Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nataon’i Jehovah Izay Hahitako Azy

Nataon’i Jehovah Izay Hahitako Azy

Tantaram-piainana

Nataon’i Jehovah Izay Hahitako Azy

NOTANTARAIN’I FLORENCE CLARK

Narary mafy ny vadiko, ka notazoniko ny tanany sady nivavaka aho mba ho sitrana izy. Anglikanina mantsy aho tamin’izany. Nampanantena an’Andriamanitra aho fa hitady azy hatramin’ny farany, ary hanokan-tena ho azy, raha tsy maty ny vadiko.

FLORENCE CHULUNG no anarako tamin’izaho mpitovo. Teraka tamin’ny 18 Septambra 1937 aho, tany amin’ny Tanànan’ny Tompon-tany any Oombulgurri, Aostralia Andrefana. Lavitra io toerana io, satria any amin’ny Lembalemban’i Kimberley no misy azy.

Tena tiako ny fahazazako, satria sambatra erỳ aho tamin’izany. Nianatra zavatra vitsivitsy momba an’Andriamanitra sy ny Baiboly aho tany am-piangonana. I Neny kosa no nampianatra ahy ny toro lalana kristianina. Namaky Baiboly tamiko foana izy, ka mbola kely aho dia efa te hianatra momba an’Andriamanitra. Tena tiako koa ny asan’ny nenitoako, satria misioneran’ny eglizy nisy azy izy tamin’izany. Naniry hitovy taminy àry aho.

Misionan’ny Renirano Forrest no niantsoana ny tanànanay taloha. Sekoly fanabeazana fototra no nisy tao, ary adiny roa isa-maraina monja izahay no nianatra. Fahalalana kely àry no mba azoko tany am-pianarana, ka nampanahy an’i Dada izany. Tiany hianatra bebe kokoa ny zanany, ka nanapa-kevitra izy fa hiala tao Oombulgurri izahay, ary hifindra any Wyndham. Nalahelo aho rehefa nandao an’ilay tanànanay. Afaka nianatra tontolo andro anefa aho tany Wyndham, nandritra ny efa-taona nanaraka, nanomboka tamin’ny 1949 ka hatramin’ny 1952. Ankasitrahako tokoa ny nataon’i Dada.

Niasa tao amin’ny dokotera teo an-toerana i Neny. Nampidirin’izy io ho mpitsabo mpanampy tao amin’ny hopitalin’i Wyndham aho, rehefa tsy nianatra intsony, tamin’izaho 15 taona. Sarotra ny nahita asa tamin’izany, ka faly erỳ aho nanaiky an’ilay izy.

Nifankahita tamin’i Alec aho, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Lehilahy fotsy hoditra izy, ary mpiompy no asany. Nivady izahay tamin’ny 1964, ary teto Derby no natao ny mariazinay. Niangona tany amin’ny Eglizy Anglikanina foana aho tamin’izany. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminay, indray andro. Nilazako izy ireo fa tsy nahaliana ahy mihitsy ny zavatra noresahiny, ka niangaviako izy ireo mba tsy hiverina intsony. Nisy nahaliana ahy ihany anefa ny zavatra nolazainy. Niteny izy ireo fa manana anarana Andriamanitra. Jehovah no anarany.

“Fa angaha ianao tsy mahay mivavaka irery e?”

Lasa sarotra be ny fiainanay, tamin’ny 1965. Niharan-doza intelo mantsy ny vadiko, ary tena mafy ny nanjo azy. Tratran’ny lozam-piarakodia indray mandeha izy, ary indroa nianjera avy eny ambony soavaly. Soa ihany fa sitrana izy ary afaka niasa indray. Nianjera avy teny ambony soavaly indray anefa izy tsy ela taorian’izay, ary naratra mafy ny lohany. Nilaza tamiko ny dokotera tany amin’ny hopitaly, fa ho faty tsy ho ela ny vadiko. Kivy tanteraka aho. Nasain’ny mpitsabo mpanampy nankany amiko ny mompera teo an-toerana, saingy hoy izy: “Tsy androany, fa aleo rahampitso!”

