Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah

Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah

Tantaram-piainana

Nanahirana Sady Nahafaly ny Nitaiza Zaza Valo mba Handeha Amin’ny Lalan’i Jehovah

NOTANTARAIN’I JOYCELYN VALENTINE

Nandeha niasa tany andafy ny vadiko, tamin’ny 1989. Nampanantena izy fa handefa vola hikarakarako ny zanako valo. Lasa ireo herinandro, nefa tsy nandrenesam-baovao izy. Nandalo ny volana maromaro, mbola tsy nisy vaovao ihany. Niezaka nampahery tena aho hoe: ‘Hiverina izy raha vao milamina ny zava-drehetra any.’

KIVY tanteraka aho satria tsy nanam-bola hamelomana ny zanako. Nanontany tena aho nandritra ireo alina maro tsy nahitako tory hoe: ‘Dia ho sahy hanao izany amin’ny fianakaviany ve izy?’ Nekeko ihany tamin’ny farany, fa nandao anay ny vadiko. Tena mafy izany! Efa 16 taona eo ho eo izay no lasa, nefa mbola tsy niverina ihany izy. Izany no nahatonga ahy hitaiza irery ny zanako. Sarotra ilay izy, nefa tena faly aho izao mahita azy rehetra mandeha amin’ny lalan’i Jehovah. Hotantaraiko aminareo hoe nanao ahoana ny fiainanay mianakavy, fa horesahiko aloha ny fomba nitaizana ahy.

Nitady tari-dalana tao amin’ny Baiboly

Teraka teto amin’ny nosy Jamaika, atỳ amin’ny Ranomasina Karaiba aho, tamin’ny 1938. Nihevi-tena ho olona natahotra an’Andriamanitra i Dada, na dia tsy nandeha niangona mihitsy aza. Matetika aho no nasainy namaky taminy ny bokin’ny Salamo, tamin’ny alina. Tsy ela dia haiko tsianjery ny salamo maro. Mpiangona tao amin’ny fiangonana teto an-toerana kosa i Neny, ary nentiny niara-nivavaka taminy aho indraindray.

Nampianarina anay tany fa alain’Andriamanitra ho any an-danitra ny tsara fanahy, ary ny ratsy fanahy kosa dorana mandrakizay any amin’ny afobe. Nolazaina taminay koa fa Andriamanitra i Jesosy ary tena tia ankizy. Sahiran-tsaina mafy aho, ary lasa nampahatahotra ahy Andriamanitra. Nanontany tena aho hoe: ‘Nahoana moa Andriamanitra no mampijaly olona any amin’ny afobe, raha tia antsika?’

Nampanonofy ratsy ahy ny nieritreritra ny afobe. Nianatra Baiboly an-taratasy tamin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito aho, tatỳ aoriana. Nampianatra izy ireo fa holevonina amin’ny afo ny ratsy fanahy, fa tsy hampijalina mandrakizay any amin’ny afobe. Toa nitombina kokoa izany, ka nanomboka nanatrika ny fotoam-pivavahan’izy ireo aho. Hitako anefa fa nisafotofoto ny fampianaran’izy ireo, sady tsy nanitsy ny fiheveran-disoko momba ny fitondran-tena.

Neken’ny ankamaroan’ny olona tamin’izany fotoana izany, fa ratsy ny fijangajangana. Maro anefa izahay no nihevitra fa izay manao firaisana amin’olona be dia be ihany no mpijangajanga. Nino àry aho fa tsy fahotana ny fanaovana firaisana, raha toa ka olona iray ihany no anaovana izany, na dia tsy vita soratra amin’ny tena aza izy io. (1 Korintianina 6:9, 10; Hebreo 13:4) Anisan’ny nahatonga ahy hiteraka zaza enina izany, na dia mbola tsy nisoratra aza izahay mivady.

Nianatra sy nampihatra ny fahamarinana

Nifindra tao Bath, tanàna atỳ akaikinay, i Vaslyn Goodison sy Ethel Chambers, tamin’ny 1965. Mpisava lalana izy ireo, izany hoe mpitory manontolo andron’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitorian’izy ireo i Dada indray mandeha, ka nanaiky hianatra Baiboly. Niresaka tamiko koa izy ireo, rehefa tratrany tao an-trano aho. Tena niahiahy ny Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa nanapa-kevitra hianatra Baiboly tamin’izy ireo ihany, mba hanaporofoako ny fahadisoany.

