Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza moa ny Anjely?

Iza moa ny Anjely?

Iza moa ny Anjely?

TAITRA be ilay mpanjakan’ny fanjakana natanjaka iray. Avotra ny ain’ireo lehilahy telo natsipy tao anaty lafaoro nisy afo nidedadeda! Iza no namonjy azy ireo? Ilay mpanjaka mihitsy no nilaza toy izao tamin’izy telo lahy: ‘Isaorana anie ny [Andriamanitrareo], izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy.’ (Daniela 3:28) Vavolombelona nanatri-maso ny famonjen’ny anjely io mpanjaka babylonianina tamin’ny roa arivo taona lasa io. Olona an-tapitrisany fahiny no nino ny fisian’ny anjely. Sady mino anefa ny olona maro ankehitriny fa misy ny anjely, no milaza fa manan-kery eo amin’ny fiainany izy ireny. Iza moa ny anjely, ary taiza no niavian’izy ireo?

Milaza ny Baiboly fa fanahy ny anjely, toy ny ilazany fa Fanahy Andriamanitra. (Salamo 104:4; Jaona 4:24) An-tapitrisany maro ny isan’ny anjely. (Apokalypsy 5:11) Samy “mahery indrindra” izy rehetra. (Salamo 103:20) Ny toetra sy ny safidy malalaka nomena azy no mampitovy ny olona sy ny anjely, fa tsy hoe efa olona izy ireo taloha. Noforonin’Andriamanitra kosa izy ireo, ela be talohan’ny olona, ary talohan’ny namoronana ny tany mihitsy aza. Milaza ny Baiboly fa “niara-nihira ny kintan’ny maraina [anjely], ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra”, rehefa “nanorina ny tany” Andriamanitra. (Joba 38:4, 7) Antsoina hoe zanak’Andriamanitra izy ireo, satria zavaboary noforoniny.

Inona no antony namoronan’Andriamanitra ny anjely? Inona no anjara asany teo amin’ny fiainan’ny olona, raha nisy izany? Manan-kery eo amin’ny fiainantsika ankehitriny ve izy ireny? Manan-tsafidy ny anjely, ka efa nisy tamin’izy ireo ve nanao toa an’i Satana Devoly, ary nitsangana ho fahavalon’Andriamanitra? Mamaly tsara an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly.