Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manan-kery eo Amin’ny Fiainantsika ny Anjely

Manan-kery eo Amin’ny Fiainantsika ny Anjely

Manan-kery eo Amin’ny Fiainantsika ny Anjely

IZAO no nolazain’i Daniela mpaminany, momba ny fahitana azony mikasika ny anjelin’Andriamanitra: “Arivoarivo no nanompo Azy [Andriamanitra], ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.” (Daniela 7:10) Asongadina eo ny antony namoronan’Andriamanitra ny anjely. Nataony mba hanompo azy sy ho vonona hanatanteraka ny baikony izy ireo.

Ampiasain’Andriamanitra koa ny anjely mba hanao zavatra sasany mifandray amin’ny olombelona. Hojerentsika ny fomba ampiasany azy ireo mba hanatanjahana sy hiarovana ny vahoakany, hitondra hafatra ho an’ny olona, ary hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy.

Anjely manatanjaka sy miaro

Nasehon’ny anjely fa nahaliana azy ny olombelona, nanomboka tamin’ny nahitany ny famoronana ny tany sy ny olombelona voalohany. Fahendrena velona i Jesosy Kristy, izay niteny toy izao talohan’ny naha olombelona azy: “Naharavoravo ahy ny zanak’olombelona.” (Ohabolana 8:31) Milaza amintsika koa ny Baiboly fa “tian’ny anjely hojerena tsara” ny zava-misy momba an’i Kristy sy ny hoavy, noresahina tamin’ireo mpaminanin’Andriamanitra.—1 Petera 1:11, 12.

Hitan’ny anjely, rehefa nandeha ny fotoana, fa tsy nanompo an’ilay Mpamorona be fitiavana ny ankamaroan’ny olombelona. Tsy maintsy ho nampalahelo an’ireo anjely nahatoky izany! ‘Mifaly kosa ny anjelin’Andriamanitra’, rehefa misy mpanota iray mibebaka sy miverina amin’i Jehovah. (Lioka 15:10) Tena miahy an’ireo manompo an’Andriamanitra ny anjely. Nampiasa azy ireo foana koa i Jehovah mba hanatanjaka sy hiaro ny mpanompony mahatoky eto an-tany. (Hebreo 1:14) Ireto misy ohatra vitsivitsy.

Nisy anjely roa nanampy an’i Lota sy ny zanany vavy hiala mba tsy ho faty tamin’ilay fandringanana an’i Sodoma sy Gomora ratsy fanahy. * (Genesisy 19:1, 15-26) Tsy naninona i Daniela, taonjato maro tatỳ aoriana, rehefa natsipy tao an-davaky ny liona. Nahoana? “Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona”, hoy izy. (Daniela 6:23) Nanohana an’i Jesosy ny anjely, tamin’ny fanombohan’ny fanompoany teto an-tany. (Marka 1:13) Taloha kelin’ny nahafatesany koa dia nisy anjely niseho taminy ka “nankahery azy.” (Lioka 22:43) Tsy maintsy ho faly tokoa i Jesosy, noho io anjely tonga tamin’ny fotoana lehibe teo amin’ny fiainany io! Nisy anjely koa nanafaka ny apostoly Petera avy tany am-ponja.—Asan’ny Apostoly 12:6-11.

Miaro antsika koa ve ny anjely? Azontsika antoka fa miaro antsika ny anjely mahery sy tsy hita maso, raha mivavaka amin’i Jehovah araka ny Teniny isika. Hoy ny Baiboly: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.”—Salamo 34:7.

Tsy maintsy ekentsika anefa fa ny hanompo an’Andriamanitra no tena ataon’ny anjely fa tsy ny hanompo olona. (Salamo 103:20, 21) Ny toromarik’Andriamanitra no eken’izy ireo, fa tsy ny fiantsoana na ny fangatahan’ny olona. I Jehovah Andriamanitra àry no antsoina mba hangatahana fanampiana, fa tsy ny anjely. (Matio 26:53) Tsy hitantsika anefa ny anjely, ka tsy azontsika fantarina hoe hatraiza no ampiasan’Andriamanitra azy ireny mba hanampiana ny vahoakany amin’ny raharaha samihafa. Fantatsika kosa fa ‘miseho aman-kery [i Jehovah] hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.’ (2 Tantara 16:9; Salamo 91:11) Matoky koa isika fa “na inona na inona angatahintsika mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”—1 Jaona 5:14.

Milaza ny Soratra Masina fa Andriamanitra ihany no tokony hivantanan’ny vavaka sy fanompoana ataontsika. (Eksodosy 20:3-5; Salamo 5:1, 2; Matio 6:9) Mampirisika antsika hanao izany ny anjely mahatoky. Saika hivavaka tamin’ny anjely iray, ohatra, ny apostoly Jaona, indray mandeha. Niteny mafy azy anefa io anjely io hoe: “Tandremo! Aza manao izao! ... Andriamanitra no ivavaho.”—Apokalypsy 19:10.

