Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!

Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!

“ ‘Mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto.’ ”—2 KORINTIANINA 6:17.

1. Inona no tena irin’ny olona tso-po maro ho fantatra?

MARO ny olona tso-po tena maniry hahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra sy ny hoavin’ny olombelona. Tsy mahita fanazavana mahafa-po anefa izy ireo, ka very hevitra sy tsy mahalala izay tokony hatao. Olona an-tapitrisany no tsy afaka amin’ireo finoanoam-poana sy fombafomba ary fety mampahatezitra ny Mpamorona. Mety hino ny mpiara-monina aminao na ny havanao, fa misy ny afobe, telo izay iray Andriamanitra, tsy mety maty ny fanahy, na fampianaran-diso hafa.

2. Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana, ary inona no vokany?

2 Nahoana no betsaka toy izany ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra? Mahagaga fa noho ny fivavahana ihany. Maro mantsy ny fikambanana ara-pivavahana sy mpitondra fivavahana, mampianatra zavatra mifanohitra amin’ny hevitr’Andriamanitra. (Marka 7:7, 8) Olona maro àry no voafitaka, ka mieritreritra fa manompo an’ilay tena Andriamanitra izy ireo, nefa mampahatezitra azy raha ny marina. Ny fivavahan-diso no tena tompon’antoka amin’izany toe-javatra mampalahelo izany.

3. Iza no tena mampiroborobo ny fivavahan-diso, ary inona no resahin’ny Baiboly momba azy?

3 Manohana ny fivavahan-diso ny zavaboary iray tsy hita maso. Hoy ny apostoly Paoly momba azy io: “Ny andriamanitr’ity tontolo ity no manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hamirapiratan’ny fahazavan’ny vaovao tsara be voninahitra, dia ilay vaovao tsara momba an’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra.” (2 Korintianina 4:4) Tsy iza io “andriamanitr’ity tontolo ity” io fa i Satana Devoly. Izy no tena mampiroborobo ny fivavahan-diso. Hoy i Paoly: ‘Miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava i Satana. Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony.’ (2 Korintianina 11:14, 15) Ataon’i Satana izay hahatonga ny zavatra ratsy ho toa tsara, ary fitahiny ny olona mba hino lainga.

4. Inona no nolazain’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israely fahiny, momba ny mpaminany sandoka?

4 Tsy mahagaga àry raha manameloka mafy ny fivavahan-diso ny Baiboly! Ny Lalàn’i Mosesy, ohatra, dia nampitandrina mazava tsara an’ireo vahoaka voafidin’Andriamanitra, mba tsy hanaraka mpaminany sandoka. ‘Natao maty’ izay olona nampianatra lainga, na nitarika ny olona hivavaka tamin’andriamani-diso, satria fikomiana tamin’i Jehovah izany. Nasaina ‘namongotra ny fanao ratsy tsy ho eo aminy’ ny Israelita. (Deoteronomia 13:2-6) Eny, raisin’i Jehovah ho anisan’ny fanao ratsy tokoa ny fivavahan-diso.—Ezekiela 13:3.

5. Inona no fampitandremana tokony harahintsika ankehitriny?

5 Nanahaka an’i Jehovah i Jesosy Kristy sy ny apostoliny, ka nankahala tanteraka ny fivavahan-diso. Nampitandrina ny mpianany toy izao i Jesosy: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa manao fitafian’ny ondry izy nefa amboadia mpiremby ao anatiny ao.” (Matio 7:15; Marka 13:22, 23) Hoy koa i Paoly: ‘Aharihary avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra, dia ny fahatezerany amin’ny asa ratsy sy ny tsy fahamarinana rehetra ataon’ny olona misakana ny fahamarinana.’ (Romanina 1:18) Zava-dehibe àry ny hankatoavan’ny tena Kristianina an’ireo fampitandremana ireo, izany hoe tsy hifandray amin’ny olona misakana ny fielezan’ny fahamarinana ara-baiboly na manely fampianaran-diso!—1 Jaona 4:1.

