Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandehana Amin’ilay Lalana Mihamazava Hatrany

Mandehana Amin’ilay Lalana Mihamazava Hatrany

Mandehana Amin’ilay Lalana Mihamazava Hatrany

“Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.”—OHABOLANA 4:18.

1, 2. Inona no soa raisin’ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa mitombo ny fahazavana ara-panahy omen’i Jehovah?

IZA no tena mahay milaza izay mitranga, rehefa miposaka ao anatin’ny haizina ny masoandro? Tsy i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’ny fahazavana ve? (Salamo 36:9) Hoy izy: ‘Nandray ny sisin’ny tany ny hazavan’ny maraina, ka miova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ary miseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny.’ (Joba 38:12-14) Lasa misongadina sy miseho tsara kokoa ny bikan’ny tany rehefa mitombo ny hazavana avy amin’ny masoandro, toy ny tanimanga izay miova endrika rehefa asiana sary na soratra amin’ny alalan’ny tombo-kase.

2 Loharanon’ny fahazavana ara-panahy koa i Jehovah. (Salamo 43:3) Ao anatin’ny haizim-pito izao tontolo izao, fa ny vahoakan’ilay Andriamanitra marina kosa omeny fahazavana foana. Inona no vokany? Hoy ny Baiboly: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.” (Ohabolana 4:18) Ataon’i Jehovah mihamazava hatrany ny lalan’ny vahoakany, ka mihatsara ny fomba fiasan’izy ireo sy ny fahatakarany ny fahamarinana ary ny fitondran-tenany.

Manatsara ny fomba fiasa ny fahazavana

3. Inona no nampanantenaina ao amin’ny Isaia 60:17?

3 Nilaza izao faminaniana izao tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany i Jehovah: “Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato.” (Isaia 60:17) Azo lazaina hoe misy ny fihatsarana, rehefa soloana akora tsara kokoa ny akora tsy misy vidiny firy. Toy izany koa ny zava-nitranga teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nihatsara ny fomba fiasan’izy ireo nandritra “ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity”, izany hoe “ny andro farany.”—Matio 24:3; 2 Timoty 3:1.

4. Inona no fiovana nitranga tamin’ny 1919, ary inona no soa nentin’izany?

4 Tany am-piandohan’ny andro farany, dia ny besinimaro no nifidy ireo anti-panahy sy diakônina, teo anivon’ireo fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Tsy nafana fo loatra tamin’ny fanelezana ny vaovao tsara anefa ny anti-panahy sasany. Nisy aza nampirisika ny hafa mba tsy handray anjara tamin’izany. Noho izany, dia nasiana talen’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana tsirairay, nanomboka tamin’ny 1919. Tsy nofidin’ny fiangonana izy io, fa notendren’ny biraon’ny sampana araka ny fepetra takin’ny Soratra Masina. Anisan’ny andraikiny ny nandamina ny asa fitoriana, nizara ny faritany, ary nampirisika ny fiangonana mba handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Nandroso be ny fitoriana ilay Fanjakana nandritra ireo taona nanaraka.

5. Inona no fanatsarana natao tamin’ireo taona 1920?

5 Vao mainka nandrisika ny rehetra hitory, ilay fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1922, tany Cedar Point (Etazonia). Nisy antso natao mantsy tamin’izay hoe: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Efa voalamina ny asa fitoriana tamin’ny 1927, ary ny alahady no hita fa andro nety indrindra hitoriana isan-trano. Nahoana? Satria tsy niasa ny ankamaroan’ny olona tamin’io. Toy izany koa no fomba fiasan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Miezaka mitsidika ny olona amin’ny fotoana mety hahatratrarana azy izy ireo, toy ny faran’ny herinandro na ny hariva.

6. Inona no fanapahan-kevitra nolanina tamin’ny 1931, ary nanao ahoana ny fitoriana ilay Fanjakana taorian’izay?

6 Vao mainka nandroso ny asa fitoriana ilay Fanjakana, noho ilay fanapahan-kevitra nolanina ny alahady harivan’ny 26 Jolay 1931, nandritra ny fivoriambe iray tany Columbus (Etazonia), ary avy eo eran-tany. Izao no ampahany amin’izy io: “Mpanompon’i Jehovah Andriamanitra isika, ary nirahiny hanao asa amin’ny anarany, ka mankatò ny didiny sy manambara momba an’i Jesosy Kristy ary mampahafantatra fa i Jehovah no hany Andriamanitra marina mahery indrindra. Faly àry isika manaiky sy mandray ny anarana nambaran’ny Tompo Andriamanitra, ary tiantsika ny ho fantatra sy hantsoina amin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah.” (Isaia 43:10) Hita tsara amin’io anarana vaovao io hoe inona no asa tokony ho loha laharana ho an’izay rehetra mitondra io anarana io! Nanana asa nampanaovina ny mpanompony tokoa i Jehovah, ary nanaiky izany tamin-kafanam-po ny ankamaroan’izy ireo!

7. Inona no fiovana natao tamin’ny 1932, ary nahoana?

7 Maro ny anti-panahy nanetry tena, ka nanokan-tena hitory. Tsy neken’ny anti-panahy voafidy tany amin’ny toerana sasany mihitsy anefa ny hoe tokony hitory izay rehetra anisan’ny fiangonana. Nisy fanatsarana indray tsy ela taorian’izay. Voalaza tao amin’ny Tilikambo Fiambenana iray tamin’ny 1932, fa tokony hajanona ny fifidianana anti-panahy sy diakônina. Nasaina nifidy komitin’ny fanompoana kosa ny fiangonana tsirairay, ary lehilahy matotra ara-panahy sy nandray anjara tamin’ny fitoriana no notendrena ho anisan’izy io. Izay nazoto tamin’ny fanompoana àry no natao mpiandraikitra, ary nandroso ny asa.

Mihabetsaka ny fanatsarana rehefa mitombo ny fahazavana

8. Inona no fanatsarana natao tamin’ny 1938?

8 Nitombo hatrany ny fahazavana. Najanona tanteraka ny fanaovana fifidianana teo anivon’ny fiangonana tamin’ny 1938. Ny biraon’ny sampana no nanendry ny mpiandraikitra rehetra, araka ny fepetra takin’ny Soratra Masina sy ny fitarihan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45-47) Nanaiky avy hatrany izany fiovana izany ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary namokatra hatrany ny asa fitoriana.

9. Inona no fiovana natao tamin’ny 1972, ary nahoana izany no azo lazaina fa fanatsarana?

9 Nisy koa fiovana hafa natao mahakasika ny fikarakarana ny fiangonana. Olon-tokana no niandraikitra ny fiangonana taloha, ary mpikarakara ny fiangonana no niantsoana azy. Nanomboka tamin’ny 1 Oktobra 1972 anefa, dia anti-panahy maromaro no notendrena hikarakara ny fiangonana tsirairay eran-tany. Nandrisika ireo lehilahy matotra izany mba hiezaka hahafeno fepetra, ka hitari-dalana eo anivon’ny fiangonana. (1 Timoty 3:1-7) Noho izany, dia nihabetsaka ny rahalahy lasa nahay niantsoroka ireo andraikitra teo anivon’ny fiangonana. Tena nilaina izy ireo, mba hikarakara ireo olona vaovao maro nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly!

10. Inona no fandaminana natao nanomboka tamin’ny 1976?

10 Nalamina ho komity enina ireo rahalahy anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Ireo komity ireo no manara-maso ny asa rehetra ataon’ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo fiangonany eran-tany, nanomboka tamin’ny 1 Janoary 1976. Nitondra soa tokoa izany, satria lasa nisy ‘mpanolo-tsaina maro’ nandrindra ny lafiny rehetra amin’ny asan’ilay Fanjakana!—Ohabolana 15:22; 24:6.

11. Inona no fanatsarana natao tamin’ny 1992, ary nahoana?

11 Nisy fanatsarana hafa koa tamin’ny 1992. Tadidinareo angamba ny zava-nitranga rehefa nody ny Israelita sy ny olon-kafa, rehefa avy babo tany Babylona. Tsy ampy ny Levita hikarakara ny tempoly tamin’izay, ka mba hanampiana azy ireo, dia nomena asa bebe kokoa ireo Netinima, izay tsy Israelita. Toy izany no nitranga tamin’ny 1992. Nitombo ny andraikitr’ireo mpanompo mahatoky sy malina eo amin’ny fitantanana ny asa maneran-tany, ka mba hanampiana azy ireo, dia nomena andraikitra bebe kokoa ny olona sasany anisan’ny “ondry hafa.” Notendrena ho mpanampy an’ireo komitin’ny Filan-kevi-pitantanana ireo olona ireo.—Jaona 10:16.

12. Nahoana no azo lazaina fa nataon’i Jehovah ho mpanapaka eo amintsika ny fiadanana?

12 Inona no vokatr’izany rehetra izany? Hoy i Jehovah: “Ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.” (Isaia 60:17) Misy “fiadanana” eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Lasa “mpampiasa” azy ireo koa ny fitiavana ny “fahamarinana”, izany hoe io no mandrisika azy ireo hanompo an’Andriamanitra. Ary voalamina tsara izy ireo mba hitory ilay Fanjakana sy hanao mpianatra.—Matio 24:14; 28:19, 20.

Manome fanazavana momba ny fahamarinana i Jehovah

13. Ahoana no nanazavan’i Jehovah ny fahamarinana tamin’ny vahoakany tamin’ireo taona 1920?

13 Manazava tsikelikely ny fahamarinana amin’ny vahoakany koa i Jehovah. Misy ohatra iray ao amin’ny Apokalypsy 12:1-9. Miresaka momba ny “vehivavy” iray bevohoka sy miteraka, ary ny “dragona” iray sy ny “zazalahy” iray ireo andinin-teny ireo. Raisina amin’ny heviny an’ohatra izy telo ireo. Fantatrao ve ny dikan’ny tsirairay aminy? Nohazavaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Martsa 1925 izany, tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fahaterahan’ilay Firenena.” Nanome fanazavana bebe kokoa momba ireo faminaniana mahakasika ny fahaterahan’ilay Fanjakana, io lahatsoratra io. Hita tamin’izany fa misy fandaminana roa miavaka tsara: ny an’i Jehovah, sy ny an’i Satana. Hitan’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny taona 1927 sy 1928, fa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ny fankalazana ny Krismasy sy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, ka tsy nanao an’izany intsony izy ireo.

14. Inona avy no fanazavana azo tamin’ireo taona 1930?

14 Nihanazava koa ny lafin-javatra telo hafa, tamin’ireo taona 1930. Efa nandritra ny taona maro ny Mpianatra ny Baiboly no nahalala, fa tsy mitovy ilay “vahoaka be” ao amin’ny Apokalypsy 7:9-17, sy ireo 144 000 izay ho mpanjaka sy mpisorona miaraka amin’i Kristy. (Apokalypsy 5:9, 10; 14:1-5) Mbola tsy nazava tsara anefa hoe iza marina ilay vahoaka be. Fantatra tamin’ny 1935 àry fa ilay vahoaka be, dia ireo ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe” sy manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Izany dia toy ny endrika sy lokon’ny zavatra iray izay hita miavaka tsara, rehefa mitombo ny hazavana amin’ny maraina. Nisy fanazavana hafa nomena tamin’io taona io, ary nisy fiantraikany tamin’ireo zanaka Vavolombelon’i Jehovah mbola mpianatra ilay izy, tany amin’ny firenena maromaro. Takatry ny Vavolombelona mantsy fa tsy fombafomba fotsiny ny fananganan-tsaina, na dia niredareda aza ny fitiavan-tanindrazana tany amin’ny firenena eran-tany tamin’izany. Ary nohazavaina ny taona nanaraka fa tsy teo amin’ny lakroa i Jesosy no maty, fa teo amin’ny tsato-kazo.—Asan’ny Apostoly 10:39.

15. Oviana no nantitranterina ny fahamasinan’ny ra, ary tamin’ny fomba ahoana?

15 Nohazavaina bebe kokoa ny fahamasinan’ny ra, taoriana kelin’ny Ady Lehibe II. Efa lasa fahazarana ny nampiditra ra tamin’ireo miaramila naratra, tamin’izany andro izany. Nilaza anefa Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1945, fa ampirisihina “hanaja ny fahamasinan’ny ra sy hanaraka ny fitsipika marin’i Jehovah Andriamanitra momba io raharaha lehibe io, ny mpanompony rehetra izay te hiaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana.”

16. Oviana no nivoaka Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary inona ireo lafiny roa mampiavaka azy io?

16 Hita tamin’ny 1946 fa nila nohavaozina ny fandikan-tenin’ny Baiboly. Natomboka ny fandikana azy io tamin’ny Desambra 1947. Nampiasaina tamin’izany ny vokatry ny fikarohana farany nataon’ny manam-pahaizana. Notandremana tsara koa ny fandikana azy io, mba tsy ho tafiditra ao ny hevi-diso avy amin’ny Kristianisma Anarana. Nivoaka tamin’ny teny anglisy àry Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny 1950. Nozaraina ho boky dimy kosa ny Soratra Hebreo, ary navoaka tsikelikely nanomboka tamin’ny 1953. Nivoaka tamin’ny 1960 ny boky farany tamin’izy io, izany hoe 12 taona mahery kely taorian’ny nanombohan’ilay fandikan-teny. Nivoaka tamin’ny 1961 kosa ny Baiboly manontolo tamin’ny teny anglisy, antsoina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Misy amin’ny fiteny maro izy io izao, ary misy lafiny tena mampiavaka azy. Naverina teo amin’ny toerana tokony hisy azy, ohatra, ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nadika ara-bakiteny avy tamin’ireo soratra tany am-boalohany koa izy io, ary anisan’ny mampitombo ny fanazavana azo momba ny Tenin’Andriamanitra izany.

17. Ahoana no nitomboan’ny fahazavana tamin’ny 1962?

17 Nohazavaina bebe kokoa tamin’ny 1962, hoe iza ireo “manam-pahefana” resahin’ny Romanina 13:1, ary hatraiza no fetran’ny faneken’ny Kristianina azy ireo. Nofakafakaina ny Romanina toko faha-13 sy ny andinin-teny hafa toy ny Titosy 3:1, 2 sy ny 1 Petera 2:13, 17. Hita mazava tamin’izany fa ireo fitondram-panjakan’olombelona no atao hoe “manam-pahefana”, fa tsy i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy.

18. Inona no fampianarana sasany nohazavaina tamin’ireo taona 1980?

18 Nihanazava hatrany ny lalan’ny marina, nandritra ireo taona nanaraka. Nohazavaina tamin’ny 1985 ny dikan’ny hoe ambara fa marina “ho amin’ny fiainana”, sy ny hoe ambara fa marina ka raisin’Andriamanitra ho sakaizany. (Romanina 5:18; Jakoba 2:23) Nohazavaina tamin’ny an-tsipiriany koa ny atao hoe Jobily Kristianina, tamin’ny 1987.

19. Ahoana no nanomezan’i Jehovah fahazavana ara-panahy bebe kokoa ho an’ny vahoakany, tao anatin’ireo taona faramparany?

19 Nazava kokoa tamin’ny 1995 ny fanavahana “ny ondry” amin’ny “osy.” Nohazavaina tamin’ny an-tsipiriany, tamin’ny 1998, ny fahitan’i Ezekiela momba ny tempoly, izay efa eo an-dalam-pahatanterahana. Tamin’ny 1999 indray, dia nohazavaina hoe ahoana no ‘itsanganan’ilay zavatra maharikoriko ao amin’ny toerana masina’, sy hoe rahoviana izany no hitranga. (Matio 24:15, 16; 25:32) Ary nohazavaina tsara kokoa tamin’ny 2002 ny dikan’ny hoe manompo an’Andriamanitra “araka ny fanahy sy ny fahamarinana.”—Jaona 4:24.

20. Inona no lafin-javatra hafa nahitana fihatsarana teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra?

20 Tsy ny fomba fiasa sy ny fahatakarana ny fahamarinana ihany anefa no nihatsara, fa ny fitondran-tenan’ny Kristianina koa. Nazava tamin’ny 1973, ohatra, fa “mandoto ny nofo” ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky, ka sokajina ho anisan’ny fahotana lehibe. (2 Korintianina 7:1) Nohazavaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1984 koa ny fiheverantsika ny fampiasana basy. Hitantsika avy amin’ireo ohatra vitsivitsy ireo, fa mitombo tokoa ny fahazavana azontsika ankehitriny.

Aza miala amin’ilay lalana mihamazava hatrany

21. Inona no toe-tsaina tokony hananana, mba tsy hialana amin’ilay lalana mihamazava hatrany?

21 Niaiky toy izao ny rahalahy iray efa anti-panahy hatry ny ela: “Sarotra indraindray ny manaiky fiovana sy manao zavatra mifanaraka amin’izany.” Inona anefa no nanampy azy hanaiky ireo fanovana maro hitany nandritra ireo 48 taona naha mpitory ilay Fanjakana azy? Mamaly izy hoe: “Tena ilaina ny manana toe-tsaina tsara. Raha tsy manaiky ny fanovana ianao, dia ho tavela eo, fa ny fandaminana mandroso foana. Rehefa hitako hoe sarotra amiko ny manaiky fiovana sasany, dia mieritreritra an’ilay tenin’i Petera tamin’i Jesosy aho hoe: ‘Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.’ Manontany tena aho avy eo hoe: ‘Hankany amin’iza moa aho? Ho any amin’ny haizim-piton’ity tontolo ity ve?’ Manampy ahy hiaraka hatrany amin’ny fandaminan’Andriamanitra izany.”—Jaona 6:68.

22. Inona no soa raisintsika, rehefa mandeha ao amin’ny fahazavana isika?

22 Tena ao anatin’ny haizina mikitroka ny tontolo manodidina antsika. I Jehovah kosa manome fahazavana ho an’ny vahoakany foana, ka vao mainka misongadina ny fahasamihafan’izy ireo amin’izao tontolo izao. Inona no soa raisintsika avy amin’ilay fahazavana? Marina aloha fa tsy manala ny fandrik’i Satana ny fahazavana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, tsy misy hafa amin’ny lavaka eny amin’ny arabe izay mbola eo foana na dia tarafin’ny jiro aza. Azo antoka anefa fa manampy antsika hiala an’ireny fandrika ireny ny fahazavana avy amin’Andriamanitra, mba handehanantsika foana amin’ilay lalana mihamazava hatrany. Aoka àry isika handinika hatrany ny teny faminanian’i Jehovah, izay toy ny “jiro mamirapiratra ao amin’ny toerana maizina.”—2 Petera 1:19.

Tadidinao Ve?

• Ahoana no nanatsaran’i Jehovah ny fomba fiasan’ny vahoakany?

• Inona avy ireo fahamarinana azontsika tsara kokoa, rehefa nitombo ny fahazavana?

• Inona no fanovana hitanao manokana, ary inona no nanampy anao hanaiky azy ireny?

• Nahoana ianao no tsy tokony hiala amin’ilay lalana mihamazava hatrany?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 27]

Nandrisika ny Mpianatra ny Baiboly hitory, ilay fivoriambe tamin’ny 1922 tany Cedar Point (Etazonia)

[Sary, pejy 29]

Ny Rahalahy N. Knorr namoaka “Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” tamin’ny 1950

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

© 2003 BiblePlaces.com