Tiako hivavaka teo anilako ilay mompera, ka nolazaiko tamin’ilay masera izany. Hoy izy: “Fa angaha ianao tsy mahay mivavaka irery e?” Nivavaka tamin’ny sarivongana tany am-piangonana àry aho mba hanampy ahy, nefa tsy hitako izay vokany. Toa efa ho faty tokoa ny vadiko. Hoy aho anakampo: ‘Ahoana no hataoko raha maty izy?’ Nampanahy ahy koa ny zanakay, dia i Christine, Nanette, ary Geoffrey. Hanao ahoana ny fiainan’izy ireo raha tsy eo intsony ny rainy? Soa ihany fa nahatsiaro tena ny vadiko, telo andro tatỳ aoriana, ary nivoaka ny hopitaly tamin’ny 6 Desambra 1966.

Azo lazaina hoe sitrana ny vadiko. Tsy niasa tsara intsony anefa ny atidohany. Very tadidy izy, lasa nahery setra, ary mbetika faly mbetika tezitra. Tsy hainy ny niaraka tamin’ny ankizy. Mila hovonoiny mihitsy izy ireo rehefa tsy nitondra tena toy ny olon-dehibe. Tsy mora ny nikarakara azy. Izaho daholo no nikarakara ny ankabeazan’ny zavatra nilainy. Nampianariko namaky teny sy nanoratra indray aza izy. Tsy arako intsony anefa ny nikarakara azy sady nanao ny raharaha tao an-trano, ka nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalamako izany. Ketraka mafy aho. Nifanaraka àry izahay, fito taona taorian’ilay loza, fa hisara-toerana kely mandra-pahasitrako.

Nentiko ny ankizy, ary nifindra tany atsimo tany Perth izahay. Nanomboka niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Kununurra, ny zandriko vavy, talohan’izay. Tanàna kely any Aostralia Andrefana izy io. Nisy sary nasehony ahy tao amin’ny boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Sarina paradisa eto an-tany ampanantenain’ny Baiboly ilay izy. Nasehony ahy tao koa, fa Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary nanintona ahy izany. Mbola tsy nisy niresaka an’izany tamiko mihitsy tany am-piangonanay, ka nanapa-kevitra aho fa hitelefaonina any amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha vao tonga any Perth.

Tsy sahy nitelefaonina tany amin’izy ireo anefa aho rehefa tonga tany. Nisy olona tonga tao aminay, indray hariva. Nankeny am-baravarana ny zanako lahy, ary nihazakazaka nankany amiko nilaza hoe: “Neny a! Ireo ilay olona saika hantsoin’i Neny tamin’ny telefaonina.” Somary gaga aho, ary hoy aho: “Lazao hoe tsy ao aho!” Hoy anefa izy: “Tsy tokony handainga ange aho, ry Neny e!” Menatra aho, ka novohaiko ny varavarana. Noarahabaiko izy ireo, ary tsikaritro fa gaga. Hay olon-kafa no notadiaviny, saingy efa nifindra trano. Nampandrosoiko ry zareo, ary nametrahako fanontaniana be dia be. Nahazo valiny mahafa-po avy tao anaty Baiboly aho.

Nanomboka nianatra Baiboly tsy tapaka niaraka tamin’ny Vavolombelona aho, ny herinandro nanaraka. Ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay no nampiasainay. Nanjary te hianatra momba an’Andriamanitra indray aho. Nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy Jesosy aho, tapa-bolana tatỳ aoriana. Nanomboka nivory isaky ny alahady aho, ary nanatrika fivoriana andavanandro koa tsy ela taorian’izay. Nanomboka noresahiko tamin’ny hafa koa ny zavatra nianarako. Hitako fa nihanilamina ny saiko sy ny foko, rehefa niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny olona aho. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Perth aho, enim-bolana taorian’izay.

Nanjary takatro fa masina amin’i Jehovah ny fanambadiana, rehefa nitombo ny fahalalako ny Baiboly. Anisan’izany ilay toro lalana ao amin’ny 1 Korintianina 7:13 hoe: “Raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka manaiky hiara-mitoetra aminy ihany ny vadiny, dia aoka tsy hiala aminy izy.” Nahatonga ahy ho tapa-kevitra hiverina amin’i Alec io andinin-teny io.

