Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona, ka Ataovy Batisa’

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona, ka Ataovy Batisa’

‘Mandehana Ataovy Mpianatra ny Olona, ka Ataovy Batisa’

“Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa. ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” —MATIO 28:19, 20.

1. Inona no fanapahan-kevitra noraisin’ny firenen’ny Israely, teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay?

NANAO voady tamin’Andriamanitra ny firenen’ny Israely, tokony ho 3 500 taona lasa izay. Nivory teo am-pototry ny Tendrombohitra Sinay izy ireo, ary nanambara hoe: “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay.” Nanolo-tena ho an’Andriamanitra io vahoaka io nanomboka teo, ary lasa “rakitra soa” ho azy. (Eksodosy 19:5, 8; 24:3) Niandrandra ny fiarovany izy ireo, ary nanantena ny hiaina ao amin’ny tany “tondra-dronono sy tantely” izy sy ny taranany rehetra mandimby azy.—Levitikosy 20:24.

2. Afaka mifandray amin’Andriamanitra ny olona ankehitriny. Manao ahoana izany fifandraisana izany?

2 Nilaza anefa i Asafa mpanao salamo, fa “tsy nitandrina ny fanekena” nataony tamin’Andriamanitra ny Israelita, ary “tsy nety nandeha araka ny lalàny.” (Salamo 78:10) Tsy nanaja ilay voady nataon’ny razambeny tamin’i Jehovah izy ireo. Tsy nanana fifandraisana manokana taminy intsony izy ireo tamin’ny farany. (Mpitoriteny 5:3; Matio 23:37, 38) “Nihevitra ny hafa firenena” indray àry Andriamanitra, “mba hangalany olona avy amin’ireo ho an’ny anarany.” (Asan’ny Apostoly 15:14) Ary amin’izao andro farany izao izy, dia manangona ‘vahoaka be tsy tambo isaina, avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.’ Miaiky amim-pifaliana izy ireo hoe: “Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry, ka manana adidy aminy isika.”—Apokalypsy 7:9, 10.

3. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray, raha te hanana fifandraisana manokana amin’Andriamanitra izy?

3 Sarobidy io fifandraisana amin’i Jehovah io, ary izay maniry izany dia tsy maintsy manolo-tena ho azy, sy mampiseho izany ampahibemaso amin’ny alalan’ny batisa anaty rano. Raha manao izany isika, dia mankatò izao didy nomen’i Jesosy ny mpianany izao: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Nihaino an’i Mosesy namaky ‘ny bokin’ny fifanekena’ ny Israelita, ka nahafantatra ny adidiny tamin’i Jehovah. (Eksodosy 24:3, 7, 8) Toy izany koa ankehitriny. Mila manana fahalalana marina tsara ny sitrapon’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly ny olona iray, alohan’ny hanaovana batisa azy.

4. Inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray, raha iriny ny hahafeno fepetra ho amin’ny batisa? (Jereo ny efajoro etsy ambony.)

4 Irin’i Jesosy hanana finoana mafy orina ny mpianany, alohan’ny hanaovana batisa azy ireo. Tsy nandidy ny mpanara-dia azy handeha hanao mpianatra fotsiny mantsy izy, fa nandidy azy ireo koa mba hampianatra ny olona ‘hitandrina izay rehetra nandidiany.’ (Matio 7:24, 25; Efesianina 3:17-19) Mazàna àry no efa nianatra Baiboly nandritra ny volana maromaro, na nandritra ny iray na roa taona ny olona iray, vao mahafeno fepetra ho amin’ny batisa. Voahevitra tsara ny fanapahan-keviny amin’izay, fa tsy atao maimaika. Misy fanontaniana lehibe roa asaina valian’ireo hatao batisa, alohan’ny handrobohana azy. Tsara raha averintsika dinihina amin’ny an-tsipiriany ireo fanontaniana ireo. Nanantitrantitra mantsy i Jesosy hoe: “Aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Matio 5:37.

Fibebahana sy fanoloran-tena

5. Inona ireo dingana lehibe roa asongadin’ilay fanontaniana voalohany amin’ny batisa?

5 Voalohany, anontaniana ireo olona hatao batisa raha efa nibebaka noho ny fomba fiainany taloha izy, ary nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony. Manasongadina dingana lehibe roa tsy maintsy atao alohan’ny batisa io fanontaniana io, dia ny fibebahana sy ny fanoloran-tena.

6, 7. a) Nahoana ireo hatao batisa no mila mibebaka? b) Inona no fiovana tsy maintsy atao aorian’ny fibebahana?

