Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Estera

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Estera

Velona ny Tenin’i Jehovah

Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’i Estera

TSY maintsy hahomby ilay tetika. Ho fongotra tanteraka ny Jiosy. Ho ringana amin’ny andro iray efa voatondro ny Jiosy rehetra ao amin’ny fanjakana, manomboka any Inde ka hatrany Etiopia. Izany no tetiky ny olon-dratsy iray. Nisy zava-dehibe tsy tonga tao an-tsainy anefa: Afaka manafaka ny vahoaka voafidiny ilay Andriamanitry ny lanitra, na inona na inona zavatra mampamoy fo mety hanjo azy ireo. Mitantara an’izany fanafahana izany ny bokin’i Estera.

I Mordekay, lehilahy jiosy efa zokiolona, no nanoratra an’ilay boky. Tantaraina ao ny zava-nitranga nandritra ny 18 taona teo ho eo, tamin’ny fotoana nanjakan’i Ahasoerosy, mpanjaka persanina, izay nantsoina koa hoe Ksersesy I. Asehon’io tantara mampangitakitaka io ny fomba namonjen’i Jehovah ny vahoakany, tamin’ny teti-dratsin’ny fahavalony, na dia niely nanerana ny fanjakana lehibe iray aza izy ireo. Izany dia tena manatanjaka ny finoan’ny vahoakan’i Jehovah, izay manolotra fanompoana masina ho azy any amin’ny tany 235 ankehitriny. Misy toetran’olona tokony hotahafintsika sy tsy tokony hotahafintsika koa ao amin’ny bokin’i Estera. Marina tokoa fa tena “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—Hebreo 4:12.

TSY MAINTSY NANAO ZAVATRA NY VADIN’NY MPANJAKA

(Estera 1:1–5:14)

Nanao fanasambe i Ahasoerosy Mpanjaka, tamin’ny taona fahatelo nanjakany (493 T.K.). Nalaza noho ny hatsaran-tarehiny i Vasty vadiny, nefa tena nampahatezitra azy, ka tsy nekeny ho vadiny intsony. Nisolo azy ny tovovavy jiosy atao hoe Hadasa, izay nofidina avy tamin’ireo virjiny tsara tarehy rehetra tao amin’ilay faritra. Nafeniny ny naha Jiosy azy ka ny anarany persanina hoe Estera no nampiasainy, araka ny toromarika nomen’i Mordekay zanaky ny rahalahin-drainy.

Tatỳ aoriana dia nasandratra ho praiminisitra i Hamana, lehilahy niavonavona. Tsy nety ‘nandohalika sy niankohoka teo anatrehany’ i Mordekay ka romotra izy, ary nanao tetika handringanana ny Jiosy rehetra nanerana ny fanjakana persanina. (Estera 3:2) Nandresy lahatra an’i Ahasoerosy Mpanjaka izy mba hiombon-kevitra aminy, hany ka namoaka didy izy io mba hamongorana ny Jiosy. “Nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona” i Mordekay tamin’izay. (Estera 4:1) Tsy maintsy nanao zavatra àry i Estera. Nanao fanasambe ho an’ny mpanjaka sy ilay praiminisitra izy. Falifaly erỳ izy ireo tamin’izany, ka mbola nasain’i Estera indray ny ampitso. Ravoravo i Hamana, kanefa tezitra mafy izy rehefa tsy nety nanome voninahitra azy i Mordekay. Nanao tetika àry izy mba hamonoana an’i Mordekay talohan’ilay fanasana faharoa.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

1:3-5—Naharitra 180 andro ve ilay fanasana? Tsy milaza izany ilay fitantarana. Voalaza ao kosa fa nasehon’ny mpanjaka tamin’ireo manam-pahefana ny harena sy ny hatsaran’ny voninahitry ny fanjakany, nandritra ny 180 andro. Nanararaotra an’io fotoana lava io angamba ilay mpanjaka mba hampiderana ny voninahitry ny fanjakany, ka hampiaiky volana an’ireo olona nasaina sy handresy lahatra azy ireo, fa hainy ny manatanteraka izay tetika ataony. Raha izany no izy dia angamba fanasana naharitra herinandro, tamin’ny faran’ireo 180 andro, no resahin’ny andininy faha-3 sy faha-5.

1:8—Inona no dikan’ilay hoe ‘nisotro araka ny tenin’andriana ny olona fa tsy nisy nanery’? Toa fanaon’ny Persanina ny namaritra ny habetsahan’ny zava-pisotro tsy maintsy sotroin’ny olona, rehefa nisy fanasana hoatra an’io. Tsy izany anefa no nataon’i Ahasoerosy Mpanjaka tamin’ity indray mitoraka ity. Hoy ny boky iray: “Afaka nisotro araka izay tiany izy ireo, na be izany na kely.”

1:10-12—Nahoana i Vasty no tsy nety nankeo anatrehan’ny mpanjaka? Misy manam-pahaizana milaza fa tsy nankatò izy, satria tsy te hampietry tena teo anoloan’ireo vahiny mamo nasain’ny mpanjaka. Na mety ho efa mpikomy mihitsy io vadi-mpanjaka io, izay tsara tarehy ivelany fotsiny. Marina fa tsy milaza ny antony nahatonga azy tsy hankatò ny Baiboly. Nihevitra anefa ny olon-kendry tamin’izany, fa raharaha tena lehibe ny tsy fankatoavana vady, ary nety ho naka tahaka ny ohatra ratsy navelan’i Vasty ireo vehivavy manambady rehetra nanerana an’i Persia.

2:14-17—Nanao firaisana tamin’ny mpanjaka ve i Estera? Tsy izany velively. Milaza ilay fitantarana fa rehefa avy tao amin’ny mpanjaka ireo vehivavy, dia nentina tao amin’ny trano faharoa tamin’ny maraina, ka ny ‘mpitandrina ny vadintsindranon’ny’ mpanjaka no niandraikitra azy ireo. Midika izany fa lasa vaditsindranon’ny mpanjaka, na vadiny faharoa, izay vehivavy niaraka taminy nandritra ny alina. I Estera kosa anefa tsy nentina tao amin’ny tranon’ny vaditsindrano, rehefa avy tao amin’ny mpanjaka. “Tian[’i Ahasoerosy] mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra.” (Estera 2:17) Ahoana no nahazoan’i Estera “fitia sy sitraka” tamin’i Ahasoerosy? Mitovy amin’ny fomba nahazoany sitraka tamin’olon-kafa. “Nahafaly [an’i Hegay] razazavavy ka nahita fitia teo imasony.” (Estera 2:8, 9) Ny zavatra hitany tamin’i Estera fotsiny no nahatonga an’i Hegay hankasitraka azy, izany hoe ny hatsaran-tarehiny sy ny toetra tsarany. “Nahita fitia teo imason’ny olona rehetra izay nijery azy” i Estera, raha ny marina. (Estera 2:15) Niaiky volana koa ny mpanjaka noho izay hitany tamin’i Estera, ka raiki-pitia taminy.

3:2; 5:9—Nahoana i Mordekay no tsy nety nandohalika teo anoloan’i Hamana? Afaka niankohoka teo anoloan’ny olo-manan-kaja ny Israelita, ho fanekena ny toerana ambony notanan’izy io. Tsy olo-manan-kaja fotsiny anefa i Hamana, fa Agagita koa, izany hoe Amalekita angamba. Efa nolazain’i Jehovah fa horinganina ny Amalekita. (Deoteronomia 25:19) Toy ny hoe nivadika tamin’i Jehovah àry i Mordekay, raha niankohoka teo anoloan’i Hamana. Nanda tanteraka tsy hanao izany izy, ary nilaza fa Jiosy.—Estera 3:3, 4.

Lesona ho antsika:

2:10, 20; 4:12-16. Nanaiky toromarika sy torohevitra avy tamin’ny mpanompon’i Jehovah matotra i Estera. Hendry koa isika raha ‘mankatò sy manaiky an’ireo mitarika’ eo anivontsika.—Hebreo 13:17.

2:11; 4:5. Tokony ‘hanisy fiheverana manokana izay hahasoa ny hafa isika, fa tsy izay hahasoa ny tenantsika ihany.’—Filipianina 2:4.

2:15. Nahalala onony sy nifehy tena i Estera, ka tsy nitady firavaka fanampiny na akanjo tsara kokoa noho izay efa nomen’i Hegay azy. Nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka kosa izy, satria naneho “ilay toetra miafina ao am-po, izay manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika.”—1 Petera 3:4.

2:21-23. Modely ho antsika i Estera sy Mordekay, satria ‘nanaiky ny manam-pahefana.’—Romanina 13:1.

3:4. Marina fa fahendrena indraindray ny tsy milaza hoe Vavolombelon’i Jehovah isika, toa an’i Estera izay tsy nilaza hoe Jiosy izy. Tsy tokony hatahotra anefa isika hampahafantatra ny maha Vavolombelon’i Jehovah antsika, rehefa tsy maintsy manohana ny zon’i Jehovah hitondra sy maneho tsy fivadihana aminy, satria raharaha lehibe ireo.

4:3. Tokony hivavaka amin’i Jehovah mba hahazo hery sy fahendrena isika, rehefa tojo fitsapana.

4:6-8. Nitady vahaolana araka ny lalàna i Mordekay, mba tsy hahatanteraka an’ilay teti-dratsin’i Hamana.—Filipianina 1:7.

4:14. Fakan-tahaka ny fatokisan’i Mordekay an’i Jehovah.

4:16. Niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah i Estera, ka tsy nivadika sy be herim-po tao anatin’ny toe-javatra nety ho nahafaty azy. Tena mila mianatra miantehitra amin’i Jehovah koa isika, fa tsy tokony hatoky tena.

5:6-8. Nanasa an’i Ahasoerosy fanindroany i Estera, mba hahazoany sitraka aminy. Malina izy tamin’izany ka tokony hotahafintsika.—Ohabolana 14:15.

NIVADIKA FOANA NY RASA

(Estera 6:1–10:3)

Nitsimbadika ny toe-draharaha, rehefa nandeha ny fotoana. I Hamana indray no nahantona tamin’ilay hazo saika hanantonany an’i Mordekay, ary i Mordekay kosa lasa praiminisitra! Ary nanao ahoana ilay tetika handringanana ny Jiosy? Nisy fiovana lehibe nitranga tampoka koa tamin’io.

Naneho herim-po indray i Estera, vehivavy nahatoky. Nanao vivery ny ainy izy nankeo anatrehan’ny mpanjaka, ary nitalaho taminy mba hitady fomba tsy hahatanteraka ilay tetik’i Hamana. Fantatr’i Ahasoerosy ny tokony hatao. Ireo nikasa hamely ny Jiosy àry no novonoina, fa tsy ny Jiosy, rehefa tonga ilay andro saika handringanana azy ireo. Namoaka didy i Mordekay fa hankalazaina isan-taona ny Fetin’ny Porima, ho fahatsiarovana an’io fanafahana lehibe io. ‘Nitady izay hahasoa ny fireneny sady nilaza fiadanana tamin’ny olona rehetra iray firazanana taminy’ i Mordekay, izay lasa manam-pahefana nanarakaraka avy hatrany an’i Ahasoerosy Mpanjaka.—Estera 10:3.

