Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Katsaho ny Fahamarinana dia ho Voaro Ianao

Katsaho ny Fahamarinana dia ho Voaro Ianao

Katsaho ny Fahamarinana dia ho Voaro Ianao

‘Katsaho hatrany àry aloha ny fahamarinan[’Andriamanitra].’—MATIO 6:33.

1, 2. Inona no fanapahan-kevitra noraisin’ny tovovavy kristianina iray, ary nahoana izy no nanao izany?

SEKRETERA tao amin’ny biraom-panjakana iray any Azia, ny tovovavy kristianina iray. Niasa tsara izy fa tsy nilalao asa, sady tonga aloha foana. Mbola tsy asa raikitra anefa ilay izy, ka nojerena indray raha hotazonina ihany izy. Nilaza ny lehibeny fa hotazonina izy ary mety homeny fisondrotana mihitsy aza, raha manaiky hanao firaisana aminy. Nanda izany an-kitsirano ilay tovovavy, na dia fantany aza fa hesorina amin’ilay asa izy.

2 Tsy nitsinjo ny hoaviny ve io tovovavy io? Tsy izany mihitsy. Narahiny tsara kosa ny tenin’i Jesosy hoe: ‘Katsaho hatrany àry aloha ny fahamarinan[’Andriamanitra].’ (Matio 6:33) Marina fa mety ho nahazoany tombony ny fitondran-tena maloto, nefa zava-dehibe kokoa taminy ny fanarahana ny toro lalana marin’Andriamanitra.—1 Korintianina 6:18.

Zava-dehibe ny fahamarinana

3. Inona no atao hoe fahamarinana?

3 Ny hoe “fahamarinana” dia midika hoe manaraka fitsipi-pitondran-tena na manao ny marina. “Fahitsiana” no hevitry ny teny hebreo sy grika nadika hoe “fahamarinana”, ao amin’ny Baiboly. Tsy ny tsirairay anefa no mamaritra raha marina ny tenany. (Lioka 16:15) Fahitsiana araka ny fitsipik’i Jehovah kosa izy io, ka antsoina hoe fahamarinan’Andriamanitra.—Romanina 1:17; 3:21.

4. Nahoana no zava-dehibe amin’ny Kristianina ny fahamarinana?

4 Nahoana no zava-dehibe ny fahamarinana? Satria rehefa manao ny marina ny olony, dia ankasitrahan’i Jehovah, ilay ‘Andriamanitry ny fahamarinana.’ (Salamo 4:1; Ohabolana 2:20-22; Habakoka 1:13) Tsy afaka mifandray akaiky aminy izay tsy manao ny marina. (Ohabolana 15:8) Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hananatra an’i Timoty hoe: “Andosiro ny faniriana mpitranga eo amin’ny tanora, fa miezaha kosa hikatsaka ny fahamarinana” sy ny toetra tsara hafa tena ilaina. (2 Timoty 2:22) Izany koa no antony nampidiran’i Paoly ny ‘fahitsiana [izay toy ny] fiarovan-tratra’, tao amin’ny lisitry ny fiadiana ara-panahy.—Efesianina 6:14.

5. Ahoana no ikatsahantsika ny fahamarinana, na dia tsy lavorary aza isika?

5 Mazava ho azy fa tsy misy olona marina tanteraka. Mpanota sy tsy marina daholo isika raha vao teraka, satria nandova tsy fahalavorariana avy tamin’i Adama. Nampirisika antsika hikatsaka ny fahamarinana anefa i Jesosy. Ahoana no hahavitana izany? Noho i Jesosy nanome ny ainy lavorary hanavotana antsika. Vonona hamela ny helotsika i Jehovah, raha maneho finoana an’io sorona io isika. (Matio 20:28; Jaona 3:16; Romanina 5:8, 9, 12, 18) Noho izany, dia manaiky ny fanompoantsika izy, rehefa mianatra ny fitsipiny marina isika sy manao araka izay fara herintsika hampiharana azy ireny, sady mivavaka mba handresena ny fahalementsika. (Salamo 1:6; Romanina 7:19-25; Apokalypsy 7:9, 14) Mampahery tokoa izany!

Manao ny marina eo anivon’ny tontolo tsy marina

6. Nahoana no nampidi-doza ilay tontolo nisy ny Kristianina voalohany?

6 Niatrika olana ny mpianatr’i Jesosy, rehefa nirahiny ho vavolombelony “any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Teo “ambany fahefan’ilay ratsy”, dia i Satana, ny faritany rehetra nanirahana azy ireo. (1 Jaona 5:19) Mampirisika ny olona hanana toe-tsaina ratsy i Satana, ary feno an’io toe-tsaina manimba io ilay tontolo niainan’ny Kristianina voalohany. (Efesianina 2:2) Noho izany, dia nampidi-doza ilay tontolo nisy azy ireo. Tsy maintsy nataon’izy ireo loha laharana ny fikatsahana ny fahamarinan’Andriamanitra, mba hahafahany hiaritra sy tsy hivadika. Nahavita niaritra tokoa ny ankamaroany, saingy nisy vitsivitsy ihany voatarika niala tamin’ny “làlan’ny fahamarinana.”—Ohabolana 12:28; 2 Timoty 4:10.

7. Inona no andraikitry ny Kristianina, ka mitaky ny hanoherana ny toe-tsaina ratsy eto amin’ity tontolo ity ny fanatontosana azy?

7 Tsy dia mampidi-doza loatra ve ny tontolo misy ny Kristianina ankehitriny? Tsy izany mihitsy. Vao mainka aza ratsy noho ny tamin’ny taonjato voalohany izy io. Tsy vitan’izay, fa nazera tetỳ an-tany i Satana. Anamparany ny hatezerany ny Kristianina voahosotra, izany hoe ireo sisa eto an-tany amin’ny zanak’ilay vehivavy, ‘izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy manao ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.’ (Apokalypsy 12:12, 17) Manafika an’izay rehetra manohana ny ‘zanak’ilay’ vehivavy koa i Satana. Tsy afaka mandositra an’ity tontolo ity anefa ny Kristianina, fa tsy maintsy miaina eo amin’izy io, na dia tsy anisany aza. (Jaona 17:15, 16) Ankoatra izany, dia tsy maintsy mitory eo amin’izao tontolo izao izy ireo, mba hahitany an’ireo manana toe-po tsara sy hampianarany azy ho tonga mpianatr’i Kristy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Koa satria eo foana ny fitaoman-dratsy eto amin’ity tontolo ity, dia tsy maintsy manohitra izany isika. Handinika efatra amin’izany fitaomana izany isika izao.

Ny fakam-panahy haloto fitondran-tena

8. Nahoana ny Israelita no nivadika ka nanompo ny andriamanitry ny Moabita?

8 Maro ny Israelita niala tamin’ny lalan’ny fahamarinana, taloha kelin’ny nifaranan’ireo 40 taona tany an’efitra. Imbetsaka izy ireo no nahita an’i Jehovah nanavotra azy, ary kely sisa dia ho tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina izy ireo. Nivadika anefa izy ireo tamin’izay, ka nanompo ny andriamanitry ny Moabita. Fa nahoana? Satria resin’ny “fanirian’ny nofo.” (1 Jaona 2:16) Nanomboka “nijangajanga tamin’ny zanakavavin’ny Moabita izy”, hoy ny Baiboly.—Nomery 25:1.

9, 10. Inona no zava-misy ankehitriny, ka mitaky ny hitadidiantsika foana fa mahery ny fanirian-dratsin’ny nofo?

9 Hitantsika amin’izany fa mety hitarika ny olona hanao ratsy ny fanirian-dratsin’ny nofo, raha tsy mailo izy. Tokony handray lesona avy amin’izany isika, indrindra satria maro ankehitriny no mihevitra fa azo ekena ny fitondran-tena maloto. (1 Korintianina 10:6, 8) Hoy ny tatitra iray avy any Etazonia: “Voararan’ny lalàna tany amin’ny fanjakana rehetra teto Etazonia ny fanaovana tokantranomaso, talohan’ny 1970 tany ho any. Lasa mahazatra anefa izany izao. Ny antsasany mahery amin’ny olona sambany vao nanorin-tokantrano, no nanao tokantranomaso vao nisora-panambadiana.” Hita eran-tany mihitsy izany fanao izany sy ny fitondran-tena maloto hafa. Mampalahelo fa nisy Kristianina nanaraka izany fanao izany, ka tsy azo nekena ho anisan’ny fiangonana intsony.—1 Korintianina 5:11.

