Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Samy Hitondra ny Entany avy ny Tsirairay’

‘Samy Hitondra ny Entany avy ny Tsirairay’

‘Samy Hitondra ny Entany avy ny Tsirairay’

“Samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.” —ROMANINA 14:12.

1. Inona no andraikitra noraisin’ireo Hebreo telo lahy?

NIATRIKA fanapahan-kevitra niankinan’ny ainy ny tanora hebreo telo nipetraka tany Babylona. Hiankohoka eo anoloan’ny sarivongana goavana iray ve izy ireo, araka ny lalàn’ilay firenena, sa handa ka hatsipy ao anaty lafaoro mirehitra? Tsy nanam-potoana hanontaniana olona i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, sady tsy nila nanao izany. Tsy nisalasala izy ireo nilaza hoe: “Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” (Daniela 3:1-18) Nandray ny andraikiny ireo Hebreo telo.

2. Iza no nanapa-kevitra ho an’i Pilato, momba izay hatao amin’i Jesosy Kristy? Afa-tsiny tamin’izany ve ilay governora romanina?

2 Nihaino ny fiampangana ny lehilahy iray ny governora iray, 600 taona teo ho eo taorian’izay. Niaiky izy, taorian’ny famotopotorana nataony, fa tsy meloka izy io. Nangataka ny hamonoana an’ilay voampanga anefa ny vahoaka. Niezaka nanda ihany aloha ilay governora, saingy tsy sahy nandray ny andraikiny, fa nanaiky ny sitrapon’ny vahoaka. Nanasa tanana izy sady nilaza hoe: “Afa-tsiny amin’ny ran’io lehilahy io aho.” Natolony hofantsihana ilay lehilahy taorian’izay. Tsy nandray ny andraikiny tokoa i Pontio Pilato, na dia izy aza no tokony hanapa-kevitra momba izay hatao amin’i Jesosy Kristy. Ny olon-kafa indray no navelany hanapa-kevitra ho azy. Tsy afa-tsiny mihitsy izy noho io sazy tsy ara-drariny nampihariny tamin’i Jesosy io, na betsaka toy inona aza ny rano nanasany tanana.—Matio 27:11-26; Lioka 23:13-25.

3. Nahoana ny hafa no tsy tokony havelantsika hanapa-kevitra ho antsika?

3 Ahoana ny aminao? Rehefa mila mandray fanapahan-kevitra ianao, moa ve ianao toa an’ireo Hebreo telo, sa ny hafa no avelanao hanapa-kevitra ho anao? Tsy mora ny manapa-kevitra. Ilaina ny fahamatorana mba hahaizana hifidy izay tokony hatao. Mila mandray fanapahan-kevitra tsara ho an’ny zanany tsy ampy taona, ohatra, ny ray aman-dreny. Marina aloha fa tena tsy mora ny manapa-kevitra rehefa sarotra ny raharaha iray, ka zavatra maro no ilaina hodinihina. Na sarotra toy inona aza anefa ny fandraisana fanapahan-kevitra, dia tsy anisan’ireo entana “mavesatra” na zava-manahirana azo ifampizarana amin’ireo olona “araka ny fanahy” izy io. (Galatianina 6:1, 2) Andraikitry ny isam-batan’olona kosa izany, ary “samy hampamoahin’Andriamanitra isika tsirairay avy.” (Romanina 14:12) “Samy hitondra ny entany avy mantsy ny tsirairay”, hoy ny Baiboly. (Galatianina 6:5) Inona àry no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara? Voalohany, tsy maintsy ekentsika fa tsy mahavita tena ny olombelona, ary mila fantarintsika hoe inona no afaka manampy antsika.

Inona no tena ilaina?

4. Tsy nankatò ilay mpivady voalohany. Inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’izany, momba ny fandraisana fanapahan-kevitra?

4 Nitondra loza lehibe ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpivady voalohany, raha vao nanomboka ny tantaran’ny olombelona. Nifidy ny hihinana ny voan’ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy izy ireo. (Genesisy 2:16, 17) Inona no nahatonga azy ireo hanao izany? Hoy ny Baiboly: “Hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny, ka dia nihinana izy.” (Genesisy 3:6) Ny fitiavan-tena no nahatonga an’i Eva hanao io safidy io. Nanao toa azy koa i Adama, ka nihinana tamin’ilay voankazo. Vokatr’izany dia “niely tamin’ny olona rehetra” ny ota sy ny fahafatesana. (Romanina 5:12) Misy lesona lehibe tokony horaisintsika avy amin’ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva: Mety handray fanapahan-kevitra tsy araka ny tokony ho izy ny olombelona, raha tsy manaraka ny tari-dalan’Andriamanitra. Tsy mahavita tena mantsy izy ireo.

5. Inona no nomen’i Jehovah mba hitari-dalana antsika, ary inona no tsy maintsy ataontsika mba handraisan-tsoa avy amin’izy io?

5 Faly tokoa isika satria omen’i Jehovah Andriamanitra tari-dalana! Hoy ny Soratra Masina: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly i Jehovah. Tsy maintsy mianatra azy io isika, mba hahazoana fahalalana marina tsara an’izay raketiny. Tokony handray ‘ny ventin-kanina [natao] ho an’ny olona matotra’ isika, mba hahaizantsika hisafidy. ‘Hanana fahaiza-misaina nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy’ koa isika, raha ‘ampiasaintsika’ izy io. (Hebreo 5:14) Manazatra ny fahaizantsika misaina isika, rehefa mampihatra izay ianarantsika avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

6. Inona no ilaina raha tiantsika hiasa tsara ny feon’ny fieritreretantsika?

6 Nomena feon’ny fieritreretana koa isika, ary tena manampy izy io rehefa handray fanapahan-kevitra isika. Afaka mitsara izy io, ary mety ‘hiampanga na hanala tsiny antsika mihitsy aza.’ (Romanina 2:14, 15) Tsy maintsy ampiofanina anefa izy io raha tiantsika hiasa tsara. Izany hoe mila mandray fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra isika, ary mampihatra izay ianarantsika. Mora voataonan’ny fomba amam-panao eo an-toerana ny feon’ny fieritreretana tsy nampiofanina. Mety hamitaka antsika koa ny zava-misy manodidina antsika sy ny hevitry ny hafa. Hanao ahoana ny feon’ny fieritreretantsika raha tsy mihaino azy io foana isika sady mandika ny fitsipik’Andriamanitra? Mety hanjary ho donto toy ny hoditra may rakotry ny holatra izy io amin’ny farany, ka toy ny hoe “voatomboky ny vy mahamay.” Tsy miasa intsony izy. (1 Timoty 4:2) Azo ianteherana kosa anefa ny feon’ny fieritreretana voaofan’ny Tenin’Andriamanitra.

7. Inona no tena ilaina raha tiantsika ny handray fanapahan-kevitra tsara?

7 Tena ilaina àry ny fahalalana marina tsara ny Soratra Masina sy ny fampiharana azy, raha tiantsika ny hahay handray andraikitra, izany hoe handray fanapahan-kevitra tsara. Tsy tokony handray fanapahan-kevitra maimaika isika. Mila maka fotoana tsara kosa isika mba hikarohana ireo toro lalan’Andriamanitra, ary hampiasa ny fahaizantsika misaina mba hampiharana azy ireny. Asaina manapa-kevitra eo no ho eo isika indraindray, toa an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Na izany aza no mitranga, dia ho vonona tsara isika raha manana fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra, ary manana feon’ny fieritreretana voaofan’izy io. Mihatsara ny fahaizantsika manapa-kevitra, arakaraka ny androsoantsika haingana ho amin’ny fahamatorana. Andeha isika handinika lafin-javatra roa manasongadina izany.

