Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanangonana ny Zavatra any An-danitra sy ny eto An-tany

Fanangonana ny Zavatra any An-danitra sy ny eto An-tany

Fanangonana ny Zavatra any An-danitra sy ny eto An-tany

‘Mahafinaritra azy ny hanangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.’—EFESIANINA 1:9, 10.

1. Inona no fikasan’i Jehovah momba ny lanitra sy ny tany?

FIADANANA ERAN’IZAO REHETRA IZAO! Izany no fikasana faran’izay tsara ananan’i Jehovah, “ilay Andriamanitry ny fiadanana.” (Hebreo 13:20) Nasainy nanoratra ny apostoly Paoly fa ny fikasany, na “izay mahafinaritra azy”, dia ny ‘hanangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.’ (Efesianina 1:9, 10) Inona marina moa no hevitr’ilay matoanteny nadika hoe “fanangonana indray”, ao amin’io andininy io? Hoy i J. Lightfoot, manam-pahaizana momba ny Baiboly: “Milaza firaisan-tsaina eran’izao rehetra izao io teny io. Hifantoka amin’i Kristy sy ho tafaray aminy ny zavaboary rehetra. Tsy hisy zavaboary tsy hifanaraka na tsy hifankahazo amin’ny hafa. Tsy hisy intsony koa ny ota, fahafatesana, alahelo, fahadisoam-panantenana, ary fijaliana.”

“Zavatra any an-danitra”

2. Iza ireo “zavatra any an-danitra” mila angonina?

2 Nofintinin’ny apostoly Petera tamin’izao teny izao ilay fanantenana faran’izay tsara ananan’ny tena Kristianina: “Misy ... lanitra vaovao sy tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana, ary izany no andrasantsika, araka ny fampanantenany.” (2 Petera 3:13) Fitondram-panjakana vaovao, dia ny Fanjakan’ny Mesia, no antsoina hoe “lanitra vaovao.” Mila angonina “ao amin’i Kristy” ireo “zavatra any an-danitra” noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesianina. Tsy iza izany fa ireo olom-bitsy voafidy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (1 Petera 1:3, 4) “Novidina avy teto an-tany” sy “avy teo amin’ny olombelona” ireo Kristianina voahosotra 144 000 ireo, mba ho mpiray lova amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra.—Apokalypsy 5:9, 10; 14:3, 4; 2 Korintianina 1:21; Efesianina 1:11; 3:6.

3. Nahoana ireo voahosotra no azo lazaina fa efa ‘napetraka teo amin’ny toerany any an-danitra’, na dia mbola eto an-tany aza?

3 Ateraka indray, na ateraky ny fanahy masina ny Kristianina voahosotra, ka lasa zanaka ara-panahin’i Jehovah. (Jaona 1:12, 13; 3:5-7) Lasa rahalahin’i Jesosy izy ireo, rehefa atsangan’i Jehovah ho “zanany.” (Romanina 8:15; Efesianina 1:5) Noho izany, na dia mbola eto an-tany aza izy ireo, dia azo lazaina fa efa ‘niara-natsangana sy niara-napetraka teo amin’ny toerana tanany any an-danitra [ary] tafaray amin’i Kristy Jesosy.’ (Efesianina 1:3; 2:6) Mitana io toerana ambony io izy ireo, satria efa ‘nasiana tombo-kasen’ny fanahy masina nampanantenaina, [izay] antoka mialoha ny amin’ny lovany’ any an-danitra. (Efesianina 1:13, 14; Kolosianina 1:5) Izy ireo àry no antsoina hoe “zavatra any an-danitra”, izay mila angonina mandra-pahafenon’ilay isa noferan’i Jehovah mialoha.

Nanomboka ny fanangonana

4. Oviana no nanomboka ny fanangonana ny “zavatra any an-danitra”, ary tamin’ny fomba ahoana?

4 Araka ny fomba itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra, na ny “fitantanan-draharaha”, dia tokony hanomboka ny fanangonana ireo ‘zavatra any an-danitra, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro.’ (Efesianina 1:10) Tamin’ny Pentekosta taona 33 no tonga io fotoana io. Nilatsahan’ny fanahy masina ireo apostoly sy ny mpianatra maromaro lahy sy vavy, tamin’io andro io. (Asan’ny Apostoly 1:13-15; 2:1-4) Noporofoin’izany fa nanomboka nanan-kery ny fifanekena vaovao, ary niforona ny fiangonana kristianina sy ilay firenena vaovao, dia ny Israely ara-panahy na “ny Israelin’Andriamanitra.”—Galatianina 6:16; Hebreo 9:15; 12:23, 24.

5. Nahoana i Jehovah no namorona “firenena” vaovao ho solon’ny Israely ara-nofo?

5 Natao tamin’ny Israely ara-nofo ny fifaneken’ny Lalàna, nefa tsy nahatonga azy ireo ho ‘fanjakà-mpisorona sy firenena masina’, izay hanompo mandrakizay any an-danitra, izany. (Eksodosy 19:5, 6) Hoy i Jesosy tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy: “Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka izay firenena mamokatra ny voan’ilay fanjakana no homena azy.” (Matio 21:43) Ireo Kristianina voahosotra nampidirina tao amin’ilay fifanekena vaovao no anisan’io firenena na Israely ara-panahy io. Nanoratra tamin’izy ireo ny apostoly Petera hoe: “Ianareo ... dia ‘firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana, mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay’ niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga. Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.” (1 Petera 2:9, 10) Tsy ny Israely ara-nofo intsony no vahoaka nanaovan’i Jehovah fifanekena. (Hebreo 8:7-13) Nesorina tamin’izy ireo ny tombontsoa ho anisan’ny Fanjakan’ny Mesia, araka ny efa nolazain’i Jesosy, ka nomena ny Israely ara-panahy izay miisa 144 000.—Apokalypsy 7:4-8.

Nanaovana fifanekena ny amin’ilay Fanjakana

6, 7. Inona no fifanekena manokana nataon’i Jesosy tamin’ny rahalahiny nateraky ny fanahy, ary inona no vokatr’izany eo amin’izy ireo?

6 Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny nahatoky, tamin’ilay alina nanaovany ny Fahatsiarovana voalohany: “Ianareo no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy. Koa manao fifanekena aminareo aho, toy ny nanaovan’ny Raiko fifanekena tamiko, ho amin’ny fanjakana, mba hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ao amin’ny fanjakako ianareo, ka hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana hitsara ny foko roa ambin’ny folon’ny Israely.” (Lioka 22:28-30) Teo i Jesosy dia niresaka momba ny fifanekena manokana iray nataony tamin’ireo rahalahiny 144 000 nateraky ny fanahy, izay “hahatoky hatramin’ny fahafatesana” sy hivoaka ho ‘mpandresy.’—Apokalypsy 2:10; 3:21.

7 Afoin’ireo olom-bitsy ireo tanteraka ny fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany amin’ny maha olombelona nofo aman-dra. Hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra kosa izy ireo, ary hipetraka eo ambony seza fiandrianana mba hitsara ny olombelona. (Apokalypsy 20:4, 6) Andeha isika hijery andinin-teny hafa izay mihatra amin’ireo voahosotra ireo ihany. Ho hitantsika amin’izany ny antony tsy ihinanan’ny “ondry hafa” amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana.—Jaona 10:16.

8. Inona no asehon’ny voahosotra, rehefa mihinana amin’ny mofo izy ireo? (Jereo ny efajoro, pejy 23.)

8 Miara-mijaly amin’i Kristy ireo voahosotra, ary manaiky ho faty toy ny nahafatesany. Anisan’ny voahosotra i Paoly, ary vonona hamoy ny zava-drehetra izy mba ‘hahazoany an’i Kristy. Amin’izay dia ho fantany [i Kristy] sy ny herin’ny fitsanganany amin’ny maty, ary ny fiaraha-mijaly aminy.’ Vonona “ho faty toy ny nahafatesany” tokoa i Paoly. (Filipianina 3:8, 10) Maro ny voahosotra nampijalina ho faty toa an’i Jesosy tamin’izy ireo mbola velona teto an-tany.—2 Korintianina 4:10.

9. Inona ilay vatana mifanitsy amin’ny mofon’ny Fahatsiarovana?

9 Nilaza toy izao i Jesosy, rehefa nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany: “Ity no vatako.” (Marka 14:22) Ilay vatany izay hokapohina sy hihoson-dra taoriana kelin’izay no tiany horesahina eo. Mifanitsy tsara amin’io vatany io ny mofo tsy misy lalivay. Nahoana? Satria mety hidika hoe ota na faharatsiana ny hoe lalivay, ao amin’ny Baiboly. (Matio 16:4, 11, 12; 1 Korintianina 5:6-8) Lavorary anefa i Jesosy, ary tsy nisy ota ny vatany. Natolony ho sorona fampihavanana io vatany lavorary io tatỳ aoriana, mba hanaronana fahotana. (Hebreo 7:26; 1 Jaona 2:2) Mitondra soa ho an’ny Kristianina mahatoky rehetra izany, na manantena ny ho any an-danitra izy, na ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Jaona 6:51.

10. Nahoana ireo misotro amin’ny divain’ny Fahatsiarovana no lazaina fa ‘mandray soa amin’ny ran’i Kristy?’

10 Niresaka momba ny divay sotroin’ny Kristianina voahosotra mandritra ny Fahatsiarovana, i Paoly. Hoy izy: “Ny kaopin’ny fisaorana isaorantsika, tsy fandraisan-tsoa amin’ny ran’i Kristy koa ve izany?” (1 Korintianina 10:16) Nahoana ireo misotro amin’ny divay no lazaina fa ‘mandray soa amin’ny ran’i Kristy’? Mazava ho azy fa tsy nandray anjara tamin’ny fanomezana sorom-panavotana izy ireo, satria na izy ireo aza nila navotana. Kanefa noho izy ireo mino fa afaka manavotra ny ran’i Kristy, dia voavela ny helony, ary ambara fa marina izy ireo ka ho afaka hiaina any an-danitra. (Romanina 5:8, 9; Titosy 3:4-7) Noho ny ra nalatsak’i Kristy, ireo 144 000 mpiray lova aminy dia ‘hamasinina’, izany hoe atokana, ary diovina na afahana amin’ny ota mba ho ‘olo-masina.’ (Hebreo 10:29; Daniela 7:18, 27; Efesianina 2:19) Ny ra nalatsak’i Kristy tokoa no ‘nividianany ho an’Andriamanitra, olona avy tamin’ny foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra. Ary nataony fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika ireo, ka ho mpanjaka hitondra ny tany.’—Apokalypsy 5:9, 10.

11. Midika ho inona ny fisotroana amin’ny divain’ny Fahatsiarovana?

11 Natolotr’i Jesosy an’ireo apostoliny nahatoky ny kaopy nisy ny divay, tamin’izy nanao ny Fahatsiarovana voalohany. Hoy izy: “Misotroa amin’ity ianareo rehetra. Fa ity no rako, dia ‘ny ran’ny fifanekena’ izay halatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Matio 26:27, 28) Nampanan-kery ny fifaneken’ny Lalàna nataon’Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Israely ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy. Toy izany koa ny ran’i Jesosy, izay nampanan-kery ny fifanekena vaovao nataon’i Jehovah tamin’ny Israely ara-panahy, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33. (Eksodosy 24:5-8; Lioka 22:20; Hebreo 9:14, 15) Rehefa misotro amin’ny divay izay mifanitsy amin’ny “ran’ny fifanekena” ny voahosotra, dia midika izany fa tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao izy ireo ary mandray soa avy amin’izany.

12. Ahoana no anaovana batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy an’ireo voahosotra?

12 Misy lafin-javatra hafa koa ampahatsiahivina ny voahosotra. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany nahatoky: “Hisotro ny kapoaka mangidy izay efa sotroiko ianareo, ary hatao batisa amin’ny batisa izay efa anaovana batisa ahy.” (Marka 10:38, 39) Nilaza ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, fa misy Kristianina ‘atao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy.’ (Romanina 6:3) Maneho fahafoizan-tena ireo voahosotra eo amin’ny fiainany manontolo. Azo lazaina koa fa manao sorona ny ainy izy ireo rehefa maty, satria afoiny tanteraka ny fanantenana hiaina mandrakizay eto an-tany. Vita tanteraka ilay batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy, rehefa maty mahatoky ireo voahosotra ireo, ary atsangana sy omena vatana ara-panahy, mba ho “mpanjaka hiara-mitondra” amin’i Kristy any an-danitra.—2 Timoty 2:10-12; Romanina 6:5; 1 Korintianina 15:42-44, 50.

Mihinana amin’ny mofo sy divay

13. Nahoana ireo manantena ny hiaina eto an-tany no tsy mihinana amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana? Nahoana anefa izy ireo no manatrika ny Fahatsiarovana?

13 Izany rehetra izany no tafiditra amin’ny hoe mihinana amin’ny mofo sy divay mandritra ny Fahatsiarovana. Tsy tokony hihinana amin’izany àry ireo manantena ny hiaina eto an-tany. Fantany fa tsy voahosotra anisan’ny vatan’i Kristy izy ireo, sady tsy tafiditra ao amin’ny fifanekena vaovao nataon’i Jehovah tamin’ireo hiara-manjaka amin’i Jesosy Kristy. Koa satria mifanitsy amin’ny fifanekena vaovao ny “kaopy”, dia ireo tafiditra ao amin’io fifanekena io ihany no mihinana amin’ny mofo sy divay. Sady tsy atao batisa ho amin’ny fahafatesan’i Kristy, no tsy antsoina hiara-manjaka aminy any an-danitra, ireo olona manantena ny ho lavorary sy hiaina mandrakizay eto an-tany, eo ambany fitondran’ilay Fanjakana. Manao zavatra tsy araka ny tokony ho izy izy ireo, raha mihinana amin’ny mofo sy divay. Tsy mihinana amin’izany àry izy ireo, fa manatrika amim-panajana ny Fahatsiarovana. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah izy ireo noho ny zavatra nataony ho azy ireo tamin’ny alalan’ny Zanany, anisan’izany ny famelan-keloka miorina amin’ny ra nalatsak’i Kristy.

14. Nahoana no azo lazaina fa manatanjaka ny finoan’ny voahosotra ny fihinanana amin’ny mofo sy divay?

14 Ho vita tsy ho ela ny fanisiana tombo-kase farany an’ireo Kristianina vitsivitsy hantsoina hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Manatanjaka ny finoan’izy ireo ny fihinanana amin’ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana, mandra-pahatapitry ny fiainany eto an-tany, izay mitaky fahafoizan-tena. Mahatsiaro ho tafaray amin’ireo rahalahiny sy anabaviny anisan’ny vatan’i Kristy izy ireo. Ny fihinanany amin’ny mofo sy divay koa no mampahatsiahy azy ireo, fa mila mahatoky hatramin’ny fahafatesana izy ireo.—2 Petera 1:10, 11.

Fanangonana ‘ny zavatra eto an-tany’

15. Iza no angonina mba hanohana ireo Kristianina voahosotra?

15 Mitombo isa hatrany ireo “ondry hafa” manohana an’ireo voahosotra, nanomboka teo antenatenan’ireo taona 1930. Tsy anisan’ny “ondry vitsy” izy ireo, fa manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. (Jaona 10:16; Lioka 12:32; Zakaria 8:23) Lasa naman’ireo rahalahin’i Kristy sy tsy mivadika aminy izy ireo, ary manome fanampiana sarobidy mba hanaovana ny asa fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. (Matio 24:14; 25:40) Noho izany, dia sokajin’i Kristy ho anisan’ny ‘ondriny’ izy ireo, ary apetrany eo “ankavanany”, izany hoe mahazo sitraka aminy rehefa tonga hitsara ny firenena rehetra izy. (Matio 25:33-36, 46) Izy ireo no atao hoe “vahoaka be”, izay ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe”, noho ny finoany ny ran’i Kristy.—Apokalypsy 7:9-14.

16. Iza avy no ho anisan’ny ‘zavatra eto an-tany’, ary inona no tokony hataony mba ho lasa “zanak’Andriamanitra”?

16 Hovotsorana ny “rivotra” fandringanana ny tontolo ratsin’i Satana eto an-tany, rehefa vita ny fanisiana tombo-kase farany an’ireo 144 000. (Apokalypsy 7:1-4) Hisy olona tsy hita isa hatsangana amin’ny maty, ka hanatevin-daharana ny vahoaka be, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona entin’i Kristy sy ireo mpanjaka sady mpisorona hiara-miasa aminy. (Apokalypsy 20:12, 13) Afaka ny ho tonga vahoakan’ny Fanjakan’ny Mesia mandrakizay eto an-tany, izy ireo. Hiharan’ny fitsapana farany ireo ‘zavatra eto an-tany’ rehetra ireo, rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona. Hatsangan’Andriamanitra ho ‘zanany’ eto an-tany izy ireo, raha tsy mivadika.—Efesianina 1:10; Romanina 8:21; Apokalypsy 20:7, 8.

17. Ahoana no hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah?

17 Araka izany, noho ilay “fitantanan-draharaha” na fomba feno fahendrena itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra, dia ho tanteraka ny fikasany, izany hoe ho ‘voangona indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra, na ny eto an-tany.’ Hisy fiadanana eran’izao rehetra izao, sady ho tafaray ny zavaboary manan-tsaina rehetra, na ny any an-danitra na ny eto an-tany. Heken’izy ireo amim-pifaliana ny fitondrana ara-drarin’i Jehovah, ilay Mpanatanteraka Fikasana.

18. Inona no soa horaisin’ny voahosotra sy ireo namany, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana?

18 Tena hanatanjaka ny finoan’ireo voahosotra vitsivitsy sy ny ondry hafa an-tapitrisa namany tokoa, ny fivoriana hataon’izy ireo amin’ny 12 Aprily 2006! Hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izy ireo, araka ilay baikon’i Jesosy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Tokony hotsarovan’ny mpanatrika rehetra ny zavatra nataon’i Jehovah ho azy ireo, tamin’ny alalan’i Kristy Jesosy, Zanany malala.

Famerenana

• Inona no fikasan’i Jehovah momba ny zavatra any an-danitra sy ny eto an-tany?

• Iza ireo “zavatra any an-danitra”, ary ahoana no anangonana azy ireo?

• Iza ireo ‘zavatra eto an-tany’, ary inona no azon’izy ireo antenaina amin’ny hoavy?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 23]

“Ny Vatan’i Kristy”

Misy heviny manokana ilay ‘vatana’ ao amin’ny 1 Korintianina 10:16, 17, izay noresahin’i Paoly rehefa nanazava ny dikan’ilay mofo tamin’ireo voahosotra izy. Hoy izy: “Ny mofo tapahintsika, tsy fandraisan-tsoa amin’ny vatan’i Kristy koa ve izany? Koa satria tsy misy afa-tsy mofo iray monja, dia vatana iray isika, na maro aza, fa samy mihinana amin’izany mofo iray izany isika rehetra.” Rehefa mihinana amin’ny mofon’ny Fahatsiarovana ny Kristianina voahosotra, dia mampiseho fa tafaray izy rehetra, izay toy ny vatana iray ary i Kristy no Lohany.—Matio 23:10; 1 Korintianina 12:12, 13, 18.

[Sary, pejy 23]

Nahoana no tsy misy mihinana amin’ny mofo sy divay afa-tsy ny voahosotra?

[Sary, pejy 25]

Ho tafaray ny zavaboary rehetra any an-danitra sy eto an-tany, noho ny fomba itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra