Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Hahafa-po ny Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao

Tena Hahafa-po ny Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao

Tena Hahafa-po ny Fiainana ao Amin’ny Tontolo Vaovao

KRISTIANINA sady raim-pianakaviana i Davida. * Nifindra tany Etazonia izy, ary nihevitra fa nety ny fanapahan-keviny. Tsy te handao ny vady aman-janany izy, nefa azony antoka fa ho afaka hanatsara ny fiainan’izy ireo izy raha mahazo vola misimisy kokoa. Nanaiky àry izy rehefa nasain’ny havany ho any New York, ary tsy ela dia nahita asa.

Nanjary diso fanantenana anefa i Davida, rehefa nandeha ny fotoana. Lasa tsy nanam-potoana firy hanompoana an’Andriamanitra izy. Saika tsy nino Azy intsony aza izy. Efa voatarika haloto fitondran-tena izy vao tonga saina. Nifantoka be loatra tamin’ny vola aman-karena izy, ka niala tsikelikely tamin’ny zavatra rehetra noheveriny ho zava-dehibe. Nila niova izy.

Maro koa isan-taona no manao toa an’i Davida. Mandao ny tany mahantra izy ireo, satria manantena hahazo vola bebe kokoa any an-tany hafa. Tena manimba ny finoany anefa izany matetika. Nisy àry nanontany tena hoe: ‘Afaka mikatsaka vola aman-karena ve ny Kristianina, sady “manankarena amin’Andriamanitra”?’ (Lioka 12:21) Milaza ny mpanoratra fanta-daza sy mpitondra fivavahana sasany fa azo atao izany. Hitan’i Davida sy ny hafa anefa, fa sarotra toy ny manenjika bitro roa izany.—Lioka 18:24.

Tsy ny vola no ratsy

Ny olona ihany no namorona ny vola. Tsy misy maharatsy azy io, toy ny zavatra maro noforonin’ny olona. Fitaovana entina manakalo fotsiny izy io. Mahasoa àry ny vola, raha ampiasaina araka ny tokony ho izy. Miaiky, ohatra, ny Baiboly fa “fialokalofana ny vola”, indrindra rehefa misy olana mifandray amin’ny fahantrana. (Mpitoriteny 7:12) Mihevitra mihitsy aza ny olona sasany, fa “hahazoana ny zavatra rehetra” izy io.—Mpitoriteny 10:19.

Milaza ny Soratra Masina fa ratsy ny hakamoana, ary ilaina ny miasa mafy. Tokony hamelona ny ankohonantsika isika, ary ‘hizara amin’izay sahirana’ raha manana ambim-bava kely. (Efesianina 4:28; 1 Timoty 5:8) Ampirisihin’ny Baiboly koa isika mba hifaly amin’izay ananantsika, fa tsy hampihafy tena. Lazainy fa afaka manana ny ‘anjara’ fananantsika isika, ary hifaly amin’izay nisasarantsika. (Mpitoriteny 5:17-19) Miresaka momba ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky sady nanankarena koa aza ny Baiboly.

Lehilahy nahatoky sy nanankarena

Nanana omby aman’ondry maro, volafotsy sy volamena be dia be, ary mpanompo an-jatony i Abrahama, mpanompon’Andriamanitra nahatoky. (Genesisy 12:5; 13:2, 6, 7) Nanan-karena be koa i Joba, lehilahy marina, satria nanana ondry aman’osy, mpanompo, volamena, ary volafotsy. (Joba 1:3; 42:11, 12) Mpanefohefo mihitsy ireo lehilahy ireo, na dia ampitahaina amin’ny ankehitriny aza ny fari-piainany. Nanan-karena tamin’Andriamanitra koa anefa izy ireo.

Nilaza ny apostoly Paoly fa “rain’izay rehetra manam-pinoana” i Abrahama. Tsy mba kahihitra izy, na niraiki-po be tamin’izay nananany. (Romanina 4:11; Genesisy 13:9; 18:1-8) Nilaza koa Andriamanitra fa olona “marina sy mahitsy” i Joba. (Joba 1:8) Vonona foana izy hanampy ny mahantra sy ny ory. (Joba 29:12-16) Andriamanitra, fa tsy ny harena, no nianteheran’i Abrahama sy Joba.—Genesisy 14:22-24; Joba 1:21, 22; Romanina 4:9-12.

Toy izany koa i Solomona Mpanjaka. Nisolo tena an’Andriamanitra tao Jerosalema izy, ka nomeny fahendrena sy harena be ary voninahitra. (1 Mpanjaka 3:4-14) Nahatoky izy nandritra ny androatokom-piainany. ‘Tsy nahitsy tamin’i Jehovah [anefa] ny fony’ rehefa antitra izy. (1 Mpanjaka 11:1-8) Mampalahelo ny tantarany, ary mampiharihary ireo fitaky ny harena mpahazo ny olona. Ireto ny sasany amin’izany.

Fitaky ny harena

Ny olana lehibe indrindra dia hoe mety ho lasa tia vola sy ireo zavatra voavidim-bola, isika. Manjary manana faniriana tsy mety afa-po ny olona sasany rehefa manankarena. Nahita izany i Solomona, tamin’izy vao nanomboka nanjaka. Hoy izy: “Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin’ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.” (Mpitoriteny 5:9) Nampitandrina ny Kristianina ny amin’io fitiavana mamitaka io i Jesosy sy Paoly, tatỳ aoriana.—Marka 4:18, 19; 2 Timoty 3:2.

Ho mora resin’ny fakam-panahy maro isan-karazany, toy ny lainga sy ny halatra ary ny fitaka isika, raha lasa miraiki-po amin’ny vola fa tsy mihevitra azy io ho fitaovana fotsiny. Namadika ny tompony tamin’ny farantsa volafotsy 30 monja, i Jodasy Iskariota, anisan’ny apostolin’i Kristy. (Marka 14:11; Jaona 12:6) Lasa andriamanitry ny olona sasany mihitsy aza ny vola, rehefa tafahoatra ny fitiavany azy io. (1 Timoty 6:10) Mila mamantatra ny tena antony manosika azy hitady vola misimisy kokoa àry, ny Kristianina.—Hebreo 13:5.

Miteraka olana tsy mora hita koa ny fikatsahana harena. Voalohany, manjary matoky tena ny olona rehefa manankarena. Anisan’ireo “famitahan’ny harena” noresahin’i Jesosy izany. (Matio 13:22) Nampitandrina ny Kristianina koa i Jakoba, mpanoratra Baiboly, mba tsy hanadino an’Andriamanitra, na dia rehefa manao raharaham-barotra aza. (Jakoba 4:13-16) Mety hahavita tena amin’ny lafiny sasany ny olona manam-bola, ka atahorana hiantehitra amin’ny volany fa tsy amin’Andriamanitra.—Ohabolana 30:7-9; Asan’ny Apostoly 8:18-24.

Faharoa, lasa mihena tsikelikely ny fotoana anompoan’ilay olona an’Andriamanitra, satria lany itadiavan-karena ny ankamaroan’ny fotoanany sy ny heriny. Manamarina izany ny zavatra niainan’i Davida, ilay voaresaka terỳ aloha. (Lioka 12:13-21) Matetika koa ny mpanankarena no alaim-panahy handany ny fananany amin’ny fialam-boly, na zavatra hafa ho an’ny tenany.

Tsy ny fananan’i Solomona fiainana nampiadana ve moa no anisan’ny nahadonto ny sainy, ka nahatonga azy hiala tamin’Andriamanitra? (Lioka 21:34) Fantany tsara fa nandrara ny fanambadiana olona hafa firenena Andriamanitra. Niisa arivo teo ho eo anefa ny vadikeliny. (Deoteronomia 7:3) Te hampifaly an’ireo vehivavy hafa firenena ireo izy, ka nanandrana nanao fivavahana iraisam-pinoana. Nahatonga ny fony hiala tsikelikely tamin’i Jehovah izany, araka ny efa hitantsika teo.

Tena manamarina izao torohevitr’i Jesosy izao ireo ohatra ireo: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny Harena ianareo.” (Matio 6:24) Ahoana àry no hahafahan’ny Kristianina hiatrika ny fahasahiranana ara-bola mahazo ny ankamaroan’ny olona? Ny fanontaniana lehibe kokoa dia hoe: Azo antenaina hisy fiainana tsara kokoa ve amin’ny hoavy?

Tena hahafa-po ny fiainana amin’ny hoavy

Tsy toa an-dry Abrahama sy Joba ary ny firenen’ny Israely ny mpanara-dia an’i Jesosy, fa nasaina ‘hanao mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.’ (Matio 28:19, 20) Mila mampiasa ny fotoana sy ny hery izay mety ho azo anaovan-javatra hafa isika, mba hamitana io asa io. Raha te hahita fahombiazana àry isika, dia tsy maintsy manaraka ilay tenin’i Jesosy hoe: “Katsaho hatrany àry aloha ny fanjakan[’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Matio 6:33.

Niverina tamin’ny laoniny ihany ny fiainan’i Davida, rehefa saika rava ny tokantranony ary saika simba ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Tanteraka taminy ny fampanantenan’i Jesosy. Nihatsara tokoa ny fiainany, rehefa nataony loha laharana indray ny fianarana Baiboly sy ny vavaka ary ny fanompoana. Niverina tsikelikely tamin’ny laoniny ny fifandraisany tamin’ny vady aman-janany. Nahita fifaliana sy fahafaham-po indray izy. Mbola miasa mafy izy, fa tsy lasa nanankarena tampoka. Nandray lesona lehibe avy tamin’ny zavatra mampalahelo niainany anefa izy.

Hitan’i Davida fa tsy fahendrena ny nifindrany tany Etazonia. Nanapa-kevitra izy fa tsy ny vola intsony no hataony zava-dehibe indrindra, rehefa handray fanapahan-kevitra. Fantany izao fa tsy voavidim-bola ireo zava-tsarobidy indrindra eo amin’ny fiainana, dia ny fianakaviana be fitiavana, namana tsara, ary ny fifandraisana amin’Andriamanitra. (Ohabolana 17:17; 24:27; Isaia 55:1, 2) Sarobidy lavitra ny fananana fitondran-tena tsara, raha mitaha amin’ny harena. (Ohabolana 19:1; 22:1) Nanapa-kevitra àry i Davida sy ny ankohonany, fa hataony loha laharana ireo zava-dehibe kokoa.—Filipianina 1:10.

Tsy mahavita manorina fiaraha-monina manankarena sady tsara fitondran-tena Raolombelona. Nampanantena anefa Andriamanitra fa ho tanteraka izany eo ambany fitondran’ny Fanjakany, ka hahafinaritra ny fiainantsika. (Salamo 72:16; Isaia 65:21-23) Nilaza i Jesosy fa hanana fiainana tena mahafa-po isika, raha mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. (Matio 5:3) Na manankarena àry isika na mahantra, dia tokony hataontsika loha laharana dieny izao ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, satria izany no fomba tsara indrindra hiomanantsika ho amin’ilay tontolo vaovao ho avy tsy ho ela. (1 Timoty 6:17-19) Ao amin’io tontolo io tokoa no hahitana fiaraha-monina manankarena sady tsara fitondran-tena.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana.

[Sary, pejy 5]

Andriamanitra, fa tsy ny harena, no nianteheran’i Joba

[Sary, pejy 7]

Tsy voavidim-bola ireo zava-tsarobidy indrindra eo amin’ny fiainana