Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Inona no ianarantsika avy amin’ilay fandrarana ao amin’ny Eksodosy 23:19 hoe: “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny”?

Miverina intelo ao amin’ny Baiboly io didy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy io. Manampy antsika hahatakatra ny fiheveran’i Jehovah ny mety sy ny tsy mety izy io, ary ny fangorahany sy ny fitiavany. Asongadin’izy io koa fa halan’i Jehovah ny fivavahan-diso.—Eksodosy 34:26; Deoteronomia 14:21.

Mifanohitra amin’ny lalàna nataon’i Jehovah teo amin’ny natiora ny fandrahoana zanak’osy na zanaka biby hafa amin’ny rononon-dreniny. Nataon’Andriamanitra hamelomana sy hampitomboana an’ilay zanaka biby mantsy ny rononon-dreniny. Lazain’ny manam-pahaizana iray fa ny olona mahandro zanaka biby amin’ny rononon-dreniny dia “manao tsinontsinona ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka, izay naorin’Andriamanitra sy nohamasininy.”

Misy koa milaza fa mety ho fanaon’ny mpanompo sampy ny nahandro zanaka biby tamin’ny rononon-dreniny, mba hampisy orana. Raha marina izany, dia natao hiarovana ny Israelita ilay didy. Tsy nisy dikany sy tsy nifaditrovana mantsy ny fanao ara-pivavahan’ny firenena nanodidina azy. Nilaza mazava tsara ny Lalàn’i Mosesy fa tsy nahazo nanaraka ny fanaon’ireny firenena ireny mihitsy ny Israelita.—Levitikosy 20:23.

Farany, hitantsika avy amin’io lalàna io koa fa mangoraka i Jehovah. Misy didy maromaro mitovitovy amin’io koa mantsy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Nandrara ny Israelita tsy hampijaly biby sy tsy hanao zavatra mifanohitra amin’ny lalàn’ny natiora, ireny didy ireny. Tsy azo natao fanatitra, ohatra, ny biby raha tsy efa niaraka tamin-dreniny herinandro, fara fahakeliny. Tsy azo novonoina tao anatin’ny andro iray koa ny biby sy ny zanany. Tsy azo niara-nalaina tao anaty akaniny koa ny vorona sy ny atodiny na ny zanany.—Levitikosy 22:27, 28; Deoteronomia 22:6, 7.

Hitantsika avy amin’izany, fa tsy didy sy fandrarana maro be fotsiny akory no ao amin’ny Lalàna. Mahasoa kosa izy io. Mahatonga antsika hanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony, ohatra, ny toro lalana avy aminy, ka lasa hita taratra eo amin’ny fiainantsika ny toetra mahatalanjon’i Jehovah.—Salamo 19:7-11.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]

© Timothy O’Keefe/Index Stock Imagery