Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandrahona ny Rehetra ny Fahafatesana

Mandrahona ny Rehetra ny Fahafatesana

Mandrahona ny Rehetra ny Fahafatesana

“MANDRAHONA ny olona foana ny fahafatesana, manomboka eo amin’ny fotoana ahaterahany.” Izany no nosoratan’ilay Anglisy mpahay tantara atao hoe Arnold Toynbee. Hoy koa izy: “Tsy azo ialana izy io fa tsy maintsy hidona indray andro any.” Tena malahelo mafy tokoa isika, rehefa mamoy havan-tiana na namana akaiky!

Efa hatramin’ny an’arivony taona ny fahafatesana no nampahory ny olombelona. Mahatsiaro ho tsy afa-manoatra isika, rehefa indaosin-dRafahafatesana ny olona iray tena mamintsika. Malahelo daholo ny olona, na iza izy na iza, rehefa ao anatin’ny fahoriana toy izany. Hoy ny mpanoratra iray tamin’ireo taona 1800: “Miverina ho ankizy isika rehetra, rehefa malahelo mafy. Tsy misy fahasamihafan’ny fari-pahaizana amin’izay fotoana izay, ary na ny hendry indrindra aza lasa very hevitra.” Manjary toy ny ankizy tokoa isika rehefa idonam-pahoriana, satria tsy afa-manoatra sy tsy mahavita manova ny zava-mitranga. Tsy mampody ny ain’ilay maty, na ny harena na ny fahefana. Tsy misy mahita vahaolana koa na ny hendry na ny manam-pahaizana. Ary samy mitomany na ny matanjaka na ny kely aina.

Ory mafy toy izany i Davida, mpanjakan’ny Israely fahiny, rehefa nodimandry i Absaloma zanany lahy. Nitomany izy rehefa nahare an’ilay vaovao, sady niantsoantso hoe: “Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!” (2 Samoela 19:1) Tsy nahavita na inona na inona i Davida tamin’izay, nefa mpanjaka nahery izy ary efa naharesy fahavalo natanjaka be. Ny hany sisa heriny dia nilaza hoe naleony izy no resin’ny “fahafatesana, izay fahavalo farany”, toy izay ny zanany.—1 Korintianina 15:26.

Mety ho resy àry ve ny fahafatesana? Inona no azo antenaina momba ireo maty? Mbola hahita ireo havantsika efa nodimandry ve isika? Ho hitanao ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny valiny omen’ny Soratra Masina.