Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Sary An’ohatra” Mahasoa Antsika

“Sary An’ohatra” Mahasoa Antsika

“Sary An’ohatra” Mahasoa Antsika

TENA ho sarotra ny hahazo tsara ny hevitry ny andinin-teny sasany ao amin’ny Baiboly, raha tsy nanazava azy ireny ny andinin-teny hafa! Misy tantara manana heviny an’ohatra mantsy ao, ary tsy hita miharihary izany indraindray. Iray amin’ireny ny tantaran’ny vehivavy roa tao an-tokantranon’i Abrahama, loham-pianakaviana fahiny. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “sary an’ohatra” izy io.—Galatianina 4:24.

Mila mandinika akaiky an’io tantara io isika. Tena tokony ho fantatr’izay maniry hotahin’i Jehovah Andriamanitra mantsy hoe iza marina no mifanitsy amin’ireo olona ao amin’izy io. Fa nahoana? Andeha aloha hofantarintsika ny antony nahatonga an’i Paoly hanazava ny hevitr’ilay tantara.

Nisy olana teo amin’ny Kristianina tany Galatia, tamin’ny taonjato voalohany. Nanaraka ny Lalàn’i Mosesy ny sasany, ka ‘nitandrina fatratra andro sy volana sy vanim-potoana ary taona.’ Nilaza izy ireo fa ilaina ny mankatò ny Lalàna, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. (Galatianina 4:10; 5:2, 3) Fantatr’i Paoly anefa fa tsy notakina tamin’ny Kristianina izany. Nampiasa tantara fantatry ny Jiosy tsara àry izy, mba hanaporofoana izany.

Nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo fa niteraka an’i Isimaela sy Isaka i Abrahama, razamben’ny firenena jiosy. I Hagara mpanompovavy no renin’i Isimaela, ary i Saraha, vehivavy afaka, no renin’i Isaka. Azo antoka fa mety ho fantatr’ireo Galatianina ireo hoe momba i Saraha tamin’ny voalohany, ka nomeny ho vadin’i Abrahama i Hagara mpanompovaviny, mba hahazoany zaza. Mety ho fantatr’izy ireo koa fa nanomboka nanao tsinontsinona ny tompovaviny i Hagara, rehefa bevohoka an’i Isimaela. Tanteraka anefa ny fampanantenan’Andriamanitra, rehefa ela ny ela. Niteraka an’i Isaka i Saraha, na dia efa antitra aza. Nampijaly an’i Isaka i Isimaela tatỳ aoriana, ka noroahin’i Abrahama izy sy Hagara.—Genesisy 16:1-4; 17:15-17; 21:1-14; Galatianina 4:22, 23.

Vehivavy roa, fifanekena roa

Nohazavain’i Paoly tamin’ny an-tsipiriany toy izao ilay “sary an’ohatra”: “Izy roa vavy dia fifanekena roa, ny anankiray natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, ary mitera-jaza ho amin’ny fanandevozana, dia i Hagara izany. ... Ary mifanitsy amin’ilay Jerosalema ankehitriny izy, satria andevo izy sy ny zanany.” (Galatianina 4:24, 25) Nifanitsy tamin’ny firenen’ny Israely sy Jerosalema renivohiny i Hagara. Lasa nifandray akaiky tamin’i Jehovah ny firenena jiosy, noho ilay fifaneken’ny Lalàna natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay. Nampahatsiahy an’ireo Israelita foana io fifanekena io, fa andevon’ny ota izy ireo ka nila fanavotana.—Jeremia 31:31, 32; Romanina 7:14-24.

Nifanitsy tamin’iza kosa i Saraha, ilay “vehivavy afaka”, sy Isaka zanany? Nilaza i Paoly fa nifanitsy tamin’ny vadin’Andriamanitra, na ny fandaminany any an-danitra i Saraha, ilay “vehivavy momba.” Momba izy satria mbola tsy nanana ‘zanaka’ voahosotry ny fanahy teto an-tany, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy. (Galatianina 4:27; Isaia 54:1-6) Nisy lehilahy sy vehivavy maromaro nilatsahan’ny fanahy masina anefa, tamin’ny Pentekosta taona 33. Toy ny hoe nateraka indray àry izy ireo mba ho zanak’ilay vehivavy. Natsangan’Andriamanitra ho zanany izy ireo, ka lasa mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy, ary tafiditra tao amin’ny fifanekena vaovao iray. (Romanina 8:15-17) Afaka nilaza toy izao ny apostoly Paoly, iray amin’ireny zanaka ireny: ‘Afaka ilay Jerosalema any ambony, ary izy no renintsika.’—Galatianina 4:26.

Zanak’ilay vehivavy

Tantarain’ny Baiboly fa nenjehin’i Isimaela zanak’i Hagara, i Isaka, mpandova ara-dalàna an’i Abrahama. Toy izany koa fa naneso sy nanenjika ny zanak’ilay Jerosalema any ambony ny zanak’ilay Jerosalema nandevozina, nandritra ny taonjato voalohany. Hoy i Paoly: “Nanenjika an’ilay nateraka araka ny fanahy [Isaka] ilay nateraka araka ny nofo [Isimaela] tamin’izany fotoana izany. Dia tahaka izany koa ankehitriny.” (Galatianina 4:29) Toy ny nataon’i Isimaela tamin’i Isaka mihitsy no nataon’ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’i Jesosy Kristy, rehefa tonga teto an-tany izy ka nanomboka niresaka momba ilay Fanjakana. Naneso sy nanenjika azy izy ireo, satria nihevitra fa ry zareo no mpandova ara-dalàna an’i Abrahama, fa tsy i Jesosy.

Hoy i Jesosy, taloha kelin’ny namonoan’ny mpitondra jiosy azy: “Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy. Impiry aho no te hanangona ny zanakao, tahaka ny fanangonan’ny reniakoho ny zanany ao ambany elany! Tsy nety anefa ianareo. Indro, ilaozana eo ianareo sy ny tranonareo.”—Matio 23:37, 38.

Hita avy amin’ny zava-nitranga tamin’ny taonjato voalohany, tantarain’ny Baiboly, fa tsy lasa mpiara-mandova amin’i Jesosy avy hatrany akory ny olona avy amin’ilay firenena ara-nofo, nifanitsy tamin’i Hagara. Nolavin’i Jehovah izay Jiosy nirehareha hoe nanan-jo ho mpandova an’i Abrahama satria taranany. Mazava ho azy fa nisy ihany Israelita ara-nofo lasa mpiara-mandova amin’i Kristy. Tsy noho izy ireo taranak’i Abrahama anefa no nahazoany izany tombontsoa manokana izany, fa noho izy ireo nino an’i Jesosy.

Fantatra tamin’ny Pentekosta taona 33 ny mpiara-mandova amin’i Kristy sasany. Nandatsaka ny fanahiny tamin’ny olon-kafa koa i Jehovah tatỳ aoriana, mba hahatonga azy ireo ho zanak’i Jerosalema any ambony.

Nanazava an’ilay “sary an’ohatra” i Paoly, mba hampisehoana fa tsara lavitra noho ny fifaneken’ny Lalàna natao tamin’ny alalan’i Mosesy, ny fifanekena vaovao. Tsy misy afaka mahazo sitraka amin’Andriamanitra, raha mankatò ny Lalàn’i Mosesy fotsiny. Tsy lavorary daholo mantsy ny olona, ary vao mainka nahariharin’ny Lalàna fa andevon’ny ota izy ireo. Nilaza anefa i Paoly fa tonga teto an-tany i Jesosy, mba ‘hividy an’izay eo ambanin’ny lalàna ka hanafaka azy ireo.’ (Galatianina 4:4, 5) Afaka amin’ny fanamelohan’ny Lalàna àry izay olona mino fa sarobidy ny soron’i Kristy.—Galatianina 5:1-6.

Mahasoa antsika

Nahoana no tokony hahaliana antsika ny fanazavan’i Paoly an’io tantara natao sary an’ohatra io? Satria tsy hazava amintsika ny zavatra sasany ao amin’ny Baiboly raha tsy nohazavainy. Ankoatra izany, dia vao mainka isika matoky fa mirindra tsara ny Baiboly.—1 Tesalonianina 2:13.

Tsy hanana hoavy sambatra koa isika raha tsy tanteraka io sary an’ohatra io. Ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana foana mantsy isika, raha tsy teo ireo zanak’ilay Jerosalema any ambony. ‘Hotahina [anefa] ny firenena rehetra ambonin’ny tany’, rehefa hanjaka eo amin’izy ireo i Kristy sy ireo mpiara-mandova aminy an’ilay fampanantenana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama. (Genesisy 22:18) Ho tanteraka izany rehefa ho afaka mandrakizay amin’ny vokatry ny ota, ny tsy fahalavorariana, ny alahelo, ary ny fahafatesana, ny firenena rehetra. (Isaia 25:8, 9) Hahafinaritra tokoa izany fotoana izany!

[Sary, pejy 11]

Natao teo amin’ny Tendrombohitra Sinay ny fifaneken’ny Lalàna

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 12]

Inona no hevitr’ilay “sary an’ohatra” noresahin’ny apostoly Paoly?