Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitantanan-draharaha mba Hanatanterahana ny Fikasan’Andriamanitra

Fitantanan-draharaha mba Hanatanterahana ny Fikasan’Andriamanitra

Fitantanan-draharaha mba Hanatanterahana ny Fikasan’Andriamanitra

“Mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony [Andriamanitra].”—EFESIANINA 1:11.

1. Inona no antony hivorian’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, amin’ny 12 Aprily 2006?

HANKALAZA ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny olona 16 tapitrisa eo ho eo, ny harivan’ny alarobia 12 Aprily 2006. Hisy mofo tsy misy lalivay sy divay mena eo ambony latabatra, any amin’ny toerana tsirairay hanaovana izany. Mifanitsy amin’ny vatan’i Kristy ny mofo, ary mifanitsy amin’ny ra nalatsany ny divay. Hisy koa lahateny hanazavana ny dikan’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Rehefa akaiky hifarana izy io, dia hampandalovina eny amin’ny mpanatrika rehetra ny mofo, ary avy eo ny divay. Hisy mpanatrika iray na mihoatra hihinana sy hisotro amin’izany, any amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy. Tsy hisy hanao izany kosa any amin’ny ankamaroan’ny fiangonana. Nahoana no Kristianina vitsy monja no mihinana amin’ny mofo sy divay, izany hoe ireo manantena hiaina any an-danitra ihany, fa tsy mihinana kosa ny ankamaroany, dia ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany?

2, 3. a) Inona avy no noforonin’i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany? b) Nahoana i Jehovah no namorona ny tany sy ny olombelona?

2 Andriamanitra manam-pikasana i Jehovah. “Mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony” izy, mba hahatanteraka ny fikasany. (Efesianina 1:11) Namorona ny Zanany lahitokana aloha izy. (Jaona 1:1, 14; Apokalypsy 3:14) Nampiasa an’io Zanany io izy tatỳ aoriana, rehefa namorona ny anjely sy izao rehetra izao, anisan’izany ny tany sy ny olombelona.—Joba 38:4, 7; Salamo 103:19-21; Jaona 1:2, 3; Kolosianina 1:15, 16.

3 Tsy nanao ny tany ho toeram-pitsapana i Jehovah, mba hahitany hoe iza no mendrika hiaraka amin’ireo zanany any an-danitra, na dia izany aza no ampianarin’ny fivavahana maro ao amin’ny Kristianisma Anarana. Nanana fikasana voafaritra tsara kosa izy, rehefa namorona ny tany. “Nataony honenana” izy io. (Isaia 45:18) Ny tany noforoniny ho an’ny olona, ary ny olona ho an’ny tany. (Salamo 115:16) Nokasainy hatao paradisa ny tany manontolo, ka ho feno olo-marina hamboly sy hikarakara azy io. Tsy nampanantena an’ireo mpivady voalohany mihitsy Andriamanitra hoe mbola hiaina any an-danitra izy ireo.—Genesisy 1:26-28; 2:7, 8, 15.

Nisy nanohitra ny fikasan’i Jehovah

4. Ahoana no nanakianana ny fomba fitondran’i Jehovah, raha vao nanomboka ny tantaran’olombelona?

4 Nikomy ny anjely iray ary nanararaotra ny fahafahana nomena azy, ka nanao izay tsy hahatanteraka ny fikasan’i Jehovah. Nanelingelina ny fiadanan’ireo tia an’i Jehovah sy ireo nanaiky hofeheziny, izy. Nampirisihiny tsy hiantehitra tamin’Andriamanitra, ireo mpivady voalohany. (Genesisy 3:1-6) Tsy te hilaza akory i Satana hoe tsy manan-kery i Jehovah. Tiany haseho kosa fa tsy mahay mitondra izy, ka tsy manana zo ho mpitondra. Vao nanomboka àry ny tantaran’olombelona, dia efa niadian-kevitra teto an-tany hoe iza no manana zo ho mpanjakan’izao rehetra izao.

5. Inona ilay adihevitra faharoa nipoitra, ary iza avy no voakasik’izany?

5 Momba ny zon’i Jehovah ho mpanjakan’izao rehetra izao, ny adihevitra voalohany napoitran’i Satana. Nampipoitra adihevitra faharoa indray anefa izy tamin’ny andron’i Joba. Nifandray tamin’ilay voalohany ihany izy io. Nilaza i Satana fa antony ratsy no mahatonga ny zavaboarin’i Jehovah hankatò sy hanompo azy. Nolazainy fa fitiavan-tena fotsiny no anaovan’izy ireo izany, ary hivadika aminy izy ireo raha hiharam-pitsapana. (Joba 1:7-11; 2:4, 5) Olona nanompo an’i Jehovah no tena nokianin’i Satana teo. Voakasik’izany koa anefa ireo anjelin’Andriamanitra, eny fa na dia ny Zanany lahitokana aza.

6. Inona no nataon’i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany sy hanaovana zavatra mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany?

6 Tonga Mpaminany sy Mpamonjy i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany sy hanaovana zavatra mifanaraka amin’ny dikan’ny anarany. * Hoy izy tamin’i Satana: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra io “vehivavy” oharina amin’ny vadiny io. Hampiasa ny Taranak’izy io i Jehovah, mba hanaporofoana fa diso ny fiampangan’i Satana. Hampiasa azy io koa izy mba hahafahan’ny taranak’i Adama hanantena famonjena sy hahazo ny fiainana.—Romanina 5:21; Galatianina 4:26, 31.

“Zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony”

7. Inona no fikasan’i Jehovah nampahafantariny tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly?

7 Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Efesosy ny apostoly Paoly, dia nanazava tsara ny fomba itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra, mba hahatanteraka ny fikasany. Hoy izy: ‘Nampahafantariny antsika ny zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony. Izany zava-miafina izany dia araka izay mahafinaritra azy. Koa izany no nahatonga azy hikasa hanangana fitantanan-draharaha, rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny eto an-tany.’ (Efesianina 1:9, 10) Faran’izay tsara ny fikasan’i Jehovah, dia ny hampiray ireo zavaboary rehetra tia azy, ka manaiky hofeheziny. (Apokalypsy 4:11) Hohamasinina ny anarany amin’izay, ho voaporofo fa mpandainga i Satana, ary ‘hatao etỳ an-tany ny sitrapony, tahaka ny any an-danitra.’—Matio 6:10.

8. Inona no dikan’ilay teny hoe “fitantanan-draharaha”?

8 Hanatanteraka izay “mahafinaritra” azy, na ny fikasany, i Jehovah amin’ny alalan’ny “fitantanan-draharaha.” Midika ara-bakiteny hoe “fitantanana tokantrano” io teny nampiasain’i Paoly io. Tsy fitondram-panjakana toy ny Fanjakan’ny Mesia no tiana holazaina amin’izany, fa ny fomba mahatalanjona itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra, mba hahatanteraka ny fikasany. * Tafiditra amin’izany ny “zava-miafina masina” iray, izay nohazavaina tsikelikely.—Efesianina 1:10; 3:9.

9. Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah miandalana ny zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony?

9 Nanao fifanekena maromaro i Jehovah, mba hampahafantarana miandalana ny fomba hahatanterahan’ny fikasany, izay mifandray amin’ilay Taranaka nampanantenaina tany Edena. Nolazainy tao amin’ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama, fa ho avy amin’ny taranak’i Abrahama ilay Taranaka, ary amin’ny alalan’izy io no hitahiana ny “firenena rehetra ambonin’ny tany.” Nasehon’io fifanekena io koa, fa hisy olon-kafa hiara-miasa amin’ilay taranaka voalohany. (Genesisy 22:17, 18) Nolazain’i Jehovah tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna nataony tamin’ny Israely indray, fa hanangana “fanjakà-mpisorona” izy. (Eksodosy 19:5, 6) Ary nambarany tao amin’ny fifanekena nataony tamin’i Davida, fa ho Filohan’ny Fanjakana iray haharitra mandrakizay, ilay Taranaka. (2 Samoela 7:12, 13; Salamo 89:3, 4) Nampiharihary lafin-javatra hafa momba ny fahatanterahan’ny fikasany i Jehovah, rehefa avy nitarika ny Jiosy ho amin’ny Mesia ny fifaneken’ny Lalàna. (Galatianina 3:19, 24) Ireo olona hiara-miasa amin’ilay taranaka voalohany no ho ao amin’ilay “fanjakà-mpisorona” efa voalaza mialoha. Nanao “fifanekena vaovao” tamin’izy ireo i Jehovah, ka lasa “Israely” vaovao na ara-panahy izy ireo.—Jeremia 31:31-34; Hebreo 8:7-9. *

10, 11. a) Ahoana no nampahafantaran’i Jehovah an’ilay Taranaka nampanantenaina? b) Nahoana ny Zanaka lahitokan’Andriamanitra no tonga tetỳ an-tany?

10 Tonga ny fotoana nahatongavan’ilay Taranaka nampanantenaina tetỳ an-tany. Mifanaraka amin’ny fomba itantanan’Andriamanitra ny zava-drehetra izany, mba hahatanteraka ny fikasany. Naniraka ny anjely Gabriela i Jehovah, mba hilaza tamin’i Maria fa hiteraka zazalahy hatao hoe Jesosy izy. Hoy ilay anjely taminy: “Ho lehibe izy ka hantsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra, ary i Jehovah Andriamanitra hanome azy ny seza fiandrianan’i Davida rainy. Ary ho mpanjaka eo amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy, ary tsy hifarana mihitsy ny fanjakany.” (Lioka 1:32, 33) Nazava tamin’izay hoe iza ilay Taranaka nampanantenaina.—Galatianina 3:16; 4:4.

