Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Efa Hitanay ny Mesia!”

“Efa Hitanay ny Mesia!”

“Efa Hitanay ny Mesia!”

“EFA hitanay ny Mesia!” “Efa hitanay ilay olona voasoratr’i Mosesy ao amin’ny Lalàna sy voasoratry ny mpaminany.” Jiosy roa tia fivavahana no nilaza ireo teny manaitra ireo, tamin’ny taonjato voalohany. Tonga ihany ilay Mesia nandrasan’izy ireo. Tena resy lahatra izy ireo fa ilay olona hitany no Mesia!—Jaona 1:35-45.

Tena misy antony matoa resy lahatra izy ireo, rehefa dinihina ny zava-nisy sy ny fivavahana tamin’izany fotoana izany. Efa nisy olona maro nihambo ho mpanafaka mantsy talohan’izay, ary nisehoseho sy nampanantena zavatra. Diso fanantenana anefa ny olona, rehefa tsy nanafaka ny Jiosy avy teo ambany fahefan’ny Romanina ny lehilahy toy ireny.—Asan’ny Apostoly 5:34-37.

I Andrea sy Filipo ireo Jiosy roa voaresaka tetsy am-piandohana. Azon’izy ireo antoka mihitsy fa ilay tena Mesia no hitany. Vao mainka aza resy lahatra kokoa izy ireo tatỳ aoriana, rehefa hitany nanatanteraka fahagagana maro ilay lehilahy, araka ny efa voalaza mialoha fa hataon’ny Mesia.

Nahoana i Andrea sy Filipo ary ny maro hafa no nino an’io lehilahy io, ka resy lahatra fa tsy Mesia sandoka izy io? Ahoana no anaporofoana fa io ilay tena Mesia?

Araka ny fitantarana, dia fantatr’i Filipo sy Andrea fa i Jesosy, mpandrafitra taloha avy any Nazareta, no Mesia nampanantenaina sy nandrasana hatry ny ela. (Jaona 1:45) Nilaza i Lioka, mpahay tantara tamin’izany andro izany, fa “ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara” io fotoana nahatongavan’ny Mesia io. (Lioka 3:1-3) Teo anelanelan’ny Septambra taona 28 sy ny Septambra taona 29, ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara. Nilaza i Lioka fa “efa niandriandry” ny fahatongavan’ny Mesia ny olona tamin’izay fotoana izay. (Lioka 3:15) Nahoana no tamin’io fotoana io no nandrasana ny Mesia? Andeha hojerentsika.

Ny ahafantarana ny Mesia

Manana anjara asa lehibe ny Mesia, ka azo inoana fa hilaza ny fomba amantarana azy i Jehovah Mpamorona, mba hanampiana ireo olona tsy mivadika aminy sy ireo mandinika ny zava-mitranga. Nahoana? Amin’izay dia tsy ho voafitaky ny mpisandoka toy ny olona maro, ireo olona mailo.

Rehefa voatendry ho masoivoho any amin’ny firenen-kafa ny olona iray, dia tokony hampiseho ny taratasy manamarina izany any amin’ny fitondram-panjakan’io firenena io izy. Toy izany koa ny amin’ny Mesia. Efa nolazain’i Jehovah mialoha be ny mombamomba azy. Amin’izay, rehefa ho tonga io “Solontena [na masoivoho] Lehibe Indrindra” io, dia toy ny hoe tonga miaraka amin’ny taratasy manamarina ny maha Mesia azy izy.—Hebreo 12:2.

Taonjato maro mialoha dia efa nambara tao amin’ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly ireo zavatra hotanterahin’ny Mesia, mba hamantarana azy. Voalaza tamin’ny an-tsipiriany ny fomba ahatongavany, ny fanompoany an’Andriamanitra, ny fampijalian’ny olona azy, ary ny fomba ahafatesany. Mahavariana fa efa nolazain’ireo faminaniana azo itokisana ireo koa ny hitsanganany amin’ny maty, ny hisandratany eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, ary ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakany amin’ny hoavy. Azo oharina amin’ny peta-tondro famantarana olona iray àry ireo faminaniana ara-baiboly ireo.

Mazava ho azy fa tsy indray tanteraka ireo faminaniana momba ny Mesia, rehefa niseho i Jesosy tamin’ny taona 29. Tsy tamin’io fotoana io izy, ohatra, no novonoina sy nitsangana tamin’ny maty. Na izany aza, dia nino an’i Jesosy i Andrea sy Filipo ary ny maro hafa, noho ny zavatra nampianariny sy nataony. Nahita porofo maro be izy ireo, fa i Jesosy marina no Mesia. Raha niaina tamin’izany fotoana izany ianao, ka afaka nandinika tamin’ny saina tsy miangatra an’ireo zava-nisy, dia angamba ho resy lahatra koa ianao fa i Jesosy no Mesia.

Porofo maro nitambatra

Inona no mety ho naharesy lahatra anao? Nilaza tsipiriany momba ny Mesia ireo mpaminany, nandritra ireo taonjato nifandimby, mba hahafahana hamantatra azy. Nanjary fantatra tsikelikely àry ny mombamomba azy, rehefa nandeha ny fotoana. Hoy i Henry Halley: “Eritrereto hoe misy lehilahy maro avy any amin’ny firenena samy hafa. Mbola tsy nifankahita mihitsy na nifandray izy ireo. Samy mitondra sila-bato vita amin’ny marbra izy ireo, ary mankao amin’ny efitra iray. Nifampiditra tsara ireo vato rehefa nakambana ka nahavitana sarivongana iray tena kanto. Azo antoka fa matoa nitranga izany, dia tsy maintsy nisy olona iray namorona ilay sarivongana, ary avy eo nizarazara an’ilay izy tany amin’ireo lehilahy maromaro ireo.” Hoy i Halley, avy eo: “Voalaza mialoha be tamin’ny an-tsipiriany ny fiainan’i Jesosy sy ny asany. Ary olona samy hafa sady tsy niara-belona no nanoratra momba izany. Tsy maintsy ho nisy SAINA AMBONY NOHO NY OLOMBELONA nandrindra izany.” Namarana ny teniny i Halley hoe: “Fahagagana lehibe [izany]!”

Nanomboka niseho io lazainy fa “fahagagana” io ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly. Taorian’ny faminaniana voalohany niresahan’ny mpanoratra ny Genesisy momba ny anjara asan’ny Mesia, dia nolazainy fa hipoitra avy amin’ny taranak’i Abrahama izy io. (Genesisy 3:15; 22:15-18) Nilaza koa ny faminaniana hafa fa hipoitra avy amin’ny fokon’i Joda ny Mesia. (Genesisy 49:10) Ho mpitondra teny sy mpamonjy lehibe kokoa noho i Mosesy mihitsy izy, araka ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Israelita.—Deoteronomia 18:18.

Tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, dia nilaza ny faminaniana fa ho mpandova ny seza fiandrianan’i Davida ilay Mesia, ary ny fanjakany “hitoetra mandrakizay.” (2 Samoela 7:13-16) Nahariharin’ny bokin’i Mika fa ho teraka ao Betlehema, tanànan’i Davida, ny Mesia. (Mika 5:1) Nilaza mialoha i Isaia fa hateraky ny virjiny izy. (Isaia 7:14) Naminany i Malakia fa hisy olona toa an’i Elia hanambara ny fahatongavany.—Malakia 3:23, 24.

Mirakitra tsipiriany fanampiny momba ny Mesia ny bokin’i Daniela. Manondro ny taona isehoan’ny Mesia izy io. Izao no lazain’ilay faminaniana: “Aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ny hivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema ka hatramin’i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny làlana sy ny hady, dia amin’izay andro mampahory.”—Daniela 9:25.

Namoaka “ny didy” hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema i Artaksersesy mpanjaka persanina, tamin’ny taona faha-20 nanjakany. Tamin’ny 474 T.K. izy no nanomboka nanjaka. Noho izany, dia tamin’ny 455 T.K. ny taona faha-20 nanjakany. (Nehemia 2:1-8) Mielanelana 69 (7 ampiana 62) herinandro ny fotoana ivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema sy ny fotoana isehoan’ny Mesia. Maharitra 483 andro monja na roa taona latsaka, ny sivy amby enimpolo herinandro, raha raisina ara-bakiteny. Raha ampiharina anefa ny fitsipika voalazan’ny faminaniana hoe ‘indray andro solon’ny herintaona’, dia fantatra fa hiseho 483 taona atỳ aoriana ny Mesia, izany hoe ny taona 29.—Ezekiela 4:6. *

Efa nisy olona maro nihambo ho Mesia tamin’ny fotoana hafa. I Jesosy avy any Nazareta ihany anefa no niseho teo amin’izao tontolo izao, tamin’ny taona 29. (Lioka 3:1, 2) Nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa izy tamin’io taona io, ary natao batisa tao anaty rano. Voahosotry ny fanahy masina izy tamin’izay, ka lasa Mesia. Tatỳ aoriana, dia nampahafantatra an’i Jesosy tamin’i Andrea sy ny mpianatra hafa i Jaona Mpanao Batisa. Izy ilay toa an’i Elia, ary nambara mialoha fa hanomana ny fahatongavan’i Jesosy. Nambarany fa i Jesosy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.”—Jaona 1:29; Lioka 1:13-17; 3:21-23.

Tantaram-pirazanan’ny Mesia sy ny famantarana azy

Nambaran’ireo faminaniana avy amin’Andriamanitra hoe iza ireo razambe jiosy iavian’ny Mesia. Tena hendry Andriamanitra, ka tamin’ny fotoana nisian’ny tantaram-pirazanana voarakitra an-tsoratra no nanirahany ny Mesia ho etỳ an-tany. Amin’izay dia ho azo hamarinina ny tantaram-pirazanany.

Nilaza toy izao ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong: “Azo inoana fa tamin’ny fotoana nandravana an’i Jerosalema [tamin’ny taona 70] no potika ireo taratasy nirakitra ny tantaram-pirazanan’ny Jiosy, fa tsy talohan’izay.” Miharihary àry fa talohan’ny taona 70 no nanoratan’i Matio sy Lioka ny Filazantsarany. Raha tsy izany mantsy dia tsy ho afaka nijery ireo taratasy ireo izy ireo, ary tsy ho afaka nandika ny anaran’ireo razamben’i Jesosy. (Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38) Azo antoka koa fa maro tamin’ireo olona tamin’ny andron’i Jesosy no naniry hanamarina mivantana ny firazanan’i Jesosy, satria tena zava-dehibe izany resaka Mesia izany.

Tanteraka kisendrasendra tamin’i Jesosy ve ireo faminaniana?

Mety ho kisendrasendra fotsiny ve anefa no nahatanterahan’ireo faminaniana momba ny Mesia tamin’i Jesosy? Namaly ny manam-pahaizana iray hoe: “Tena faran’izay sarotra inoana izany. Araka ny kajy nataon’ny olona iray, dia indray mandeha ao anatin’ny iray hetsy tapitrisa tapitrisa no mety hahatanteraka kisendrasendra ny faminaniana valo momba ny Mesia.” Nanazava izany tamin’ny alalan’ny ohatra ilay manam-pahaizana. Hoy izy: “Raha avadika ho dolara vola madinika io isa io, dia ho rakotra vola madinika ny faritan’i Texas [690 000 kilaometatra toradroa, lehibe noho i Madagasikara], ary hatreny an-dohalika mihitsy. Andeha hatao hoe nasianao marika ny vola iray. Misy olona iray mitampi-maso avy eo asaina mandehandeha eran’ilay faritany, ary asaina maka vola madinika iray. Tena faran’izay sarotra inoana ny hoe ilay vola misy marika no ho voafidiny.” Hoy ilay manam-pahaizana, avy eo: “Tena faran’izay sarotra inoana toy izany koa ny hoe tanteraka kisendrasendra tamin’ny olona iray ny faminaniana valo momba ny Mesia.”

Tsy valo fotsiny anefa fa maro ny faminaniana momba ny Mesia tanteraka tamin’i Jesosy, nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany teto an-tany. Maro be tokoa ny porofo, ka namarana ny teniny ilay manam-pahaizana hoe: “I Jesosy irery ihany teo amin’ny tantara no nahatanteraka ireo faminaniana momba ny Mesia voasoratra ao amin’ny Baiboly.”

Tonga ny Mesia

Tsy misy isalasalana fa tonga tamin’ny taona 29 ny Mesia, ary i Jesosy avy any Nazareta izy io. Tamin’io taona io tokoa no tonga ilay Mpamonjy nanetry tena sy niaritra fijaliana. Nanantena ny ankamaroan’ny Jiosy, ary na dia ny mpanara-dia an’i Jesosy aza, fa hanafaka azy ireo tamin’ny fifehezan’ny Romanina i Jesosy, satria Mpanjaka tsy mety resy. Tsy izany anefa no nitranga. (Isaia toko 53; Zakaria 9:9; Asan’ny Apostoly 1:6-8) Efa nolazaina mialoha fa any aoriana vao ho avy amin-kery sy fahefana lehibe izy.—Daniela 2:44; 7:13, 14.

Nianatra tsara an’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly ny olona misaina eran-tany, ka resy lahatra fa tonga tamin’ny taonjato voalohany ny Mesia, ary mbola hiverina. Voaporofo fa niverina, na nanomboka ‘nanatrika’ izy, tamin’ny 1914. * (Matio 24:3-14) Nomena seza fiandrianana tsy hita maso tany an-danitra izy tamin’io taona io, ary lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy ho ela dia hanadio ny tany izy ka hanafoana ny vokatry ny fikomiana tany Edena. Hanjaka arivo taona izy aorian’izay. Hotahiny ireo olona mino fa izy no Taranaka nampanantenaina sy Mesia, izay “manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.”—Jaona 1:29; Apokalypsy 21:3, 4.

Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-midinika aminao ireo porofo manamarina izany, sy izay hataon’ny Fanjakan’ny Mesia ho anao sy ireo havan-tianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Mba hahitana fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa, dia jereo ny boky hoe Diniho ny Faminanian’i Daniela!, pejy 186-191, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. 

^ feh. 27 Mba hahitana fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa, dia jereo ny boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, toko faha-10 sy 11, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Kisary/Sary, pejy 6, 7]

455 T.K., 29 C.E., 1914, Tsy ho ela ny Mesia dia

‘nivoaka ny didy tonga nomena seza hanafoana ny

hanavaozana . . . ny Mesia fiandrianana tany faharatsiana

an’i Jerosalema’ an-danitra ny Mesia ary hanova ny tany

ho paradisa

483 taona

(69 herinandron-taona)

​—Daniela 9:25