Fifidianana namana

8, 9. a) Inona avy no toro lalana mampiseho fa tsy tokony hifanerasera amin’ny naman-dratsy isika? b) Ny fifaneraserana mivantana ihany ve no atao hoe mifanerasera amin’ny naman-dratsy? Hazavao.

8 Hoy ny apostoly Paoly: “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.” (1 Korintianina 15:33) Hoy koa i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Tonga dia azontsika avy amin’ireo toro lalana ireo, fa tsy mety ny minamana amin’ny mpijangajanga, mpanitsakitsa-bady, mpangalatra, mpimamo, sy ny toy izany. (1 Korintianina 6:9, 10) Arakaraka ny itomboan’ny fahalalantsika ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa, no ahafantarantsika fa manimba koa ny mifanerasera amin’ny olona toy ireo, amin’ny alalan’ny filma, tele, ordinatera, na boky. Misy vokany ratsy toy izany koa ny mifanerasera amin’ny “olom-petsy”, na olona manafina ny maha izy azy, ao amin’ny Internet.—Salamo 26:4.

9 Misy indray olona toa madio fitondran-tena, nefa tsy mino an’ilay tena Andriamanitra. Tokony hifanerasera akaiky amin’izy ireny ve isika? Hoy ny Soratra Masina: “Izao tontolo izao manontolo ... dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1 Jaona 5:19) Tsapantsika avy amin’izany fa tsy ny olona manana fiainana baranahiny na maloto fitondran-tena ihany no atao hoe naman-dratsy. Hendry àry isika raha olona tia an’i Jehovah ihany no ataontsika namana akaiky.

10. Inona no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra matotra, rehefa mifandray amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao?

10 Tena tsy ho vitantsika ny hoe tsy hifandray mihitsy amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, sady tsy takina amintsika izany. (Jaona 17:15) Mifandray amin’ny olona tsy mpivavaka amin’i Jehovah isika rehefa eny am-pitoriana, any am-pianarana, ary any am-piasana. Ireo manambady tsy Vavolombelona angamba no tsy maintsy mifanerasera bebe kokoa amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, raha oharina amin’ny Kristianina hafa. Rehefa voaofana anefa ny fahaizantsika misaina, dia manjary azontsika fa tsy mitovy mihitsy ny hoe minamana akaiky amin’ny olona eo amin’izao tontolo izao, sy ny hoe voatery mifandray aminy noho ny adidy aman’andraikitra, ary tsy mihoatra an’izay. (Jakoba 4:4) Afaka mandray fanapahan-kevitra matotra isika avy eo, raha handray anjara na tsia, amin’ireo zavatra atao ivelan’ny ora fianarana, toy ny fanatanjahan-tena sy dihy, na fety sy fiaraha-misakafo karakarain’ny mpiara-miasa.

Fifidianana asa

11. Inona no tokony hodinihintsika voalohany rehefa hifidy asa?

11 Mila miasa isika mba ‘hanomezana izay ilain’ny ankohonantsika.’ (1 Timoty 5:8) Manampy antsika hifidy ny fomba hanatontosana an’io adidy io, ny fampiharana amin’ny fomba matotra kokoa ny toro lalan’ny Baiboly. Voalohany, tokony hodinihina hoe inona ilay asa hatao. Tena tsy mety ny asa mampandroso ireo fanao raran’ny Baiboly mivantana. Noho izany, ny tena Kristianina dia tsy hanao asa mifandray amin’ny fanompoan-tsampy, fangalarana, fampiasana ratsy ny ra, na fanao hafa raran’ny Soratra Masina. Tsy handainga na hamitaka koa isika, na dia asain’ny mpampiasa manao izany aza.—Asan’ny Apostoly 15:29; Apokalypsy 21:8.

12, 13. Inona no lafin-javatra sasany tokony hodinihina, rehefa handray fanapahan-kevitra momba ny asa?

12 Ahoana raha tsy mandika mivantana ny lalàn’Andriamanitra ilay asa? Rehefa mitombo ny fahalalantsika ny fahamarinana sy ny fahaizantsika misaina, dia manjary tsapantsika fa misy lafin-javatra hafa koa tsy maintsy dinihina. Ahoana raha misy ifandraisana amin’ny fanao raran’ny Soratra Masina ilay asa, ohatra hoe mandray antso an-telefaonina ao amin’ny toeram-pilokana iray? Mila dinihina koa hoe avy aiza ny vola andoavana ny karama, sy ny toerana iasana. Raha miasa tena ianao, moa ve ianao hikarama handoko fiangonan’ny Kristianisma Anarana, ka hampandroso ny fivavahan-diso?—2 Korintianina 6:14-16.

13 Ahoana indray raha ny mpampiasa anao no manaiky hiantoka ny fandokoana fiangonana iray an’ny fivavahan-diso? Amin’izay dia ilaina hodinihina ny hoe manan-tsafidy ve ianao, na dia mpiasa aza. Ilaina hodinihina koa hoe manao ahoana ny habetsahan’ny asa hataonao amin’ilay izy. Ary ahoana ny amin’ny asa tsy mifanohitra amin’ny fitsipiky ny Baiboly, toy ny fizarana taratasy any amin’ny toerana rehetra, ka anisan’izany ireo toerana mampanjaka ny fitondran-tena ratsy? Tokony hodinihina ny toro lalana ao amin’ny Matio 5:45, rehefa hanapa-kevitra. Diniho koa fa mety hisy vokany eo amin’ny feon’ny fieritreretanao, ny fanaovana tsy tapaka an’ilay asa. (Hebreo 13:18) Tena tokony hampitombo ny fahaizantsika misaina àry isika, sy hampiofana ny feon’ny fieritreretantsika hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Hahay handray fanapahan-kevitra matotra isika amin’izay, eo amin’ny resaka asa.

“Maneke Azy amin’ny alehanao rehetra”

14. Inona no tokony hataontsika alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra?

14 Ahoana ny amin’ireo fanapahan-kevitra hafa, toy ny fanohizana fianarana, sy ny fanekena na fandavana fitsaboana sasany? Alohan’ny handraisantsika fanapahan-kevitra, dia tsy maintsy fantarintsika ny toro lalan’ny Baiboly mihatra amin’ilay toe-javatra, ary avy eo eritreretintsika hoe ahoana no hampiharana azy. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry teo amin’ny Israely fahiny: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.”—Ohabolana 3:5, 6.

15. Inona no ianarantsika avy amin’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, momba ny fandraisana fanapahan-kevitra?

15 Matetika no misy fiantraikany eo amin’ny hafa ny safidintsika, ka tokony hoheverintsika koa izany. Tsy voatery nifady ireo sakafo nandraran’ny Lalàn’i Mosesy intsony, ohatra, ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Azon’izy ireo natao ny nihinana sakafo sasany izay noheverina ho maloto teo ambany Lalàna, raha tsy nisy antony hafa tsy tokony hihinanana azy. Nanoratra toy izao anefa ny apostoly Paoly, momba ny hena izay mety ho efa nentina tany amin’ny tempolin’ny mpanompo sampy: “Raha ny sakafo no mahatonga ny rahalahiko hihemotra, dia tsy hihinan-kena intsony mihitsy aho sao hihemotra ny rahalahiko.” (1 Korintianina 8:11-13) Teo i Paoly dia nampirisika ny Kristianina voalohany hihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, mba tsy hampihemotra azy ireo. Tsy tokony “hampihemotra” ny hafa koa ny fanapahan-kevitra raisintsika.—1 Korintianina 10:29, 32.

