Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Inona no Dikan’ilay Telozoro Volomparasy?”

“Inona no Dikan’ilay Telozoro Volomparasy?”

“Inona no Dikan’ilay Telozoro Volomparasy?”

NANORATRA toy izao ny mpiasam-panjakana iray miasa ao amin’ny minisiteran’ny fitsarana any Séoul (Repoblikan’i Korea): “Nahazo Tilikambo Fiambenana iray avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, andro vitsivitsy lasa izay. Nampahafantatra ahy zavatra sasany momba ny fanenjehana azy ireo nandritra ny fitondrana nazia sy kominista ilay izy. Manana fanontaniana iray anefa aho. Misy sarina Vavolombelon’i Jehovah ny fonon’ilay gazety, ary misy telozoro volomparasy mivadika eo amin’ny ilany havia amin’ny akanjon’izy ireo. Inona no dikan’ilay telozoro volomparasy?”

Tsy nety nanao ilay fiarahabana manokana arahina fitenenana hoe ‘Heil Hitler’ ny Vavolombelona, nandritra ny fitondrana nazia tany Alemaina. Tsy nanao politika sy raharaha miaramila koa izy ireo. Nanenjika azy ireo tamin-kalozana àry ny Nazia, ka 12 000 teo ho eo no nogadraina sy nalefa tany amin’ny toby fitanana, nandritra ny fe-potoana samy hafa. Efa ho 2 000 no maty, ka an-jatony tamin’izany no novonoina.

Inona kosa no dikan’ilay telozoro volomparasy? Hoy ny boky Rafi-pitondrana SS (anglisy): ‘Samy nanana ny marika namantarana azy ny sokajina gadra tany amin’ny toby. Talohan’ny ady no efa nampiasana an’izany. Nametahana tapa-damba miendrika telozoro ny fanamian’izy ireo, ka arakaraka ny sokajiny avy ny lokon’ilay izy. Mena ny an’ny gadra politika, volomparasy ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah, mainty ny an’ny mpikomy amin’ny fiaraha-monina, maitso ny an’ny mpanao heloka bevava, mavokely ny an’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, ary manga ny an’ny mpifindra monina. Nampiana telozoro mavo ny an’ny Jiosy, ary nozairina teo ambonin’ilay telozoro miloko izy io. Lasa miendrika kintana misy zorony enina ilay izy, ka nantsoina hoe Kintan’i Davida.’

Hoy ny Profesora John Roth tao amin’ny bokiny hoe Famonoana Tambabe Noho ny Antony Politika (anglisy): ‘Hisakana ny tsy hiverenan’ny loza amin’ny hoavy ilay telozoro volomparasy, raha maro no hahatadidy ny heviny. Misarika ny saintsika ho amin’ny fitondran-tena tsara mantsy izy io. Mampahatsiahy antsika koa izy io fa mendrika ny hohajaina fatratra ny olona mitondra tena toy izany, ary manana adidy hanahaka azy ireny isika.’ Ny Vavolombelona dia namoaka video mitondra ny lohateny hoe Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia (frantsay), ary nahazoany loka izy io. Afaka miresaka amin’izy ireo ianao raha te hijery azy io.