Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mafy Orina ve ny Fatokisanao An’Andriamanitra?

Mafy Orina ve ny Fatokisanao An’Andriamanitra?

Mafy Orina ve ny Fatokisanao An’Andriamanitra?

“Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany.”—MATIO 6:33.

1, 2. Inona no fiovana nataon’ny lehilahy iray, ary nahoana?

NANIRY hanampy bebe kokoa ny fiangonany ny lehilahy kristianina iray. Tapatapaka tamin’ny fivoriana anefa izy, noho ny asany. Inona no vahaolana hitany? Nanatsotra ny fiainany izy ary niala tamin’ny asany. Nahita asa namela azy hivory sy hitory izy tatỳ aoriana. Kely noho ny taloha ny karamany izao, nefa mbola mahavita mamelona ny fianakaviany izy, sady afaka manampy bebe kokoa ny fiangonana.

2 Azonao ve hoe nahoana izy no nandray io fanapahan-kevitra io? Ho nanao izany ve ianao, raha ianao no teo amin’ny toerany? Nanao fiovana toy izany ny Kristianina maro, ka mendri-piderana. Hita fa matoky an’izao fampanantenan’i Jesosy izao izy ireo: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Matoky izy ireo fa i Jehovah no hiaro azy sy hanome izay ilainy, fa tsy ity tontolo ity.—Ohabolana 3:23, 26.

3. Nahoana no mety hisy hisalasala raha ho vitantsika ny hanao ho loha laharana ny fikatsahana ilay Fanjakan’Andriamanitra?

3 Sarotra ny fiainana, ka mety hisy hisalasala raha naneho fahendrena na tsia, ilay lehilahy teo. Mahantra fadiranovana ny sasany ankehitriny, nefa mpanefohefo izaitsizy ny hafa. Ny ankamaroan’ny olona any amin’ny tany mahantra dia hanararaotra izay hirika rehetra mety hanamaivana ny fahasahiranany, na dia kely fotsiny aza. Any amin’ny tany manankarena indray, dia maro no milofo mba hihazonana ny fari-piainany, na miharatsy aza ny toe-karena, miovaova ny karazan’asa azo atao, ary mihasarotiny ny mpampiasa. Sarotra tokoa ny fitadiavana, ka mety hisy hieritreritra hoe: ‘Mbola ho vitantsika ihany ve ny hanao ho loha laharana ny fikatsahana ilay Fanjakana?’ Mba hamaliana izany, dia diniho aloha hoe olona nanao ahoana no nomen’i Jesosy an’io torohevitra io.

‘Aza manahy intsony’

4, 5. Inona no ohatra noresahin’i Jesosy, mba hanazavana fa hendry ny mpanompon’Andriamanitra, raha tsy manahy be loatra momba ny zavatra ilaina andavanandro?

4 Tany Galilia i Jesosy, ary niresaka tamin’ny vahoaka be avy amin’ny faritra maro. (Matio 4:25) Vitsy tamin’ireo no nanankarena, raha nisy aza. Toa nahantra ny ankamaroany. Na izany aza, dia nampitandrina azy ireo i Jesosy mba tsy hifantoka amin’ny fitadiavam-bola, fa amin’ny fanangonana harena ara-panahy, izay sarobidy lavitra. (Matio 6:19-21, 24) Hoy izy: “Aza manahy ny amin’ny ainareo intsony, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny vatanareo, dia izay hotafinareo. Tsy mihoatra noho ny sakafo ve ny aina ary ny vatana noho ny fitafiana?”—Matio 6:25.

5 Maro angamba no nihevitra fa sarotra arahina io teniny io. Fantatr’izy ireo fa hijaly ny ankohonany, raha tsy miasa mafy izy. Nampahatsiahivin’i Jesosy azy ireo anefa ny momba ny vorona. Tsy maintsy mitady ny hanin-kohaniny isan’andro izy ireny, nefa miahy azy i Jehovah. Nisarika ny sain’ny mpihaino azy ho amin’ny fikarakaran’i Jehovah ny voninkazodia koa i Jesosy. Nilaza izy fa mihoatra noho ny hatsaran’i Solomona tamin’ny voninahiny rehetra, ny hakanton’izy ireny. Koa raha ny vorona sy ny voninkazo aza ahin’i Jehovah, ho latsaka noho izany ve isika? (Matio 6:26-30) Nambaran’i Jesosy fa ny aintsika no sarobidy noho ny sakafo amelomana azy, ary ny vatantsika mbola sarobidy noho ny akanjo ampitafiana azy. Raha lany itadiavana sakafo sy fitafiana fotsiny ny herintsika, ka zara raha misy ambiny hanompoana an’i Jehovah, dia tsy hisy dikany ny fiainantsika satria tsy izany no tena antony iainan’ny olombelona.—Mpitoriteny 12:13.

Miezaha hahay handanjalanja

6. a) Inona no andraikitry ny Kristianina? b) Matoky tanteraka an’iza ny Kristianina?

6 Mazava ho azy fa tsy nampirisika ny olona mba tsy hiasa i Jesosy, ka hanantena fa hovelomin’Andriamanitra ny fianakavian’izy ireo. Na ny vorona aza tsy maintsy mitady sakafo ho an’ny tenany sy ny zanany. Tsy maintsy niasa àry ny Kristianina, mba hananany hanin-kohanina. Tsy maintsy namelona ny ankohonany izy ireo. Tsy maintsy nazoto niasa ho an’ny tompony ny Kristianina mpiasa an-trano sy andevo. (2 Tesalonianina 3:10-12; 1 Timoty 5:8; 1 Petera 2:18) Nanamboatra tranolay, ohatra, no asa fiveloman’ny apostoly Paoly, matetika. (Asan’ny Apostoly 18:1-4; 1 Tesalonianina 2:9) Tsy ny asany anefa no nantenain’ireny Kristianina ireny hahafa-pahasahiranana azy. Natoky an’i Jehovah kosa izy ireo, ka nahazo fiadanan-tsaina, izay tsy nananan’ny hafa. Hoy ny mpanao salamo: “Izay matoky an’i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.”—Salamo 125:1.

7. Ahoana no mety ho fomba fihevitry ny olona, raha tsy mafy orina ny fatokisany an’i Jehovah?

7 Mety ho hafa ny fomba fihevitry ny olona iray, raha tsy mafy orina ny fatokisany an’i Jehovah. Mihevitra mantsy ny ankamaroan’ny olona fa ny vola aman-karena no tena mahafa-pahasahiranana. Noho izany, dia mampirisika ny zanany izy ireo mba hanokana ny ankabetsahan’ny fotoana maha tanora azy, hanaovana fianarana ambony. Manantena izy ireo fa hahazo asa be karama ny zanany amin’izay. Mampalahelo fa nisy fianakaviana kristianina nandefa ny zanany hanao fianarana ambony, ka tena ratsy ny vokany. Lasa tsy nifantoka tamin’ny fanompoana intsony ny zanany, fa tamin’ny fitadiavam-bola.

8. Ahoana no ataon’ny Kristianina mba hahaizana handanjalanja?

8 Miaiky àry ny Kristianina hendry, fa tena mihatra amintsika ankehitriny koa ilay torohevitr’i Jesosy. Noho izany, dia miezaka hahay handanjalanja izy ireo. Marina fa mety ho voatery hiasa mandritra ny ora maro izy ireo, mba hiantsorohany ireo andraikiny voalaza ao amin’ny Baiboly. Tsy avelany hahatonga azy hanadino ny fanompoana an’Andriamanitra anefa ny fitadiavam-bola, satria io fanompoana io no zava-dehibe kokoa.—Mpitoriteny 7:12.

“Aza manahy mihitsy”

9. Inona no nolazain’i Jesosy mba hampaherezana an’ireo matoky tanteraka an’i Jehovah?

9 Nananatra ny mpianany toy izao i Jesosy, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na ‘Inona no hosotroinay?’ na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany.” (Matio 6:31, 32) Tena mampahery izany! Vonona hanampy antsika foana i Jehovah, raha matoky azy tanteraka isika. Mampieritreritra koa anefa ireo tenin’i Jesosy ireo. Mampahatsiahy antsika izy ireo fa mitovy fomba fihevitra amin’ny “olona eo amin’izao tontolo izao” isika, raha mikatsaka “fatratra” vola aman-karena. Tsy tena Kristianina anefa izy ireny.

10. Ahoana no nataon’i Jesosy, mba hampisehoana hoe inona no tena tian’ilay tovolahy nangataka torohevitra taminy?

10 Nisy tovolahy mpanankarena iray nanontany an’i Jesosy izay tokony hataony, mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Nampahatsiahivin’i Jesosy azy ny zavatra takin’ny Lalàna, izay mbola nanan-kery tamin’izany. Hoy ilay tovolahy: “Efa notandremako avokoa izany rehetra izany, ka inona no mbola tsy ampy amiko?” Nilaza zavatra mety hoheverin’ny olona maro ho sarotra tanterahina i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Raha te ho lavorary ianao, dia mandehana amidio ny fanananao ka omeo ny mahantra, dia hanana harena any an-danitra ianao, ary andao hanara-dia ahy.” (Matio 19:16-21) Lasa tamin’alahelo ilay tovolahy tamin’izay, satria tsy hahafoy ny harenany mihitsy izy. Na tiany toy inona aza i Jehovah, dia tiany kokoa ny fananany.

11, 12. a) Inona no teny mampieritreritra nolazain’i Jesosy momba ny harena? b) Nahoana ny fananana no mety hanakantsakana ny fanompoana an’i Jehovah?

11 Nanaitra ny tenin’i Jesosy taorian’izay. Hoy izy: “Ho sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. ... Mora kokoa ny hidiran’ny rameva ao amin’ny vodifanjaitra, noho ny hidiran’ny mpanan-karena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Matio 19:23, 24) Te hilaza ve izy fa tsy hisy mpanankarena handova ilay Fanjakana? Tsia, satria hoy izy avy eo: “Hain’Andriamanitra ny zava-drehetra.” (Matio 19:25, 26) Nisy tokoa mpanankarena lasa Kristianina voahosotra, noho ny fanampian’i Jehovah. (1 Timoty 6:17) Nisy antony anefa matoa i Jesosy nilaza ireo teny nanaitra ireo. Fampitandremana ilay izy.

12 Mety tsy ho afaka hanompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo ny olona iray, raha lasa miraiki-po be amin’ny fananany, toa an’ilay tovolahy mpanankarena. Mety hitranga izany, na efa mpanankarena izy, na “tapa-kevitra ny ho tonga mpanan-karena.” (1 Timoty 6:9, 10) Mety tsy ho ‘tsapany’ tsara intsony fa “mila an’Andriamanitra” izy, raha matoky loatra ny vola aman-karena. (Matio 5:3) Mety tsy hiantehitra firy aminy intsony izy. (Deoteronomia 6:10-12) Hanantena koa angamba izy fa mba hiangarana rehefa eo anivon’ny fiangonana. (Jakoba 2:1-4) Ary mety ho laniny hanaranam-po amin’ny harenany ny ankabetsahan’ny fotoanany, fa tsy amin’ny fanompoana an’i Jehovah.

Miezaha hanana toe-tsaina tsara

13. Inona no hevi-diso nananan’ny Kristianina tany Laodikia?

13 Diso hevitra momba ny harena ny fiangonana tany Laodikia, tamin’ny taonjato voalohany. Hoy i Jesosy tamin’izy ireo: “Hoy ianao: ‘Manankarena aho ary efa nahazo harena ka tsy mila na inona na inona intsony.’ Tsy fantatrao anefa fa ory sy mampalahelo sy mahantra sy jamba ary mitanjaka ianao.” Tsy ny harenany no nahatonga azy ireo ho nampalahelo teo amin’ny lafiny ara-panahy, fa noho izy ireo nitoky tamin’ilay izy fa tsy tamin’i Jehovah. Lasa matimaty ara-panahy izy ireo vokatr’izany, ka saika ‘naloan’ny vavan’i’ Jesosy.—Apokalypsy 3:14-17.

