Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Itoriana ny Vaovao Tsara ny Tanàna Mitokana atỳ Bolivia

Itoriana ny Vaovao Tsara ny Tanàna Mitokana atỳ Bolivia

Itoriana ny Vaovao Tsara ny Tanàna Mitokana atỳ Bolivia

NISY 20 teo ho eo izahay teo amoron’ny renirano Beni, eo amin’ilay toerana ahatongavany amin’ny lemaka midadasik’i Amazone, eo am-pototry ny Tendrombohitra Andes. Kanto erỳ ny nanodidina anay. Tsy andrinay ny handehanana lakana mandritra ny iray andro, ho any amin’ireo tanàna kely akaikin’ny toerana ipoiran’ilay renirano.

Tsy mpizaha tany anefa izahay. Mponina eto Rurrenabaque ihany ny sasany. Misy maromaro koa tonga avy any an-tanàn-dehibe lavitra mba honina eto. Tanàna kely mahafinaritra i Rurrenabaque. Feno hazo mamelana sy trano mitafo palmie eto. Mangingina koa ny arabe, satria indraindray ihany vao misy môtô mandalo manao taxi. Nahoana àry izahay no nanao ilay dia?

Misy manao dia toy izany koa any amin’ny faritra maro manerana an’i Bolivia. Mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra, any amin’ireo tanàna kely kokoa, ny Vavolombelon’i Jehovah avy any an-tanàn-dehibe sy avy any an-tany hafa.—Matio 24:14.

Atỳ afovoan’i Amerika Atsimo i Bolivia. Indroa noho ny haben’i Frantsa ny velaran-taniny, nefa ampahafolon’ny mponin’i Frantsa monja ny mponina eto. Mipetraka eny amin’ny toerana avo ny ankamaroan’ny mponina, na any an-tanàn-dehibe izany, na any amin’ireo tanàna misy toeram-pitrandrahana. Misy koa mipetraka eny amin’ireo toeram-pambolena eny an-dohasaha. Mitsitokantokana kosa ny tanàna eny amin’ny faritra iva sy mafana, satria feno ala eny anelanelany.

Nisy misionera be herim-po nanomboka nitory tany amin’ny tanàna mitokana maro, nandritra ireo taona 1950 sy 1960. Anisan’izany i Betty Jackson, Elsie Meynberg, Pamela Mosely, ary Charlotte Tomaschafsky. Nampianatra ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny olona tso-po izy ireo. Lasa nisy fiangonana kely maromaro tany noho izany. Nitombo avo enina heny ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ireo taona 1980 sy 1990, indrindra tany an-tanàn-dehibe. Misy fiangonana izao eran’ny tanàn-dehibe. Anisan’izany ireo faritra manankarena ahitana olona miasa ao amin’ny trano avo be, mipetraka amin’ny trano lehibe sy tsara tarehy, ary miantsena any amin’ny fivarotana lehibe. Misy fiangonana koa anefa any amin’ireo tanàna manodidina ny tanàn-dehibe. Mipetraka amin’ny trano bongo vita biriky ny olona any, miantsena eny an-kalamanjana, ary manao akanjo marevaka fitondran’ny tompon-tany. Ahoana kosa no azo anampiana olona maro kokoa any amin’ireo faritra mitokana, mba hahafantarany an’i Jehovah?

Nahafoy ny fiainana mampiadana tany an-tanàn-dehibe

Maro be ny olona avy any ambanivohitr’i Bolivia sy avy any amin’ireo toeram-pitrandrahana no nifindra nankany an-tanàn-dehibe, tato anatin’ny 20 taona farany. Hafahafa àry ny mahita olona avy any an-tanàn-dehibe mifindra any ambanivohitra. Maro ny tanàna kely tsy manana afa-tsy telefaonina iray, ary tsy mahazo elektrisite afa-tsy ora vitsivitsy isan’andro. Any amin’ny fivoriambe isan-taona ihany ny Vavolombelona any vao mety hahita ny mpiray finoana aminy, nefa lafo be ny saran-dalana, ary mampidi-doza sy mandreraka ny dia. Zavatra tsotsotra no hany ampianarina any an-tsekoly. Inona àry no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro avy any an-tanàn-dehibe hifindra any?

Hoy i Luis, tsy ela izay: “Afaka niasa tany La Paz renivohitra aho, nefa niresaka tamiko foana ny ray aman-dreniko fa ny asa fampianarana Baiboly no tsara indrindra. Nianatra vetivety momba ny asa fanorenana àry aho. Nanao vakansy teto Rurrenabaque aho avy eo, ary hitako fa tena tia mihaino ny vaovao tsara ny olona eto. Vitsy kely anefa ny rahalahy teto, ka tapa-kevitra aho fa ho tonga mba hanampy. Olona 12 izao no ampianariko Baiboly. Anisan’izany ny mpivady tanora iray manan-janaka efatra. Mpisotro sy mpiloka ilay rangahy. Tsy nanao an’izany intsony anefa izy, ary nanomboka niresaka tamin’ny namany ny zavatra nianarany momba an’i Jehovah. Manomana ny lesony foana izy. Tsy te hanapaka ny asa kristianina mihitsy izy, ka malahelo indraindray, satria tsy maintsy mandeha maka hazo any an’ala mandritra ny telo na efatra andro. Tsapako fa tsy matiantoka aho namoy zavatra maro mba hifindrana tatỳ, rehefa mahita azy mianakavy manatrika fivoriana kristianina.”

Mitaiza irery ny zanany i Juana. Hoy izy: “Niasa an-trano tany La Paz renivohitra aho, sady mpitory manontolo andro, tamin’ny zanako lahy mbola kely. Nankatỳ Rurrenabaque aho, indray mandeha, ary hitako fa betsaka ny zavatra azoko atao raha mifindra atỳ aho. Nanketo àry izahay, ary asa an-trano ihany no nataoko. Sarotra be, tamin’ny voalohany, ny nizatra tamin’ny hafanana sy ny bibikely. Efa fito taona anefa izao no naha teto anay. Maro ny olona ampianariko Baiboly isan-kerinandro, ary betsaka no mankasitraka ka tonga mivory.” Anisan’ireo nandeha tamin’ilay lakana ry Juana mianaka. Araho ange ny dianay e!

Ilay dia

Naneno be ny maoteran’ilay lakana rehefa nandalo faritra tery kely teo anelanelan’ny tendrombohitra izahay. Nisy andiana boloky nitabataba be raha vao nahita anay. Hain’ilay mpanamory erỳ ny namily ilay lakana nanohitra ny fikorianan’ilay renirano. Feno ranom-potaka avy any an-tendrombohitra ilay renirano, ary nitambolimbolina be nanodidina anay. Nijanona teo amin’ny tanàna kely iray izahay, rehefa ho antoandro ny andro. Nihaona tamin’ny anti-panahin’ny Fiangonana Rurrenabaque izahay, ary natorony anay ny faritany hitoriana.

Nandray tsara anay ny mponina. Teny ambany alokaloky ny hazo ny sasany. Ny hafa indray tao anaty trano volotsangana mitafo palmie. Nahita mpivady tanora izahay avy eo. Mitoto fary amin’ny fitaovana vita amin’ny hazo, namboarina teo an-toerana, izy ireo. Tantazany amin’ny vilia baolina varahina ny ranom-pary. Andrahoiny ilay izy avy eo mba ho lasa marihitra sy matroka, ary azo amidy any an-tanàn-dehibe. Nampandroso anay izy mivady, ary nametraka fanontaniana maro momba ny Baiboly.

Nanohy ny dianay niakatra nanaraka an’ilay renirano izahay, ary nitory isaky ny tanàna kely. Betsaka no faly rehefa nandre, fa milaza ny Baiboly hoe tsy hisy aretina sy fahafatesana intsony. (Isaia 25:8; 33:24) Tsizarizary ny fitsaboana eto, ka mampalahelo fa efa maty zanaka ny ankamaroan’ny olona. Fambolena sy fanjonoana no hany asa fiveloman’ny olona eto. Mafy be izany sady tsy azo antoka. Tena mahaliana ny maro àry ny fampanantenan’Andriamanitra ao amin’ny Salamo faha-72 momba ny fanjakana iray hanafoana ny fahantrana. Mety hanontany anefa ianao hoe hiezaka hanatrika fivoriana kristianina ve ny olona any amin’ny faritra mitokana toy ireny? Nanontany toy izany i Eric sy Vicky, mpitory manontolo andro any Santa Rosa. Lalana adiny telo mandeha fiara avy eo amin’ny lemak’i Amazone izy io.

Hanatrika fivoriana ve ireny olona liana ireny?

