Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Araka ny Genesisy 44:5, moa ve tena nampiasa kaopy volafotsy manokana mba hamantarana fambara i Josefa, mpanompon’i Jehovah nahatoky?

Tsy misy antony tokony hiheverantsika fa nanao sikidy i Josefa.

Asehon’ny Baiboly hoe ahoana marina no fiheveran’i Josefa, ny famantarana ny hoavy amin’ny alalan’ny sikidy. Efa nasaina nanazava ny nofin’i Farao izy taloha. Nanizingizina foana izy tamin’izay, fa Andriamanitra irery no afaka ‘milaza’ ny zavatra hitranga amin’ny hoavy. Noho izany, dia nino i Farao fa tsy ny herin’ny maizina no nahalalan’i Josefa tamin’ny an-tsipiriany ny hoavy, fa ny fanampian’ilay Andriamanitra marina nivavahany. (Genesisy 41:16, 25, 28, 32, 39) Nandrara ny fanandroana sy ny fanaovana sikidy i Jehovah, tao amin’ny Lalàna nomeny an’i Mosesy tatỳ aoriana. Vao mainka izany nanamafy fa Izy irery no afaka manambara mialoha ny hoavy.—Deoteronomia 18:10-12.

Tao amin’ilay teny nasain’i Josefa nampitain’ny mpanompony anefa, dia nilaza izy fa nampiasa kaopy ‘hamantarana zavatra’ na fambara. Nahoana? * (Genesisy 44:5) Ilaintsika ny mandinika ny zava-nitranga tamin’ny fotoana nilazany an’io teny io.

Nisy mosary mafy tamin’izay, ka tsy maintsy nankany Ejipta mba hitady sakafo ny rahalahin’i Josefa, izay nivarotra azy ho andevo, taona maro talohan’izay. I Josefa no nangatahan’izy ireo fanampiana, nefa tsy fantatr’izy ireo izy, satria efa lasa mpiandraikitra ny sakafon’i Ejipta. Tsy nampahafantatra ny tenany tamin’izy ireo i Josefa, fa nanapa-kevitra ny hitsapa azy. Tiany ho hita mantsy raha tena niova izy ireo, ary rariny izany. Tiany ho fantatra koa raha tena tian’izy ireo i Benjamina rahalahiny sy Jakoba rainy, izay niraiki-po be tamin’i Benjamina. Nanao hafetsena àry i Josefa.—Genesisy 41:55–44:3.

Nandidy ny mpanompony iray izy mba hameno sakafo ny kitapon’ireo rahalahiny, hamerina ny volan’izy rehetra tao anaty kitapony avy, ary hametraka an’ilay kaopy volafotsiny tao anaty kitapon’i Benjamina. Tiany haseho tamin’izany rehetra izany, fa manam-pahefana tao amin’ny tanin’ny mpanompo sampy izy. Nampifanarahiny tamin’ny an’ireny manam-pahefana ireny àry ny toetrany sy ny fihetsiny ary ny fiteniny, mba tsy hahafantaran’ny rahalahiny azy.

Mbola nanohy ilay hafetsena ihany i Josefa rehefa nihaona tamin’ireo rahalahiny, ka nanontany hoe: “Tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra [na fambara] tokoa?” (Genesisy 44:15) Mazava àry fa anisan’ilay hafetsena nataony fotsiny ilay kaopy. Tsy nangalatra azy io i Benjamina, ary toy izany koa fa tsy nampiasa azy io mba hamantarana fambara i Josefa.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Nanazava io fanao fahiny io Ny Baiboly Masina Misy Fanazavana sy Fitsikerana (anglisy), navoakan’i F. Cook. Izao no voalaza ao: ‘Rehefa nanao sikidy tamin’ny kaopy ny olona, dia nasiany rano ilay kaopy ary nalatsany tao ny volamena na volafotsy na firavaka, ka nodinihiny ny bikan’ireo zavatra ireo. Mety ho nojereny toy ny mijery fitaratra fotsiny koa ilay rano.’ Hoy koa i Christopher Wordsworth, mpivaofy teny ara-baiboly: “Nofenoina rano ilay kaopy indraindray, ary ny sary nateraky [ny taratry] ny masoandro teo amin’ilay rano no namantarana” ny hoavy.