Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manodidina ny Tsara ny Ratsy

Manodidina ny Tsara ny Ratsy

Manodidina ny Tsara ny Ratsy

TOA vitsy ireo vonona hanao zavatra ho an’olona, amin’izao fotoana izao. Misy ihany anefa te hanampy. Isan-taona dia maro ireo manome vola be hanaovana asa soa. Nahatratra 13 000 tapitrisa dolara, ohatra, ny vola nomena toy izany, tany Grande-Bretagne, tamin’ny 2002. Nanomboka tamin’ny 1999, dia nisy olona folo mpanao asa soa nanome na nampanantena ny hanome 38 000 tapitrisa dolara, hanampiana ny mahantra.

Misy mpanao asa soa mandoa ny saran’ny fitsaboana fianakaviana sahirana, miantoka ny fianaran’ny ankizy tezain’ny rainy na ny reniny irery, manome vola hanaovana vaksiny any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana, manome boky ho an’ny ankizy mahantra, manome biby fakana taranaka ho an’ny mpiompy any amin’ny tany mahantra, ary manampy ny tra-boina.

Hita amin’izany fa mahavita manao ny tsara ny olona. Mampalahelo anefa fa misy mahavita zava-dratsy mahatsiravina koa.

Mitombo ny faharatsiana

Taorian’ny Ady Lehibe II, dia efa ho 50 ny tatitra momba ny fandripahana foko sy ny famonoana olona maro be noho ny antony ara-politika. Hoy ny gazety Fandinihana ny Politika Amerikanina (anglisy): “Olona 12 tapitrisa, fara fahakeliny, ary sivily 22 tapitrisa no maty tamin’ireny zava-nitranga ireny. Izany dia mihoatra lavitra noho ny maty tamin’ireo ady an-trano sy adim-pirenena nanomboka tamin’ny 1945.”

Teo anelanelan’ny taona 1945 sy 2002, dia 2 tapitrisa mahery ny olona novonoina tany Kambodja, noho ny antony ara-politika. Lehilahy sy vehivavy ary ankizy maherin’ny 800 000 no maty tamin’ny adim-poko tany Rwanda. Maherin’ny 200 000 kosa ny olona novonoina tany Bosnia, noho ny antony ara-pivavahana sy ara-politika.

Nilaza zava-nitranga vao haingana kokoa ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, tamin’ny 2004. Hoy izy: “Tany Irak, dia nisy sivily naripaka tamin’ny fomba tsy mifaditrovana, ary koa mpitondra fanampiana sy mpanao gazety ary sivily hafa natao takalon’aina sy novonoina tamin-kabibiana. Nisy koa anefa voafonja irakianina nampijalina sady nalam-baraka. Tany Darfour, dia ny mponina rehetra no nitsoa-ponenana, ary nopotehina ny tranony, sady niniana novetavetaina ny vehivavy. Tany amin’ny faritra avaratr’i Ouganda, dia nisy ankizy notapahina rantsambatana sy noterena hanao habibiana mahatsiravina. Ary tany Beslan, dia nisy ankizy natao takalon’aina sy naripaka.”

Mitombo ny heloka bevava noho ny fankahalana, na any amin’ny tany lazaina fa mandroso aza. Nilaza, ohatra, ny gazety Filazam-baovao Tsy Miankina (anglisy) tamin’ny 2004, fa “tao anatin’ny folo taona farany, dia nitombo avo iraika ambin’ny folo heny ny isan’ny olona notafihin’ny mpanavakava-bolon-koditra na nihetraketrahany”, tany Grande-Bretagne.

Nahoana no manao ratsy toy izany ny olona, nefa afaka manao ny tsara ihany? Mbola ho foana ve ny ratsy indray andro any? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny mahafa-po omen’ny Baiboly.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 2]

COVER: Mark Edwards/Still Pictures/Peter Arnold, Inc.