Avy any Kalifornia, Etazonia, i Eric sy Vicky, ary efa 12 taona no nahatongavany teto Bolivia. Nisy mpiandraikitra mpitety faritany nampirisika azy ireo hifindra tany Santa Rosa. Hoy i Vicky: “Telefaonina roa monja no misy ao amin’ilay tanàna, ary tsy misy Internet. Be bibidia any anaty ala. Matetika izahay no mahita voay, aotirisy, bibilava ngezabe, rehefa mandeha môtô mankany ambanivohitra. Ny olona anefa no mahaliana anay kokoa noho ny biby. Mampianatra Baiboly an-dry Vaca, mpivady tanora manan-janaka kely efatra, izahay. Tokotokony ho 26 kilaometatra avy eo Santa Rosa ny tranon-dry zareo. Mpisotro toaka ilay rangahy, fa efa niova izy izao. Entiny mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana isan-kerinandro ny fianakaviany sy ny zandriny vavy. Entiny amin’ny bisikiletany ny vadiny sy ny zazakely. Mitondra bisikileta hafa ny zanany lahy sivy taona, ary entiny ny zandriny vavy kely. Mitondra bisikileta koa ny zanany valo taona. Adiny telo no anaovan’izy ireo ny lalana.” Tena tia an’i Jehovah ilay fianakaviana, ka miezaka mafy mba hifanerasera amin’ny fiangonana.

Tao anatin’ny herintaona sy tapany monja, dia 3 no natao batisa, ary 25 teo ho eo no tonga nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana vaovao tany Santa Rosa. Betsaka no te hianatra Baiboly, nefa maro amin’izy ireo no manana zava-tsarotra lehibe tsy maintsy resena mba hanompoana an’i Jehovah.

Sarotra ny misora-panambadiana

Milaza i Marina sy Osni, misionera any amin’ny tanàna mitokana, any akaikin’ny sisin-tany manasaraka an’i Bolivia sy Brezila, fa maro amin’ny olona any no mihevitra hoe tsy natao haharitra ny fanambadiana. Manana vady maro izy ireo. Hoy i Osni: “Olana iray tsy ahafahan’ny olona mandroso ara-panahy izany. Sahirana sy lany vola be mantsy izy ireny, rehefa hisoratra. Tsy maintsy manao izany anefa izy raha maniry ho tonga tena Kristianina. Nisy tsy maintsy nisaraka tamin’ireo vadiny teo aloha, ary nisoratra ara-dalàna avy eo. Fantany anefa fa takina ao amin’ny Soratra Masina izany, ka niasa mafy ny sasany mba hahazoana vola ilaina amin’izany.”—Romanina 13:1, 2; Hebreo 13:4.

Mitantara momba an’i Norberto i Marina. “Nanana vady maro izy talohan’ny niarahany nipetraka tamin’ny vehivavy iray mpanao mofo. Zandrin’i Norberto 35 taona eo ho eo ilay ramatoa, ary manan-janaka lahy. Natsangan’i Norberto ho zanany ilay zazalahy. Te ho modely tsara ho an’ilay zaza izy, rehefa mihalehibe izy io. Nanaiky hianatra Baiboly àry i Norberto, rehefa nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao amin’ilay toerana fanaova-mofo, mba hanolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana. Nanao izany izy na dia tsy nahay namaky teny sady efa 70 taona mahery aza. Nisoratra ara-dalàna i Norberto sy ilay vehivavy, rehefa nianatra momba izay takin’i Jehovah. Natao batisa izy ireo tatỳ aoriana. Lasa tanora kristianina mendri-pitokisana koa ilay zanany, ary izany indrindra no nirin’ilay raikeliny. Nianatra namaky teny i Norberto, ary manao lahateny eo anivon’ny fiangonana mihitsy aza izy izao. Mpitory ny vaovao tsara be zotom-po izy, na dia efa osa noho ny fahanterana aza.”

Nomen’ny fanahy masina hery

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy voalohany: ‘Hahazo hery ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy masina, ka ho vavolombeloko any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.’ (Asan’ny Apostoly 1:8) Mampahery tokoa ny mahita fa mandrisika Kristianina maro hifindra any amin’ny toerana lavitra, ny fanahin’Andriamanitra! Nisy 30, ohatra, tamin’ny 2004 ny Kristianina be zotom-po nanaiky hanao mpisava lalana manokana vetivety tany amin’ny faritany mitokana. Ankasitrahan’izy ireo ny modely omen’ireo vahiny 180 eo ho eo tonga eto Bolivia mba ho mpisava lalana, mpiandraikitra ny faritra, Betelita, ary misionera. Misy 17 000 izao ny mpitory ilay Fanjakana eto Bolivia, ary mitarika fampianarana Baiboly 22 000 izy ireo.

