Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Harena sy Fitondran-tena Tsara—Inona no Asehon’ny Tantara?

Harena sy Fitondran-tena Tsara—Inona no Asehon’ny Tantara?

Harena sy Fitondran-tena Tsara​—Inona no Asehon’ny Tantara?

NIAINGA tany Angletera ny sambo efatra, tamin’ny 7 Aprily 1630. Nitondra olona efajato teo ho eo izy ireo, mba ho any Amerika. Nahavita fianarana ambony ny maro tamin’izy ireo. Ny sasany kosa mpanao raharaham-barotra tena nahomby. Nisy aza anisan’ny antenimiera. Nikororosy ny toe-karena tany Angletera tamin’izany, ary vao mainka nanampy trotraka an’izany ny Ady Telopolo Taona tany Eoropa (1618-1648). Nilaozan’izy ireo àry ny tranony sy ny asa aman-draharahany ary ny fianakaviany, ka nankany Amerika izy mba hitady fiainana metimety kokoa, na dia tsy fantany aza izay hanjo azy any.

Tsy mpanao raharaham-barotra tia manararaotra fotsiny anefa izy ireo, fa mpivavaka nafana fo nandositra fanenjehana koa. Puritains no niantsoana azy ireo. * Ny tena tanjony dia ny hanorina fiaraha-monina matahotra an’Andriamanitra, ka ho lasa mpanankarena izy sy ny taranany, nefa koa tsy handika ny fitsipiky ny Baiboly. Niantsona tao Salem, Massachusetts, ny sambon’izy ireo. Nanorim-ponenana teo amin’ny faritra kely amoron-tsiraka izy ireo, tsy ela taorian’izay, ary nantsoiny hoe Boston ilay fonenany vaovao.

Zavatra roa sarotra ampifandanjaina

Izay hampanan-karena ny tsirairay sy hahasoa ny besinimaro tao amin’ilay faritany vaovao, no nimasoan’i John Winthrop, mpitarika sady governoran’izy ireo. Tiany ho be vola sady ho tsara fitondran-tena izy ireo. Sarotra anefa ny nampifandanja an’ireo zavatra roa ireo. Tsikariny mialoha ilay olana, ka nohazavainy tsara tamin’ireo namany ny toeran’ny harena, eo amin’ny fiaraha-monina matahotra an’Andriamanitra.

Tsy ratsy ny mikatsaka harena, araka ny fiheveran’i Winthrop sy ireo governora namany. Nino izy fa natao indrindra indrindra mba hanampiana ny hafa, ny harena. Afaka manao asa soa bebe kokoa àry ny olona iray, arakaraka ny itomboan’ny harenany. “Ny harena no nanahiran-tsaina ny Puritains indrindra”, hoy i Patricia O’Toole, mpahay tantara. ‘Porofon’ny fitahian’Andriamanitra izy io, nefa koa fakam-panahy lehibe mitarika ho amin’ny fahotana maro, toy ny avonavona.’

Nampirisihin’i Winthrop hahalala onony sy hifehy tena ireo namany, mba tsy ho resin’ny fakam-panahy entin’ny harena sy ny haitraitra. Nanandrana nanery ny mpiara-belona taminy hankatò ny lalàn’Andriamanitra sy hifankatia izy. Tsy ela anefa dia nanohitra an’izany izy ireo, satria izay hahazoany tombony teo amin’ny varotra nataony no zava-dehibe indrindra taminy. Nikomy izy ireo, satria nihevitra fa nitsofotsofoka loatra tamin’ny fiainany i Winthrop. Ny sasany nanentana ny olona hifidy solombavam-bahoaka, mba handray fanapahan-kevitra ho azy ireo. Ny hafa kosa nifindra tany Connecticut tsy lavitra teo, mba hitady tombontsoa ho an’ny tenany.

Hoy i O’Toole: “Fanararaotana, fitadiavan-karena, demokrasia. Ireo no nibahana teo amin’ny fiainan’ny Puritains tany Massachusetts, ka nahatonga azy ireo hitady izay hahafa-po ny tenany fa tsy izay hahasoa ny besinimaro, araka ny nampirisihin’i Winthrop.” Maty tamin’ny 1649 i Winthrop, tamin’izy 61 taona, ary nahantra faraidiny. Tsy nahita ny fahatanterahan’ny nofinofiny izy, na dia tafavoaka tamin’ny fahasahiranana maro aza ilay vahoaka nitsipozipozy.

Ezaka mitohy

Tsy i John Winthrop ihany anefa no nanonofy tontolo tsara kokoa. Olona ana hetsiny isan-taona no mifindra monina avy any Afrika, Azia Atsimoatsinanana, Eoropa Atsinanana, ary Amerika Latinina, satria manantena ny hahita fiainana tsara kokoa any an-toeran-kafa. Manoro ny fomba hahazoana harena, ny boky sy bokikely maro mivoaka isan-taona, ary ny lahatsoratra sasany ao amin’ny Internet, ka voataonan’izany ny sasany. Maro tokoa no mbola manantena fa ho afaka hikatsaka harena, sady tsy handika ny fitsipika momba ny fitondran-tena tsara.

Nandiso fanantenana anefa ny zava-misy. Matetika ireo mikatsaka harena no manjary mandika ny toro lalana narahiny taloha. Atakalony harena mihitsy aza ny finoany. Mety hanontany àry ianao hoe: “Afaka ny ho mpanankarena sady tena Kristianina ve ny olona iray? Hisy tokoa ve ny fiaraha-monina matahotra an’Andriamanitra, izay sady hanan-karena no tsara fitondran-tena?” Mamaly an’ireo fanontaniana ireo ny Baiboly, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ny Puritains dia ireo Protestanta tao amin’ny Eglizy Anglikanina tamin’ny taonjato faha-16, izay naniry hanala ny soritra rehetra navelan’ny fivavahana katolika tao amin’ny fivavahany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]

Sambo: The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck; Winthrop: Brown Brothers