11 Tonga tetỳ an-tany ny Zanaka lahitokan’i Jehovah, mba hiharam-pitsapana mandra-pahafatiny. I Jesosy no ho afaka hanaporofo tanteraka, fa diso ny fiampangan’i Satana. Tsy hivadika amin-dRainy ve izy? Nifandray tamin’ny zava-miafina iray izany. Hoy ny apostoly Paoly tatỳ aoriana, mba hanazavana ny anjara asan’i Jesosy: “Lehibe ... ny zava-miafina masina momba ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra: ‘Nofo izy rehefa naseho, fa fanahy kosa izy rehefa nambara ho marina, niseho tamin’ny anjely izy, notorina teo amin’ny hafa firenena, ninoana tetỳ amin’izao tontolo izao, ary nakarina tamim-boninahitra.’ ” (1 Timoty 3:16) Tsy nivadika mandra-pahafatiny tokoa i Jesosy, ka nanaporofo tanteraka fa diso ny fiampangan’i Satana. Mbola tsy fantatra anefa ny tsipiriany sasany momba ilay zava-miafina masina.

“Zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra”

12, 13. a) Inona no lafiny iray tamin’ilay “zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra”? b) Inona no tsy maintsy ataon’i Jehovah, mba hahafahan’ireo 144 000 hiaina any an-danitra?

12 Rehefa nitory tany Galilia i Jesosy, dia nilaza fa mifandray akaiky amin’ny Fanjakan’ny Mesia, ilay zava-miafina masina. Hoy izy tamin’ny mpianany: “Ianareo no navela hahazo ny hevitry ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’ny lanitra [“fanjakan’Andriamanitra”, Marka 4:11].” (Matio 13:11) Lafiny iray amin’io zava-miafina io ny fifidianan’i Jehovah “ondry vitsy”, izany hoe olona 144 000 mba hiara-manjaka amin’ny Zanany any an-danitra. Anisan’ilay taranaka izy ireo.—Lioka 12:32; Apokalypsy 14:1, 4.

13 Koa satria noforonina hiaina eto an-tany ny olombelona, dia tsy maintsy ovan’i Jehovah ho “zavaboary vaovao” ireo olona ireo, vao ho afaka hiaina any an-danitra. (2 Korintianina 5:17) Nanana tombontsoa manokana ny apostoly Petera, satria anisan’ireo voafidy ho any an-danitra. Hoy izy: “Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray ho amin’ny fanantenana velona isika, tamin’ny nananganana an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty, eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra. Voatahiry any an-danitra ho anareo io lova io.”—1 Petera 1:3, 4.

14. a) Ahoana no nahatonga an’ireo tsy Jiosy ho tafiditra amin’ilay “zava-miafina masina momba ny fanjakan’Andriamanitra”? b) Ahoana no nahafantarantsika an’ireny “zava-dalin’Andriamanitra” ireny?

14 Anisan’ny fikasan’Andriamanitra koa ny hifidy olona tsy Jiosy, mba ho anisan’ireo olom-bitsy hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. Lafiny hafa amin’ilay zava-miafina izany, sady anisan’ilay “fitantanan-draharaha” na fomba itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra mba hahatanteraka ny fikasany. Hoy i Paoly nanazava izany: “Tsy nampahafantarina ny zanak’olombelona tamin’ny taranaka tany aloha izy io, tahaka izao ampiharihariana azy amin’ny apostoliny masina sy ny mpaminaniny izao, amin’ny alalan’ny fanahy masina. Izy io dia hoe: Tokony ho mpiray lova sy ho vatana iray ireo hafa firenena, sady hiara-manana ilay fampanantenana amintsika, ary ho tafaray amin’i Kristy Jesosy, noho ny vaovao tsara.” (Efesianina 3:5, 6) Nampahafantarina ny ‘apostoly masina’ io lafiny iray amin’ny zava-miafina masina io. Tsy ho nazava tamintsika koa ireny “zava-dalin’Andriamanitra” ireny, raha tsy teo ny fanampian’ny fanahy masina.—1 Korintianina 2:10; 4:1; Kolosianina 1:26, 27.

15, 16. Nahoana i Jehovah no nifidy olombelona mba hiara-manjaka amin’i Kristy?

