Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ilantsika ny Mesia?

Inona no Ilantsika ny Mesia?

Inona no Ilantsika ny Mesia?

METY hanontany tokoa ianao hoe: “Inona no ilantsika ny Mesia?” Ara-dalàna ny hanontanianao tena, raha hitondra fiovana azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainanao ny Mesia.

Hamafisin’ny olona hajaina sasany, fa tena mila ny Mesia isika, ary mila azy koa ny olon-kafa rehetra. Tsy misy iadian-kevitra ny amin’izany. Niresaka mikasika ny Mesia, ny manam-pahaizana iray momba ny lalàna jiosy, tamin’ny taonjato voalohany. Hoy izy: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan[’ny Mesia].” Nasongadiny araka izany fa manana anjara asa lehibe ny Mesia, eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’ilay Mpamorona hitahy ny firenena rehetra eto an-tany. (2 Korintianina 1:20) Izany no nahatonga ireo faminanian’ny Baiboly hifantoka tamin’ny fahatongavan’ny Mesia sy ny fiainany teto an-tany. Hoy i Henry Halley, ao amin’ny boky iray nampiasain’ny olona an-tapitrisany tato anatin’ny 70 taona farany: “Nosoratana ny Testamenta Taloha mba hanampoizan’ny olona ny Fahatongavan[’ny Mesia] sy hiomanany ho amin’izany.” Tena ilaina ve anefa ny fahatongavan’ny Mesia? Nahoana no tokony hahaliana anao izany?

Ny hoe “Mesia” dia midika hoe “Voahosotra”, na “Kristy”, araka ny ahafantaran’ny besinimaro azy. Miantso azy hoe “mpamonjy lehibe indrindra” ny Rakipahalalana Britannica, Fanontana 1970. Tena nilaina ny fahatongavan’ny Mesia satria nanota i Adama sy Eva, mpivady voalohany. Lavorary izy ireo rehefa noforonina, ary afaka ny ho velona mandrakizay tao amin’ny paradisa. Tsy tanteraka anefa izany. Nilaza mantsy ny anjely mpikomy iray, na i Satana Devoly, fa maneritery loatra ny fiainan’ny olombelona ilay Mpamorona. Ho tsara kokoa, hono, ny fiainan’izy mivady, raha izy ireo ihany no manapa-kevitra momba izay tsara sy ratsy.—Genesisy 3:1-5.

Voafitaka i Eva ka nino izany lainga izany. I Adama kosa nifidy ny hivadika tamin’Andriamanitra satria ny vadiny no toa tiany kokoa. Lasa mpiray tsikombakomba tamin’ny Devoly àry izy, ka nikomy. (Genesisy 3:6; 1 Timoty 2:14) Tsy afaka niaina mandrakizay tao amin’ny paradisa izy ireo, vokatr’izany. Tsy vitan’izay, fa nafindran’izy ireo tamin’ny taranany koa ny ota, sy ny vokany dia ny fahafatesana.—Romanina 5:12.

Nanao fandaharana avy hatrany i Jehovah Mpamorona antsika, mba hanafoanana ny voka-dratsin’ilay fikomiana. Naniry hihavana indray tamin’ny olombelona mantsy izy. Mba hanatanterahana izany, dia nampihatra toro lalana iray takin’ny rariny izy. Nampidirina tao amin’ny Lalàn’i Mosesy izy io tatỳ aoriana. Izany dia ilay hoe: Aina solon’ny aina. (Deoteronomia 19:21; 1 Jaona 3:8) Tsy maintsy nampiharina io toro lalana io, raha tiana hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, araka ny fikasan’ny Mpamorona, ny taranak’i Adama sy Eva, izay niharam-pahavoazana tsy fidiny. Izany no antony ilana ny Mesia.

Nilaza ny didim-pitsarany tamin’ny Devoly i Jehovah Andriamanitra, tao amin’ny faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15) Nanazava ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly, fa “[io] no fampanantenana voalohany momba ny Mesia ao amin’ny Soratra Masina.” Niresaka koa ny manam-pahaizana iray hafa, fa ny Mesia no ampiasain’Andriamanitra, mba “hanafoanana ny fahoriana rehetra vokatry ny ota nataon’ny mpivady voalohany”, sy hitondrana fitahiana ho an’ny olombelona.—Hebreo 2:14, 15.

Mety ho voamarikao anefa fa tsy mandray fitahiana mihitsy ny olombelona ankehitriny. Tena kivy aza izy ireo satria vao mainka mihasarotra ny fiainana. Izany no mahatonga Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy) hilaza fa “mbola miandry ny hahatongavan’ny Mesia ny Jiosy maro”, ary mbola manantena fa “hanitsy ny tsy mety sy handresy ireo fahavalon’ny vahoaka” izy. Milaza anefa ny Baiboly fa efa tonga ny Mesia. Misy porofo manamarina izany ve? Hamaly izany ny lahatsoratra manaraka.