14. Nahoana no mendri-piderana ireo Kristianina hebreo?

14 Nidera ny Kristianina hebreo kosa anefa i Paoly, satria nanana toe-tsaina tsara izy ireo rehefa nenjehina. Hoy izy: “Sady nangoraka an’ireo tany am-ponja ianareo no faly rehefa norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa manana fananana tsara kokoa sy maharitra ianareo.” (Hebreo 10:34) Tsy nahaketraka azy ireo ny famoizany ny fananany. Faly foana kosa izy, satria mbola nanana an’ilay fananany sarobidy indrindra, izay “tsara kokoa sy maharitra.” Tapa-kevitra hihazona ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana izy ireo, na inona na inona tsy maintsy afoiny. Tsy misy hafa amin’ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy izy ireo. Nahafoy ny fananany rehetra izy io, mba hahazoana vatosoa sarobidy iray monja. (Matio 13:45, 46) Tsara tokoa izany toe-tsaina izany!

15. Ahoana no nampisehoan’ny tovovavy iray tany Liberia, fa nataony loha laharana ilay Fanjakana?

15 Maro koa no miezaka hanana toe-tsaina tsara toy izany ankehitriny. Nahazo fanasana hianatra teny amin’ny oniversite, ohatra, ny tovovavy kristianina iray tany Liberia. Maro amin’ny mponina any no mihevitra fa fomba hahatafitana eo amin’ny fiainana izany. Mpisava lalana, na mpitory manontolo andro, anefa izy, ary nahazo fanasana ho mpisava lalana manokana tsy maharitra. Nifidy ny hanao ho loha laharana ny fikatsahana an’ilay Fanjakana izy, ka nanohy ny fanompoana manontolo andro. Nankany amin’ny toerana nanendrena azy izy, ary nahazo fampianarana Baiboly 21 tao anatin’ny telo volana. Ataon’io anabavy io loha laharana ny fikatsahana ilay Fanjakana, na dia misy zavatra afoiny aza amin’izany. An’arivony koa no manao toa azy. Nahoana izy ireo no manana izany toe-tsaina izany foana, nefa variana mangoron-karena ny manodidina azy? Misy toetra tsara maromaro niezahany hananana. Andeha hodinihintsika ny sasany.

16, 17. a) Nahoana no mila manetry tena isika, raha matoky an’i Jehovah? b) Nahoana isika no mila matoky ny fampanantenan’Andriamanitra?

16 Manetry tena. Hoy ny Baiboly: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao. Aza manao anao ho hendry.” (Ohabolana 3:5-7) Indraindray dia mety ho tsara ny fanapahan-kevitra iray, raha araka ny hevitry ny olona eto amin’ity tontolo ity. (Jeremia 17:9) Mangataka tari-dalana amin’i Jehovah foana anefa ny Kristianina manam-pinoana. (Salamo 48:14) Manetry tena izy, ka maka saina na torohevitra amin’i Jehovah ‘amin’ny alehany rehetra.’ Anisan’izany ny raharaha momba ny fiangonana, fianarana, asa, fialam-boly, ary ny zavatra hafa rehetra.—Salamo 73:24.

17 Matoky ny fampanantenan’i Jehovah. Hoy i Paoly: “Izay manatona [an’Andriamanitra] dia tsy maintsy mino fa misy izy sady mpamaly soa an’izay mitady azy fatratra.” (Hebreo 11:6) Raha misalasala isika fa hanatanteraka ny fampanantenany i Jehovah, dia mety hihevitra isika hoe aleo ihany ho ‘revo tanteraka amin’izao tontolo izao.’ (1 Korintianina 7:31) Ho tapa-kevitra hanao ho loha laharana ny fikatsahana ilay Fanjakana kosa isika, raha matanjaka ny finoantsika. Ahoana no hananana finoana matanjaka? Ilaina ny manatona an’i Jehovah, amin’ny alalan’ny vavaka matetika sy vokatry ny fo, ary ny fianarana samirery tsy tapaka. (Salamo 1:1-3; Filipianina 4:6, 7; Jakoba 4:8) Afaka mivavaka toa an’i Davida Mpanjaka isika hoe: “Izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao. Akory re ny haben’ny zava-tsoanao.”—Salamo 31:14, 19.

18, 19. a) Nahoana no mahatonga antsika hatoky kokoa an’i Jehovah ny fahazotoana manompo azy? b) Nahoana ny Kristianina no tokony hahafoy tena?

18 Mazoto amin’ny fanompoana. Nohazavain’i Paoly fa mahatonga antsika hatoky kokoa ny fampanantenan’i Jehovah, ny fahazotoana manompo azy. Hoy izy: “Irinay ianareo tsirairay avy mba haneho fahazotoana toy izany koa, mba ho tena azonareo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana.” (Hebreo 6:11) Hanohana antsika i Jehovah, raha revo amin’ny fanompoana azy isika. Isaky ny mahatsapa isika hoe ampiany, dia lasa matoky azy bebe kokoa, ka ‘mifahatra tsara sy tsy voahozongozona.’ (1 Korintianina 15:58) Lasa velombelona indray ny finoantsika, ary azontsika antoka kokoa ny fanantenantsika.—Efesianina 3:16-19.

19 Mahafoy tena. Nanana asa mety ho nahatafita azy teto amin’ity tontolo ity i Paoly, nefa nahafoy izany mba ho mpanara-dia an’i Jesosy. Azo antoka fa tsara ny safidiny, na dia nijaly aza izy indraindray satria sahirana ara-pivelomana. (1 Korintianina 4:11-13) Tsy mampanantena fiainana feno haitraitra i Jehovah, ary sahirana ny mpanompony indraindray. Rehefa manatsotra ny fiainantsika sy mahafoy tena anefa isika, dia manaporofo fa tena tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah.—1 Timoty 6:6-8.

20. Nahoana no mila maharitra ny olona manao ny Fanjakana ho loha laharana?

20 Maharitra. Nampirisika ny Kristianina i Jakoba mpianatr’i Jesosy hoe: “Mahareta àry, ry rahalahy, mandra-pahatongan’ny fanatrehan’ny Tompo.” (Jakoba 5:7) Tsy mora ny maharitra na miandry, amin’izao fiainana mirotoroto lava izao. Tiantsika ho vita haingana ny zava-drehetra. Mampirisika antsika anefa i Paoly, mba hanahaka an’ireo “mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.” (Hebreo 6:12) Miandrasa an’i Jehovah. Fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany no ampanantenainy, ary tena mendrika ny handrasana izany!

21. a) Inona no porofointsika, rehefa ataontsika loha laharana ilay Fanjakana? b) Inona no hovelabelarina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Azo arahina tsara tokoa ny torohevitr’i Jesosy hoe: ‘Katsaho aloha ny Fanjakana.’ Porofointsika amin’izany fa tena matoky an’i Jehovah isika. Izany ihany no fomba fiaina miaro ny Kristianina. Nanoro hevitra antsika koa anefa i Jesosy hoe: ‘Katsaho hatrany aloha ny fahamarinan[’Andriamanitra].’ Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny antony tena ilantsika an’izany.

Hainao Hazavaina Ve?

• Araka ny torohevitr’i Jesosy, ahoana no ahaizana mandanjalanja eo amin’ny fitadiavam-bola?

• Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ilay rameva sy ny vodifanjaitra?

• Inona avy no toetra tsara manampy antsika hanao ilay Fanjakan’Andriamanitra ho loha laharana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 21]

Nahantra ny maro tamin’ny olona niresahan’i Jesosy

[Sary, pejy 23]

Nahafoy ny zava-drehetra ilay mpivarotra tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, mba hahazoana vatosoa sarobidy iray monja

[Sary, pejy 23]

Ny harenany no tian’ilay tovolahy kokoa noho Andriamanitra

[Sary, pejy 24]

Hanohana antsika i Jehovah, raha revo amin’ny fanompoana azy isika