Faly erỳ ireny rahalahy rehetra ireny, satria mitarika azy ny fanahin’i Jehovah. Nanaiky ny fanendrena azy ho misionera tany Camiri, ohatra, i Robert sy Kathy. Voahodidin’ny havoana mitomandavana sy maitso mavana i Camiri. Misy renirano eo akaikiny, ary mitokana foana izy hatramin’izay. Hoy i Robert: “Toy ny hoe tonga tamin’ny fotoana tena nety izahay. Nisy 40 teo ho eo ny olona lasa mpitory ny vaovao tsara, tao anatin’ny roa taona.”

Mpisotro sy mpiloka mihaino ny vaovao tsara

Mampiaiky volana olona maro ny fiovana ataon’ireo mianatra Baiboly. Efa-taona lasa teo ho eo izay, dia nalemilemy teo am-pandriana ny lehilahy mpisotro toaka atao hoe Ariel. Nampahalaza azy ny filokana nataony, nefa niady saina izy fa nitombo ny trosan’olona tany aminy, nikorontana ny tokantranony, ary tsy voakarakara ny zanany vavy. Nisy Vavolombelon’i Jehovah tonga tao aminy, raha mbola teo am-pieritreretana an’izany izy. Nihaino tsara i Ariel, rehefa nanazava andinin-teny ilay rahalahy. Tsy ela dia teo am-pandriana indray i Ariel. Tsy noho ny toaka anefa, fa mba hamaky lahatsoratra momba ny fianakaviana sambatra, Paradisa, ary fanompoana an’Andriamanitra. Nanaiky hianatra Baiboly izy tatỳ aoriana.

Nianatra Baiboly koa i Arminda, vadin’i Ariel, rehefa tonga tany Camiri ny misionera. Tsy dia nazoto anefa izy. Hoy izy: “Vonona hanao izay rehetra azoko atao aho mba hialany amin’ny toaka. Toa tsy inoako anefa hoe hiteraka vokatra tsara ny fianarana Baiboly. Efa tsy misy antenaina intsony ny aminy.” Nahafinaritra azy kokoa tsy araka ny noeritreretiny anefa ny fianarana Baiboly. Natao batisa izy herintaona tatỳ aoriana, ary nitory tamin’ny havany. Nisy havany maromaro nanolo-tena ho an’i Jehovah, tsy ela taorian’izay.

Sarotra tamin’i Ariel ny niala tamin’ny toaka sy sigara ary ny filokana. Niova be anefa izy, rehefa avy nanasa ny namany rehetra hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy. Nandray izao fanapahan-kevitra izao izy: “Tsy namako intsony izay tsy tonga. Hampianariko Baiboly kosa izay tonga.” Telo no nianatra Baiboly vokatr’izany. Efa nampianatra Baiboly ny havany iray i Ariel, na dia mbola tsy anisan’ny fiangonana aza. Nandroso ilay havany, ary niara-natao batisa izy sy Ariel. Hoy i Arminda: “Tsy toy ny taloha intsony i Ariel.”

Mitantara toy izao i Robert: “Misy 24 izao ny havan’i Ariel mivory tsy tapaka. Vita batisa ny folo, ary mpitory tsy vita batisa ny valo. Nanomboka nianatra Baiboly koa ny olona sasany nahita ny fiovana nataon’izy ireo, ary tonga mivory. Nihabetsaka ny mpanatrika. Lasa 190 izany, raha 100 teo aloha. Misy 30 eo ho eo ny olona ampianarinay sy Kathy Baiboly, ary mivory daholo izy ireo. Tianay ny mipetraka eto.”

Voalaza mialoha ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7, fa hisy fanangonana hatao maneran-tany mandritra “ny andron’ny Tompo.” Hangonina ireo ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Fandraisana anjara kely monja amin’izany no mitranga atỳ amin’ireo tanàna mitokana atỳ Bolivia. (Apokalypsy 1:10; 7:9-14) Mbola tsy nisy mihitsy hatramin’izay ny hoe olona an-tapitrisany miara-manompo an’ilay hany Andriamanitra marina. Porofo miavaka izany fa ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenan’Andriamanitra!

[Sary, pejy 9]

Betty Jackson

[Sary, pejy 9]

Elsie Meynberg

[Sary, pejy 9]

Pamela Mosely

[Sary, pejy 9]

Charlotte Tomaschafsky, farany havanana

[Sary, pejy 10]

Mandeha bisikileta adiny telo isan-kerinandro ry Vaca rehefa hivory

[Sary, pejy 10]

Manompo any amin’ny toerana ilana mpitory bebe kokoa i Eric sy Vicky

[Sary, pejy 11]

Mihaino tsara ny mponina any akaikin’ny renirano Beni, rehefa itoriana ny vaovao tsara

[Sary, pejy 12]

Misionera any Camiri i Robert sy Kathy