Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no tian’ny apostoly Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe tokony “hangina eo amin’ny fiangonana” ny vehivavy?

Izao no nosoratan’i Paoly ho an’ny fiangonana kristianina tany Korinto: “Toy ny any amin’ny fiangonana rehetran’ny olona masina, dia aoka ny vehivavy hangina eo amin’ny fiangonana, fa tsy avela hiteny izy ireo.” (1 Korintianina 14:33, 34) Mahasoa ny handinihantsika amin’ny fomba feno kokoa ny torohevitr’i Paoly, mba hahazoantsika tsara azy io.

Niresaka raharaha nahakasika ny fivorian’ny fiangonana izy tao amin’ny 1 Korintianina toko 14. Nilaza izay tokony hodinihina any amin’ireny fivoriana ireny izy, sady nanoro ny fomba tokony hitarihana azy ireny. (1 Korintianina 14:1-6, 26-34) Nasongadiny koa fa ny “hahazoan’ny fiangonana fampaherezana” no zava-kendren’ny fivoriana kristianina.—1 Korintianina 14:4, 5, 12, 26.

Miseho intelo ao amin’ny 1 Korintianina toko faha-14 ilay toromarik’i Paoly hoe “hangina.” Niantefa tamin’ny antokon’olona samy hafa teo anivon’ny fiangonana ny tsirairay aminy. Mitovy foana anefa ny antony nanomezana azy ireo, dia ny hahatonga “ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.”—1 Korintianina 14:40.

Voalohany, dia hoy izy: “Raha misy miteny amin’ny fiteny hafa, dia aoka hoferana ho roa izy ireo na telo, raha be indrindra, ka hifandimby. Ary aoka hisy handika teny. Fa raha tsy misy mpandika teny, dia aoka izy hangina eo amin’ny fiangonana ka hiteny amin’ny tenany ihany sy amin’Andriamanitra.” (1 Korintianina 14:27, 28) Tsy midika akory izany hoe tsy nahazo niteny mihitsy ny olona toy izany tany am-pivoriana. Tokony hangina kosa izy indraindray. Tsy ho tratra mantsy ny zava-kendren’ny fivoriana, dia ny hifampaherezana, raha fiteny tsy misy mahay no hitenenany.

Faharoa, dia hoy i Paoly: “Aoka hisy mpaminany roa na telo hiteny, ary aoka ny hafa hamantatra ny hevitr’izany. Raha manan-javatra haharihary anefa ny iray izay mipetraka eo, dia aoka hangina ilay voalohany.” Tsy midika izany hoe tsy nahazo niteny mihitsy ilay mpaminany voalohany, tany am-pivoriana. Misy kosa fotoana tokony hanginany. Ho afaka hiteny amin’ny fiangonana amin’izay ilay nanan-javatra mahagaga haharihary, ary ho tratra ny zava-kendren’ilay fivoriana dia ny mba “hampaherezana ny rehetra.”—1 Korintianina 14:26, 29-31.

Fahatelo, niresaka manokana tamin’ny vehivavy kristianina i Paoly rehefa nilaza hoe: “Aoka hangina ny vehivavy raha ao am-piangonana; fa tsy avela hiteny izy, fa aoka hanoa tsara.” (1 Korintianina 14:34) Nanome io didy io ho an’ny anabavy i Paoly, mba hiarovana ny filaminana eo anivon’ny fiangonana. Hoy izy: “Fa raha misy zavatra tiany ho fantatra kosa, dia aoka izy hanontany ny vadiny any an-trano, fa mahamenatra raha miteny eo amin’ny fiangonana ny vehivavy.”—1 Korintianina 14:35.

Angamba nisy anabavy nanohitra izay nolazaina tamin’ny fiangonana tamin’izany. Nanampy ireo anabavy àry ny torohevitr’i Paoly, mba tsy ho tonga mpanakorontana izy ireo fa hanetry tena, ka hanaiky ny toerana tanany ao amin’ny fahefana napetrak’i Jehovah, indrindra fa ny fahefan’ny vadiny. (1 Korintianina 11:3) Noporofoin’ireo anabavy ireo koa, fa tsy nitady ho tonga mpampianatra teo anivon’ny fiangonana izy, rehefa nangina hatrany. Nanoratra tamin’i Timoty i Paoly, ary nampiseho fa tsy mety raha ny vehivavy no mampianatra ny fiangonana. Hoy izy: “Ny vehivavy tsy avelako hampianatra, na hanana fahefana eo amin’ny lehilahy, fa tokony hangina kosa.”—1 Timoty 2:12.

Midika anefa ve izany fa tsy mahazo miteny mihitsy ny vehivavy kristianina mandritra ny fivorian’ny fiangonana? Tsia. Nampirisihin’ny fanahy masina angamba ny vehivavy kristianina, tamin’ny andron’i Paoly, ka nivavaka na naminany teo anivon’ny fiangonana indraindray. Nanao saron-doha izy ireo tamin’ireny fotoana ireny, ho mariky ny fanekeny ny toerana tanany. * (1 Korintianina 11:5) Samy nampirisihina hanao fanambarana ampahibemaso ny fanantenany na ny rahalahy na ny anabavy, tamin’ny andron’i Paoly sy ankehitriny. (Hebreo 10:23-25) Manao izany izy ireo rehefa manompo eny amin’ny saha. Milaza ny fanantenany sy mampahery ny hafa koa anefa ny anabavy mandritra ny fivorian’ny fiangonana, rehefa manome valin-teny voaomana tsara. Toy izany koa no izy, rehefa manaiky ny fanendrena hanao fampisehoana na famelabelarana amin’ny sekolin’ny fanompoana izy ireo.

“Hangina” àry ny vehivavy kristianina, rehefa tsy mitady hiantsoroka ny anjara asan’ny lehilahy na hampianatra ny fiangonana. Tsy miady fahefana amin’ireo mampianatra izy ireo, ka tsy mametraka fanontaniana mampisy ady hevitra. Anisan’ny tena mampisy fiadanana ny vehivavy kristianina rehefa manatanteraka tsara ny anjara asany eo anivon’ny fiangonana. ‘Natao mba hampaherezana [mantsy] ny zava-drehetra [any am-pivoriana].’—1 Korintianina 14:26, 33.

● Nifanaiky hivady ny Kristianina roa, ka lasa mpifamofo. Namarana ilay fifamofoana ny ankilany. Mbola azo heverina ho fakan-tahaka eo anivon’ny fiangonana ve izy?

Fanapahan-kevitra lehibe tsy tokony hohamaivanina, na ny fidirana amin’ny fifamofoana, na ny fialana amin’izany. Samy raharaha tsy misy idiran’olon-kafa anefa ireo. Tsy tokony hamotopototra momba an’ireo ny anti-panahy, raha tsy hoe angaha nitaraina tany aminy ny andaniny na ny ankilany, na miharihary fa manelingelina ny olona maro eo anivon’ny fiangonana ilay raharaha, ka manjary tsy manaja firy an’ilay namarana ny fifamofoany izy ireo. Ireny olona ireny, indraindray, no mila mahatakatra tsara kokoa ireo toro lalana tafiditra.

Marihintsika fa voafatotry ny fifamofoana ny vehivavy manana fofombady, teo ambanin’ny rafitra jiosy. Nandidy ny hitondrana azy ireny toy ny natao tamin’ny vehivavy manambady ny Lalàn’i Mosesy, raha meloka ho nivadika izy. (Deoteronomia 22:23, 24) Nanana fahafahana lehibe kokoa ny lehilahy israelita, ary afaka namarana ny fifamofoany. Izany, ohatra, no saika hataon’i Josefa avy any Nazareta. Tantaraina ao amin’ny Matio 1:19, fa ‘nikasa hisaraka mangingina’ tamin’i Maria i Josefa, rehefa nandre hoe nitoe-jaza izy. Lehilahy marina mantsy izy “sady tsy te hanala baraka azy ampahibemaso.” (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 24:1.) Tsy fehezin’ny fifaneken’ny Lalàna anefa ny Kristianina, ary tsy voafatotra tanteraka toy ny tamin’izany ny vehivavy manana fofombady ankehitriny.

Hoy i Jesosy ao amin’ny Matio 5:37: “Fa aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia, fa avy amin’ilay ratsy ny ankoatra izany.” Asehon’ny teny manodidina fa manoro hevitra ny olona i Jesosy eo, mba tsy hanaraka ny fanaon’ny maro tamin’izany fotoana izany. Matetika mantsy ny olona no nianiana rehefa hilaza zavatra, ka niozona foana tamin’ny lanitra, na tamin’i Jerosalema na tamin-javatra hafa. Tsy te hilaza akory i Jesosy teo amin’ilay hoe ‘manao zavatra ankoatra izany’, fa hoe tsy mety mihitsy ny hanitsiana ny tarehin-javatra raha tsapan’ny olona iray fa tena diso hevitra izy. Ny Ohabolana 6:1-5 dia miresaka ny amin’izay ‘niantoka ny namany’ ka ‘voafandriky ny teny naloaky ny vavany.’ Toroany hevitra ilay olona, mba hanao zavatra hanafaka ny tenany amin’ny teny nataony. Hoy izy: “Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ny namanao.” Mety hanjary hahatsapa koa ny olona iray niditra tamin’ny fifamofoana, fa tsy hendry izy tamin’ilay fanapahan-keviny. Ny lafin-toetra tsara mazàna no asehon’ny lehilahy na ny vehivavy, mandritra ny fifaneraserana alohan’ny fifamofoana. Mety hanomboka hampiseho ny tena maha izy azy anefa ny iray aminy, rehefa avy nampahafantarina ny amin’ilay fifamofoana. Manomboka eo vao mety hahamarika olana lehibe tsy niharihary teo aloha ny anankiray amin’izy ireo.

Amin’ny toe-javatra manokana hiheveran’ny anti-panahy fa ilana hamotopotorana momba ny nanapahana ny fifamofoana, dia tokony hofantarin’izy ireo tsara raha misy antony marim-pototra nanaovana izany, na tsia. Inona anefa no azo lazaina hoe antony “marim-pototra”? Nisy ohatra roa nomena tao amin’ny “Fanontanian’ny Mpamaky”, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) 1 Septambra 1969, pejy 543. Ireto koa misy ohatra hafa: Mety hanomboka hiharihary mandritra ny fotoanan’ny fifamofoana, fa tia “mandidindidy” ilay vehivavy, ka tsy tena manaja ny fahefan’izay lohany. Hoporofoin’izany fa mitovy amin’ilay karazam-behivavy voalazan’ny Ohabolana 19:13; 21:9; 27:15, 16, izy. Na koa mety ho ilay lehilahy no manao fahotana lehibe, toy ny mimamo, maloto fitondran-tena, na manao ny tsy marina. Mety ho hitan’ny andaniny koa fa misy lafiny mampahalemy ny finoan’ny ankilany, angamba izany fitiavam-bola tafahoatra. Mety hihevitra àry izy, rehefa avy nandinika tsara, fa ho enta-mavesatra loatra aminy ny fanambadiana olona toy izany, ka hanimba ny finoany. Tsy midika anefa izany fa tokony hoheverina ho malemy na ambany foana ilay ankilany. Mety hihevitra azy ho olona mahafinaritra tokoa ilay andaniny, nefa mahatsapa fa lehibe ny tsy fitovian-toetra sy fomba fisaina eo amin’izy ireo, ka mety ho sahirana be izy roa, raha mivady. Ireo no anisan’ny antony lehibe mety hahatonga ny lehilahy na vehivavy manana fofombady hanapa-kevitra ny hanapaka ny fifamofoany, rehefa avy nieritreritra tsara sy nivavaka tamin’i Jehovah. Mazava ho azy fa tsara kokoa raha nifanarahan’ny roa tonta ilay fanapahana, fa tsy hoe avy amin’ny iray ihany. Mety ho tsy mahita na mody tsy mahita ireo antony tokony hanapahana ny fifamofoana koa anefa ny iray amin’ireo mpifamofo.

Hamafisin’izany rehetra izany fa tsy tokony hatao maimaika mihitsy ny fifamofoana. Aleo kosa aza miezaka mamantatra tsara an’ilay olona kasaina hovadina. Mandinika tsara àry ny olona tia namana, vao miditra amin’ny fifamofoana, satria takany fa mety hiteraka ratram-po ny fanapahana izany.

Raha namoy ny vadiny noho ny fahafatesana na noho ny fivadihana (na nisara-panambadiana araka ny Soratra Masina), ohatra, ny olona iray, dia mety halahelo mafy aoka izany izy, ka haniry mafy hana-namana, noho izy tsy te ho manirery. Mafy kokoa amin’izay ny faniriany hiroso haingana amin’ny fifamofoana. Mety ho tsapany indray anefa, rehefa milamina tsara ny fihetseham-pony, fa tsy fahendrena ny zavatra nataony. Tokony hodinihina ny toe-javatra raha anti-panahy ilay olona, satria mety ho hita taratra amin’izany raha mafy orina ny finoany, na tsia.

Raha olona tokony hanana fitondran-tena fakan-tahaka àry no resahina (anti-panahy, mpanampy amin’ny fanompoana, mpianakavin’ny Betela, mpanompo manontolo andro, sy ny hafa) dia ny fitondran-tenan’izany olona izany amin’ny ankapobeny no tokony hodinihin’ny anti-panahy rehetra, fa tsy ny fanapahany samirery ny fifamofoany fotsiny. Rehefa mandinika ny fomba fiainan’io olona io hatramin’izay izy ireo, dia mety ho hitany fa zatra manamaivana ny raharaha toa an’io ilay olona, ka tsara ny hanolorana ny fanesorana azy amin’ny tombontsoam-panompoana mitaky fitondran-tena fakan-tahaka. Mety ho takatr’izy ireo avy amin’izany ny antony nanapahany ilay fifamofoana, dia satria fotsiny nisy olon-kafa nanintona azy, ary tia mivadibadika izy. Tokony hodinihin’ny anti-panahy tsara koa raha miharihary fa olona maro eo anivon’ny fiangonana no tsy manaja intsony an’io olona io. Tokony hojerena koa ireo fahazarana sy zava-misy eo an-toerana. Sarotiny kokoa amin’io raharaha io ny olona any amin’ny faritra sasany.

Tsy voatery hesorina amin’ny tombontsoam-panompoana mitaky fitondran-tena fakan-tahaka, na tsy homena tombontsoa sasany anefa ilay olona nanapaka samirery ny fifamofoany, raha tsy eo ireo antony ireo sady miharihary fa maotina sy misaina tsara ary mihevitra ny hafa izy. Izao àry no anton-javatra tsy maintsy dinihina rehefa hanapa-kevitra momba izany: Nanana antony marim-pototra nanapahana ny fifamofoany ve ilay Kristianina sa tsia?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Manahaka izany ohatra izany ankehitriny ny anabavy matotra, rehefa voatery misolo toerana ny lehilahy vita batisa eo anivon’ny fiangonana izy ireo.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2002, pejy 26.