15 ‘Novidina avy teto an-tany sy avy teo amin’ny olombelona’ ireo “efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy”, izay niara-nitsangana tamin’ny “Zanak’ondry” teo amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra. “Ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry”, dia i Kristy Jesosy, izy ireo. (Apokalypsy 14:1-4) Anjely no nofidin’i Jehovah ho voalohany amin’ilay taranaka nampanantenaina tany Edena, dia i Kristy, zanany lahimatoa. Nahoana anefa no olombelona no nofidiny hiara-manjaka aminy? Nanazava ny apostoly Paoly fa “voantso araka ny fikasan[’i Jehovah]”, “araka izay mahafinaritra azy sy araka ny sitrapony”, ireo olom-bitsy ireo.—Romanina 8:17, 28-30; Efesianina 1:5, 11; 2 Timoty 1:9.

16 Ny fikasan’i Jehovah dia ny hanamasina ny anarany lehibe sy hanamarina ny zony ho mpanjakan’izao rehetra izao. Naneho fahendrena tsy manan-tsahala izy, tamin’ny fomba ‘nitantanany’ ny zava-drehetra mba hahatanteraka io fikasany io. Nirahiny ho etỳ an-tany ny Zanany lahimatoa, izay niharam-pitsapana mandra-pahafatiny. Nifidy olombelona koa izy mba ho anisan’ny Fanjakan’ny Mesia. Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra foana izy ireo mandra-pahafatiny.—Efesianina 1:8-12; Apokalypsy 2:10, 11.

17. Nahoana no mahafaly antsika ny mahafantatra, fa efa mba olombelona toa antsika ihany i Kristy sy ireo hiara-manjaka aminy?

17 Nampiseho fitiavana lalina ny taranak’i Adama i Jehovah, rehefa naniraka ny Zanany tetỳ an-tany sy nifidy olombelona mba hiara-manjaka aminy. Nahoana izany no hahasoa an’ireo olona tsy mivadika amin’i Jehovah, nanomboka tamin’i Abela? Nandova ota sy fahafatesana ny olombelona. Noho izany, dia mila sitranina eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana izy ireo, mba ho lasa lavorary araka ny fikasan’i Jehovah tany am-boalohany. (Romanina 5:12) Ho an’ireo manantena hiaina mandrakizay eto an-tany àry, dia tena mampahery ny mahafantatra fa haneho fitiavana sy ho tsara fanahy aminy ny Mpanjakany, toy ny nataony tamin’ny mpianany fony izy teto an-tany! (Matio 11:28, 29; Hebreo 2:17, 18; 4:15; 7:25, 26) Mampahery koa ny mahalala fa ireo mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy any an-danitra, dia lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana, izay efa niady mafy mba handresy ny fahalemeny, sady nisetra zava-tsarotra toy ny antsika ihany!—Romanina 7:21-25.

Tsy maintsy tanteraka ny fikasan’i Jehovah

18, 19. Nahoana ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 1:8-11 no mazava kokoa amintsika, ary inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Azontsika kokoa izao ny dikan’ilay tenin’i Paoly tamin’ireo Kristianina voahosotra, ao amin’ny Efesianina 1:8-11. Nilaza izy fa nampahafantarin’i Jehovah azy ireo ny “zava-miafina masina ny amin’ny sitrapony.” ‘Natao ho mpandova’ miaraka amin’i Kristy izy ireo, ary ‘notendrena mialoha araka ny fikasan’Andriamanitra, [izay] mampandeha ny fiasan’ny zava-drehetra araka izay kasain’ny sitrapony.’ Hitantsika fa izany dia mifanaraka amin’ilay “fitantanan-draharaha”, na fomba mahatalanjona itantanan’i Jehovah ny zava-drehetra mba hahatanteraka ny fikasany. Azontsika avy amin’izany koa hoe nahoana no Kristianina vitsy monja no mihinana amin’ny mofo sy divay mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo.

19 Hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no soa hoentin’io fankalazana io ho an’ireo Kristianina manantena ny ho any an-danitra. Ho hitantsika koa hoe nahoana ireo olona an-tapitrisany manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, no tokony hiezaka hahafantatra ny dikan’ny Fahatsiarovana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Ny anaran’Andriamanitra dia midika ara-bakiteny hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Afaka ny ho tonga izay rehetra ilaina i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany.—Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, pejy 197, fehintsoratra 1.

^ feh. 8 Hita tamin’ny tenin’i Paoly, fa efa nisy tamin’ny androny io “fitantanan-draharaha” io. Tamin’ny 1914 kosa anefa vao niorina ny Fanjakan’ny Mesia, araka ny asehon’ny Soratra Masina.

^ feh. 9 Manome tsipiriany momba an’ireo fifanekena mifandray amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1998, pejy 8-13, sy ny boky Manatòna An’i Jehovah, pejy 189-198.

Famerenana

• Nahoana i Jehovah no namorona ny tany sy nametraka ny olona teo aminy?

• Nahoana ny Zanaka lahitokan’i Jehovah no tsy maintsy niharam-pitsapana teto an-tany?

• Nahoana i Jehovah n

[Fanontaniana]

o nifidy olombelona mba hiara-manjaka amin’i Kristy?