Niverina teto Derby

Tonga teto Derby indray aho, tamin’ny 21 Jona 1979, rehefa avy nisara-toerana tamin’ny vadiko nandritra ny dimy taona mahery. Mazava ho azy fa natahotahotra aho, ary nanontany tena hoe hanao ahoana ny ho fihetsiny rehefa hahita ahy miverina. Gaga aho fa faly izy, na dia nilaza aza fa tsy azoazony hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nampirisika ahy avy hatrany izy, mba handeha hiangona any amin’ny egliziny, ilay nandehanako talohan’ny nankanesako tany Perth. Nohazavaiko fa tsy afaka manao an’izany aho. Niezaka mafy nanaja azy aho, sady nanao izay rehetra vitako mba ho vady kristianina mendrika. Nanandrana niresaka taminy momba an’i Jehovah sy ireo fampanantenany kanto amin’ny hoavy aho, nefa tsy nahaliana azy izany.

Tsy nampaninona an’i Alec intsony anefa ny fomba fiainako vaovao, rehefa nandeha ny fotoana. Nanome vola ahy mihitsy aza izy, mba hahafahako hanatrika fivoriambe sy fivoriana isan-kerinandro. Faly erỳ aho, rehefa nividianany fiara hoentiko manompo. Tena ilaina mihitsy izany atỳ amin’ny faritra lavitra be atỳ. Matetika no nisy anadahy sy rahavavy ary mpiandraikitra ny faritra nijanona tao aminay, nandritra ny alina maromaro. Nanjary nahafantatra Vavolombelona maro i Alec noho izany, ary toa tiany ny niaraka tamin’izy ireo.

Nahery toa an’i Ezekiela aho

Nahafinaritra ahy ny fitsidihan’ireo anadahy sy rahavavy, nefa nisy zava-tsarotra natrehiko koa. Izaho irery no Vavolombelona teto Derby. Tany Broome, tany amin’ny 220 kilaometatra, no nisy fiangonana akaiky indrindra. Nanapa-kevitra àry aho, fa hanao izay rehetra vitako mba hitoriana ny vaovao tsara. Nanampy ahy i Jehovah, ka voalamiko ny fotoanako ary nanomboka nitory isan-trano aho. Sarotra tamiko ilay izy, nefa notadidiko foana ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.

Tsy faly ny mpitondra fivavahana teto rehefa nahita ahy nitory, indrindra fa tamin’ny Tompon-tany. Nandrahona ahy ry zareo, sady nandrara ahy tsy hitory intsony. Vao mainka nahatonga ahy ho tapa-kevitra hitory foana ny fanoheran-dry zareo, ary nivavaka tsy tapaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy. Tsaroako matetika ilay teny mampahery nolazaina tamin’i Ezekiela hoe: “Indro, efa nohamafiko ny tarehinao hiatrika amin’ny tarehiny sy ny handrinao hanandrina ny handriny. Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny.”—Ezekiela 3:8, 9.

Nanatona ahy imbetsaka ny lehilahy roa, avy amin’ny fiangonana teto an-toerana, rehefa niantsena aho. Naneso ahy izy ireo, ka nitabataba mba hisarihana ny sain’ny mpiantsena. Nodiako tsy re anefa izy ireo. Nisy mpitondra fivavahana nanatona ahy koa, indray mandeha, rehefa niverina nitsidika olona te hianatra Baiboly aho. Nanendrikendrika ahy ho tsy mino an’i Jesosy izy. Nosintoniny teny an-tanako ny Baiboliko, nahetsiketsiny teo anoloan’ny tarehiko, ary naveriny teny an-tanako indray. Nibanjina azy aho, ary notononiko tamin’ny feo tony nefa hentitra, izay voalazan’ny Jaona 3:16. Nilazako izy fa tena mino an’i Jesosy aho. Tena tsy nampoiziny ny valin-teniko tsy nisy fisalasalana, ka tsy nahateny intsony izy fa lasa fotsiny.

Nahafinaritra ahy ny nitory tamin’ny Tompon-tany nanerana an’i Derby. Nataon’ny mompera iray izay tsy hahafahako hitory tao amin’ny tanàna iray. Nafindra toerana anefa izy, ka afaka nitory ny hafatra ara-baiboly tao aho. Naniry ho misionera toa an’i Nenitoa foana aho, ka manao izany asa izany izao. Manampy ny olona hianatra ny Tenin’Andriamanitra aho. Betsaka ny Tompon-tany nihaino tsara, ka maromaro no nanomboka nianatra Baiboly.