Mangataha fahendrena amin’Andriamanitra

16. Inona no herin’ny vavaka eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika?

16 Tena manampy ny vavaka, rehefa hanapa-kevitra. Hoy i Jakoba, mpianatr’i Jesosy: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Ary dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Afaka mivavaka amin’i Jehovah isika ary mangataka ny fahendrena ilaina mba handraisana fanapahan-kevitra tsara, sady matoky fa hamaly antsika izy. Raha resahintsika aminy ireo zavatra mampanahy antsika sady mitady ny tari-dalany isika, dia hanampy antsika ny fanahy masina, ka hazava kokoa amintsika ireo andinin-teny dinihintsika. Mety hahatsiaro andinin-teny hafa izay mety tsy ho tonga tao an-tsaintsika koa isika.

17. Ahoana no azon’ny hafa anampiana, rehefa handray fanapahan-kevitra isika?

17 Afaka manampy antsika ve ny hafa, rehefa handray fanapahan-kevitra isika? Eny. Nanome Kristianina matotra i Jehovah, eo anivon’ny fiangonana. (Efesianina 4:11, 12) Azo angatahana hevitra izy ireny, indrindra rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe isika. Mahafantatra tsara ny Soratra Masina ny Kristianina sasany sady efa nahita fiainana. Izy ireny dia afaka mampahafantatra antsika toro lalana hafa ao amin’ny Baiboly, izay mety hisy akony eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika. Hanampy antsika koa izy ireo mba ‘hamantarantsika tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:9, 10) Aza hadinoina anefa izao: Tsy mety raha ny hafa no asaintsika manapa-kevitra ho antsika. Andraikitsika izany, ka isika ihany no tokony hiantsoroka azy.

Ny vokatry ny fanapahan-kevitra miorina amin’ny Baiboly

18. Mety hanao ahoana ny vokatry ny fanapahan-kevitra tsara?

18 Tsara foana ve ny vokatry ny fanapahan-kevitra noeritreretina tsara, sy miorina tanteraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly? Eny, na ho ela na ho haingana. Mety tsy hitondra voka-tsoa avy hatrany indraindray ilay fanapahan-kevitra. Fantatr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, ohatra, fa nety hamoy ny ainy izy ireo, rehefa nifidy ny tsy hivavaka tamin’ilay sarivongana goavana. (Daniela 3:16-19) Nokapohina koa ireo apostoly, talohan’ny nanafahana azy ireo, rehefa nilaza tamin’ny Fitsarana Avo jiosy hoe Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoaviny satria izy no mpitondra azy. (Asan’ny Apostoly 5:27-29, 40) Mety hisy vokany ratsy eo amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika koa, ny “fotoana sy ny sampona.” (Mpitoriteny 9:11) Mety ho sahirana isika, na dia nandray fanapahan-kevitra tsara aza. Matokia anefa fa hanampy antsika hiaritra i Jehovah, ary hitahy antsika amin’ny farany.—2 Korintianina 4:7.

19. Ahoana no hiantsorohantsika amin-kerim-po ny andraikitsika handray fanapahan-kevitra?

19 Tsy maintsy mikaroka ny toro lalan’ny Soratra Masina àry isika rehefa handray fanapahan-kevitra, ary mampiasa ny saintsika mba hampiharana azy ireny. Tena velom-pankasitrahana tokoa isika satria nanome ny fanahy masina sy ireo olona matotra eo anivon’ny fiangonana i Jehovah, mba hanampiana antsika! Aoka àry isika hiantsoroka amin-kerim-po ny andraikitsika, ka handray fanapahan-kevitra tsara, satria efa nomena tari-dalana sy fanampiana.

Inona no Nianaranao?

• Inona no tena ilaina mba handraisana fanapahan-kevitra tsara?

• Namana manao ahoana no hofidintsika raha mihamatotra isika?

• Inona no lafin-javatra lehibe sasany tsy maintsy dinihintsika, rehefa handray fanapahan-kevitra momba ny asa?

• Inona no fanampiana omen’i Jehovah antsika rehefa hanapa-kevitra isika?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 22]

Andraisantsika lesona lehibe ny tsy fankatoavan’i Adama sy Eva

[Sary, pejy 24]

Tadiavo ny toro lalan’ny Baiboly, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe