Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Faharetana toa An’i Jehovah

Manàna Faharetana toa An’i Jehovah

Manàna Faharetana toa An’i Jehovah

Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, ... fa manam-paharetana ... izy.”—2 PETERA 3:9.

1. Inona no fanomezana tsy manan-tsahala atolotr’i Jehovah ny olombelona?

TSY misy afaka manolotra antsika fanomezana toy izany, afa-tsy i Jehovah. Faran’izay tsara sy sarobidy izy io, ary tsy voavidin’ny volantsika, na azontsika noho ny fisasarantsika. Ny fiainana mandrakizay io fanomezana io. Hidika ho fiainana tsy misy farany ao amin’ny paradisa eto an-tany izany, ho an’ny ankamaroantsika. (Jaona 3:16) Tena hahafinaritra tokoa izany! Tsy hisy intsony ireo zavatra mampijaly, toy ny ady, herisetra, fahantrana, heloka bevava, aretina, ary na dia ny fahafatesana aza. Hiadana sy hiray saina tanteraka ny olona satria hanjaka ny fitiavana, eo ambany fitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena miandrandra mafy an’izany Paradisa izany isika!—Isaia 9:5, 6; Apokalypsy 21:4, 5.

2. Nahoana i Jehovah no mbola tsy nandrava ny tontolon’i Satana?

2 Miandrandra ny fotoana hanovany ny tany ho Paradisa koa i Jehovah. Tsy mahagaga izany satria tia fahamarinana sy rariny izy. (Salamo 33:5) Tsy mahafaly azy mihitsy ny mahita ny olona tsy miraharaha na mankahala ny toro lalany marina, sady manohitra ny fahefany sy manenjika ny vahoakany. Misy antony tsara anefa, matoa izy mbola tsy nandrava an’ity tontolo ratsin’i Satana ity. Misy ifandraisany amin’ny zony hitondra sy ny adihevitra momba ny tsara sy ny ratsy izany. Mandamina io raharaha io amim-paharetana izy. Toetra faran’izay tsara ny faharetana, saingy vitsy mpanana ankehitriny.

3. a) Inona no hevitr’ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “faharetana”, ao amin’ny Baiboly? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Misy teny grika iray adika inefatra hoe “faharetana”, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Midika ara-bakiteny hoe “mahatsindry fo” io teny io, ka matetika no adika hoe “fahari-po.” Manana hevitra hoe mandefitra sy tsy mora tezitra, ireo teny hebreo sy grika nadika hoe “faharetana.” Inona avy no soa raisintsika noho ny faharetan’i Jehovah? Inona no ianarantsika avy amin’ny faharetana sy ny fiaretana nasehon’i Jehovah sy ny mpanompony mahatoky? Ahoana no ahafantarantsika fa manam-petra ny faharetan’i Jehovah? Andeha hodinihintsika izany.

Hevero ny faharetan’i Jehovah

4. Inona no nolazain’ny apostoly Petera, momba ny faharetan’i Jehovah?

4 Hoy ny apostoly Petera, momba ny faharetan’i Jehovah: “Aoka tsy hohadinoinareo ... izao ry malala: Ny iray andro amin’i Jehovah dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny iray andro. Tsy mba ela i Jehovah raha ny amin’ny fampanantenany, araka izay heverin’ny sasany ho fahelana, fa manam-paharetana aminareo izy, satria tsy iriny hisy ho ringana fa mba ho tonga amin’ny fibebahana kosa ny rehetra.” (2 Petera 3:8, 9) Mariho fa milaza antony roa mahatonga an’i Jehovah hanam-paharetana, ireo andinin-teny ireo.

5. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny fotoana, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny zavatra ataony?

5 Voalohany, tsy mitovy amin’ny antsika ny fahitan’i Jehovah ny fotoana. Toy ny iray andro monja ny arivo taona, eo anatrehan’Ilay velona mandrakizay. Tsy fehezin’ny fotoana izy, na manenjika fotoana, nefa koa tsy mitaredretra rehefa hanao zavatra. Tsy manam-petra ny fahendreny, ka fantany ny fotoana mety indrindra hanaovan-javatra mba hahasoa izay rehetra mila fanampiana. Miandry ny hahatongavan’io fotoana io izy. Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe tsy miraharaha ny fahoriana manjo ny mpanompony izy. ‘Be fangoraham-po’ sy fitiavana mantsy i Jehovah. (Lioka 1:78; 1 Jaona 4:8) Navelany hisy vetivety ny fijaliana, kanefa vitany ny manaisotra mandrakizay ny fahoriana rehetra aterak’izany.—Salamo 37:10.

6. Inona no tsy tokony hoeritreretintsika momba an’Andriamanitra, ary nahoana?

6 Marina aloha fa tsy mora ny miandry, rehefa tena irintsika ho azo ny zavatra iray. (Ohabolana 13:12) Izany no mahatonga ny olona sasany hieritreritra fa tsy te hanatanteraka ny fampanantenany ny olona iray, matoa tsy manao izany haingana. Tsy tokony hihevitra anefa isika hoe toy izany Andriamanitra! Raha diso fandray ny faharetany isika, ka mihevitra fa mitaredretra izy, dia mety hanjary hisalasala sy ho kivy isika, ary mety ho kamo amin’ny fanompoana azy. Mety ho voafitak’ireo mpaneso sy tsy manam-pinoana mihitsy aza isika. Haneso toy izao mantsy izy ireo, araka ny efa nampitandreman’i Petera: “Aiza akory izay fanatrehany nampanantenaina eo? Efa hatramin’ny andro nahafatesan’ny razantsika no tsy niovan’ny zava-drehetra fa mbola mitovy tanteraka amin’izay nisy hatrany am-piandohan’ny famoronana.”—2 Petera 3:4.

7. Irin’i Jehovah hibebaka ny olona. Inona no ifandraisan’izany amin’ny faharetany?

7 Mbola hitantsika eo amin’ny tenin’i Petera ihany, ny antony faharoa mahatonga an’i Jehovah hanam-paharetana: Iriny ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra. Horinganin’i Jehovah ireo mafy loha tsy mety miala amin’ny lalan-dratsiny. Tsy sitrany anefa ny hahafatesan’ny ratsy fanahy. Ny mahafaly azy kosa dia ny mahita olona mibebaka sy miala amin’ny lalan-dratsiny, mba ho velona. (Ezekiela 33:11) Izany no mahatonga azy hanam-paharetana, ka maniraka ny mpanompony hitory ny vaovao tsara eran-tany, mba hahavelona ny olona.

8. Inona no mampiseho fa manam-paharetana Andriamanitra, rehefa jerena ny fifandraisany tamin’ny firenen’ny Israely?

8 Hita koa fa manam-paharetana Andriamanitra, rehefa jerena ny fifandraisany tamin’ny firenen’ny Israely fahiny. Nandefitra tamin’ny tsy fankatoavan’izy ireo foana izy, nandritra ny taonjato maro. Tsy nitsahatra nampirisika azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminaniny izy hoe: “Mialà amin’ny làlanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.” Nanao ahoana ny vokany? Nampalahelo fa “tsy nihaino” ilay vahoaka.—2 Mpanjaka 17:13, 14.

9. Ahoana no ahitana fa nanam-paharetana toa an-dRainy i Jesosy?

9 Nirahin’i Jehovah ny Zanany, tamin’ny farany. Tsy sasatry ny niangavy an’ireo Jiosy i Jesosy, mba hihavanan’izy ireo indray amin’Andriamanitra. Nanahaka tanteraka ny faharetan’ny Rainy izy. Fantany tsara fa ho faty tsy ho ela izy, ka naneho ny alahelony azy ireo izy hoe: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy. Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangonan’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo.” (Matio 23:37) Tsy mpitsara mafy fo, may ny hanasazy olona no hilaza teny mampihetsi-po toy ireo, fa namana tia sy mahari-po amin’ny olona. Toy ny Rainy any an-danitra i Jesosy, ka naniry ny hibebahan’ny olona, mba tsy ho voaheloka izy ireo. Nankatò ny fampitandreman’i Jesosy ny olona sasany, ka tsy ringana rehefa niharan’ny didim-pitsarana i Jerosalema, tamin’ny taona 70.—Lioka 21:20-22.

10. Inona no soa raisintsika noho ny faharetan’Andriamanitra?

10 Tsy mahatalanjona tokoa ve ny faharetan’Andriamanitra? Mbola avelan’i Jehovah hahafantatra azy sy hanantena famonjena isika sy ny olon-kafa an-tapitrisany, na dia efa mihoa-pampana aza ny tsy fankatoavan’ny olombelona. Hoy i Petera tamin’ireo Kristianina namany: “Hevero ho famonjena ny faharetan’ny Tompontsika.” (2 Petera 3:15) Tsy velom-pankasitrahana tokoa ve isika satria afaka ny ho voavonjy, noho ny faharetan’i Jehovah? Moa ve isika tsy tokony hivavaka mba hahari-po amintsika hatrany izy, eo am-panompoantsika azy isan’andro?—Matio 6:12.

11. Voatosika hanao inona isika rehefa mahafantatra ny antony anehoan’i Jehovah faharetana?

11 Lasa vonona hiandry amim-paharetana ny famonjen’i Jehovah isika, rehefa mahafantatra ny antony anehoany faharetana. Tsy hanatsoaka hevitra mihitsy isika hoe tsy rototra hanatanteraka ny fampanantenany izy. (Fitomaniana 3:26) Mivavaka hatrany isika mba hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary mino fa mahalala ny fotoana mety indrindra hamaliana io vavaka io izy. Voatosika hanahaka an’i Jehovah koa isika, ka hanam-paharetana rehefa mifandray amin’ireo rahalahintsika sy ny olona itoriantsika. Tsy tiantsika hisy ho ringana ny olona. Irintsika kosa ny hahita azy ireo hibebaka ary hanantena fiainana mandrakizay toa antsika.—1 Timoty 2:3, 4.

Hevero ny faharetan’ireo mpaminany

12, 13. Nahoana i Isaia no lazaina fa nanam-paharetana, araka ny voalaza ao amin’ny Jakoba 5:10?

12 Manjary mankasitraka ny faharetan’i Jehovah isika sady maniry hanana io toetra io, rehefa mandinika ny fomba nanehoany izany. Tsy mora amin’ny olona tsy lavorary ny maneho io toetra io, nefa azo atao tsara izany. Hitantsika izany tamin’ireo mpanompon’Andriamanitra fahiny. Hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Ry rahalahy, aoka ny mpaminany izay niteny tamin’ny anaran’i Jehovah, no halainareo ho modely amin’ny fiaretana fahoriana sy ny faharetana.” (Jakoba 5:10) Mampionona sy mampahery ny mahafantatra, fa nisy olona nahavita niatrika olana mitovy amin’ny antsika.

13 Tena nila faharetana, ohatra, i Isaia mpaminany, rehefa nanatanteraka ny asa nanendrena azy. Hoy i Jehovah taminy: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahalala; ary mijere mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahafantatra. Ataovy adala ny fon’ity firenena ity, ary ataovy lalodalovana ny sofiny, ary ataovy mikimpy ny masony, fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy ka ho sitrana.” (Isaia 6:9, 10) Naharitra nitory ny fampitandreman’Andriamanitra nandritra ny 46 taona teo ho eo i Isaia, na dia tsy niraharaha ny hafatra notoriny aza ny olona! Manampy antsika hanohy hitory ny vaovao tsara koa ny faharetana, na dia maro aza no tsy mihaino.

14, 15. Inona no nanampy an’i Jeremia hiatrika fisedrana sy fahakiviana?

14 Tsy noraharahain’ny olona ireo mpaminany rehefa nitory. Tsy izay ihany anefa, fa nenjehina koa izy ireo. Nogadraina tamin’ny boloky hazo i Jeremia, nampidirina ‘an-tranomaizina’, ary natsipy tao anaty lavadrano. (Jeremia 20:2; 37:15; 38:6) Ireo olona niriny hampiana ihany no nampijaly azy. Tsy tezitra anefa i Jeremia, na namaly faty. Niaritra sy nanam-paharetana izy nandritra ny am-polony taona.

15 Tsy nampangina an’i Jeremia ny fanenjehana sy ny fanesoana, ary tsy mampangina antsika koa izany ankehitriny. Marina aloha fa mety ho kivy isika indraindray. Kivy i Jeremia rehefa nilaza hoe: “Ny tenin’i Jehovah dia atao fanakorana sy fihomehezana ahy isan-andro. Dia hoy izaho: Tsy hanonona Azy aho na hiteny intsony amin’ny anarany.” Inona no nitranga tamin’izay? Tsy nitory intsony ve i Jeremia? Hoy ihany izy: “Nefa [ny tenin’Andriamanitra] dia tonga toy ny afo mirehitra ato am-poko, voahidy ato amin’ny taolako; ary sasatra ny niaritra aho ka tsy mahazaka.” (Jeremia 20:8, 9) Mariho fa tsy nahita fifaliana intsony i Jeremia, rehefa nifantoka tamin’ny fanesoan’ny olona. Nanjary faly indray anefa izy, rehefa nampifantoka ny sainy tamin’ny hatsaran’ilay hafatra, sady nieritreritra fa zava-dehibe izy io. Nanohana sy nampahery an’i Jeremia koa i Jehovah, izay “toy ny lehilahy mahery mahatahotra”, ka nahatonga azy hazoto sy ho sahy hitory ny tenin’Andriamanitra.—Jeremia 20:11.

16. Inona no manampy antsika hahita fifaliana, rehefa manatontosa ny fitoriana ny vaovao tsara?

16 Nahafaly an’i Jeremia mpaminany ve ny asany? Eny tokoa! Hoy izy tamin’i Jehovah: ‘Hitako ny teninao ka nohaniko, ary ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah ô.’ (Jeremia 15:16) Faly i Jeremia satria voninahitra ny misolo tena an’ilay Andriamanitra marina sy mitory ny teniny. Mahafaly antsika koa izany. Ankoatra izany, dia mifaly toa an’ireo anjely any an-danitra isika, satria maro eran-tany no mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana, mibebaka, ary mizotra eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.—Lioka 15:10.

“Ny fiaretan’i Joba”

17, 18. Inona avy no niaretan’i Joba, ary ahoana no niafarany?

17 Hoy i Jakoba, rehefa avy niresaka momba ireo mpaminany fahiny: “Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa hitanareo ny niafarany, dia izay nataon’i Jehovah taminy. Araka izany, dia be fitiavana tokoa sady mamindra fo i Jehovah.” (Jakoba 5:11) Ilay teny grika nadika hoe “fiaretana” eto, dia mitovy hevitra amin’ilay teny grika nampiasain’i Jakoba eo amin’ny andininy faha-10, izay nadika hoe “faharetana.” Niresaka ny fahasamihafan’ny hevitr’ireo teny roa ireo ny manam-pahaizana iray. Hoy izy: “Ilay voalohany dia fanehoana faharetana rehefa misy manisy ratsy antsika, ary ilay faharoa kosa fiaretana ny fahoriana manjo antsika.”