Tsapako fa nila nivory aho

Izaho irery no Vavolombelona teto Derby, nandritra ny dimy taona. Hitako fa sarotra ny hananana finoana matanjaka foana, rehefa tsy mahazo fampaherezana any am-pivoriana isan-kerinandro, miaraka amin’ny mpiray finoana. Kivy be aho, indray mandeha, ka lasa aho nitsangantsangana tamin’ny fiara. Rehefa nody aho ny hariva, dia efa niandry ahy tao ny rahavavy iray atao hoe Betty Butterfield, niaraka tamin’ny zanany fito. Nitondra boky sy gazety ho ahy avy any amin’ny fiangonan’i Broome izy ireo, ary lavitra be io toerana io. Nanomboka tamin’izay, dia nankatỳ indray mandeha isam-bolana io rahavavy io, ary nijanona niaraka tamiko nandritra ny faran’ny herinandro. Niara-nitory izahay ary niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana, tao aminay. Izaho kosa nankany Broome indray mandeha isam-bolana.

Tena nanampy ahy ny anadahy tany Broome. Nankatỳ Derby mihitsy aza izy ireo indraindray, mba hiara-manompo amiko, na dia lavitra aza. Nampirisihin’izy ireo koa izay anadahy sy rahavavy mety handalo eto, mba hitsidika ahy sy hiara-manompo amiko. Nitondra kasety nisy lahateny ho an’ny besinimaro ho ahy izy ireny. Niara-nianatra Ny Tilikambo Fiambenana tamiko ny sasany. Tena nampahery ireny fitsidihana fohy ireny.

Fanampiana bebe kokoa

Nahazo fampaherezana bebe kokoa aho nandritra ny taona vitsivitsy, rehefa tonga teto i Arthur sy Mary Willis. Avy any amin’ny faritra atsimon’i Aostralia Andrefana io mpivady io, ary efa misotro ronono. Tonga nanampy ahy nandritra ny telo volana izy ireo, isaky ny ririnina. Ny Anadahy Willis no nitarika ny fanompoana sy ny ankabeazan’ny fivoriana. Niaraka nankany amin’ireo faritra lavitra kokoa amin’ny Lembalemban’i Kimberley izahay, ary nitsidika toeram-piompiana. Tsapako hoe tena banga ny fiainako, isaky ny lasa izy mivady.

Ela ny ela ka nisy vaovao mahafaly voaraiko, tamin’ny faramparan’ny 1983. Tonga nipetraka teto Derby ry Danny sy Denise Sturgeon, ary ny zanany efa-dahy. Afaka nanao fivoriana dimy isan-kerinandro sy niara-nanompo izahay, taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Nisy fiangonana niforona teto tamin’ny 2001. Fiangonana matanjaka misy mpitory 24 izao no eto, ahitana anti-panahy roa sy mpanampy amin’ny fanompoana iray, izay mikarakara tsara anay mba hampahatanjaka ny finoanay. Mahatratra 30 indraindray ny mpanatrika ny fivoriana.

Tena faly aho rehefa mitodika ireo taona maro lasa, satria tsapako fa nanampy ahy ho tonga mpanompony i Jehovah. Manohana ahy amin’ny fomba hafa foana ny vadiko, na dia mbola tsy mitovy finoana aza izahay. Dimy ny fianakaviako akaiky vita batisa: ny zanako roa vavy, ny zafikeliko roa vavy, ary ny zana-drahavaviko iray. Misy havako maromaro koa miara-mianatra Baiboly amin’ny vahoakan’i Jehovah.

Velom-pankasitrahana tokoa aho fa nataon’i Jehovah izay hahitako azy. Tapa-kevitra aho fa hanokan-tena ho azy mandrakizay.—Salamo 65:2.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sarintany/Sary, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

AOSTRALIA

Wyndham

Lembalemban’i Kimberley

Derby

Broome

Perth

[Sary nahazoan-dalana]

Kangoroa sy oiseau-lyre: Lydekker; koalà: Meyers

[Sary, pejy 14]

Tamin’izaho mpitsabo mpanampy tao amin’ny hopitalin’i Wyndham, 1953

[Sary, pejy 15]

Fiangonan’i Derby, 2005