Mialà amin’i “Babylona Lehibe”

6. Asehon’ny Baiboly ho toy ny inona i “Babylona Lehibe”?

6 Diniho ny fomba ilazan’ny bokin’ny Apokalypsy, ny fivavahan-diso. Asehony ho toy ny vehivavy mpivaro-tena mamon-divay izy io, ary manana fahefana eo amin’ny fanjakana maro sy ny vahoaka. Nijangajanga tamin’ny mpanjaka maro io vehivavy an’ohatra io, ary mamon’ny ran’ireo mpanompon’Andriamanitra. (Apokalypsy 17:1, 2, 6, 18) Voasoratra eo amin’ny handriny ny anarany, ary mifanentana amin’ny fitondran-tenany maloto sy maharikoriko izy io. Tsy inona izany fa ilay hoe “Babylona Lehibe, renin’ny mpivaro-tena sy ny zava-maharikoriko amin’ny tany.”—Apokalypsy 17:5.

7, 8. Nahoana ny fivavahan-diso no lazaina fa mijangajanga, ary inona no vokany?

7 Rehefa jerena ny fomba ilazan’ny Soratra Masina an’i Babylona Lehibe, dia hita fa ny fivavahan-diso rehetra no resahiny. Marina aloha fa tsy mivondrona ao anaty fikambanana iray, ireo fivavahana an’arivony ireo. Azo lazaina hoe tafaray anefa izy ireo, satria mitovy ny fikasany sy ny zavatra ataony. Ao amin’ny Apokalypsy dia aseho ho toy ny vehivavy maloto fitondran-tena ny fivavahan-diso, satria manana fahefana lehibe eo amin’ny fitondram-panjakana izy io. Mijangajanga toy ny vehivavy tsy manaja ny voadim-panambadiany ny fivavahan-diso, noho izy manao fifanekena amin’ny mpitondra ara-politika maro. Hoy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Ry mpanitsakitsa-bady, tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.”—Jakoba 4:4.

8 Tena mampijaly ny olombelona io fiarahan’ny fivavahan-diso sy ny fitondram-panjakana io. Hoy ny Profesora Xolela Mangcu, Afrikanina mpamakafaka politika: “Olona maro be no maty tamin’ny lasa, noho ny fifangaroan’ny fivavahana sy ny politika.” Izao koa no nolazain’ny gazety iray vao haingana: ‘Misy ifandraisany amin’ny fivavahana avokoa ankehitriny, ny fifandonana mandatsa-dra be indrindra sy mampidi-doza indrindra.’ Ain’olona an-tapitrisany no nafoy noho ireo fifandonana tohanan’ny fivavahana. Nanenjika sy namono ny tena mpanompon’Andriamanitra mihitsy aza i Babylona Lehibe, ka toy ny hoe mamon’ny ran’izy ireo.—Apokalypsy 18:24.

9. Ahoana no ampisehoan’ny bokin’ny Apokalypsy fa halan’i Jehovah ny fivavahan-diso?

9 Miresaka ny zavatra hitranga amin’i Babylona Lehibe ny Baiboly. Hita taratra avy amin’izany fa tena halan’i Jehovah ny fivavahan-diso. Hoy ny Apokalypsy 17:16: “Ny tandroka folo efa hitanao, sy ilay bibidia, dia hankahala an’ilay mpivaro-tena ka handroba izay ananany rehetra sy hampitanjaka azy, ary hanapitra ny nofony sy handoro azy tanteraka amin’ny afo.” Horotidrotehin’ny bibidia goavana iray ilay vehivavy, mandra-pahafatiny. Hohaniny ny nofony avy eo, ary hodorana izay sisa tsy laniny. Tsy ho ela ny fitondram-panjakan’olombelona, dia hanatanteraka an’io faminaniana io amin’ny fivavahan-diso. Hataon’Andriamanitra izay hitrangan’izany. (Apokalypsy 17:17) Tsy maintsy ho ringana i Babylona Lehibe, na ny fivavahan-diso rehetra. “Tsy ho hita intsony izy.”—Apokalypsy 18:21.

10. Inona no fepetra tokony horaisintsika, manoloana ny fivavahan-diso?

10 Inona no fepetra tokony horaisin’ny tena Kristianina, manoloana an’i Babylona Lehibe? Mazava ny baiko omen’ny Baiboly hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.” (Apokalypsy 18:4) Tsy maintsy miala ao amin’ny fivavahan-diso izay tsy te ho ringana, dieny mbola misy ny fotoana. Nilaza i Jesosy Kristy fony teto an-tany, fa maro ny olona hihambo ho mpanara-dia azy, amin’ny andro farany. (Matio 24:3-5) Hilaza amin’izy ireo anefa izy hoe: “Tsy fantatro mihitsy ianareo! Mialà amiko, ianareo mpandika lalàna.” (Matio 7:23) Lavin’i Jesosy Kristy Mpanjaka, ny fivavahan-diso.

 Ahoana no hialana amin’ny  fivavahan-diso?

11. Inona no tafiditra amin’ny hoe miala amin’ny fivavahan-diso?

11 Miala amin’ny fivavahan-diso ny tena Kristianina. Mandà ny fampianaran-disony isika, izany hoe tsy mihaino fandaharana ara-pivavahana ao amin’ny radio na tele, sady tsy mamaky boky ara-pivavahana izay mampianatra lainga momba an’Andriamanitra sy ny Teniny. (Salamo 119:37) Hendry koa isika, raha tsy manatrika fiaraha-mikorana na fialam-boly karakarain’ny fikambanana mifandray amin’ny fivavahan-diso. Tsy manohana ny fivavahan-diso isika, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. (1 Korintianina 10:21) Ho voaro isika raha mandray fepetra toy izany, ka tsy hisy hahalasa antsika “ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kolosianina 2:8.

12. Inona no azon’ny olona iray atao, raha te hanapa-patorana amin’ny fivavahan-diso izy?

12 Inona no tokony hataon’ny olona iray, raha maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy, nefa mbola anisan’ny fivavahan-diso iray? Afaka manoratra taratasy fialana izy, mba hanaporofoany fa nanapa-patorana tamin’ny fivavahan-diso ny tenany. Zava-dehibe ny handraisan’ilay olona fepetra hentitra, mba tsy ho voaloton’ny fivavahan-diso intsony izy. Tokony ho hita taratra eo amin’ny zavatra ataon’ilay olona, fa tsy mifandray intsony amin’ilay fivavahana izy. Tokony hiharihary amin’ny mpiara-mivavaka taminy sy ny mpitazana izany.

13. Ahoana no ilazan’ny Baiboly, fa mila miala amin’ny fivavahan-diso isika?

13 Hoy ny apostoly Paoly: “Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino. Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina? Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala? Ary inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino? Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy? ... ‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto.’ ” (2 Korintianina 6:14-17) Mankatò an’ireo teny ireo isika, raha miala amin’ny fivavahan-diso. Te hilaza ve i Paoly fa tokony handosirantsika koa ireo mpivavaka ao amin’ny fivavahan-diso?

“Mitondrà tena amim-pahendrena foana”

14. Tsy tokony hifandray amin’ireo mpivavaka ao amin’ny fivavahan-diso mihitsy ve isika? Hazavao.

14 Tsy tokony hifandray amin’ny mpivavaka ao amin’ny fivavahan-diso mihitsy ve ny tena Kristianina? Hihatakataka tanteraka amin’izay tsy mitovy finoana amintsika ve isika? Tsia. Milaza ny didy faharoa amin’ireo didy lehibe indrindra hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Matio 22:39) Tena maneho fitiavana ny mpiara-belona amintsika isika, rehefa milaza aminy ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. Asehontsika koa fa tia azy ireo isika, rehefa miara-mianatra Baiboly aminy, ary milaza amin’izy ireo fa mila miala amin’ny fivavahan-diso izy.

15. Inona no dikan’ny hoe “tsy anisan’izao tontolo izao”?

15 Mpanara-dia an’i Jesosy anefa isika, ka “tsy anisan’izao tontolo izao”, na dia mitory ny vaovao tsara amin’ny mpiara-belona amintsika aza. (Jaona 15:19) Ny hoe “izao tontolo izao”, dia manondro ny fitambaran’olona tafasaraka amin’Andriamanitra. (Efesianina 4:17-19; 1 Jaona 5:19) Tsy anisan’izao tontolo izao isika, rehefa tsy manahaka ny toe-tsainy sy ny fiteniny ary ny fitondran-tenany, izay mampahatezitra an’i Jehovah. (1 Jaona 2:15-17) Ambonin’izany, dia tsy mifandray akaiky amin’ireo tsy manaraka ny fitsipika kristianina isika, araka ilay toro lalana hoe: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Miaro ny tenantsika “tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao” koa isika. (Jakoba 1:27) Araka izany, ny hoe tsy anisan’izao tontolo izao dia tsy midika hoe mihataka tanteraka amin’ny hafa.—Jaona 17:15, 16; 1 Korintianina 5:9, 10.

16, 17. Ahoana no tokony hitondran’ny Kristianina an’ireo tsy mahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly?