18 Tena nijaly i Joba. Fongana ny fananany, maty ny zanany, ary nampijaly be ny aretiny. Niady saina koa izy satria nisy niampanga hoe nosazin’i Jehovah. Tsy nangina i Joba rehefa nijaly. Nitaraina mafy izy ary nilaza an-kolaka mihitsy aza fa marina noho Andriamanitra. (Joba 35:2) Nanam-pinoana foana anefa izy, ary tsy nivadika mihitsy. Tsy nanda an’Andriamanitra i Joba, na dia nilaza aza i Satana fa hanao izany izy. (Joba 1:11, 21) Inona no vokany? Jehovah “nitahy ny niafaran’i Joba mihoatra noho ny voalohany.” (Joba 42:12) Nositranin’i Jehovah izy, nampitomboiny avo roa heny ny harenany, ary novalian-tsoa izy ka niadana sy sambatra niaraka tamin’ny havan-tiany. Nanjary nahafantatra bebe kokoa ny toetran’i Jehovah koa izy, rehefa niaritra sy tsy nivadika.

19. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiaretan’i Joba?

19 Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fiaretan’i Joba? Mety hijaly toa an’i Joba isika, noho ny aretina na fahasahiranana hafa. Mety tsy ho azontsika tsara ny antony amelan’i Jehovah antsika hiatrika fitsapana sasany. Izao anefa no azontsika antoka: Handray fitahiana isika, raha tsy mivadika. Tsy maintsy hamaly soa an’izay mitady azy fatratra i Jehovah. (Hebreo 11:6) Hoy i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.”—Matio 10:22; 24:13.

‘Ho avy ny andron’i Jehovah’

20. Nahoana isika no mahazo antoka fa ho avy ny andron’i Jehovah?

20 Na dia manam-paharetana aza i Jehovah, dia manao ny rariny koa izy, ka tsy holeferiny mandrakizay ny faharatsiana. Manam-petra ny faharetany. Hoy i Petera: “Tsy niahotra ... Andriamanitra nanasazy an’ilay tontolo fahiny.” Noringaniny tamin’ny Safodrano ilay tontolo ratsy fahiny, na dia narovany aza i Noa sy ny fianakaviany. Nampihatra ny didim-pitsarany tamin’i Sodoma sy Gomora koa i Jehovah, ka lasa lavenona ilay tanàna. Ireny sazy ireny dia “ohatra fampitandremana momba ny hoavy, ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.” Tena azontsika antoka àry fa ‘ho avy ny andron’i Jehovah.’—2 Petera 2:5, 6; 3:10.

21. Ahoana no ampisehoantsika fa manam-paharetana sy miaritra isika, ary inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Aoka àry isika hanam-paharetana toa an’i Jehovah, ka hanampy ny olona hibebaka mba ho voavonjy izy ireo. Aoka koa isika haharitra toa an’ireo mpaminany, ka hitory ny vaovao tsara foana na dia tsy mihaino aza ny olona. Azo antoka fa hanome antsika valisoa lehibe i Jehovah, raha miaritra fitsapana sy tsy mivadika toa an’i Joba isika. Mahafaly tokoa ny fanompoana ataontsika, rehefa jerena ny fitahian’i Jehovah ny ezaka ataon’ny vahoakany, eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara eran-tany. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny momba izany.

Tadidinao Ve?

• Nahoana i Jehovah no manam-paharetana?

• Inona no ianarantsika avy amin’ny faharetan’ireo mpaminany?

• Ahoana no nanehoan’i Joba fiaretana, ary ahoana no niafarany?

• Ahoana no ahafantarantsika fa manam-petra ny faharetan’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Nanahaka tanteraka ny faharetan’ny Rainy i Jesosy

[Sary, pejy 20]

Ahoana no namalian’i Jehovah soa ny faharetan’i Jeremia?

[Sary, pejy 21]

Inona no valisoa nomen’i Jehovah an’i Joba, noho ny fiaretany?