Nametrahako fanontaniana maro be ry zareo rehefa nianatra izahay, ary novaliany tamin’ny alalan’ny Baiboly izy rehetra. Nampianariny ahy fa tsy mahatsiaro tena ny maty sady tsy mijaly any amin’ny afobe. (Mpitoriteny 9:5, 10) Nianarako koa fa afaka manantena hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa an-tany isika. (Salamo 37:11, 29; Apokalypsy 21:3, 4) Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah teto an-toerana aho, na dia tsy nianatra Baiboly intsony aza i Dada. Nilamina sy nirindra tsara ny fomba nitarihana an’ireny fivoriana ireny, ka niana-javatra maro kokoa momba an’i Jehovah aho. Nanatrika ny fivoriamben’ny faritra sy fivoriamben’ny vondrom-paritra nalamin’ny Vavolombelona koa aho. Nisy heriny teo amiko ireny fianarana Baiboly ireny, ka lasa naniry mafy hanompo an’i Jehovah araka izay sitrany aho. Nanan-java-manahirana anefa aho.

Niara-nipetraka tamin’ny rain’ny zanako telo aho, nefa tsy vita soratra izahay. Nianarako avy tao amin’ny Baiboly fa raran’Andriamanitra ny firaisan’ny olona tsy mpivady, ka nanomboka nanenjika ahy ny eritreritro. (Ohabolana 5:15-20; Galatianina 5:19) Naniry mafy hiaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra aho, rehefa nitombo ny fitiavako ny fahamarinana. Nandray fanapahan-kevitra àry aho tamin’ny farany. Noresahiko tamin’ilay lehilahy niara-nipetraka tamiko, fa na izahay hisora-panambadiana na izahay hisaraka. Nisoratra izahay tamin’ny 15 Aogositra 1970, na dia tsy nanaiky ny zavatra inoako aza izy. Dimy taona taorian’ny niresahan’ny Vavolombelona tamiko voalohany izany. Natao batisa tao anaty rano aho tamin’ny Desambra 1970, ho porofon’ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah.

Tsy hohadinoiko mihitsy koa ny andro voalohany nitoriako. Natahotra be aho sady tsy nahay nanomboka dinidinika ara-baiboly. Zarako aza namarana haingana ny resakay ilay olona nitoriako voalohany. Vetivety anefa dia nisinda ny tahotro. Faly be aho ny harivan’iny, satria afaka niresaka momba ny Baiboly tamin’olona maromaro, sady nahapetraka boky sy gazety ara-baiboly tamin’izy ireo.

Nanampy ny ankizy hifandray tsara amin’i Jehovah

Mbola niteraka roa aho, ka valo ny zanako tamin’ny 1977. Tapa-kevitra hanao araka izay fara heriko aho, mba hanampiana ny ankohonako hanompo an’i Jehovah. (Josoa 24:15) Niezaka mafy àry aho mba hitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka. Reraka be aho indraindray ka resin-tory, raha mbola namaky fehintsoratra ny iray tamin’ireo ankizy. Tsy maintsy namoha ahy ry zareo tamin’izay. Tsy nanakana anay tsy hiara-mianatra Baiboly mihitsy anefa ny havizanana.

Niara-nivavaka matetika tamin’ny zanako koa aho. Nampianariko nivavaka irery tamin’i Jehovah izy ireo, raha vao lehibebe ka afaka nanao izany. Nataoko azo antoka fa nivavaka izy rehetra, talohan’ny hatoriany. Tsy nahay nivavaka irery anefa ny sasany fa mbola kely loatra, ka izaho no nivavaka niaraka tamin’ny tsirairay taminy.

Tsy namela ahy hitondra ny ankizy tany amin’ny fivorian’ny fiangonana ny vadiko, tamin’ny voalohany. Nilefitra ihany anefa izy, rehefa hitany fa izy no voatery hikarakara azy ireo rehefa nivory aho. Tena tia nandehandeha niaraka tamin’ny namany mantsy izy rehefa alina, ka tsy nahafinaritra azy ny hoe hitaritarika azy valo mianadahy any amin’izay alehany! Nanampy ahy hanomana ny ankizy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy aza izy, tatỳ aoriana.

Tsy ela ny zanako dia lasa zatra nanatrika ny fivoriana rehetra sy nitory. Niara-nitory tamin’ireo mpisava lalana teo amin’ny fiangonana foana izy ireo, nandritra ny vakansy. Nahatonga azy ireo ho tena tia ny fiangonana sy ny asa fitoriana izany.—Matio 24:14.

