’ny Genesisy 8:21 hoe: “Ny fisainan’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany.”
Ny vokatry ny fanirian-dratsy tsy voafehy dia ‘fijangajangana, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fisaratsarahana, sekta, fitsiriritana’, ary koa fitondran-tena manimba hafa, izay Galatianina 5:19-21) Nanaiky ho resin’ny fahalemen’ny nofony, ohatra, i Davida Mpanjaka, ka nijangajanga, ary korontana no niafaran’izany. (2 Samoela 12:1-12) Azony natao ny nanohitra ny fanirian-dratsiny. Noeritreretiny foana anefa ny hahazo an’i Batseba, ka tanteraka taminy ny voalazan’i Jakoba mpianatr’i Jesosy hoe: ‘Tsapaina ny tsirairay rehefa voasariky ny fanirian’ny tenany ihany ka voafandrik’izany. Ary ny faniriana rehefa kolokoloina, dia miteraka fahotana, ary ny fahotana kosa rehefa notanterahina, dia miteraka fahafatesana.’—Jakoba 1:14, 15.
lazain’ny Baiboly hoe “asan’ny nofo.” (Zavatra faran’izay mahatsiravina no mety ho vitan’ny olona manaiky hobaikoin’ny fanirian-dratsiny, sahala amin’ireo famonoana olona maro be sy fametavetana ary fandrobana, voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha.
Ny tsy fahalalana no mahatonga ny olona hanao ratsy
Asehon’izay nitranga tamin’ny apostoly Paoly, ny antony faharoa mahatonga ny olona hanao ratsy. Olona nalemy fanahy sy be fitiavana no nahatsiarovana an’i Paoly, rehefa maty izy. Tsy nitsitsy aina izy nanompo ny rahalahiny sy anabaviny kristianina. (1 Tesalonianina 2:7-9) Taloha anefa dia “nandrahona sy nitady handripaka” ny Kristianina izy, tamin’izy mbola nantsoina hoe Saoly. (Asan’ny Apostoly 9:1, 2) Nahoana izy no nankasitraka sy nanao izany ratsy izany? “Noho ny tsy fahalalako”, hoy izy. (1 Timoty 1:13) Eny, ‘nafana fo ho an’Andriamanitra izy, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.’—Romanina 10:2.
Olona tso-po maro no manao ratsy satria tsy mahalala marina tsara ny sitrapon’Andriamanitra, tahaka an’i Paoly. Nilaza tamin’ny mpianany toy izao, ohatra, i Jesosy: “Ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.” (Jaona 16:2) Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny fa marina izany. Any amin’ny tany maro mantsy, dia manenjika azy ireo ary mamono azy mihitsy aza ny olona sasany mihambo ho manompo an’Andriamanitra. Tsy mahafaly an’ilay tena Andriamanitra ny karazana zotom-po toy izany.—1 Tesalonianina 1:6.
Ny fototry ny faharatsiana
Nolazain’i Jesosy ny antony lehibe indrindra mampisy ny faharatsiana. Hoy izy tamin’ny mpitondra fivavahana nifofo ny ainy: “Ianareo avy amin’ny Devoly rainareo, ary izay irin’ny rainareo no tianareo hatao. Mpamono olona hatrany am-piandohana izy.” (Jaona 8:44) I Satana no nandrisika an’i Adama sy Eva hikomy tamin’Andriamanitra, noho ny fitiavan-tenany. Koa nahatonga ota sy fahafatesana tamin’ny olona rehetra izany fikomiana izany.
Hita koa fa tia mamono olona i Satana, raha jerena izay nataony tamin’i Joba. Navelan’i Jehovah hotsapain’i Satana i Joba, mba hahitana raha hivadika izy na tsia. Koa nataon’i Satana fongana ny fananan’i Joba rehetra, ary mbola nataony koa izay hahafaty ny zanany folo. (Joba 1:9-19) Nitombo be ny faharatsiana tato ho ato, noho ny olona tsy lavorary sy tsy mahalala ny marina, ary noho i Satana mitsabaka be amin’izay ataon’ny olona. Milaza ny Baiboly fa “natsipy mafy tamin’ny tany izy [ny Devoly], ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy.” Nolazain’io faminaniana io koa fa hitondra “loza” mbola tsy nisy toy izany ho an’ny tany, ny nanipazana an’i Satana tetỳ. Marina fa tsy afaka manery ny olona hanao ratsy izy, nefa hainy ny “mamitaka ny tany rehetra misy mponina.”—Apokalypsy 12:9, 12.
Fanesorana ny fanirian-dratsy
Mba hanesorana tanteraka ny faharatsiana tsy ho eo amin’ny olombelona, dia tsy maintsy esorina ny fanirian-dratsy sy ny tsy fahalalana ny marina ary ny herin’i Satana. Ahoana àry no hanesorana ny fanirian-dratsy tsy ho ao am-pon’ny olona?
