Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona ireo zavatra telo mety hampidi-doza antsika, araka ny fampitandreman’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:22?

Nampitandrina ny mpanara-dia azy toy izao i Jesosy, tao amin’ny Toriteniny teo An-tendrombohitra: “Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny, dia hampamoahina eo anatrehan’ny fitsarana. Ary na iza na iza manamavo ny rahalahiny rehefa miteny aminy, dia hampamoahina eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony. Fa na iza na iza kosa milaza hoe: ‘Ilay adala tsisy fotony ity!’, dia mendrika ho any amin’ny Gehena mirehitra.”—Matio 5:22.

Fantatry ny Jiosy tsara ny atao hoe fitsarana sy Fitsarana Tampony ary Gehena mirehitra. Niresaka momba an’ireo i Jesosy, mba hampisehoana fa arakaraka ny fahotana vitan’ny olona ny hamafin’ny sazy ampiharina aminy.

Voalohany, nilaza i Jesosy fa hampamoahina eo anatrehan’ny “fitsarana”, izany hoe ny fitsarana teo an-toerana, ny olona mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahiny. Araka ny lovantsofina, dia nasiana an’io fitsarana io izay tanàna nisy lehilahy lehibe 120 na maherin’izany. (Matio 10:17; Marka 13:9) Nanana fahefana hamoaka didim-pitsarana ny mpitsara tao amin’izy io, na dia tamin’ny raharaha nahakasika famonoana olona aza. (Deoteronomia 16:18; 19:12; 21:1, 2) Tian’i Jesosy holazaina àry, fa manao fahotana lehibe ny olona mitahiry fahatezerana.

Faharoa, nilaza izy fa “na iza na iza manamavo ny rahalahiny rehefa miteny aminy, dia hampamoahina eo anatrehan’ny Fitsarana Tampony.” Avy amin’ny teny grika hoe rha·kaʹ ilay hoe ‘teny manamavo’, ary midika hoe “tsy misy na inona na inona” na “tsy misy saina.” “Teny manivaiva fampiasan’ny Jiosy tamin’ny andron’i Kristy” izy io, hoy ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy nataon’i Thayer. Nampitandrina àry i Jesosy fa tena ratsy ny manao teny manambany na manamavo, noho ny fankahalana. Toa te hilaza izy fa tsy ny fitsarana teo an-toerana no hitsara ny olona manao an’izany, fa ny Fitsarana Tampony mihitsy, izany hoe ny Fitsarana Avo tany Jerosalema. Nahitana mpisoronabe iray, ary anti-panahy sy mpanora-dalàna 70 tao amin’izy io.—Marka 15:1.

Farany, nohazavain’i Jesosy fa mendrika ho any amin’ny Gehena mirehitra izay olona sahy miteny amin’ny hafa hoe: “Ilay adala tsisy fotony ity!” Avy amin’ny teny hebreo hoe geh hin·nomʹ ny hoe “Gehena”, ary “lohasahan’i Hinoma” no dikany. Tany andrefan’i Jerosalema fahiny no nisy azy io, ary nipaka hatrany atsimony. Toerana fandoroam-pako ilay lohasaha tamin’izany, ary nodorana tao koa ny fatin’ny mpanao heloka bevava raindahiny, izay noheverina fa tsy mendrika ny hanaovana fandevenana mihaja. Mety tsara àry raha “Gehena” no ilazana ny fandringanana tanteraka.

Inona kosa no hevitr’ilay hoe “adala tsisy fotony”? Mitovy amin’ny teny hebreo midika hoe “mpikomy” ilay teny nampiasaina teo. Milaza olona ho ratsy fitondran-tena, mpivadi-pinoana, ary mpikomy amin’Andriamanitra izy io. Izay miantso olona hoe “adala tsisy fotony” àry, dia toy ny milaza fa tokony hampiharana sazy sahaza ny mpikomy amin’Andriamanitra ilay olona, izany hoe fandringanana mandrakizay. Teo anatrehan’Andriamanitra anefa, dia izay niampanga ny namany toy izany no mety ho niharan’io sazy henjana io.—Deoteronomia 19:17-19.

Hita avy amin’izany fa nomen’i Jesosy fitsipika ambony kokoa noho ny tao amin’ny Lalàn’i Mosesy ireo mpanara-dia azy. Nihevitra ny olona tamin’izany, fa tokony “hampamoahina eo anatrehan’ny fitsarana” ny mpamono olona. Lalina kokoa noho izany anefa ny fitsipika nomen’i Jesosy. Nampianatra ny mpanara-dia azy izy, fa tsy mety na dia ny mitahiry lolompo amin’ny rahalahy aza.—Matio 5:21, 22.