Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana “ho Vavolombelona Amin’ny Firenena Rehetra”

Fitoriana “ho Vavolombelona Amin’ny Firenena Rehetra”

Fitoriana “ho Vavolombelona Amin’ny Firenena Rehetra”

“Ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”—ASAN’NY APOSTOLY 1:8.

1. Oviana ary taiza ny mpianatra no nandre voalohany ilay faminaniana ao amin’ny Matio 24:14?

EFA mahazatra antsika ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14, ka maro no mahay azy io tsianjery. Miavaka tokoa io faminaniana io! Eritrereto ange izay tao an-tsain’ny mpianany, rehefa nandre azy io voalohany e! Ny taona 33 tamin’izay, ary tao Jerosalema niaraka tamin’i Jesosy izy ireo. Efa telo taona teo ho eo izao no niarahan’izy ireo taminy. Nahita ireo fahagagana nataony izy ireo, ary nandre ny fampianarany. Faly izy ireo noho ny fahamarinana sarobidy nampianariny, nefa fantany tsara koa fa tsy ny rehetra no faly toy izany. Nanana fahavalo nanam-pahefana sy to teny mantsy i Jesosy.

2. Inona avy no fahoriana sy zava-tsarotra niandry ny mpianatra?

2 Niaraka tamin’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny mpianatra efatra. Nipetraka sy nanongilan-tsofina izy ireo, rehefa niresaka momba ny fahoriana sy zava-tsarotra niandry azy ireo i Jesosy. Efa nolazainy talohan’izay fa hovonoina izy. (Matio 16:21) Teto indray kosa dia nohazavainy tsara fa hiatrika fanoherana mahery vaika koa izy ireo. Hoy izy: “Hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” Tsy izay ihany anefa. Hamitaka olona maro ny mpaminany sandoka. Hihemotra ny hafa, hamadika ny namany, ary hifankahala. “Maro” mihitsy aza no hanjary tsy ho tia an’Andriamanitra sy ny Teniny.—Matio 24:9-12.

3. Nahoana ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 no tena mahatalanjona?

3 Tena nifanohitra tamin’ireo fahoriana ireo ny zavatra nolazain’i Jesosy taorian’izay, ka azo antoka fa nahatalanjona ny mpianany. Hoy izy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Hotohizina sy hitarina maneran-tany tokoa ilay asa ‘fanambarana ny marina’, natombok’i Jesosy tany Israely. (Jaona 18:37) Faminaniana mahatalanjona izany! Efa sarotra na dia ny hanitatra an’ilay asa any amin’ny “firenena rehetra” aza, nefa vao mainka tsy mampino ny hahavitana izany noho izy ireo “ho halan’ny firenena rehetra.” Ny fahavitan’io asa lehibe io anefa no hahafantaran’ny olona fa i Jehovah dia avo indrindra, mahery, be fitiavana, mamindra fo, ary manam-paharetana. Ny fanaovana io asa io koa no ampisehoan’ny mpanompony, fa manam-pinoana sy mahafoy tena izy ireo.

4. Iza no nasaina nanatontosa ilay asa fitoriana, ary inona no fampaherezana nomen’i Jesosy?

4 Nohazavain’i Jesosy tsara tamin’ny mpianany, fa nanankinana asa tena lehibe izy ireo. Niseho tamin’izy ireo izy talohan’ny niakarany tany an-danitra, ary nilaza hoe: “Hahazo hery ... ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asan’ny Apostoly 1:8) Vitsy ny mpianatra tamin’izany, na dia hiampy tsy ho ela aza. Tsy maintsy ho nampahery azy ireo àry ny nahafantatra fa hanampy azy hanatontosa an’ilay asa, ny fanahy maherin’Andriamanitra!

5. Inona no tsy fantatry ny mpianatra, momba ny asa fitoriana?

5 Fantatry ny mpianatr’i Jesosy, fa nasaina hitory ny vaovao tsara sy ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra’ izy ireo. (Matio 28:19, 20) Tsy fantany anefa hoe rahoviana no ho tonga ny farany, ary ahoana no hamaritana hoe vita ilay asa. Isika koa tsy mahalala. I Jehovah ihany no mamaritra izany. (Matio 24:36) Hamarana an’ity tontolo ratsy ity i Jehovah, rehefa afa-po amin’ny asa fitoriana vita. Amin’izay dia ho fantatry ny Kristianina hoe vita araka ny nikasan’i Jehovah azy ilay asa. Tsy ho azon’ireo mpianatra voalohany an-tsaina mihitsy, izao fitaran’ny asa fitoriana amin’ny andro farany izao.

Fitoriana tamin’ny taonjato voalohany

6. Inona no nitranga tamin’ny Pentekosta 33 sy taoriana kelin’izay?

6 Nahavariana ny vokatry ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, tamin’ny taonjato voalohany. Nivory tao amin’ny efitra iray ambony rihana tany Jerosalema ny mpianatra 120, tamin’ny Pentekosta taona 33. Nilatsahan’ny fanahy masina izy ireo. Avy eo ny apostoly Petera dia nanao lahateny nandrisika, ary nanazava ny anton’ilay fahagagana. Olona 3 000 no nino sy natao batisa. Vao fiandohany fotsiny anefa izany. “Nisy foana olona voavonjy nentin’i Jehovah isan’andro hanatevin-daharana” ny mpianatra, na dia niezaka nampitsahatra ny asa fitoriana aza ny mpitondra fivavahana. Tsy ela dia “lasa dimy arivo teo ho eo ny isan’ny lehilahy.” Mbola ‘niampy hatrany ireo nino ny Tompo [tatỳ aoriana], ary maro be izy ireny, na lahy na vavy.’—Asan’ny Apostoly 2:1-4, 8, 14, 41, 47; 4:4; 5:14.

7. Nahoana ny fiovan’i Kornelio ho Kristianina no fisehoan-javatra niavaka?

7 Nisy fisehoan-javatra niavaka koa tamin’ny taona 36. Lasa Kristianina i Kornelio ary natao batisa, na dia tsy Jiosy aza. Nisy zavatra tian’i Jehovah hasongadina, matoa izy naniraka ny apostoly Petera tany amin’io lehilahy nanam-pinoana io. Tiany haseho, fa tsy ny Jiosy tany am-pielezana ihany no nasain’i Jesosy nampianarina, rehefa nandidy izy hoe “ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Asan’ny Apostoly 10:44, 45) Inona no nataon’ireo nitarika rehefa nahafantatra an’izany? Nanome voninahitra an’Andriamanitra ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jodia, rehefa fantany fa nitoriana ny vaovao tsara koa ny hafa firenena. (Asan’ny Apostoly 11:1, 18) Tetsy an-danin’izany, dia mbola namokatra foana koa ny fitoriana tamin’ny Jiosy. Niampy Jiosy ‘an’arivony’ ireo hafa firenena, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, angamba tamin’ny taona 58.—Asan’ny Apostoly 21:20.

8. Inona no herin’ny vaovao tsara eo amin’ny olona?

8 Nahavariana ny isan’ireo vaovao, tamin’ny taonjato voalohany. Tsy tokony hohadinointsika anefa, fa ny herin’ilay hafatra raketin’ny Baiboly no nahatonga azy ireo ho lasa Kristianina. (Hebreo 4:12) Nanova tanteraka ny fiainan’ireo nino azy izy io. Lasa tsara fitondran-tena izy ireo, nitafy ny toetra vaovao, ary nihavana tamin’Andriamanitra indray. (Efesianina 4:22, 23) Izany koa no mitranga ankehitriny. Afaka manantena ny hiaina mandrakizay avokoa ireo rehetra mino ny vaovao tsara.—Jaona 3:16.

Mpiara-miasa amin’Andriamanitra

9. Inona no tombontsoa sy andraikitra nananan’ny Kristianina voalohany?

9 Tsapan’ny Kristianina voalohany, fa tsy noho ny heriny fotsiny no nahavitany ny asa fitoriana. Fantany fa nanampy azy ny “herin’ny fanahy masina.” (Romanina 15:13, 19) I Jehovah no nahatonga ilay fitomboana. Fantatr’izy ireo koa na izany aza, fa nanana tombontsoa ‘hiara-miasa amin’Andriamanitra’ izy ireo, ary nitaky andraikitra izany. (1 Korintianina 3:6-9) Nanaraka ny torohevitr’i Jesosy àry izy ireo, ka niezaka mafy nanatontosa ny asa nanendrena azy.—Lioka 13:24.

10. Inona no ezaka nataon’ny sasany tamin’ny Kristianina voalohany, mba hitoriana any amin’ny firenena rehetra?

10 “Apostoly ho an’ny hafa firenena” i Paoly. Nanao dia an-tanety sy an-dranomasina an’arivony kilaometatra izy, ary nanorina fiangonana maro tany Azia, izay provansy romanina, ary Gresy. (Romanina 11:13) Nankany Roma koa izy, ary nety ho tonga hatrany Espaina mihitsy aza. Ny apostoly Petera kosa nankany Babylona, toerana be Jiosy tamin’izany, satria nankinina taminy ny “fitoriana ny vaovao tsara ... tamin’ny voafora.” (Galatianina 2:7-9; 1 Petera 5:13) Maro ny olona nikely aina tamin’ny fanompoana, anisan’izany ny vehivavy toa an-dry Tryfena sy Tryfosa. Voalaza koa fa “nanao asa mafy maro tao amin’ny Tompo”, ny vehivavy iray hafa atao hoe Persy.—Romanina 16:12.

11. Ahoana no nitahian’i Jehovah ny ezaka nataon’ny mpianatra?

11 Notahin’i Jehovah tokoa ny ezaka nataon’ireny mpanompo be zotom-po ireny sy ny hafa. Nilaza i Jesosy fa hotorina amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsara. Tsy ampy 30 taona taorian’izay, dia nanoratra i Paoly fa ‘notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra ny vaovao tsara.’ (Kolosianina 1:23) Tonga ve ny farany tamin’izay? Eny. Nifarana tamin’ny taona 70 ny tontolo jiosy, rehefa nandrava an’i Jerosalema sy ny tempoly ny Romanina. Efa nilaza anefa i Jehovah fa mbola hitarina maneran-tany ny asa fitoriana, alohan’ny hamaranany ny tontolon’i Satana.

Fitoriana amin’ny andro ankehitriny

12. Ahoana no fahazoan’ny Mpianatra ny Baiboly tany am-boalohany, an’ilay baiko hitory?

12 Naverina tamin’ny laoniny ny fivavahana madio, tamin’ny faramparan’ireo taona 1800, taorian’ny fotoana lava nanjakan’ny fivadiham-pinoana. Tsapan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny), fa nila nampianatra ny olona tany amin’ny firenena rehetra izy ireo. (Matio 28:19, 20) Nisy 5 100 ny mpitory be zotom-po taloha kelin’ny 1914, ary niely tany amin’ny tany 68 ny vaovao tsara. Tsy azon’izy ireo tsara anefa ny tena hevitry ny Matio 24:14. Nandika sy nanao pirinty Baiboly tamin’ny fiteny maro ireo fikambanana mampiely Baiboly, tamin’ny faramparan’ireo taona 1800, ary nizara izany naneran-tany. Nihevitra àry ny Mpianatra ny Baiboly, nandritra ny am-polony taona, fa efa tontosa ny asa fitoriana any amin’ireo firenena, satria mirakitra ny vaovao tsara na filazantsara ireny Baiboly ireny.

13, 14. Inona no fanazavana noraketin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1928, momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany?

13 Nampian’i Jehovah anefa ny vahoakany, ka nihanazava tamin’izy ireo ny sitrapony sy ny fikasany. (Ohabolana 4:18) Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1928 (anglisy): ‘Mahatontosa ny asa fitoriana ny vaovao tsara nambara mialoha ve ny fizarana Baiboly? Tsy izany velively! Na dia voazara aza ny Baiboly, dia mbola mila manao pirinty boky sy gazety ireo vavolombelona vitsivitsy eto an-tany, mba hanazavana ny [fikasan’]Andriamanitra. Mila mitsidika ny olona nahazo Baiboly koa izy ireo, mba hahafantarany fa efa tafaorina ny Fanjakan’ny Mesia.’

14 Nanazava toy izao koa io gazety io: ‘Nahazo tsara ny faminanian’ny Tompo ao amin’ny Matio 24:14 ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1920. Nazava tamin’izy ireo fa ilay “filazantsara” tokony hotorina maneran-tany ho vavolombelona any amin’ny firenena rehetra, dia tsy filazantsara momba ny fanjakana iray mbola ho avy, fa milaza kosa hoe efa manomboka manjaka amin’ny tany ny Mesia.’

15. Ahoana no nitaran’ny asa fitoriana nanomboka tamin’ireo taona 1920?

15 ‘Vitsivitsy ny vavolombelona’ tamin’ireo taona 1920, nefa nitombo izy ireo. Am-polony taona tatỳ aoriana, dia fantatra ireo “vahoaka be” anisan’ny “ondry hafa”, ary natomboka ny fanangonana azy ireo. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Misy mpitory ny vaovao tsara 6 613 950 izao any amin’ny tany 235. Mahatalanjona tokoa fa tanteraka ny faminaniana! Mbola tsy notorina tany amin’ny tany maro be toy izao ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana.” Mbola tsy maro toy izao koa ny mpanompon’i Jehovah mahatoky teto an-tany.

16. Inona no zava-bita tamin’ny taom-panompoana lasa? (Jereo ny tabilao, pejy 27-30.)

16 Revo tamin’ny fanompoana, ireo Vavolombelona rehetra ireo, nandritra ny taom-panompoana 2005. Nandany arivo tapitrisa ora mahery tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara izy ireo, tany amin’ny tany 235. An-tapitrisany ny fiverenana mitsidika natao, ary an-tapitrisany koa ny fampianarana Baiboly. Izany asa izany dia notontosain’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nanome maimaim-poana ny fotoanany sy ny fananany, mba hitoriana ny Tenin’Andriamanitra. (Matio 10:8) Manatanjaka ny vahoakany amin’ny alalan’ny fanahiny mahery foana i Jehovah, mba hahatanteraka ny sitrapony.—Zakaria 4:6.

Mikely aina amin’ny fitoriana

17. Ahoana no anatontosan’ny vahoakan’i Jehovah an’ilay baikon’i Jesosy hitory ny vaovao tsara?

17 Tsy lefy ny zotom-pon’ny vahoakan’Andriamanitra, na dia efa ho 2 000 taona aza izay no nilazan’i Jesosy hoe hotorina ny vaovao tsara. Fantatsika fa maneho fitiavana sy famindram-po ary faharetana toa an’i Jehovah isika, rehefa tsy kivy manao ny tsara. Tsy tiantsika ho ringana koa ny olona, fa mba hibebaka sy hihavana indray amin’i Jehovah. (2 Korintianina 5:18-20; 2 Petera 3:9) Arehitry ny fanahin’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mazoto mitory ny vaovao tsara, hatrany amin’ny faran’ny tany. (Romanina 12:11) Vokatr’izany, dia mandray ny fahamarinana ny olona any amin’ny faritra rehetra, sady manaraka ny toromarika feno fitiavana omen’i Jehovah. Ireto misy ohatra vitsivitsy.

18, 19. Milazà fitantarana mampiseho fa mandray ny vaovao tsara ny olona.

18 Mpamboly tany amin’ny faritra andrefan’i Kenya i Charles. Nahalafo paraky valo taonina mahery izy, tamin’ny 1998, ka nahazo mari-pankasitrahana noho izy Mpamboly Paraky Mahafatra-po. Nanomboka nianatra Baiboly izy tamin’izay. Nianarany fa tokony ho tia ny namany ny olona, araka ny didin’i Jesosy. (Matio 22:39) Tsapany anefa, tatỳ aoriana, fa mandika an’io didy io ny olona mamokatra paraky. Norarahany poizina ny voly parakiny, rehefa fantany fa ‘mpamono olona mahafatra-po’ ny ‘mpamboly paraky mahafatra-po.’ Nandroso hatramin’ny fanoloran-tena sy batisa izy, ary mpisava lalana maharitra sady mpanampy amin’ny fanompoana izao.

19 Mampihorohoro na manozongozona ny firenena amin’ny alalan’ny fitoriana maneran-tany tokoa i Jehovah ankehitriny. Noho izany, dia manatona ny fandaminany ny olona, na ireo zavatra faniry. (Hagay 2:7) Niditra tamin’ny sekoly fiofanana ho pretra i Pedro, any Portogaly, tamin’izy 13 taona. Naniry ho tonga misionera izy, ka hampianatra Baiboly. Niala tao anefa izy tsy ela taorian’izay, satria tsy noresahina firy tao an-dakilasy ny Baiboly. Nianatra psikolojia tany amin’ny oniversiten’i Lisbonne izy, enin-taona tatỳ aoriana. Nipetraka tamin’ny nenitoany izy. Vavolombelon’i Jehovah izy io, ka nampirisika azy hianatra Baiboly. Tsy azon’i Pedro antoka anefa tamin’izay, raha tena nisy Andriamanitra. Nisalasala koa izy raha hianatra Baiboly na tsia. Noresahiny tamin’ilay mpampianatra psikolojia, fa nisalasala ny amin’izay fanapahan-kevitra horaisiny izy. Nilaza ilay mpampianatra fa mety hanimba tena ny olona tsy mandray fanapahan-kevitra, araka ny toro lalana momba ny psikolojia. Nanapa-kevitra àry i Pedro fa hianatra Baiboly. Vita batisa vao haingana izy, ary efa mampianatra Baiboly izao.

20. Nahoana isika no faly, rehefa mandroso be ny asa fitoriana any amin’ireo firenena?

20 Tsy fantatsika izay mbola mety ho fitaran’ny asa fitoriana ny vaovao tsara. Tsy fantatsika koa ny andro sy ora hahatongavan’ny farany. Ny hany fantatsika dia hoe efa antomotra izy io. Faly isika satria mandroso be ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’ireo firenena. Izany anefa dia iray monja amin’ireo famantarana, fa efa kely sisa dia hisolo toerana ny fanjakan’olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44) Olona an-tapitrisany isan-taona no itoriana ny vaovao tsara, ary manome voninahitra an’i Jehovah Andriamanitsika izany. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny tsy hivadika miaraka amin’ireo rahalahintsika maneran-tany, ka ho be zotom-po amin’ny asa fitoriana any amin’ny firenena rehetra. Raha manao izany isika, dia hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika.—1 Timoty 4:16.

Tadidinao Ve?

• Nahoana ny Matio 24:14 no faminaniana miavaka?

• Inona no ezaka nataon’ny Kristianina voalohany tamin’ny asa fitoriana, ary inona no vokany?

• Ahoana no nahafantaran’ny Mpianatra ny Baiboly, ny tena dikan’ny hoe mitory amin’ny firenena rehetra?

• Inona no tena nampiaiky anao, rehefa mandinika ny asan’ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny taom-panompoana lasa?

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 27-30]

TATITRA MANERAN-TANIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH, TAOM-PANOMPOANA 2005

(Jereo ny gazety)

[Sarintany/Sary, pejy 25]

Nanao dia an-tanety sy an-dranomasina an’arivony kilaometatra i Paoly, mba hitoriana ny vaovao tsara

[Sary, pejy 24]

Nasain’i Jehovah nitory tany amin’i Kornelio sy ny ankohonany i Petera