Fotoam-pitsapana

Nanomboka nandeha niasa tany andafy ny vadiko, mba hampitomboana ny fidiram-bolanay. Nandao anay nandritra ny fotoana ela izy tamin’izany, nefa nody foana. Tsy niverina intsony anefa izy tamin’ny 1989. Araka ny efa voalazako terỳ aloha, dia tena kivy tanteraka aho rehefa nandao anay izy. Nitomany aho nandritra ny alina maro, sady nivavaka mafy tamin’i Jehovah mba hahay hionona sy ho afaka hiaritra. Tsapako fa namaly ny vavaka nataoko izy. Nanome ahy fiadanan-tsaina sy hery hiatrehako ny fiainana, ny andinin-teny toy ny Isaia 54:4 sy ny 1 Korintianina 7:15. Nampahery sy nanampy ahy ara-bola koa ny havanay sy ny namanay teo anivon’ny fiangonana. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ny vahoakany aho, noho ny fanampian’izy ireo.

Niharam-pitsapana hafa koa izahay. Voaroaka tao amin’ny fiangonana ny zanako vavy iray, indray mandeha, satria tsy araka ny Soratra Masina ny fitondran-tenany. Tena tiako be ny zanako rehetra, kanefa ambony noho izany ny tsy fivadihako amin’i Jehovah. Nanaraka akaiky ny toromariky ny Baiboly momba ny fifandraisana amin’ny voaroaka àry izaho sy ny zanako hafa, nandritra izany fotoana izany. (1 Korintianina 5:11, 13) Maro no nanakiana anay, satria tsy azon’izy ireo ny fihetsika nasehonay. Rehefa voaray teo amin’ny fiangonana indray anefa ilay zanako, dia nilaza tamiko ny vadiny fa nampiaiky volana azy ny nahita anay nampihatra foana ny toro lalan’ny Baiboly. Miara-manompo an’i Jehovah izao izy mianakavy.

Olana ara-bola

Tsy nanana fidiram-bola raikitra aho rehefa nandao anay ny vadiko, ary tsy nahazo vola avy taminy intsony izahay. Nampianatra anay hanana fiainana tsotra izany, ary hihevitra ny harena ara-panahy ho sarobidy kokoa noho ny harena ara-nofo. Lasa niraiki-po tamin’izy samy izy ny ankizy, rehefa nianatra nifankatia sy nifanampy. Rehefa nanomboka niasa ny sasany, dia tsy nisalasala nanome vola hanampiana ny zandriny. I Marseree vavimatoa, ohatra, no nanampy an’i Nicole zandriny faravavy hamita ny fianarany tany amin’ny lise. Izaho kosa nanokatra tsena kely fivarotana enta-madinika. Io fidiram-bola kely io no nahazoanay ny zavatra sasany nilainay.

Tsy nandao anay mihitsy i Jehovah. Nilazako ny rahavavy kristianina iray, indray mandeha, fa tsy ho afaka hanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra izahay, satria tsy ampy ny volanay. Hoy izy: “Rahavavy Val a, raha vao renao fotsiny hoe hisy fivoriambe, dia efa omano ny entana! Hanome izay ilainao foana i Jehovah.” Nanaraka ny toroheviny aho, ary nanome izay nilainay tokoa i Jehovah, sady manao izany hatramin’izao. Mbola tsy nanapaka fivoriambe noho ny tsy fananam-bola mihitsy ny fianakavianay.

Nandrava an’i Jamaika ny Rivo-doza Gilbert, tamin’ny 1988. Niala tao an-tranonay izahay mba hialoka tany amin’ny toerana azo antoka kokoa. Rehefa nitony kely ny rivotra, dia nandeha nijery ilay tranonay efa rava izaho sy ny zanako lahy iray. Nijerijery izay sisa tavela teo izahay, ary nahita zavatra iray tiako hoentina aho ka noraisiko. Nifofofofo tampoka indray anefa ny rivotra. Vao mainka nohazoniko mafy ilay izy. “Apetraho iny tele iny, ry Neny a! Vadin’i Lota angaha ianao?”, hoy ilay zanako. (Lioka 17:31, 32) Nahatonga saina ahy izany. Natontako ilay tele efa lena be, ary nihazakazaka namonjy fialofana izahay.

Mangovitra aho izao rehefa mieritreritra fa tele no nanaovako vivery ny aiko. Faly anefa ny foko mahatsiaro ilay tenin-janako, satria hitako fa fantany ny zava-dehibe indrindra. Nanavotra ahy tamin’ny loza izy, noho ny fampiofanana ara-baiboly nomen’ny fiangonana kristianina azy. Niaro ny fifandraisako tamin’Andriamanitra mihitsy aza angamba izy tamin’iny.

Nandrava ny tranonay sady nanimba ny fanananay ilay rivo-doza, ka ketraka izahay. Tamin’izay no tonga ireo mpiray finoana taminay. Nampirisika anay izy ireo mba hitoky amin’i Jehovah sy hazoto amin’ny fanompoana foana, na dia namoy ny fanananay aza izahay. Nanampy anay hanamboatra ny tranonay koa, ireo anadahy avy teto Jamaika sy avy tany ivelany. Niasa an-tsitrapo daholo izy ireo, ary tena nanohina ny fonay ny fitiavany sy ny fahafoizan-tenany.

Jehovah foana aloha

Nanao ny asan’ny mpisava lalana i Melaine, zanako faharoa, rehefa nahavita ny fianarany. Nasaina ho mpisava lalana tany amin’ny fiangonana hafa izy avy eo, ary nekeny izany na dia voatery niala tamin’ny asany aza izy. Afaka nampidi-bola be ho an’ny fianakavianay izy noho io asany io. Natoky anefa izahay fa hikarakara anay i Jehovah, raha mametraka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany ny tsirairay aminay. (Matio 6:33) Nahazo fanasana ho mpisava lalana koa i Ewan zanako lahy, tatỳ aoriana. Nanohana ara-bola anay mianakavy koa izy, nefa nampirisika azy hanaiky ilay fanasana izahay, sady nirary azy hahazo ny fitahian’i Jehovah. Tsy nisakana ny zanako mihitsy aho, rehefa naniry hiala tao an-trano izy ireo, mba hanitatra ny fanompoany. Nanana izay nilainay foana izahay tato an-trano, ary vao mainka aza faly, sady afaka nanampy ireo sahirana koa indraindray.

Tena faly aho ankehitriny mahita ny zanako ‘mandeha ao amin’ny fahamarinana.’ (3 Jaona 4) Manambady mpiandraikitra ny faritra i Melaine, ary miara-mitsidika fiangonana izy ireo. Mpisava lalana manokana ry Andrea mivady, ary mpiandraikitra ny faritra mpisolo toerana ny vadiny. Miaraka koa ry zareo rehefa misy fiangonana tsidihiny. I Ewan indray anti-panahy, sady mpisava lalana manokana izy mivady. I Ava-Gay miara-manompo amin’ny vadiny ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eto Jamaika. I Jennifer sy Genieve ary Nicole kosa miara-manompo amin’ny vady aman-janany eo anivon’ny fiangonana misy azy avy, ary mazoto tsara daholo ry zareo. I Marseree no miara-mipetraka amiko, ary mivory ao amin’ny Fiangonana Port Morant izahay. Fitahiana lehibe ho ahy ny hoe mbola manompo an’i Jehovah daholo ny zanako valo.

Lasa narary aho rehefa nihantitra. Voan’ny aretin’ny tonon-taolana aho izao, nefa mbola mahafinaritra ahy ny manao ny asan’ny mpisava lalana. Efa elaela izay no lasa sahirana be aho mandeha amin’ilay toerana be havoana misy anay. Lasa sarotra tamiko ny nandeha nanompo. Nanandrana nitaingina bisikileta aho, ary hitako fa mora kokoa noho ny mandeha an-tongotra izany. Nividy bisikileta efa nampiasaina àry aho. Natahotra ny zanako tamin’ny voalohany, rehefa nahita ny reniny efa marary, nefa mbola mandeha bisikileta ihany. Tena faly anefa izy ireo mahita ahy mitory foana araka izay irin’ny foko.

Faly be aho mahita ireo olona nampianariko, manaiky ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly. Mivavaka amin’i Jehovah foana aho mba hanampiany ny fianakaviako hahatoky eo anatrehany hatrany, mandritra izao andro farany izao ka ho mandrakizay. Midera sy misaotra an’i Jehovah, ilay “Mpihaino vavaka” aho, satria nomeny hery hitaizana ireo zanako valo mba handeha amin’ny lalany, na dia sarotra aza izany.—Salamo 65:2.

[Sary, pejy 10]

Izaho sy ny zanako ary ny vinantoko mbamin’ny zafikeliko

[Sary, pejy 12]

Mandeha bisikileta aho izao rehefa manompo