10 Toa hita hatraiza hatraiza ny fampirisihana haloto fitondran-tena. Hoatran’ny te hilaza ny filma sy ny fandaharana sasany ao amin’ny tele, fa tena azo ekena ny fanaovan’ny tanora firaisana alohan’ny fanambadiana. Aseho toy ny ara-dalàna ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy. Vao mainka aseho mibaribary kokoa amin’ny filma maro, ny olona manao firaisana. Tsy sarotra koa ny mijery ireny sary ireny ao amin’ny Internet. Nilaza, ohatra, ny mpanoratra gazety iray, fa nampihoron-koditra ny zavatra notantarain’ny zanany lahy taminy, indray mandeha. Faly erỳ mantsy io zanany fito taona io nitantara taminy fa nahita sarim-behivavy niboridana sy nanao firaisana, hono, ny namany rehefa nijery Internet. Kanefa firifiry moa ny ankizy mahita ireny sary ireny, nefa tsy milaza amin’ny ray aman-dreniny? Firifiry koa moa ny ray aman-dreny no tsy tena mahafantatra ny lalao video ataon’ny zanany? Misy sary mamoafady maharikoriko sy asan’ny demonia ary herisetra, ny lalao video maro be mpitia.

11. Inona no azon’ny fianakaviana atao, mba tsy ho resin’ny fakam-panahy ho ratsy fitondran-tena?

11 Ahoana no azon’ny fianakaviana iarovan-tena amin’ireny “fialam-boly” tena ratsy ireny? Tokony hataony ho loha laharana ny fikatsahana ny fahamarinan’Andriamanitra, izany hoe tsy maintsy tapa-kevitra ny rehetra fa tsy hijery zava-dratsy, na dia kely aza. (2 Korintianina 6:14; Efesianina 5:3) Mila manara-maso tsara izay ataon’ny zanany koa ny ray aman-dreny. Mila mampianatra ny zanany izy ireo, mba ho tia an’i Jehovah sy ny lalàny marina. Hahatohitra fakam-panahy izy ireo amin’izay, ka tsy hijery sary mamoafady amin’ny boky na lalao video na filma, sady handresy fakam-panahy hafa.—Deoteronomia 6:4-9. *

Mampidi-doza ny fitaoman’ny manodidina

12. Inona no olana nitranga tamin’ny taonjato voalohany?

12 Nanasitrana lehilahy iray tamin’ny fomba mahagaga i Paoly tany Lystra, tany Azia Minora. Hoy ny Baiboly: “Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Paoly, dia nanandratra ny feony ireo ka nanao tamin’ny fiteny lykaonianina hoe: ‘Nanjary nitovy amin’ny olombelona ny andriamanitra, ary efa nidina atỳ amintsika!’ Dia nantsoiny hoe Zeosy i Barnabasy fa i Paoly kosa Hermesy satria izy no niteny.” (Asan’ny Apostoly 14:11, 12) Ireo vahoaka ireo ihany anefa no nitady hamono an’i Paoly sy Barnabasy, tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 14:19) Azo inoana fa tena voataonan’ny manodidina izy ireo, matoa niova toy izany. Lasa Kristianina ny olona sasany tao amin’io faritra io, nefa toa tsy afaka tamin’ny finoanoam-poana. Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Kolosia mantsy i Paoly, dia nampitandrina azy ireo mba tsy ‘hivavaka tamin’ny anjely.’—Kolosianina 2:18.

13. Inona no fomba amam-panao sasany tsy tokony harahin’ny Kristianina, ary ahoana no hananany herim-po tsy hanarahana an’izany?

13 Mila mitandrina koa ny tena Kristianina ankehitriny, mba tsy hanaraka ny fanaon’ny besinimaro, raha avy amin’ny fivavahan-diso ilay izy sady mandika ny toro lalana kristianina. Betsaka, ohatra, ny fombafomba arahin’ny olona rehefa misy teraka na maty. Maro amin’izy ireny anefa no miorina amin’ilay lainga hoe tsy mety maty ny fanahy. (Mpitoriteny 9:5, 10) Fomban’ny olona any amin’ny tany hafa indray ny mandidy ny eo amin’ny fivavian’ny tovovavy. * Habibiana izany, sady tsy ilaina akory, ary mifanohitra amin’ny adidin’ny ray aman-dreny kristianina, dia ny hikarakara amim-pitiavana ny zanany. (Deoteronomia 6:6, 7; Efesianina 6:4) Ahoana no hanoherana ny fitaoman’ny manodidina, ka hialana amin’ireny fomba amam-panao ireny? Ilaina ny mitoky tanteraka amin’i Jehovah. (Salamo 31:6) Hanome herim-po sy hikarakara antsika ilay Andriamanitra marina, raha milaza aminy amin’ny fontsika manontolo isika hoe: “Fialofako sy batery fiarovana ho ahy [ianao] ary Andriamanitro, Izay hitokiako.”—Salamo 91:2; Ohabolana 29:25.

Aza manadino an’i Jehovah

14. Inona no fampitandremana nomen’i Jehovah ny Israelita, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina?

14 Nampitandrina ny Israelita i Jehovah mba tsy hanadino azy, taloha kelin’ny nidiran’izy ireo tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Hoy izy: “Mitandrema, fandrao hadinoinao Jehovah Andriamanitrao, ka tsy tandremanao ny didiny sy ny fitsipiny ary ny lalàny, izay andidiako anao anio; fandrao—rehefa nihinana hianao ka voky ary nanao trano tsara ka mitoetra ao, ary mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman-osinao, ary mitombo koa ny volafotsinao sy ny volamenanao, ary mitombo ny fanananao rehetra—dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao Jehovah Andriamanitrao.”—Deoteronomia 8:11-14.

15. Ahoana no ahafantarantsika fa mbola tsy manadino an’i Jehovah isika?

15 Mety hitranga ve izany ankehitriny? Izany tokoa, raha hadinointsika izay tokony ho loha laharana. Ny fivavahana madio anefa no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika, raha mikatsaka voalohany ny fahamarinan’Andriamanitra isika. ‘Hanararaotra ny fotoana’ isika ary hazoto amin’ny fanompoana, araka ny nampirisihan’i Paoly. (Kolosianina 4:5; 2 Timoty 4:2) Ahoana anefa raha ny fialan-tsasatra sy ny fialam-boly no lasa zava-dehibe kokoa amintsika, noho ny fivoriana sy ny fanompoana? Mety hanjary hanadino an’i Jehovah isika, izany hoe izy indray no lasa any amin’ny toerana faharoa. Nilaza i Paoly fa “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra”, ny olona amin’ny andro farany. (2 Timoty 3:4) Mandini-tena matetika ny Kristianina tso-po, mba hahazoany antoka fa tsy lasa manaraka an’izany toe-tsaina izany izy.—2 Korintianina 13:5.

Mitandrema mba tsy hanao izay tianao fotsiny

16. Inona no toe-tsaina ratsy nananan’i Eva sy ny olona sasany tamin’ny andron’i Paoly?

16 Hain’i Satana ny nanararaotra ny faniriana hitany tao amin’i Eva, tany Edena. Tia tena i Eva ka te hanao izay tiany fotsiny, sy hanapa-kevitra samirery ny amin’izay tsara sy ratsy. (Genesisy 3:1-6) Izany koa no toe-tsain’ny Kristianina sasany tany Korinto, tamin’ny taonjato voalohany. Nihevitra izy ireo fa nahay noho i Paoly. Nantsoin’i Paoly tamin’ny anarana maneso hoe apostoly tsara loatra anefa izy ireo.—2 Korintianina 11:3-5; 1 Timoty 6:3-5.

17. Inona no hanampy antsika tsy hanao izay tiantsika fotsiny?

17 Maro ankehitriny no ‘be di-doha sy mpieboebo.’ Lasa manahaka azy ireo koa ny Kristianina sasany, ary misy aza lasa mpanohitra ny fahamarinana. (2 Timoty 3:4; Filipianina 3:18) Tena ilaintsika ny mitady ny tari-dalan’i Jehovah sy miara-miasa amin’ny “mpanompo mahatoky sy malina” ary ny anti-panahy, eo amin’ny zava-drehetra mifandray amin’ny fivavahana madio. Fomba ikatsahana ny fahamarinana izany, sady misakana antsika tsy hanao izay tiantsika fotsiny. (Matio 24:45-47; Salamo 25:9, 10; Isaia 30:21) “Andry sy tohana ho an’ny fahamarinana” ny voahosotra. Fanomezana avy amin’i Jehovah izy ireo, ary nataony hiaro sy hitari-dalana antsika. (1 Timoty 3:15) ‘Tsy hanao na inona na inona noho ny rehaka’ isika, raha manaiky fa tena ilaina ny asan’izy ireo. Hanetry tena kosa isika, ka hankatò ny sitrapon’i Jehovah, izay araka ny fahamarinana.—Filipianina 2:2-4; Ohabolana 3:4-6.

Manahafa an’i Jesosy

18. Inona no toe-tsain’i Jesosy tokony hotahafintsika?

18 Hoy ny faminaniana momba an’i Jesosy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka.” (Salamo 45:7; Hebreo 1:9) Toe-tsaina tsara tokony hotahafina tokoa izany! (1 Korintianina 11:1) Tena tian’i Jesosy ny fitsipika marin’i Jehovah, fa tsy hoe fantany fotsiny. Izany no nahatonga azy tsy hety hiala tamin’ny lalan’ny fahamarinana, rehefa naka fanahy azy i Satana tany an’efitra. Tsy nisalasala mihitsy izy tamin’izany, sady hentitra.—Ohabolana 8:20; Matio 4:3-11.

19, 20. Inona no vokatra tsara azo rehefa mikatsaka ny fahamarinana?

19 Marina fa mety ho mafy tokoa ny fanirian-dratsin’ny nofo. (Romanina 7:19, 20) Hanana herim-po hanoherana ny ratsy anefa isika, raha sarobidy amintsika ny fahamarinana. (Salamo 119:165) Hiaro antsika ny fitiavana lalina azy io, raha sendra fakam-panahy isika. (Ohabolana 4:4-6) Tadidio fa mamela an’i Satana handresy isika, rehefa manaiky ho resin’ny fakam-panahy. Koa tsy aleo ve manohitra azy, mba handresen’i Jehovah?—Ohabolana 27:11; Jakoba 4:7, 8.

20 Koa satria mikatsaka ny fahamarinana ny tena Kristianina, dia “feno vokatry ny fahamarinana, izay azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy [izy ireo], ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.” (Filipianina 1:10, 11) Mitafy “ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy fahatokiana” izy ireo. (Efesianina 4:24) An’i Jehovah izy ireo, ary ny hanompo azy no antony iainany, fa tsy ny hanao izay mahafinaritra ny tenany. (Romanina 14:8; 1 Petera 4:2) Ampifanarahiny amin’izany daholo ny eritreriny sy ny ataony. Tena mampifaly ny fon’ny Rainy any an-danitra izany!—Ohabolana 23:24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Misy soso-kevitra tsara ho an’ny ray aman-dreny mba hiarovany ny fianakaviany amin’ny fitaoman-dratsy, ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 13 Nantsoina koa hoe famorana vehivavy io fanao io.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no tena ilaina ny mikatsaka ny fahamarinana?

• Ahoana no ikatsahan’ny Kristianina ny fahamarinana, na dia tsy lavorary aza izy ireo?

• Inona no toe-tsaina sy fanao sasany hita eto amin’ity tontolo ity, ka tokony hialan’ny Kristianina?

• Nahoana no miaro antsika ny fikatsahana ny fahamarinana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

Toerana nampidi-doza ho an’ny mpianatr’i Jesosy ity tontolo ity

[Sary, pejy 27]

Hanana herim-po hanoherana fakam-panahy ny ankizy, raha ampianarina ho tia an’i Jehovah

[Sary, pejy 28]

Nanadino an’i Jehovah ny Israelita sasany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, rehefa lasa mpanankarena

[Sary, pejy 29]

Toa an’i Jesosy, dia mankahala ny ratsy ny Kristianina