Tsy mahavita an’izany na dokotera mpandidy na fanafody nataon’olona. I Jehovah Andriamanitra anefa nanome ny fanafody mahafaka ny ota nolovana sy ny tsy fahalavorariana, ho an’izay manaiky handray an’izany. Hoy ny apostoly Jaona: ‘Ny ran’i Jesosy no manadio antsika amin’ny ota rehetra.’ (1 Jaona 1:7) Lavorary i Jesosy. Koa rehefa nanolotra ny ainy an-tsitrapo izy, dia “nitondra ny fahotantsika tao amin’ny vatany teo amin’ny tsato-kazo, mba tsy hanana fifandraisana intsony amin’ny fahotana isika ka hiaina amim-pahamarinana.” (1 Petera 2:24) Hanaisotra ny vokatry ny fahotan’i Adama ny nahafatesan’i Jesosy ho sorona. Nilaza i Paoly fa nanjary ‘vidim-panavotana ho takalon’ny olona rehetra’ i Kristy Jesosy. (1 Timoty 2:6) Ho afaka ny ho lavorary tahaka an’i Adama indray ny olona, noho ny nahafatesan’i Kristy.
Mety hanontany anefa ianao hoe: ‘Raha afaka ny ho lavorary indray ny olona noho ny nahafatesan’i Jesosy, 2 000 taona lasa izay, nahoana no mbola misy ihany ny faharatsiana sy ny fahafatesana?’ Ny fahalalana ny valin’izany dia manaisotra ny antony faharoa mampisy ny ratsy, izany hoe ny tsy fahalalana ny fikasan’Andriamanitra.
Mandrisika ny olona hanao ny tsara ny fahalalana ny marina
Misy zavatra ataon’i Jehovah sy Jesosy amin’izao fotoana izao, mba hanesorana ny faharatsiana. Ny fahalalana marina tsara an’izany dia mety hisakana ny olona tso-po tsy hankasitraka ny ratsy na ho lasa “mpiady amin’Andriamanitra.” (Asan’ny Apostoly 5:38, 39) Vonona hanadino ny ratsy natao tamin’ny lasa noho ny tsy fahalalana, i Jehovah Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly tany Atena: “Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany ... Andriamanitra, fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza, satria izy efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany azy io tamin’ny maty.”—Asan’ny Apostoly 17:30, 31.
Fantatr’i Paoly fa natsangana tamin’ny maty i Jesosy, satria izy mihitsy no niresaka taminy sy nisakana azy tsy hanenjika ny Kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 9:3-7) Raha vao fantatr’i Paoly tsara ny fikasan’Andriamanitra, dia niova izy ka lasa olona tena tsara izay nanahaka an’i Kristy. (1 Korintianina 11:1; Kolosianina 3:9, 10) Nazoto nitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” koa izy. (Matio 24:14) Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany, dia nifidy olona sahala amin’i Paoly hiara-manjaka aminy ao amin’ilay Fanjakany izy, nandritra ny efa ho 2 000 taona.—Apokalypsy 5:9, 10.
Tao anatin’ny zato taona mahery izao, dia mazoto manatanteraka izao didin’i Jesosy izao ny Vavolombelon’i Jehovah: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Matio 28:19, 20) Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany eo ambany fitondran’i Kristy, ny olona manaiky io hafatra io. Hoy mantsy i Jesosy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” (Jaona 17:3) Ny manampy olona hahazo io fahalalana io no asa soa tsara indrindra.
Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Ny olona manaiky izany vaovao tsaran’ilay Fanjakana izany dia maneho “fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, hatsaram-panahy, fanaovan-tsoa, finoana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena”, na eo aza ny faharatsiana rehetra manodidina azy. (Galatianina 5:22, 23) Manahaka an’i Jesosy izy ireo ka tsy “mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza.” (Romanina 12:17) Miezaka koa ny tsirairay aminy mba ‘handresy foana amin’ny tsara ny ratsy.’—Romanina 12:21; Matio 5:44.
Ny fandresena farany ny ratsy
Tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny handresy an’i Satana Devoly, ilay fototry ny faharatsiana. Hampiasa an’i Jesosy tsy ho ela anefa i Jehovah, mba hanorotoro ny lohan’i Satana. (Genesisy 3:15; Romanina 16:20) Hasain’i Jehovah ‘hanorotoro sy handevona’ ny fitondrana politika rehetra koa i Kristy Jesosy, satria nanao zava-dratsy maro be ny ankamaroan’ireny. (Daniela 2:44; Mpitoriteny 8:9) Mandritra izany andro fitsarana ho avy izany, dia “hiharan’ny sazy vokatry ny didim-pitsarana” izay rehetra “tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.”—2 Tesalonianina 1:8, 9; Zefania 1:14-18.
Hanampy ny olona hamerina ny tany ho paradisa i Jesosy, rehefa tsy ho eo i Satana sy izay miandany aminy. Hatsangan’i Kristy amin’ny maty koa izay rehetra mendrika ny hiaina ao amin’ilay tany nohavaozina. (Lioka 23:32, 39-43; Jaona 5:26-29) Hanafoana ny vokatry ny faharatsiana niaretan’ny olona izy amin’izany.
Tsy teren’i Jehovah hanaiky ny vaovao tsara momba an’i Jesosy ny olona. Afaka mandray izany fahalalana hahazoana fiainana izany anefa ianao. Tena ilainao ny manao izany dieny izao! (Zefania 2:2, 3) Amin’izay dia ho fantatrao ny fomba hiatrehana izay zava-dratsy manimba ny fiainanao. Ho hitanao koa ny fomba handresen’i Kristy ny ratsy, amin’ny farany.—Apokalypsy 19:11-16; 20:1-3, 10; 21:3, 4.
[Sary, pejy 5]
Nankasitraka ny ratsy i Saoly satria tsy nahalala ny marina
[Sary, pejy 7]
Ny manampy ny olona hahalala marina tsara an’Andriamanitra no asa soa tsara indrindra