6 Nahoana ny olona iray no tsy maintsy mibebaka, alohan’ny hanaovana batisa azy? Hoy ny apostoly Paoly: ‘Nitondra tena araka ny fanirian’ny nofontsika isika rehetra taloha.’ (Efesianina 2:3) Nanaraka ny fomba fiainan’ity tontolo ity sy ny toetrany ary ny fitsipiny isika, talohan’ny nahafantarantsika ny sitrapon’Andriamanitra. I Satana, ilay andriamanitr’ity tontolo ity, no nibaiko ny fiainantsika. (2 Korintianina 4:4) Rehefa nahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra anefa isika, dia nanapa-kevitra fa tsy ho velona “ho an’ny fanirian’olombelona intsony ..., fa ho velona hanao ny sitrapon’Andriamanitra.”—1 Petera 4:2.

7 Mitondra valisoa tondraka izany fiovana izany. Lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah, ohatra, isika ary tena sarobidy izany. Nilaza i Davida fa toy ny hoe asaina hiditra ao amin’ny ‘tabernakelin’Andriamanitra’ sy ny ‘tendrombohiny masina’ isika amin’izay. Voninahitra lehibe tokoa izany. (Salamo 15:1) Mazava ho azy fa tsy ny olon-drehetra no asain’i Jehovah, fa ireo “mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony.” (Salamo 15:2) Arakaraka izay fiainantsika teo aloha, dia mety ho tsy maintsy hanova ny fitondran-tenantsika sy ny toetrantsika isika, raha te hahafeno an’io fepetra io. (1 Korintianina 6:9-11; Kolosianina 3:5-10) Manosika antsika hanao izany fiovana izany ny fibebahana. Midika izany fa manenina mafy isika noho ny fomba fiainantsika taloha, ary tena tapa-kevitra ny hampifaly an’i Jehovah. Miova tanteraka isika noho izany, satria miala amin’ny fitiavan-tena sy ny fomba fiainan’ity tontolo ity, ary manana fomba fiaina mampifaly an’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 3:19.

8. Ahoana no anaovantsika ny fanoloran-tenantsika, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny batisa?

8 Amin’ny tapany faharoa amin’ilay fanontaniana voalohany, dia anontaniana ireo hatao batisa, raha nanolo-tena ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony. Tsy maintsy manolo-tena ny olona iray, alohan’ny hanaovana batisa azy. Ny hoe manolo-tena dia milaza amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka, fa irintsika atolotra ho azy amin’ny alalan’i Kristy ny fiainantsika. (Romanina 14:7, 8; 2 Korintianina 5:15) Lasa Tompontsika i Jehovah amin’izay, ary faly isika manao ny sitrapony, toa an’i Jesosy. (Salamo 40:8; Efesianina 6:6) Indray mandeha ihany no anaovana an’io voady io amin’i Jehovah. Koa satria tsy misy olon-kafa mahalala hoe efa nanao izany isika, dia ilaina ny manao fanambarana ampahibemaso amin’ny andron’ny batisantsika. Ho fantatry ny rehetra amin’izay fa efa nanolo-tena ho an’ilay Raintsika any an-danitra isika.—Romanina 10:10.

9, 10. a) Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra? b) Inona no mampiseho fa na ny manam-pahefana nazia aza dia nahafantatra ny atao hoe fanoloran-tena?

9 Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manao ny sitrapon’Andriamanitra toa an’i Jesosy? Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Matio 16:24) Misy zavatra telo tsy maintsy ataontsika resahiny eo. Voalohany, mila ‘mandà tena’ isika. Izany hoe miala amin’ny fitiavan-tena sy ny fanirian’ny nofo tsy lavorary, ary manaiky ny torohevitra sy ny tari-dalan’Andriamanitra. Faharoa, mila ‘mitondra ny hazo fijaliantsika’ isika. Midika ho fijaliana sy fahafaham-baraka ny hazo fijaliana tamin’ny andron’i Jesosy. Manaiky hiaritra fahoriana koa isika Kristianina, noho ny vaovao tsara. (2 Timoty 1:8) Mety haneso na hanala baraka antsika izao tontolo izao. ‘Tsy mitandro henatra’ toa an’i Kristy anefa isika, fa faly satria mampifaly an’Andriamanitra. (Hebreo 12:2) Farany, mila manaraka an’i Jesosy “mandrakariva” isika.—Salamo 73:26; 119:44; 145:2.

10 Tsara homarihina fa na ny mpanohitra sasany aza miaiky, fa manolo-tena hanompo an’Andriamanitra irery ihany ny Vavolombelon’i Jehovah. Izany no nitranga tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia, any Buchenwald, Alemaina. Nasain’izy ireo nanao sonia an’izao fanambarana manaraka izao mantsy ireo Vavolombelona tsy nety niala tamin’ny finoany: “Mbola Mpianatra ny Baiboly mahatoky aho, ka tsy hivadika amin’ilay voady nataoko tamin’i Jehovah.” Tena mampiseho ny fanapahan-kevitry ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky sy vita fanoloran-tena rehetra izany!—Asan’ny Apostoly 5:32.

Lasa Vavolombelon’i Jehovah

11. Inona no voninahitra raisin’ny olona vita batisa?

11 Amin’ny tapany voalohany amin’ilay fanontaniana faharoa, dia anontaniana ilay olona raha mazava aminy fa lasa Vavolombelon’i Jehovah izy, rehefa vita batisa. Voatendry ho mpanompon’i Jehovah mitondra ny anarany koa izy amin’izay. Sady voninahitra lehibe izany no andraikitra. Afaka ny ho voavonjy mandrakizay ilay olona vita batisa, raha tsy mivadika amin’i Jehovah.—Matio 24:13.

12. Inona no adidin’ireo mitondra ny anaran’i Jehovah?

12 Voninahitra tsy manam-paharoa tokoa ny mitondra ny anaran’i Jehovah, ilay Andriamanitra mahery indrindra. Hoy i Mika mpaminany: “Ny firenena rehetra samy mandeha amin’ny anaran’ny andriamaniny avy; fa isika kosa handeha amin’ny anaran’i Jehovah Andriamanitsika mandrakizay doria.” (Mika 4:5) Miampy adidy anefa io voninahitra io. Tsy maintsy miezaka hanana fomba fiaina manome voninahitra ny anaran’i Jehovah isika. Nampahatsiahy ny Kristianina tany Roma i Paoly, fa ‘manevateva’ na manala baraka ny anaran’Andriamanitra ny olona iray, raha tsy mampihatra izay toriny.—Romanina 2:21-24.

13. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena no manana andraikitra hitory momba an’Andriamaniny?

13 Eken’ireo olona lasa Vavolombelon’i Jehovah koa, fa manana andraikitra hitory momba ny Andriamaniny izy. Rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah ny firenen’ny Israely, dia nasainy nijoro ho vavolombelony mba hanamarina fa izy no Andriamanitra mandrakizay. (Isaia 43:10-12, 21) Tsy nahatontosa an’io andraikitra io anefa ilay firenena, ka tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony. Voninahitra ho an’ny tena Kristianina ankehitriny, ny mitory momba an’i Jehovah. Manao izany isika satria tia azy, ary irintsika ny hanamasinana ny anarany. Isika ve dia hangina, nefa mahafantatra ny marina momba an’ilay Raintsika any an-danitra sy ny fikasany? Ekentsika tokoa ilay tenin’ny apostoly Paoly hoe: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsara aho. Lozako tokoa raha tsy manao izany aho!’—1 Korintianina 9:16.

14, 15. a) Ahoana no anampian’ny fandaminan’i Jehovah antsika handroso ara-panahy? b) Inona avy no fandaharana natao hanampiana antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy?

14 Ampahatsiahivina ao amin’ilay fanontaniana faharoa koa, fa mila miara-miasa amin’ny fandaminana tarihin’ny fanahin’i Jehovah, ny olona vita batisa. Tsy vitantsika samirery ny hanompo an’Andriamanitra, fa ilaintsika ny fanampiana sy fanohanana ary fampaherezana avy amin’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (1 Petera 2:17; 1 Korintianina 12:12, 13) Tena manampy antsika handroso ara-panahy ny fandaminan’Andriamanitra. Manome antsika boky ara-baiboly maro be izy io, mba hanampiana antsika hitombo fahalalana, hanao zavatra amim-pahendrena rehefa misy olana, ary hifandray akaiky amin’Andriamanitra. Tsy misy hafa amin’ny reny manome sakafo ampy tsara ho an’ny zanany sy mikarakara azy ny “mpanompo mahatoky sy malina”, satria manome sakafo ara-panahy tondraka sy ara-potoana, mba hanampiana antsika handroso ara-panahy.—Matio 24:45-47; 1 Tesalonianina 2:7, 8.

15 Mahazo ny fampiofanana sy fampaherezana ilaina mba tsy hivadihana amin’i Jehovah ny Vavolombelony, mandritra ireo fivoriana isan-kerinandro. (Hebreo 10:24, 25) Mampianatra antsika handaha-teny, ohatra, ny Sekolin’ny Fanompoana. Ny Fivoriana Momba ny Fanompoana kosa manampy antsika hahita fahombiazana amin’ny fitoriana. Afaka mahita ny fanahin’i Jehovah mitarika ny fandaminany isika, rehefa manatrika fivoriana na mianatra samirery an’ireo boky sy gazety ara-baiboly. Mampitandrina antsika amin’ny loza, mampiofana antsika ho mpitory mahita vokatra, ary manampy antsika hifoha ara-panahy hatrany Andriamanitra, amin’ny alalan’ireo fandaharana tsy tapaka ireo.—Salamo 19:7, 8, 11; 1 Tesalonianina 5:6, 11; 1 Timoty 4:13.

Antony manosika antsika hatao batisa

16. Inona no manosika antsika hanolo-tena ho an’i Jehovah?

16 Hitantsika teo, fa mampahatsiahy ny dikan’ny batisa anaty rano sy ny andraikitra tafiditra amin’izany, ireo fanontaniana roa amin’ny batisa. Inona àry no tokony hanosika antsika hanapa-kevitra hatao batisa? Mandray io fanapahan-kevitra io isika satria ‘taomin’i’ Jehovah, fa tsy tereny hanao izany. (Jaona 6:44) “Andriamanitra dia fitiavana”, ka tsy manao didy jadona izy, fa mitondra ny zavaboariny amim-pitiavana. (1 Jaona 4:8) Voasarika hanatona an’i Jehovah isika noho ny toetra tsarany, sy ny fomba itondrany antsika. Nahafoy ny Zanany lahitokana izy hanavotana antsika, sady mampanantena hoavy faran’izay tsara ho antsika. (Jaona 3:16) Ho setrin’izany, dia voatosika hanolo-tena na hanokana ny fiainantsika ho azy isika.—Ohabolana 3:9; 2 Korintianina 5:14, 15.

17. Tsy nanokan-tena ho an’ny inona isika?

17 Nanolo-tena ho an’i Jehovah isika, fa tsy nanokan-tena hanaraka hevitra iray, na hanao asa iray. Hiova ny asa ampanaovin’Andriamanitra ny vahoakany, fa ny fanoloran-tenan’izy ireo kosa tsy miova. Tsy nitovy, ohatra, ny asa nampanaoviny an’i Abrahama sy Jeremia. (Genesisy 13:17, 18; Jeremia 1:6, 7) Samy namita ny asany anefa izy ireo, satria tia an’i Jehovah ary naniry hanao ny sitrapony foana. Miezaka mankatò ny baikon’i Kristy ny mpianany vita batisa rehetra amin’izao andro farany izao, ka mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy manao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Ny fanaovantsika an’io asa io amin’ny fo manontolo, dia hanaporofo fa tia ny Raintsika any an-danitra isika, ary tena nanolo-tena ho azy.—1 Jaona 5:3.

18, 19. a) Inona no fanambarana ampahibemaso ataontsika amin’ny alalan’ny batisa? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Azo antoka fa hahazoana fitahiana maro be ny batisa. Tsy tokony hataotao foana anefa izy io, na izany aza. (Lioka 14:26-33) Asehontsika amin’izy io, fa zava-dehibe noho ny andraikitra hafa rehetra ny fanompoantsika an’Andriamanitra. (Lioka 9:62) Rehefa atao batisa isika, dia toy ny manambara ampahibemaso hoe: I Jehovah “no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria; izy no hitarika antsika na dia hatramin’ny fahafatesana aza.”—Salamo 48:14.

19 Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny fanontaniana hafa mifandray amin’ny batisa. Ohatra: Misy antony tokony hisakana ny olona tsy hatao batisa ve? Firy taona ny olona iray vao azo atao batisa? Inona no azon’ny rehetra atao, mba hanehoana fanajana an’io fotoan-dehibe io?

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana ny Kristianina tsirairay no mila mibebaka alohan’ny batisany?

• Inona avy no tafiditra amin’ny hoe manolo-tena ho an’Andriamanitra?

• Inona avy no andraikitr’ireo mitondra ny anaran’i Jehovah?

• Inona no tokony hanosika antsika hanapa-kevitra hatao batisa?

[Fanontaniana]

[Efajoro/​Sary, pejy 22]

Ireo fanontaniana roa amin’ny batisa

Miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy, moa ve ianao nibebaka noho ireo fahotanao ka nanolotra ny tenanao ho an’i Jehovah mba hanao ny sitrapony?

Mazava aminao ve fa ny fanoloran-tenanao sy ny batisanao dia midika fa Vavolombelon’i Jehovah ianao, ary miaraka amin’ny fandaminan’Andriamanitra tarihin’ny fanahiny?

[Sary, pejy 23]

Ny fanoloran-tena dia voady atao amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka

[Sary, pejy 25]

Porofointsika amin’ny alalan’ny fitoriana fa nanolo-tena ho an’Andriamanitra isika