Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Moa ve Ianao toy ny Hazo “Lagani Auna”?

Moa ve Ianao toy ny Hazo “Lagani Auna”?

Moa ve Ianao toy ny Hazo “Lagani Auna”?

AVY nitory ny lehilahy zokiolona sy ny tovolahy iray, tany amin’ny tanàna tsy lavitra an’i Port Moresby, any Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nahita hazo tsara tarehy iray izy ireo teny an-dalana hody. “Oay! Itsy misy lagani auna!”, hoy ilay zokiolona. Nitodika tany amin’ilay tovolahy izy sady niteny hoe: “ ‘Hazo isan-taona’ no dikan’izany. Tsy sahala amin’ny hazo maro atỳ amin’ny tany mafana izy io, fa mihintsana isan-taona ny raviny ary toy ny hoe maty mihitsy izy. Velona indray anefa izy rehefa avy ny orana, ka mamelana sy tsara tarehy indray.”

Misy zavatra azo ianarana avy amin’ny lagani auna, na flamboyant, araka ny ahafantaran’ny maro azy. Misy manam-pahaizana milaza fa anisan’ny hazo dimy tsara tarehy indrindra eran-tany izy io. Mitahiry rano ilay hazo, na dia mihintsana aza ny raviny sy ny felany mandritra ny ririnina. Mafy be koa ny fakany, ary afaka mandady manodidina vato any anaty tany lalina any. Lasa miraikitra mafy amin’ny tany ilay hazo, ka tsy miongotra mihitsy na dia misy rivo-mahery aza. Raha tsorina, dia mampiasa izay ananany izy rehefa misy zava-tsarotra, ka velona tsara foana.

Mety ho tojo toe-javatra misedra ny finoantsika isika. Ahoana no hiaretantsika an’izany? Mila mamaky sy mitadidy ny Tenin’Andriamanitra izay toy ny rano mamelona isika, tahaka ny lagani auna izay mitroka sy mitahiry rano. Tokony hifikitra mafy amin’i Jehovah, ilay ‘vatolampintsika’ koa isika, sady hifikitra mafy amin’ny fandaminany. (2 Samoela 22:3) Mampahatsiahy antsika tokoa io hazo tsara tarehy io, fa na mafy aza ny manjo antsika dia hanana finoana matanjaka sy toetra mahafinaritra foana isika, raha mampiasa tsara ny fanampiana omen’i Jehovah. ‘Handova ny fampanantenany’ isika amin’izay, anisan’izany ny fiainana mandrakizay.—Hebreo 6:12; Apokalypsy 21:4.