16 Ahoana àry no tokony hitondrantsika an’ireo tsy mahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly? Hoy i Paoly tamin’ny fiangonan’i Kolosia: “Mitondrà tena amim-pahendrena foana amin’ny olona eny ivelany, ka mahaiza manararaotra fotoana. Aoka ho teny mahafinaritra sady mamy sira foana no holazainareo, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona tsirairay.” (Kolosianina 4:5, 6) Nanoratra koa ny apostoly Petera hoe: “Manamasìna ... an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo, ka aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.” (1 Petera 3:15) Nanoro hevitra ny Kristianina i Paoly mba “tsy hanaratsy olona, tsy ho tia ady, fa handefitra sy halemy fanahy tanteraka amin’ny olona rehetra.”—Titosy 3:2.

17 Vavolombelon’i Jehovah isika, ka tsy tokony hasiaka na hiavonavona amin’ny hafa. Tsy hampiasa teny manivaiva ny olona ao amin’ny fivavahana hafa koa isika. Mila mandanjalanja ny zavatra lazaintsika kosa isika, na dia ratsy fanahy, na miteny ratsy antsika aza ny olona itoriantsika, ny mpiara-monina na mpiara-miasa amintsika.—Kolosianina 4:6; 2 Timoty 2:24.

“Hazòny hatrany ny modelin’ny teny mahasoa”

18. Manao ahoana ny haratsin’ny hoe miverina any amin’ny fivavahan-diso?

18 Hampalahelo tokoa raha miverina any amin’ny fivavahan-diso indray ny olona iray, nefa efa nahafantatra ny fahamarinana! Miresaka ny voka-dratsin’izany ny Baiboly. Hoy izy io: “Raha efa nandositra niala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao izy ireo, noho ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompo sy Mpamonjy, kanefa tafiditra indray amin’izany ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny iafaran’izy ireo. ... Tanteraka tamin’izy ireo ny voalazan’ilay ohabolana marina hoe: ‘Ny amboa miverina amin’ny loany, ary ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray.’ ”—2 Petera 2:20-22.

19. Nahoana no tena ilaina ny mitandrina amin’izay zavatra mety hanimba ny finoantsika?

19 Maro ny zavatra mety hanimba ny finoantsika, ka tsy maintsy mitandrina isika. Nampitandrina ny apostoly Paoly hoe: “Milaza marimarina ny fanambarana avy amin’ny fanahy fa any aoriana any, dia hiala amin’ny finoana ny sasany ka hihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy hihaino fampianaran’ny demonia.” (1 Timoty 4:1) Miaina amin’io vanim-potoana noresahin’i Paoly io isika izao. Izay tsy miala tanteraka amin’ny fivavahan-diso, dia mety “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny olona, sy amin’ny alalan’ny hafetsen-dratsy amin’ny famoronana hevi-diso.”—Efesianina 4:13, 14.

20. Inona no hiaro antsika tsy ho simban’ny fitaoman-dratsin’ny fivavahan-diso?

20 Inona no hiaro antsika tsy ho simban’ny fitaoman-dratsin’ny fivavahan-diso? Saintsaino ny zavatra rehetra nomen’i Jehovah antsika. Manana ny Tenin’Andriamanitra isika. (2 Timoty 3:16, 17) Omen’i Jehovah sakafo ara-panahy tondraka koa isika, amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina.” (Matio 24:45) Tokony hiezaka hankafy ny ‘ventin-kanina [natao] ho an’ny olona matotra’ isika, arakaraka ny androsoantsika ara-panahy. Tokony hanatrika fivoriana koa isika, mba hianarantsika ny fahamarinana. (Hebreo 5:13, 14; Salamo 26:8) Aoka àry isika hanararaotra ny fandaharana rehetra ataon’i Jehovah, mba hahafahantsika ‘hihazona hatrany ny modelin’ny teny mahasoa’ izay efa rentsika. (2 Timoty 1:13) Amin’izay dia ho tafasaraka amin’ny fivavahan-diso foana isika.

Inona no Nianaranao?

• Iza moa i “Babylona Lehibe”?

• Inona no tsy maintsy ataontsika mba hialana amin’ny fivavahan-diso?

• Inona avy no mety hanimba ny finoantsika, ka tokony hitandremantsika tena?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 28]

Fantatrao ve hoe nahoana i “Babylona Lehibe” no aseho ho toy ny vehivavy maloto fitondran-tena?

[Sary, pejy 29]

Tsy maintsy ho ringana i “Babylona Lehibe”

[Sary, pejy 31]

‘Malemy fanahy’ amin’ireo olona tsy mitovy finoana amintsika isika, sady ‘manaja’ azy ireo