Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompo Miaraka Amin’ny Fiangonana Miteny Vahiny

Manompo Miaraka Amin’ny Fiangonana Miteny Vahiny

Manompo Miaraka Amin’ny Fiangonana Miteny Vahiny

NANORATRA toy izao ny apostoly Jaona: “Hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra.” (Apokalypsy 14:6) Tanteraka amin’izao andro izao io faminaniana io, satria torina eran-tany amin’ny fiteny maro samihafa ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mandre ny vaovao tsara koa ireo olona mifindra monina any an-tany lavitra, satria misy Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po nianatra ny fitenin’izy ireo.

Moa ve ianao anisan’ireo Vavolombelona miaraka amin’ny fiangonana miteny vahiny? Sa vao mikasa ny hanao izany? Tsy maintsy mahafoy tena sy manana toe-tsaina tsara ianao, raha te hahomby. Tsy maintsy tena tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona ianao, satria ny hanampy ny hafa hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly no tanjonao. (Matio 22:37-39; 1 Korintianina 13:1) Marina fa mahaliana ny miaraka amin’ny fiangonana miteny vahiny, satria ahalalana olona sy kolontsaina ary karazan-tsakafo hafa noho ny anao. Tsy izany anefa no tokony hanosika anao hifindra, fa ny faniriana hanampy ny hafa hahafantatra an’Andriamanitra. Mihevitra anefa ve ianao fa tsy ho vitanao mihitsy ny hianatra teny vahiny? Mila manova ny fomba fihevitrao ianao raha izany. “Aza kivy am-boalohany”, hoy i James, izay nianatra teny japoney. Tadidio fa maro no efa nahomby. Hanampy anao izany mba hiezaka foana fa tsy ho mora kivy. Ahoana àry no hahaizanao teny vahiny? Inona no hanampy anao hiara-miasa tsara amin’ilay fiangonana vaovao? Ary inona no tsy maintsy ataonao mba hatanjaka ara-panahy foana?

Fomba fianarana teny vahiny

Maro ny fomba azo ianarana teny vahiny, ary samy manana ny tiany ny olona. Mampahay haingana kokoa anefa mazàna ny manatrika kilasy fianarana teny vahiny, tarihin’ny mpampianatra mahay. Mihainoa kasety, ary mamakia Baiboly sy boky ara-baiboly amin’ilay fiteny. Hanampy anao izany mba hianatra voambolana maro sy hahay ireo fomba fiteny fampiasa any am-pivoriana. Afaka manazatra anao amin’ilay fiteny sy kolontsaina vaovao koa ny video na fandaharana sasany ao amin’ny radio sy tele. Tsara kokoa ny mianatra kely isan’andro, toy izay miaritra mianatra be mandritra ny ora maro, nefa tsindraindray ihany.

Toy ny mianatra milomano ny mianatra teny vahiny. Tsy hahay hilomano ianao raha mamaky boky momba izany fotsiny. Tsy maintsy miditra ao anaty rano ianao, ary mikofokofoka ao. Toy izany koa ny fianarana teny vahiny. Tsy ampy ny lesona be fotsiny, fa mila mifanerasera amin’ny olona mampiasa ilay fiteny ianao. Henoy ny fomba firesany, ary aza misalasala miresaka aminy! Afaka manao izany tsara ianao eny amin’ny fanompoana, satria matetika no azonao ampiharina avy hatrany izay nianaranao. Hoy i Midori, mianatra teny sinoa: “Mety hampahatahotra ilay izy, nefa rehefa hitan’ny olona hoe miezaka mafy ianao, dia manohina ny fony izany. Miramirana erỳ izy ireo, raha vao mampiasa ny fiteniny ianao, ka milaza fotsiny hoe: ‘Faly mahafantatra anao aho’!”

Tena manampy koa ny fivoriana. Miezaha mba hamaly indray mandeha, fara fahakeliny, isaky ny mivory. Mety hampitebiteby izany amin’ny voalohany, nefa mahereza, satria tena manohana anao ny fiangonana! Hoy i Monifa, mianatra teny koreanina: “Misy rahavavy iray mipetraka eo akaikiko isaky ny fivoriana, ary tena isaorako mihitsy izy satria mandika ny teny sasany tsy haiko. Tsara fanahy sy maneho faharetana izy, ka tena manampy ahy izany.” Rehefa mitombo ny voambolana hainao, dia ho tonga ao an-tsainao avy hatrany ny hevitra tokony hampitaina, fa tsy mila mandika ny teny tsirairay intsony ianao.

Ny hilaza teny mazava tsara no tokony hiezahanao voalohany indrindra. (1 Korintianina 14:8-11) Na tsy sarotiny aza ny olona, dia mety tsy hifantoka amin’izay lazainao raha be diso ny teninao, na hafahafa be ny fanononanao ny teny sasany. Ianaro tsara dieny eo am-boalohany àry ny fitsipi-pitenenana sy ny fomba fanononana ireo teny, mba tsy hanananao fahazaran-dratsy sarotra ialana. Izao no soso-kevitr’i Mark, nianatra teny swahili: “Asaivo ahitsin’ireo mahay tsara an’ilay fiteny ny diso ataonao, ary ankasitraho ny fanitsiany!” Aza manararaotra azy ireo loatra anefa, satria mety handany fotoana sy hamizana azy izany. Azonao atao ny mangataka olona mba hanampy anao hanomana ny valin-teninao sy ny anjaranao, kanefa ataovy aloha izay vitanao, ka ampiasao ireo teny efa hainao, na mijere diksionera. Halaky hahay ianao amin’izay, ary tsy hatahotahotra rehefa miteny.

Ampitomboy hatrany ny fahaizanao

Hoy i Monifa: “Ny fianarana teny vahiny no zavatra sarotra indrindra nataoko hatramin’izay. Tiako hajanona ilay izy indraindray, nefa miezaka ihany aho. Fantatro mantsy fa tena tian’ireo mpianatra ny mandre ny fahamarinana lalina, amin’ny teny koreanina tsotra ampiasaiko. Faly koa ny mpiara-manompo rehefa mahita fa mitombo ny fahaizako, na dia kely fotsiny aza.” Aza mora kivy àry, satria ny hampianatra ny fahamarinana mamonjy aina no tanjonao. (1 Korintianina 2:10) Mila miezaka mafy sy manam-paharetana ianao, raha te hahay hampianatra Baiboly amin’ny fiteny vahiny. Aza mampitaha ny fahaizanao amin’ny an’ny hafa anefa. Misy mantsy mianatra haingana kokoa, sady tsy mitovy ny fomba ahaizan’ny olona. Tsara kosa anefa ny mijery ny fandrosoana vitanao. (Galatianina 6:4) Hoy i Joon, mianatra teny sinoa: “Toy ny miakatra tohatra lava be ny mianatra teny vahiny. Toa zara raha mandroso ny dianao, nefa rehefa jerena dia efa tafakatra ambony ihany ianao.”

Mbola mila mianatra foana ianao na dia efa mahay aza. Ataovy àry izay hahitanao fifaliana amin’ilay fianarana. (Salamo 100:2) Aza mitady ny tonga lafatra anefa, satria tsy maintsy hanao fahadisoana ianao. Mampiana-javatra anao koa izany. Vao nanomboka nitory tamin’ny teny italianina ny rahalahy iray dia nilaza hoe: “Fantatrao ve ny kifafan’ny fiainana?”, nefa “zava-kendren’ny fiainana” no tiany holazaina. Nanasa ny mpanatrika hanao ny alikan’ilay Fanjakana ny rahalahy iray vao nianatra teny poloney, nefa hiran’ilay Fanjakana no tokony ho izy. Nanao lahateny ny Vavolombelona iray nianatra teny sinoa. Saika hampirisika ny mpihaino mba hino ny vidim-panavotan’i Jesosy izy, nefa niova kely fotsiny ny feony, ka fitoeram-bokin’i Jesosy no voalazany. Mahasoa ihany anefa ireny fahadisoana ireny, satria tsy mamerina intsony ianao rehefa ahitsy.

Miaraha miasa amin’ny fiangonana

Tsy mifankahazo ny olona rehefa tsy mitovy fiteny. Vao mainka tsy mifanaraka izy ireo, rehefa samy hafa kolontsaina sy foko ary firenena. Tsy voatery ho toy izany foana anefa. Nisy manam-pahaizana nandinika ireo mpivavaka miteny sinoa any Eoropa, ka voamariny fa miray saina ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia samy hafa firenena aza. Nilaza izy hoe “tsy mampaninona azy ireo izay fiavianao, ary raisiny ho fomba ianarana ny tenin’Andriamanitra fotsiny ireo fiteny samihafa”, fa tsy avelany hampisaratsaraka azy. Azo antoka fa ny fampiharana ny toro lalan’ny Baiboly no manampy ny tena Kristianina hiray saina, na dia samy hafa firenena aza izy ireo. Amin’ireo olona mitafy ny “toetra vaovao” mantsy, dia ‘tsy misy hoe Grika na Jiosy na hafa firenena.’—Kolosianina 3:10, 11.

Tokony hiezaka hampisy firaisan-tsaina ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. Noho izany, dia tokony halala-tsaina ianao, ary ho vonona hanaiky fomba fisaina na fanaovan-javatra tsy mitovy amin’ny anao. Tsy voatery hampisaratsaraka ireny tsy fitoviana ireny, raha mahay mandefitra ianao, na dia misy zavatra tianao manokana aza. (1 Korintianina 1:10; 9:19-23) Izay lafy tsarany amin’ny kolontsain’ny olona jerena. Tadidio fa mifandray tsara sy miray saina ny olona, rehefa mifampiahy sy tsy tia tena.

Vitsy ny mpivory eo anivon’ny fiangonana miteny vahiny, amin’ny voalohany. Vavolombelona mianatra an’ilay fiteny ny ankamaroan’izy ireo, miampy ireo olona vao mianatra ny toro lalan’ny Baiboly. Mety hisy àry ny tsy fifankahazoana, ary mitranga matetika kokoa noho ny any amin’ireo fiangonana lehibe sy tranainy kokoa izany. Tokony hiezaka mafy hampisy firaisan-tsaina ireo Kristianina matotra, noho izany. Mahafinaritra kokoa ny fifandraisana eo anivon’ny fiangonana, rehefa maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ny rehetra, amin’ny teniny sy ny ataony. Manampy ireo vaovao handroso ara-panahy izany.

Tsy tokony hitaky be loatra amin’ny hafa koa ireo mifindra any amin’ny fiangonana miteny vahiny. Nanazava toy izao i Rick, anti-panahy: “Mbola tsy mahay tsara ny fomba fiasa eo anivon’ny fiangonana ny rahalahy vaovao sasany, raha oharina amin’ireo rahalahy any amin’ny fiangonana tsy miteny vahiny. Na izany aza anefa dia be fitiavana sy mafana fo izy ireo, ka be dia be ny olona liana manaiky ny fahamarinana.” Tena handray soa ny fiangonana, raha mandray anjara foana amin’izay rehetra atao ianao, na dia vao mianatra ilay fiteny aza. Hiroborobo ny fiangonana raha miara-miasa ny rehetra.

Aoka ianao hatanjaka ara-panahy foana

Sendra nahare mpianaka nifampiresaka ny rahalahy iray vao nifindra tamin’ny fiangonana miteny vahiny. Nanomana valin-teny ho an’ny zanany ilay reny, ka hoy ilay ankizy: “Tsy mba misy fohifohy angaha, ry Neny?” Namaly ilay reniny hoe: “Aleo kosa mba ho an’ireo mianatra teny vahiny ny valin-teny fohy.”

Tsy afaka mampita tsara ny heviny ireo mianatra teny vahiny, mandritra ny volana maro na taona maro mihitsy aza. Mety handreraka ny saina sy hahakivy ary hisy vokany eo amin’ny ara-panahy izany. “Matetika aho taloha no kivy noho ny tsy fahaizako”, hoy i Janet, izay efa mahay miteny espaniola misosa tsara. Izao no noeritreretin’i Hiroko, tamin’izy vao nianatra teny anglisy: ‘Ny alika atỳ aza mba mahalala baiko amin’ny teny anglisy, fa izaho tsy mahay teny anglisy mihitsy na kely aza.’ Hoy i Kathie: “Nanana fampianarana Baiboly sy fitsidihana be dia be aho taloha, fa rehefa nifindra tamin’ny fiangonana miteny espaniola aho, dia tsy nanana na iray aza. Hoatran’ny tsy nisy na inona na inona vitako.”

Amin’izay indrindra no ilaina ny mijery ny lafy tsaran-javatra. Izao no nataon’i Hiroko tao an-tsaina rehefa kivy izy: “Vitan’ny hafa ve dia tsy mba ho vitako?” Hoy i Kathie: “Nampahery ahy ny nahita ny vadiko nihanahay an’ilay fiteny sady nahavita asa betsaka teo anivon’ny fiangonana. Faly koa aho satria efa mihamahay mitory sy mampianatra, na dia mbola mila miezaka be aza.” Hoy i Jeff vadiny: “Kivy mihitsy aho indraindray rehefa misy tsy azoko ny fampandrenesana sy ny fivorian’ny anti-panahy. Tsy maintsy manetry tena aho, ka mitsotra hoe tsy azoko ilay izy. Vonona hanampy ahy foana ireo rahalahy.”

Ny fifandraisanao amin’i Jehovah no tsy maintsy ataonao loha laharana, mba tsy halemy ara-panahy ianao, rehefa mifindra amin’ny fiangonana miteny vahiny. (Matio 5:3) Hoy i Kazuyuki, izay nifindra tamin’ny fiangonana miteny portogey hatramin’ny taona maro: “Tsy maintsy mandray sakafo ara-panahy ampy tsara izahay, ka manao fianaram-pianakaviana sy manomana fivoriana amin’ny fiteninay sy amin’ny teny portogey.” Misy koa manatrika fivoriana amin’ny fiteniny, tsindraindray. Ary aza hadinoina fa mila miala sasatra tsara ianao.—Marka 6:31.

Diniho tsara izay ho vokany

Raha mieritreritra ny hifindra amin’ny fiangonana miteny vahiny ianao, dia diniho tsara aloha izay mety ho tafiditra amin’izany. (Lioka 14:28) Ny fanompoanao sy ny fifandraisanao amin’i Jehovah no zava-dehibe indrindra. Ataovy antom-bavaka ny fikasanao. Eritrereto koa ny vady aman-janakao. Mieritrereta hoe: ‘Mety amiko ve ny mifindra, amin’izao toe-javatra misy ahy izao? Matanjaka ara-panahy sy matanja-tsaina tsara ve aho, ka hahavita izany ezaka maharitra izany?’ Fahendrena ny mikatsaka izay tena hahasoa ny fianakavianao, eo amin’ny ara-panahy. Afaka manompo foana ianao, ary hahita fifaliana amin’izany, na aiza na aiza itorianao.

Handray valisoa lehibe ireo afaka manompo miaraka amin’ny fiangonana miteny vahiny. Hoy i Barbara, izay nifindra tamin’ny fiangonana miteny espaniola niaraka tamin’ny vadiny: “Mbola tsy nisy zavatra nahafinaritra toy izany teo amin’ny fiainako. Hoatran’ny hoe vao nianatra ny fahamarinana indray aho. Tena tiako ilay izy, sady izahay koa tsy mba afaka ny ho misionera any an-tany hafa.”

Maneran-tany, dia misy karazan’olona maro, na antitra na tanora, miezaka mianatra teny vahiny mba hitoriana ny vaovao tsara. Anisan’izy ireo ve ianao? Aoka àry ho tsara foana ny toe-tsainao, ary mijere lafy tsaran-javatra. Matokia hatrany an’i Jehovah, mba hahomby ny ezaka ataonao.—2 Korintianina 4:7.

[Sary, pejy 18]

Mampahay haingana kokoa ny manatrika kilasy fianarana teny vahiny, tarihin’ny mpampianatra mahay

[Sary, pejy 20]

Aza atao ambanin-javatra ny ara-panahy, rehefa mianatra teny vahiny