Tianao ve ny Hanana Tena Namana?
Tianao ve ny Hanana Tena Namana?
TIAN’NY ankamaroan’ny olona ny hanana tena namana. Lasa mahafinaritra kokoa mantsy ny fiainana rehefa misy namana akaiky azo iresahana izay manjo ny tena. Ahoana anefa no ahazoana tena namana? Nasehon’i Jesosy, efa ho 2000 taona lasa izay, fa ny fitiavana tsy mitady valiny no tena ilaina mba hifandraisana tsara amin’ny hafa. Hoy izy: “Araka izay tianareo hataon’ny olona aminareo no ataovy aminy koa.” (Lioka 6:31) Hita amin’izany fa tsy maintsy tia manome nefa tsy mitady valiny ianao, raha te hanana namana akaiky. Raha tsorina, dia miezaha mba ho tena namana, raha te hahazo namana. Ahoana izany?
Tsy ho tonga mpinamana akaiky tampotampoka eo ny olona. Tsy olona mifankahalala fotsiny mantsy ny mpinamana, fa mifankahazo am-po mihitsy. Mila miezaka isika raha te hanana fifandraisana akaiky sy maharitra amin’olona. Raha te hanana namana akaiky ianao, dia tsy maintsy izay hahasoa ilay namanao aloha matetika no ataonao, izay vao ny hahasoa anao. Miara-mifaly ny mpinamana, nefa miara-miory koa.
Tena namana ianao raha miara-miory amin’ny olona mila izany sy manampy azy. Hoy ny Ohabolana 17:17: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Misy mpinamana mifankatia kokoa noho ny mpianakavy mihitsy aza mantsy indraindray. Hoy koa ny Ohabolana 18:24: “Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana; fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.” Tianao ho fantatra ve ny fomba hahazoana tena namana toy izany? Tianao ve ny ho anisan’ireo olona malaza ho mifankatia? (Jaona 13:35) Raha eny, dia ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanoro anao ny fomba hahitana tena namana ao amin’ny faritra misy anao.