Anjely manambara ny hafatr’Andriamanitra

Ny teny hoe “anjely” dia midika hoe “mpitondra hafatra.” Ny mitondra hafatra ho an’ny olombelona àry no fomba iray hafa anompoan’ny anjely an’Andriamanitra. Ohatra: “Nirahin’andriamanitra ny anjely Gabriela ho any amin’ny tanàna atao hoe Nazareta, any Galilia.” Nahoana? Mba hampahafantatra ny tovovavy iray atao hoe Maria, fa na virjiny aza izy, dia hitoe-jaza sy hiteraka zazalahy hatao hoe Jesosy. (Lioka 1:26-31) Nisy anjely koa nirahina nankany amin’ny mpiandry ondry tany an-tsaha, mba hampahafantatra azy ireo fa teraka i “Kristy Tompo.” (Lioka 2:8-11) Nisy anjely koa nitondra hafatra avy tamin’Andriamanitra ho an’i Abrahama, Mosesy, Jesosy, ary olon-kafa ao amin’ny Baiboly.—Genesisy 18:1-5, 10; Eksodosy 3:1, 2; Lioka 22:39-43.

Ahoana no itondran’ny anjely hafatra avy amin’Andriamanitra ankehitriny? Diniho ny asa nolazain’i Jesosy fa hataon’ny mpianany, alohan’ny faran’ity tontolo ity. Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:3, 14) Mandany ora an’arivony tapitrisa mahery ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantatrao ve anefa fa mandray anjara amin’io asa io koa ny anjely? Izao no nolazain’ny apostoly Jaona, momba ny fahitana iray azony: “Ary hitako fa nisy anjely hafa iray ... Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apokalypsy 14:6, 7) Asongadin’io andininy io ny asa lehibe indrindra ataon’ny anjely ho an’ny olombelona ankehitriny.

Hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny porofo fa mitarika azy ireo ny anjely, eo amin’ny fitorian’izy ireo isan-trano. Matetika izy ireo no tafaresaka amin’ny olona vao avy nivavaka mba hisian’ny olona hanampy azy hahafantatra ny fikasan’Andriamanitra. Olona ana hetsiny isan-taona àry no manjary mahafantatra an’i Jehovah, noho ny fitarihan’ny anjely sy ny asan’ireo Vavolombelona. Enga anie ianao ka handray soa avy amin’io asa mamonjy aina atao eo ambany fitarihan’ny anjely io.

Anjely manatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra

Tsy omen-dalana hitsara ny olombelona ny anjely, nefa tsy mpitazana fotsiny koa. (Jaona 5:22; Hebreo 12:22, 23) Mpanatanteraka didim-pitsarana izy ireo, ka nanao izany tamin’ny lasa. Nampiasa anjely, ohatra, Andriamanitra, rehefa niady tamin’i Ejipta fahiny, izay nihazona ny Israelita ho andevony. (Salamo 78:49) Indray alina monja koa no namelezan’ny “Anjelin’i Jehovah” miaramila dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy, tao amin’ny tobin’ny fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra.—2 Mpanjaka 19:35.

Hampiasa anjely koa Andriamanitra mba hanatanteraka ny didim-pitsarany amin’ny hoavy. Ho avy koa i Jesosy “miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara.” (2 Tesalonianina 1:7, 8) Ireo tsy manaiky ny hafatra torina ankehitriny eo ambany fanohanan’ny anjely ihany anefa no hiharan’io fandringanana io. Tsy ho ringana ireo mitady an’Andriamanitra sy manaraka ny fampianaran’ny Soratra Masina.—Zefania 2:3.

Tokony hankasitrahantsika ireo anjely mahatoky, izay manaraka foana ny toromarik’Andriamanitra! Mampiasa azy ireo i Jehovah mba hanampy sy hiaro ny mpanompony tsy mivadika eto an-tany. Tena mampahery izany, satria misy anjely ratsy fanahy antsoina hoe demonia koa mitady hamely antsika.

Iza moa ny demonia?

Nandritra ireo 1 500 taona taorian’ny namitahan’i Satana an’i Eva tany Edena, dia hitan’ny anjelin’Andriamanitra fa vitan’i Satana Devoly ny nampivadika ny olona rehetra, ankoatra ireo nahatoky toa an’i Abela sy Enoka ary Noa. (Genesisy 3:1-7; Hebreo 11:4, 5, 7) Nisy anjely hafa koa nanaraka an’i Satana. Lazain’ny Baiboly fa fanahy tsy nankatò izy ireny, “tamin’ny andron’i Noa.” (1 Petera 3:19, 20) Ahoana no nihariharian’ny tsy fankatoavan’izy ireo?

Nisy anjely nivadika tamin’ny andron’i Noa, ka nandao ny fonenany tany an-danitra niaraka tamin’Andriamanitra. Nanketỳ an-tany izy ireo, ary nitafy vatan’olombelona. Nahoana? Nanjary te hanao firaisana tamin’ny vehivavy izy ireo. Nanjary niteraka an’ireo atao hoe Nefilima izy ireo. Olona goavana nahery setra ny Nefilima. “Izay fisainana rehetra avy amin’ny [fon’ny olona koa] dia ratsy ihany mandritra ny andro.” Tsy navelan’i Jehovah hitohy anefa izany faharatsian’ny olona izany. Nitondra Safodrano izy, ka nanala ny olon-dratsy rehetra, niaraka tamin’ny Nefilima. Ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky ihany no hany olombelona tsy maty.—Genesisy 6:1-7, 17; 7:23.

Tsy ringana tamin’ny Safodrano ireo anjely nivadika. Narian’izy ireo ny vatan’olombelona notafiny, ary niverina tany an-danitra toy ny anjely indray izy ireo. Nantsoina hoe demonia izy ireo, nanomboka tamin’izay. Nanjary niandany tamin’i Satana Devoly, ilay antsoina hoe “lehiben’ny demonia”, izy ireo. (Matio 12:24-27) Maniry hivavahan’ny olona, toa an’ilay lehibeny ihany izy ireo.

Mampidi-doza ny demonia, nefa tsy tokony hatahotra azy ireo isika. Voafetra ny herin’izy ireo. Tsy navela ho anisan’ny fianakavian’ny anjely nahatoky intsony ireo anjely nivadika, rehefa niverina tany an-danitra. Tsy nandray fahazavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra intsony izy ireo, ka maizina tanteraka ny hoaviny. Voahidy ao amin’ny haizina antsoina hoe Tartara kosa izy ireo. (2 Petera 2:4) Nofehezin’i Jehovah tamin’ny ‘fatorana mandrakizay’ izy ireo, ka ao anatin’ny haizina ara-panahy. Tsy afaka mitafy vatan’olombelona intsony koa izy ireo.—Joda 6.

Inona no tokony hataonao?

Mbola misy heriny eo amin’ny olombelona ve ny demonia? Eny, mampiasa ‘teti-dratsy’ toy ireo ampiasain’i Satana Devoly filohany, izy ireo. (Efesianina 6:11, 12) Hahatohitra ny demonia anefa isika, raha mampihatra ny torohevitry ny Tenin’Andriamanitra. Arovan’ireo anjely mahery koa, izay tia an’Andriamanitra.

Tena tokony hianatra izay takin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina àry ianao, ka hampihatra izay ianaranao! Afaka mianatra bebe kokoa momba ny Baiboly ianao, raha miresaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny manodidina anao, na manoratra any amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity. Ho faly izy ireo hianatra ny Baiboly miaraka aminao maimaim-poana, amin’ny fotoana mety aminao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Lehilahy lehibe no endrika isehoan’ny anjely ao amin’ny Baiboly. Lehilahy foana izy ireo, rehefa niseho tamin’ny olombelona.

[Efajoro, pejy 6]

FOMBA ANDAMINANA NY ANJELY

Izao no fomba andaminan’i Jehovah ny anjeliny maro be:

Ny anjely manana hery sy fahefana ambony indrindra dia i Jesosy Kristy, antsoina hoe Mikaela arkanjely. (1 Tesalonianina 4:16; Joda 9) Eo ambany fahefany ny serafima sy kerobima ary ny anjely hafa.

Manana toerana ambony be eo anatrehan’Andriamanitra ny serafima. Mpanampy eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra izy ireo. Anisan’ny asan’izy ireo ny manambara ny fahamasinan’Andriamanitra sy mihazona ny fahadiovan’ny vahoakany eo amin’ny ara-pivavahana.—Isaia 6:1-3, 6, 7.

Eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra ny kerobima, ary manandratra ny fahalehibeazan’i Jehovah.—Salamo 80:1; 99:1; Ezekiela 10:1, 2.

Irak’i Jehovah ny anjely hafa, ka manatanteraka ny sitrapony.

[Sary, pejy 4]

Nitarika an’i Lota sy ny zanany vavy ho amin’ny famonjena ny anjely

[Sary, pejy 5]

Saika hivavaka tamin’ilay anjely ny apostoly Jaona, nefa nilazany hoe: “Aza manao izao!”

[Sary, pejy 6]

Manatanteraka ny didim-pitsaran’Andriamanitra ny anjely

[Sary, pejy 7]

Mandray soa avy amin’ny asa fitoriana atao eo ambany fitarihan’ny anjely ve ianao?