Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ireo takela-bato roa ihany ve no tao amin’ny vata (fiara) misy ny fifanekena, sa nisy zavatra hafa tao?

Tamin’ny andro nitokanana ny tempolin’i Solomona, tamin’ny 1026 T.K., dia ‘tsy nisy na inona na inona tao anatin’ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon’i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin’i Jehovah nanao fanekena tamin’ny Zanak’Israely, tamin’ny nivoahany avy tany Ejipta.’ (2 Tantara 5:10) Tsy toy izany foana anefa no izy.

Niditra tany an’efitr’i Sinay ny Zanak’Israely, ‘tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nialan’izy ireo tamin’ny tany Ejipta.’ (Eksodosy 19:1, 2) Niakatra teo amin’ny Tendrombohitra Sinay i Mosesy avy eo, ary nandray ireo takela-bato roa nisy ny Lalàna. Hoy izy: ‘Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’i Jehovah ahy.’ (Deoteronomia 10:5) Io fiara io dia ilay vata vonjimaika nampanamboarin’i Jehovah an’i Mosesy, mba hitahirizana ireo takela-baton’ny Lalàna. (Deoteronomia 10:1) Tsy vita kosa ny vata misy ny fifanekena, raha tsy tamin’ny faramparan’ny 1513 T.K.

Nimenomenona momba ny sakafo ny Israelita, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Nomen’i Jehovah mana àry izy ireo. (Eksodosy 12:17, 18; 16:1-5) Nandidy an’i Arona i Mosesy tamin’izay hoe: “Makà vilany, ka asio mana eran’ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan’i Jehovah mba hotehirizina hatramin’ny taranakareo fara mandimby.” Hoy ilay fitantarana: “Ary araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nametrahan’i Arona izany teo anatrehan’ny Vavolombelona [zavatra nitahirizana ireo antontan-taratasy tena ilaina] mba hotehirizina.” (Eksodosy 16:33, 34) Azo antoka fa nanangona mana tao anaty vilany, na siny, i Arona tamin’izany fotoana izany. Tsy napetraka teo anoloan’ny Vavolombelona anefa izany, raha tsy rehefa vitan’i Mosesy ny Vata misy ny fifanekena, ary napetrany tao ireo takela-bato.

Araka ny efa voalaza tetsy aloha, dia vita tamin’ny faramparan’ny 1513 T.K. ny vata misy ny fifanekena. Napetraka tao ny tehin’i Arona, ela be tatỳ aoriana, taorian’ny fikomian’i Kora sy ny namany. Resahin’ny apostoly Paoly ny momba ‘ny vata misy ny fifanekena nasiana ny siny volamena nisy ny mana, sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka, ary ny takela-baton’ny fifanekena.’—Hebreo 9:4.

Fandaharana nataon’Andriamanitra, nandritra ny 40 taona nijanonan’ny Israelita tany an’efitra, ny mana. Tsy nomena intsony izy io, rehefa nanomboka ‘nihinana ny vokatry ny tany’ nampanantenaina izy ireo. (Josoa 5:11, 12) Napetraka tao amin’ny vata misy ny fifanekena ny tehin’i Arona, mba ho famantarana na porofo manameloka ilay taranaka mpikomy. Mety ho nidika izany fa nijanona tao nandritra ny dian’izy ireo tany an’efitra ilay tehina. Azo inoana àry fa nesorina tao ny tehin’i Arona sy ny siny volamena nisy ny mana, taoriana kelin’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina, izany hoe talohan’ny nitokanana ny tempolin’i Solomona.