Valin’ny fanontaniana ara-baiboly:

7:4—Nahoana no ho ‘matiantoka ny mpanjaka’, raha noringanina ny Jiosy? Nilaza i Estera fa mety ho azo amidy ho andevo ny Jiosy, satria tiany haseho fa ho matiantoka ny mpanjaka raha noringanina izy ireo. Talenta volafotsy 10 000 mantsy no nampanantenain’i Hamana ho takalon’ny fandringanana azy ireo. Ho be lavitra noho izany anefa ny harena ho azon’ny mpanjaka, raha ny hivarotra ny Jiosy ho andevo no tetik’i Hamana. Tsy vitan’izay koa fa ho faty ny vadin’ny mpanjaka, raha noringanina ny Jiosy.

7:8—Nahoana no nisy tandapa nanarona ny tavan’i Hamana? Nidika ho fahafaham-baraka angamba izany na loza nananontanona. Milaza ny boky iray fa “nosaronan’ny olona fahiny indraindray ny lohan’ireo efa hovonoina.”

8:17—Inona no dikan’ny hoe “maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy”? Maro ny Persanina lasa nanaraka ny fivavahan’ny Jiosy, satria nihevitra fa mariky ny fankasitrahan’Andriamanitra ny Jiosy ny fiovan’ilay didy momba azy ireo. Mitovy amin’izany koa ny antony nahatonga an’ireo folo lahy hanaraka Jiosy iray, ao amin’ny faminanian’i Zakaria. Izao no voalaza ao: “Hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.”—Zakaria 8:23.

9:10, 15, 16—Nahoana ny Jiosy no tsy nandroba ny fananan’ireo olona novonoiny, na dia tsy nandrara izany aza ny didin’ny mpanjaka? Asehon’izany mazava fa ny hiaro ny fireneny no zava-nokendren’izy ireo, fa tsy ny hangoron-karena.

Lesona ho antsika:

6:6-10. “Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.”—Ohabolana 16:18.

7:3, 4. Sahy milaza ve isika fa Vavolombelon’i Jehovah, na dia mety hanenjehana antsika aza izany?

8:3-6. Afaka mitady fanampiana amin’ny mpitondra fanjakana sy ny fitsarana isika, ary tena tokony hanao izany, mba ho voaro amin’ny fahavalo.

8:5. Malina i Estera ka tsy niresaka momba ny andraikitry ny mpanjaka tamin’ny famoahana an’ilay didy hamongorana ny Jiosy. Tokony ho malina koa isika rehefa mitory amin’ny manam-pahefana.

9:22. Tsy tokony hanadino ny mahantra eo anivontsika isika.—Galatianina 2:10.

Hitondra “fahafahana sy famonjena” i Jehovah

Nilaza an-kolaka i Mordekay, fa noho ny fikasan’Andriamanitra no naha lasa vadin’ny mpanjaka an’i Estera. Nifady hanina sy nivavaka mba hahazo fanampiana koa ny Jiosy, rehefa notandindomin-doza. Nandray tsara an’i Estera foana ny mpanjaka, isaky ny tonga teo anatrehany izy, na dia tsy nasainy aza. Ary tamin’ilay alina talohan’ny saika hamonoana an’i Mordekay indrindra ny mpanjaka no tsy nahita tory. Hita araka izany fa mitantana ny zava-drehetra tokoa i Jehovah mba hitondrana soa ho an’ny vahoakany, ary izany indrindra no tantarain’ny bokin’i Estera.

Tena mampahery antsika miaina amin’ny “andro farany” tokoa ilay tantara mahafinaritra ao amin’ny bokin’i Estera. (Daniela 12:4) “Any am-parany”, izany hoe amin’ny tapany farany amin’ny andro farany, dia hanao araka izay fara heriny mba hanafihana ny vahoakan’i Jehovah i Goga avy any Magoga, na i Satana Devoly. Ny hamongotra tanteraka ny tena mpivavaka no tanjony. Hitondra “fahafahana sy famonjena” ho an’ny mpanompony anefa i Jehovah, toy ny tamin’ny andron’i Estera ihany.—Ezekiela 38:16-23; Estera 4:14.

[Sary, pejy 10]

Estera sy Mordekay teo anoloan’i Ahasoerosy