Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?

Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?

Fanasana...

Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?

LOZA araka ny natiora, aretina mahafaty, kolikoly ataon’ny olona ambony, asa fampihorohoroana, ady, ary heloka bevava. Saika isan’andro isika no mandre vaovao toy izany. Efa nisy nihatra taminao angamba ireo. Na izany na tsy izany, dia mahatonga antsika hanontany ireny zava-mitranga ireny hoe: Hanao ahoana ity tontolo ity? Mbola hihatsara ve izy ity?

Mba hamaliana izany, dia hisy lahateny ho an’ny besinimaro tonga amin’ny fotoana ilana azy, any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, any amin’ny tany 200 mahery. Ny lohateniny dia hoe: “Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?” Horesahina ao amin’izy io izay ampanantenain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, sy ny valiny omeny amin’ireto fanontaniana lehibe ireto:

Mahaliana an’Andriamanitra ve ny zava-mitranga eto an-tany?

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny olombelona?

Mitady izay hahasoa anao ve izy?

Hatao ny alahady 30 Aprily 2006 io lahateny io, any amin’ny faritra maro. Tsy hisy ny vidim-pidirana. Ho faly ny Vavolombelona eny akaikinareo hilaza aminao ny ora sy ny toerana hanaovana azy io.

Asaina amim-pitiavana ianao, hanatrika an’io lahateny mampahery miorina amin’ny Baiboly io. Hahazo valiny mahafa-po amin’ity fanontaniana ity ianao: Mbola Manan-jo Hitondra An’izao Tontolo Izao ve Andriamanitra?