Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fepetra Takina Amin’ireo Hatao Batisa Kristianina

Fepetra Takina Amin’ireo Hatao Batisa Kristianina

Fepetra Takina Amin’ireo Hatao Batisa Kristianina

“Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”—ASAN’NY APOSTOLY 8:36.

1, 2. Ahoana no nataon’i Filipo mba hanombohan-dresaka tamin’ny manam-pahefana etiopianina iray, ary inona no mampiseho fa tia fivavahana io lehilahy io?

NANDEHA kalesy ho any Etiopia ny manam-pahefana iray, herintaona na roa taona taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Avy tao Jerosalema izy, ary nanaraka ny lalana nianatsimo nankany Gaza. Mbola nisy 1 500 kilaometatra teo ho eo ilay dia, ary tena namizana. Tonga hatrany Jerosalema io lehilahy mpivavaka be io, mba hanompo an’i Jehovah. Votom-pinoana tokoa izy, ka nanararaotra namaky ny Tenin’Andriamanitra, teny an-dalana hody. Nahamarika an’io lehilahy tso-po io i Jehovah, ka naniraka anjely hitarika an’i Filipo, mpianatr’i Jesosy, mba ho any aminy sy hitory aminy.—Asan’ny Apostoly 8:26-28.

2 Mora tamin’i Filipo ny nanombo-dresaka tamin’io manam-pahefana io, satria namaky tamin’ny feo avo izy. Izany moa no fomban’ny olona tamin’izany. Ren’i Filipo fa namaky ny horonam-bokin’i Isaia izy, ka nanontaniany hoe: “Tena azonao ve izay vakinao?” Io fanontaniana tsotra io dia efa nahasarika ny sain’ilay lehilahy. Lasa niresaka momba ny Isaia 53:7, 8 izy ireo, ary “nitory taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy” i Filipo tamin’ny farany.—Asan’ny Apostoly 8:29-35.

3, 4. a) Nahoana no nataon’i Filipo batisa avy hatrany ilay Etiopianina? b) Inona avy no fanontaniana hodinihintsika?

3 Tsy ela dia azon’ilay Etiopianina ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fanatanterahana ny fikasan’Andriamanitra. Azony koa fa mila atao batisa izy mba ho mpianatr’i Kristy. Rehefa nahita rano àry izy, dia nilaza hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” Mazava ho azy fa maningana ny toe-javatra toy izany. Efa nanaraka ny fivavahana jiosy sy nanompo an’Andriamanitra io lehilahy nanam-pinoana io. Ary mety ho nila niandry ela be indray izy vao hatao batisa, raha tsy natao tamin’io fotoana io. Ambonin’izany, efa azony tsara izay notakin’Andriamanitra taminy, ary naniry hanompo azy tamin’ny fony manontolo izy. Tsy nisalasala àry i Filipo nanatanteraka ny fangatahany, ary rehefa vita batisa ilay Etiopianina, dia ‘nanohy ny diany sady ravoravo.’ Azo antoka fa lasa nazoto nitory ny vaovao tsara izy, rehefa tonga tany an-tanindrazany.—Asan’ny Apostoly 8:36-39.

4 Marina fa tsy tokony hataotao foana na hatao maimaika ny fanoloran-tena sy ny batisa. Indraindray anefa dia misy olona atao batisa, aoriana kelin’ny ahafantarany ny fahamarinana ara-baiboly, toy ilay Etiopianina noresahina teo. * Tsara àry ny hisaintsainantsika ireto fanontaniana ireto: Inona no fiomanana ilaina hatao alohan’ny batisa? Firy taona ny olona iray vao azo atao batisa? Inona no fandrosoana ara-panahy tokony ho efa vitany alohan’izany? Ary indrindra indrindra, nahoana no takin’i Jehovah ny hanaovana batisa ny mpanompony?

Voady lehibe iray

5, 6. a) Ahoana no nanehoan’ny Israelita ny fankasitrahany ny fitiavan’Andriamanitra? b) Inona no soa azon’ny olona iray vita batisa?

5 Rehefa avy nanavotra ny Israelita avy tany Ejipta i Jehovah, dia nampanantena fa ho “rakitra soa” ho azy izy ireo, ary ho tiany sy harovany sady hataony “firenena masina.” Nila naneho fankasitrahana ny fitiavan’Andriamanitra anefa izy ireo, mba hahazoany izany fitahiana izany. Nanao izany izy ireo, rehefa nanaiky hankatò “izay teny rehetra nolazain’i Jehovah”, sy nanao fifanekena taminy. (Eksodosy 19:4-9) Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany, mba hanao mpianatra ny olona avy amin’ny firenena rehetra. Ary natao batisa izay rehetra nanaiky ny fampianarany. Afaka nifandray tsara tamin’Andriamanitra àry ny olona iray, raha nino an’i Jesosy Kristy sy natao batisa.—Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 2:38, 41.

6 Asehon’ireo fitantarana ireo, fa tahin’i Jehovah ny olona mivoady hanompo azy sy manefa izany voady izany. Mila manolo-tena sy atao batisa koa ny Kristianina raha te hahazo ny fitahian’i Jehovah. Tapa-kevitra isika fa hanaraka ny fitsipiny sy hitady ny tari-dalany. (Salamo 48:14) Toy ny hoe mitantana antsika mihitsy i Jehovah amin’izay, ary mitarika antsika amin’ny lalana tokony hizorantsika.—Salamo 73:23; Isaia 30:21; 41:10, 13.

7. Nahoana no isika samirery no tsy maintsy manapa-kevitra ny hanolo-tena sy hatao batisa?

7 Ny fitiavana an’i Jehovah sy ny faniriana hanompo azy no tokony hanosika antsika hanolo-tena sy hatao batisa. Tsy mety raha toa atao batisa ny olona iray, satria fotsiny hoe misy milaza aminy fa efa elaela ihany izy no nianatra, na koa satria misy namany hatao batisa. Marina fa afaka mampirisika olona iray mba hieritreritra momba ny fanoloran-tena sy batisa, ny ray aman-dreniny na ny Kristianina matotra hafa. Ny apostoly Petera aza nampirisika an’ireo olona nihaino azy tamin’ny Pentekosta mba “hatao batisa.” (Asan’ny Apostoly 2:38) Safidin’ny tsirairay anefa ny manolo-tena, ary tsy misy olon-kafa afaka manao izany eo amin’ny toerany. Isika samirery no tsy maintsy manapa-kevitra hanao ny sitrapon’Andriamanitra.—Salamo 40:8.

Mitaky fiomanana tsara ny batisa

8, 9. a) Nahoana no mifanohitra amin’ny Baiboly ny fanaovana batisa zazakely? b) Inona no fandrosoana ara-panahy tokony ho efa vitan’ny ankizy iray, vao ho azo atao batisa izy?

8 Afaka manolo-tena miorina amin’ny fahalalana ampy tsara ve ny ankizikely? Tsy voalazan’ny Baiboly hoe firy taona ny olona iray vao azo atao batisa. Azo antoka anefa fa tsy afaka ny ho mpino, na haneho finoana, na hanolo-tena ho an’Andriamanitra ny zazakely. (Asan’ny Apostoly 8:12) Hoy ilay mpahay tantara atao hoe August Neander, momba ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany: “Ny olon-dehibe ihany no natao batisa tamin’ny voalohany, satria niaiky foana ny olona fa tsy misaraka ny finoana sy ny batisa.”—Tantaran’ny Fivavahana sy ny Fiangonana Kristianina (anglisy).

9 Mbola kely ny ankizy sasany dia efa mandroso tsara ara-panahy, fa ny hafa kosa efa lehibebe. Mitovy amin’ny zavatra takina amin’ny olon-dehibe ihany anefa no takina aminy, raha te hatao batisa izy. Tokony ho efa mifandray akaiky amin’i Jehovah izy, ary mahazo tsara ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly sy ny andraikitry ny olona manolo-tena.

10. Inona avy no tsy maintsy atao alohan’ny fanoloran-tena sy ny batisa?

10 Nandidy ny mpianany i Jesosy mba hampianatra an’ireo vaovao izay rehetra nandidiany. (Matio 28:20) Ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly àry no zavatra voalohany ilain’ireo vaovao, ary izany no hanampy azy hino an’i Jehovah sy ny Teniny. (Romanina 10:17; 1 Timoty 2:4; Hebreo 11:6) Hibebaka sy hiala amin’ny fomba fiainany taloha izy avy eo, rehefa manohina ny fony io fahamarinana io. (Asan’ny Apostoly 3:19) Amin’ny farany izy dia haniry hanolo-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa, araka ny didin’i Jesosy.

11. Nahoana no zava-dehibe ny handraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana alohan’ny batisa?

11 Zava-dehibe koa ny fandraisana anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, alohan’ny hanaovana batisa. Io no asa lehibe indrindra ampanaovin’i Jehovah ny mpanompony, amin’izao andro farany izao. (Matio 24:14) Afaka miresaka momba ny zavatra inoany ireo mpitory tsy vita batisa amin’izay, ka hahita fifaliana. Raha mandray anjara amin’io asa io koa izy, dia ho zatra hanompo tsy tapaka ary ho be zotom-po foana, na dia rehefa vita batisa aza.—Romanina 10:9, 10, 14, 15.

Misy vato misakana anao ve?

12. Inona no mety hahatonga ny olona sasany hisalasala ny hatao batisa?

12 Misy misalasala ny hatao batisa, satria tsy vonona hiantsoroka ny andraikitra entin’izy io. Fantany mantsy fa mila manao fiovana be eo amin’ny fiainany izy, mba hanarahana ny fitsipik’i Jehovah. Misy koa matahotra sao ho sarotra aminy ny hanao izay takin’Andriamanitra, aorian’ny batisany. Ny sasany aza mety hieritreritra mihitsy hoe: “Iza no mahalala raha mety hanao fahadisoana aho indray andro any, ka ho voaroaka?”

13. Inona no nisakana ny olona sasany tsy hanara-dia an’i Jesosy?

13 Tsy nety ho tonga mpianatr’i Jesosy ny olona sasany tamin’ny androny, satria zava-dehibe kokoa tamin’izy ireo ny fanirian’ny tenany manokana sy ny fatoram-pianakaviana. Nisy mpanora-dalàna iray, ohatra, nilaza fa hanaraka an’i Jesosy izy na aiza na aiza alehany. Toa niahotra indray anefa izy, rehefa nilaza i Jesosy fa matetika no tsy mba manana toerana hatoriana izy. Nisy lehilahy hafa koa nasain’i Jesosy hanara-dia azy, nefa namaly izy io fa mila ‘mandevina’ ny rainy aloha. Toa tsy te hiala tao an-tranony izy mandra-pahafatin’ny rainy. Izany no tiany kokoa, noho ny hoe hanaraka an’i Jesosy aloha fa rehefa maty ny rainy vao hikarakara ny fandevenana azy izy. Nisy olona iray farany nilaza fa mila ‘manao veloma’ ny ankohonany aloha izy, vao hanaraka an’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa toy ny “mitodika any aoriana” ny olona mangataka andro toy izany. Tsy maintsy mahita fialan-tsiny foana ny olona toy ireny, rehefa tsy te handray ny andraikiny amin’ny maha Kristianina azy.—Lioka 9:57-62.

14. a) Ahoana no nataon-dry Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona, rehefa nasain’i Jesosy ho tonga mpanarato olona izy ireo? b) Nahoana isika no tsy tokony hisalasala hitondra ny ziogan’i Jesosy?

14 Tsy nitovy tamin’izany mihitsy anefa ry Petera, Andrea, Jakoba, ary Jaona. Milaza ny Baiboly fa “nandao ny haratony avy hatrany” izy ireo, rehefa nasain’i Jesosy hanaraka azy sy ho tonga mpanarato olona. (Matio 4:19-22) Nanapa-kevitra avy hatrany izy ireo, ka nahatsapa ny fahamarinan’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy aho sady manetry tena am-po, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Matio 11:29, 30) Marina fa lasa mitondra zioga na manana andraikitra isika, rehefa vita batisa. Manome toky anefa i Jesosy fa mora entina sy zakantsika tsara izany, ary tena hamelombelona antsika.

15. Nahoana ny tantaran’i Mosesy sy Jeremia no manome toky antsika fa hanohana antsika Andriamanitra?

15 Ara-dalàna raha matahotra isika sao tsy ho vitantsika ny hiantsoroka ireo andraikitra entin’ny batisa. Nieritreritra i Mosesy sy Jeremia tamin’ny voalohany, fa tsy ho vitany ilay asa ampanaovin’i Jehovah azy. (Eksodosy 3:11; Jeremia 1:6) Ahoana no nampaherezan’Andriamanitra azy ireo? Nilaza tamin’i Mosesy izy hoe: “Homba anao tokoa Aho”, ary tamin’i Jeremia hoe: “Momba anao hamonjy anao Aho.” (Eksodosy 3:12; Jeremia 1:8) Afaka matoky koa isika fa hanohana antsika i Jehovah. Mety hisalasala be ihany ny olona iray, sao tsy ho vitany ny hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany. Handresy an’izany fisalasalana izany anefa izy, raha tia an’Andriamanitra sy matoky azy. Hoy mantsy ny apostoly Jaona: “Tsy misy tahotra ny fitiavana. Mandroaka ny tahotra ny fitiavana lavorary.” (1 Jaona 4:18) Mety hatahotra ny zazakely iray raha voatery handeha irery, fa milamin-tsaina kosa izy rehefa tantanan-drainy. Raha matoky an’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo koa isika sady miara-dalana aminy, dia mampanantena izy fa ‘handamina ny lalantsika.’—Ohabolana 3:5, 6.

Fotoana mendri-kaja ny batisa

16. Nahoana no aroboka tanteraka ao anaty rano ny olona rehefa atao batisa?

16 Mazàna no misy lahateny manazava ny maha zava-dehibe ny batisa kristianina, alohan’ny fandrobohana. Amin’ny faran’io lahateny io, dia asaina mamaly fanontaniana roa ireo hatao batisa, mba hanambarany ampahibemaso ny finoany. (Romanina 10:10; jereo ny efajoro pejy 22.) Aroboka ao anaty rano izy ireo aorian’izay, araka ny modely nomen’i Jesosy. Milaza mantsy ny Baiboly fa “niakatra avy teo amin’ny rano” na “avy tao anaty rano” izy, rehefa vita batisa. (Matio 3:16; Marka 1:10) Midika izany fa nandroboka tanteraka an’i Jesosy tao anaty rano i Jaona Mpanao Batisa. * Mety tsara mba hampisehoana ny fiovana lehibe nataontsika ny fandrobohana tanteraka ao anaty rano. Toy ny hoe maty isika amin’izay, izany hoe mifarana hatreo ny fomba fiainantsika taloha, fa manomboka fiainam-baovao indray isika, izany hoe velona mba hanompo an’Andriamanitra.

17. Inona no azon’ireo hatao batisa sy ny mpanatrika atao, mba hanehoana fanajana an’io fotoan-dehibe io?

17 Fotoan-dehibe sady mahafaly ny batisa. Milaza ny Baiboly fa nivavaka i Jesosy, rehefa avy narobok’i Jaona tao amin’ny Reniranon’i Jordana. (Lioka 3:21, 22) Manaraka an’io modely io ny olona hatao batisa ankehitriny, ka tokony ho maotina amin’izay rehetra ataony amin’io fotoana io. Mampirisika antsika koa ny Baiboly mba hanao akanjo maotina isan’andro, ka tsy mainka ve fa amin’ny andron’ny batisantsika! (1 Timoty 2:9) Maneho fanajana an’ilay fandaharana koa ny mpanatrika, raha mihaino tsara ny lahatenin’ny batisa, ary mijery amim-pilaminana ny fandrobohana.—1 Korintianina 14:40.

Ny fitahiana azon’ireo vita batisa

18, 19. Inona avy no tombontsoa sy fitahiana azon’ireo vita batisa?

18 Lasa anisan’ny fianakaviambe manokana iray isika, rehefa avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa. Lasa Raintsika sy Namantsika mihitsy aza i Jehovah. Lasa mihavana aminy isika rehefa vita batisa, na dia tafasaraka taminy aza taloha. (2 Korintianina 5:19; Kolosianina 1:20) Nanjary nanatona an’Andriamanitra isika, ary manatona antsika izy, noho ny soron’i Kristy. (Jakoba 4:8) Milaza i Malakia mpaminany fa mihaino sy mandre ny olona mitondra ny anarany sy mampiasa izany i Jehovah, ary soratany ao amin’ny boky fahatsiarovany ny anaran’izy ireo. Hoy Andriamanitra: “Ho rakitra soa ho Ahy ireny ... ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy.”—Malakia 3:16-18.

19 Ankoatra izany, dia lasa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany isika, rehefa vita batisa. Nanontany ny apostoly Petera indray mandeha hoe inona no fitahiana ho azon’ny mpianatr’i Kristy, noho ny zavatra nafoin’izy ireo. Nampanantena i Jesosy hoe: “Izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy na ray na reny na zanaka na tany noho ny anarako, dia hahazo be lavitra raha oharina amin’izay nafoiny, ary handova fiainana mandrakizay.” (Matio 19:29) Niely “eran’izao tontolo izao” ny Kristianina tatỳ aoriana, ary nantsoin’i Petera hoe “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana” izy ireo. Nanampy azy sy nanao soa taminy tokoa io fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana io, ary afaka manohana antsika koa izy io ankehitriny.—1 Petera 2:17; 5:9.

20. Inona no fitahiana lehibe miandry an’ireo vita batisa?

20 Tsy vitan’izany fa nilaza i Jesosy hoe “handova fiainana mandrakizay” ny mpanara-dia azy. Rehefa nanolo-tena sy vita batisa tokoa ny olona iray, dia afaka manantena “hihazona mafy ny tena fiainana”, izany hoe ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. (1 Timoty 6:19) Io no fomba tsara indrindra hahazoantsika sy ny ankohonantsika hoavy mahafinaritra. Ary ho afaka “handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria” isika, rehefa mahazo io fitahiana lehibe io.—Mika 4:5.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Natao batisa avy hatrany koa ireo Jiosy sy olona hafa firenena 3 000, izay nihaino ny lahatenin’i Petera tamin’ny Pentekosta. Mazava ho azy fa efa nahalala ireo fampianarana sy toro lalana fototra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, toa an’ilay tandapa etiopianina ihany.—Asan’ny Apostoly 2:37-41.

^ feh. 16 Milaza ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Vaovao (anglisy), fa ny teny grika hoe baʹpti·sma (batisa), dia midika hoe “fandrobohana, fandentehana ao anaty rano, ary fiakarana avy ao.”

Hainao Hazavaina Ve?

• Inona no azontsika atao ho setrin’ny fitiavan’i Jehovah, ary nahoana isika no tokony hanao izany?

• Inona no fandrosoana ara-panahy tokony hatao alohan’ny batisa?

• Nahoana no tsy tokony hisakana antsika tsy hatao batisa ny fahatahorana hanao fahadisoana, na ny tsy fahavononana handray andraikitra?

• Inona avy no fitahiana lehibe azon’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy vita batisa?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 26]

“Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”

[Sary, pejy 29]

Fotoan-dehibe sady mahafaly ny batisa