Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Andinin-teny Tranainy Indrindra Fantatra”

“Andinin-teny Tranainy Indrindra Fantatra”

“Andinin-teny Tranainy Indrindra Fantatra”

NIAVAKA ny zavatra hitan’ireo arkeology israelianina, 25 taona lasa izay. Nahita horonam-bolafotsy kely roa nisy andinin-teny izy ireo, tao amin’ny fasana tany amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Efa talohan’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. ny datin’ireo horonana ireo. Voasoratra teo ny ampahany amin’ireo fitahiana voalazan’ny Nomery 6:24-26. Hita imbetsaka teo amin’ireo horonana roa ireo koa ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nolazaina fa ireo soratra ireo no “asa tanana tranainy indrindra mirakitra andalan-teny avy ao amin’ny Baiboly hebreo.”

Nisy manam-pahaizana anefa nisalasala ny amin’ny datin’ireo horonana bitika ireo, ka nilaza fa tamin’ny taonjato faharoa T.K. no nanoratana azy. Tsy dia tsara ny sarin’izy ireo tany am-boalohany, ka tsy nahafahana nandinika tsara ny tsipiriany rehetra. Izany no anisan’ny nahatonga an’io tsy fitovian-kevitra io. Nisy ekipana manam-pahaizana àry nanaiky hanao fandinihana vaovao, mba hahitana izay daty marina. Ny sarin’ireo horonana nalaina farany indrindra sy ordinatera no nampiasaina mba hahazoana sary tena mazava. Navoaka vao haingana ny vokatr’ireo fandinihana farany. Inona no fanatsoahan-kevitr’ireo manam-pahaizana ireo?

Voalohany, nohamafisin’izy ireo fa manamarina ilay daty talohan’ny sesitany tany Babylona ny fanazavana omen’ny arkeology. Natao koa ny fandinihana ireo soratra fahiny, mba hamerana ny daty nanoratana azy ireny. Nojerena tsara àry ny endrik’ireo litera, ny toerany sy ny filaharany, ny fomba fanoratra, ary ny fizotrany (na miankavanana izany na miankavia). Hita tamin’izany fa nosoratana tamin’ny faran’ny taonjato fahafito T.K. ireo horonana. Hoy io ekipa io tamin’ny farany, rehefa nandinika ny fitsipi-panoratana: “Mifanaraka tsara amin’ny porofo omen’ny arkeology sy ny porofo hita tao amin’ireo soratra fahiny ny fitsipi-panoratana hita teo amin’ireo horonana, raha ny mahakasika ny datin’izy ireo.”

Fantatra koa amin’ny hoe soratra Ketef Hinnom ireo horonam-bolafotsy ireo. Namintina ny fandinihana azy ireo toy izao ny gazety amerikanina iray momba ny fikarohana any Orient: “Manamafy ny hevitry ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana àry izahay, dia ny hoe mitahiry ny andinin-teny tranainy indrindra fantatra, ny soratra eo amin’ireo horonana ireo.”

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Lava-bato: Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.; soratra: Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority