Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hanampy Anao Hahazo Izay Raketin’ny Baiboly?

Inona no Hanampy Anao Hahazo Izay Raketin’ny Baiboly?

Inona no Hanampy Anao Hahazo Izay Raketin’ny Baiboly?

“NATAONAO tsara afina tamin’ny hendry sy ny mahira-tsaina izany, fa nahariharinao tamin’ny zaza bodo.” (Lioka 10:21) Hita amin’ireo tenin’i Jesosy tamin’ilay Rainy any an-danitra ireo, fa tsy maintsy manana toe-tsaina mety isika, mba hahazoantsika izay raketin’ny Baiboly. Hendry tokoa i Jehovah satria ny olona manetry tena ihany, izany hoe ireo manaiky hampianarina, no afaka mahazo izay raketin’ny boky nomeny.

Tsy mora amin’ny ankamaroantsika ny manetry tena. Efa ao anatintsika rehetra mantsy ny avonavona. Miaina amin’ny “andro farany” koa isika, ka maro amin’ny olona manodidina antsika no ‘tia tena, be di-doha, mpieboebo.’ (2 Timoty 3:1-4) Toe-tsaina misakana antsika tsy hahazo tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo. Mampalahelo fa somary misy heriny eo amintsika ihany ny toe-tsaina miavonavon’ny olona manodidina antsika. Ahoana àry no hananantsika toe-tsaina mety, mba hahazoantsika izay raketin’ny Baiboly?

Omano ny fo sy ny saina

“Nampiomana ny fony hitady ny lalàn’i Jehovah” i Ezra, mpitarika ny vahoakan’Andriamanitra fahiny. (Ezra 7:10) Misy fomba azontsika anomanana ny fontsika ve? Eny. Mila mihevitra ny Soratra Masina araka ny tokony ho izy aloha isika. Nanoratra ho an’ny Kristianina namany ny apostoly Paoly hoe: “Fony nandray ny tenin’Andriamanitra renareo avy taminay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona izany fa araka ny tena izy, dia tenin’Andriamanitra.” (1 Tesalonianina 2:13) Na dia olona aza no nanoratra ny Soratra Masina, dia hevitr’i Jehovah no nosoratan’izy ireo. Tena zava-dehibe ny hanekentsika izany, satria hahatonga antsika ho vonona kokoa hino izay vakintsika.—2 Timoty 3:16.

Fomba iray hanomanantsika ny fontsika koa ny vavaka. Avy amin’ny fanahy masina ny Baiboly, ka tsy hazava amintsika ny hevitra raketiny raha tsy ampian’io fanahy io isika. Tsy maintsy mivavaka amin’Andriamanitra àry isika mba hahazoana azy io. Mariho fa tena naniry hampian’i Jehovah hahazo ny teniny ilay mpanao salamo, rehefa nanoratra hoe: “Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; eny, hitandrina azy amin’ny foko rehetra aho.” (Salamo 119:34) Mila mangataka fahiratan-tsaina isika mba hahazoana izay vakintsika. Tsy ampy anefa izany fa mila mivavaka koa isika mba hanana fo tsara ka hanaiky izay voasoratra. Tokony ho vonona hanaiky ny marina isika, mba ho azontsika tsara izay lazain’ny Baiboly.

Saintsaino koa ny soa raisinao avy amin’ny fianarana Baiboly, mba hananana toe-tsaina mety. Manana antony faran’izay tsara maro hamakiana ny Tenin’Andriamanitra isika, fa ity no tena lehibe indrindra: Manampy antsika hanatona an’Andriamanitra izany. (Jakoba 4:8) Manjary mahafantatra ny maha izy an’i Jehovah isika, rehefa mamaky momba izay nataony tamin’ny toe-javatra samy hafa, sy ny fomba nankasitrahany an’ireo tia azy, ary izay nataony tamin’ireo nandao azy. Ny hahafantatra bebe kokoa an’Andriamanitra foana no tokony ho tanjontsika voalohany, rehefa mamaky ny Baiboly isika. Hihatsara ny fifandraisantsika aminy arakaraka ny ahafantarantsika azy.

Inona no misakana ny olona tsy hanana toe-tsaina mety?

Inona no mety hisakana antsika tsy hahazo izay raketin’ny Tenin’Andriamanitra? Angamba ianao tsy te hivadika amin’ny olona iray, ka miziriziry amin’ny hevitra nampianariny. Mety ho tena tianao, ohatra, ny heviny sy ny zavatra inoany. Ahoana anefa raha tsy tena manaraka ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, na tsy mankasitraka izany? Mety ho sarotra aminao ny hahazo tsara izay tena ampianarin’ny Baiboly, raha izany no zava-misy. Mampirisika antsika àry ny Baiboly mba handinihantsika tsara izay zavatra nampianarina antsika.—1 Tesalonianina 5:21.

Tojo zava-tsarotra toy izany i Maria, renin’i Jesosy. Notezaina tamin’ny finoana jiosy izy, nankatò an-tsakany sy an-davany ny Lalàn’i Mosesy, ary azo antoka fa nankany amin’ny synagoga. Fantany anefa tatỳ aoriana, fa tsy nankasitrahan’Andriamanitra intsony ilay fivavahana narahiny, izay nolovainy tamin’ny ray aman-dreniny. Nanaraka ny fampianaran’i Jesosy àry izy, ary lasa anisan’ny fiangonana kristianina voalohany. (Asan’ny Apostoly 1:13, 14) Tsy hoe tsy nanaja ny ray aman-dreniny na ny finoan’izy ireo i Maria, raha nanao izany. Porofon’ny fitiavany an’Andriamanitra kosa izany. Mila manahaka an’i Maria isika, raha te hahazo izay lazain’ny Baiboly. Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra no tsy maintsy heverintsika ho zava-dehibe kokoa noho ny tsy fivadihana amin’olona.

Mampalahelo fa olona maro no tsy mankasitraka firy ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mianina amin’ny fanarahana ireo fombafomba ara-pivavahana efa nisy hatry ny ela fotsiny ny sasany, nefa mifototra amin’ny lainga izy ireny raha ny marina. Ny olon-kafa indray tsy miraharaha ny fahamarinana, ary hita amin’ny teniny sy ny fomba fiainany izany. Misy zavatra sasany tsy maintsy hafoinao àry, rehefa manaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ianao. Mety hahatonga anao tsy hifanaraka amin’ny namana, mpiara-monina, mpiara-miasa, ary na dia ny fianakavianao aza izany. (Jaona 17:14) Hoy anefa ilay lehilahy hendry atao hoe Solomona: “Vidio ny marina, ka aza amidy.” (Ohabolana 23:23) Hanampy anao hahazo izay raketin’ny Baiboly i Jehovah, raha mihevitra ny fahamarinana ho faran’izay sarobidy ianao.

Mety tsy hahazo izay raketin’ny Baiboly koa ny olona iray, raha tsy mety mampihatra izay voalazany. Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Ianareo no navela hahazo ny hevitry ny zava-miafina masina momba ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireny kosa tsy navela. Fa efa nanjary donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa nandre ny sofiny fa tsy rototra izy.” (Matio 13:11, 15) Tsy niraika ny ankamaroan’ny olona nitorian’i Jesosy. Tsy vonona ny hiova izy ireo. Tena samy hafa be tamin’ilay mpivaro-mandeha tao amin’ny fanoharana iray noresahin’i Jesosy izy ireo. Rehefa nahita vatosoa iray faran’izay sarobidy mantsy io mpivaro-mandeha io, dia nivarotra avy hatrany ny fananany rehetra mba hividianana an’ilay izy! Tokony ho sarobidy amintsika toy izany koa ny fahazoana tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.—Matio 13:45, 46.

Sarotra ny manaiky ampianarina

Tena sarotra amin’ny olona iray koa ny hahazo izay raketin’ny Baiboly, raha tsy manaiky ampianarina izy. Mety ho sarotra aminao ny manaiky ampianarin’ny olona iray heverinao ho ambany. Tadidio anefa fa lehilahy ‘tsy nahita fianarana sady olon-tsotra’ ireo apostolin’i Jesosy Kristy. (Asan’ny Apostoly 4:13) Nanazava ny antony i Paoly. Hoy izy: “Hitanareo ny fiantsoany anareo, ry rahalahy, fa tsy maro aminareo no hendry araka ny nofo, tsy maro no mahery, ary tsy maro no avo razana. Fa Andriamanitra nifidy ny zavatra adala amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny hendry.” (1 Korintianina 1:26, 27) Raha tsy mora aminao ny manetry tena rehefa misy olona toa ambany mampianatra anao, dia tadidio fa fitaovana ampiasain’Andriamanitra fotsiny izy. Tsy misy voninahitra lehibe kokoa noho ny hoe ampianarin’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra.—Isaia 30:20; 54:13.

Mpitari-tafika syrianina i Namàna, ary sarotra taminy ny nanaiky ny torohevitry ny olona iray noheveriny ho ambany. Nandeha nankany amin’i Elisa, mpaminanin’i Jehovah, izy, satria te ho sitrana tamin’ny habokany. Mpanompo iray anefa no nasaina nilaza taminy ny toromarik’Andriamanitra, momba izay tokony hataony mba hahasitrana azy. Nitaky fanetren-tena ny fanekena an’ilay zavatra nasaina natao sy ny fomba nampitana an’ilay izy. Sarotra tamin’i Namàna izany ka nanda tsy hankatò ny tenin’ilay mpaminanin’Andriamanitra izy, tamin’ny voalohany. Nanova ny toe-tsainy anefa izy avy eo, ary sitrana. (2 Mpanjaka 5:9-14) Miatrika zava-tsarotra toy izany koa isika rehefa mamaky Baiboly. Mety ho fantatsika, ohatra, fa mila manao fiovana isika, raha tiantsika hankasitrahan’Andriamanitra ny fivavahantsika sy ny fitondran-tenantsika. Hanetry tena ve isika ka hanaiky hampianarin’olona momba izay tokony hatao? Ny olona manaiky ampianarina ihany no hahazo izay raketin’ny Baiboly.

Tena tsara toe-tsaina ny olona ambony iray teo ambany fahefan’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopianina. Nitodi-doha ho any Afrika izy, ary nitaingina ny kalesiny, raha nihazakazaka nanatona azy i Filipo mpianatr’i Jesosy. Nanontany azy i Filipo raha tena azony ny zavatra novakiny. Nanetry tena ilay lehilahy ka namaly hoe: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy mampianatra ahy?” Rehefa nazava tsara taminy àry ny Tenin’Andriamanitra, dia natao batisa izy. “Nanohy ny diany izy [taorian’izay] sady ravoravo.”—Asan’ny Apostoly 8:27-39.

Olon-tsotra ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mampianatra Baiboly any an-tokantranon’ny olona enina tapitrisa mahery izy ireo, isan-kerinandro. Olona an-tapitrisany no mahatsapa fa tena mahafinaritra ny mianatra Baiboly sy mahazo tsara izay raketiny. Mampianatra ny fomba fiaina tsara indrindra mantsy ny Baiboly, sady manazava momba ilay fanantenana tokana ho an’ny olombelona, ary manampy antsika hahafantatra tsara an’Andriamanitra. Afaka mahatsapa izany fahafinaretana izany koa ianao.

[Sary, pejy 7]

Sarotra tamin’i Namàna ny nanaiky ny torohevitr’ilay mpanompo noheveriny ho ambany

[Sary, pejy 7]

Mahafaly ny fo ny fahazoana izay raketin’ny Baiboly