Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Modely ho An’ny Zanakao ve Ianao?

Modely ho An’ny Zanakao ve Ianao?

Modely ho An’ny Zanakao ve Ianao?

“EFA an-jatony taona ny manam-pahaizana no nikaroka ny fomba tsara itaizan-janaka. Tsy mila mitady intsony anefa izy ireo izao: Tsy hoe satria efa nahita, fa ilay izy mihitsy no tsy misy.” Izany no fanatsoahan-kevitry ny mpanoratra iray, tao amin’ny gazety Fotoana (anglisy), rehefa avy namaky boky momba ny fitaizan-janaka izy. Voalazan’io boky io mantsy fa tsy izay ampianarin’ny ray aman-dreniny no arahin’ny ankizy, fa izay atoron’ny namany.

Miara-manaiky isika fa tena mahery ny fitaoman’ny namana. (Ohabolana 13:20; 1 Korintianina 15:33) Nilaza i William Brown, mpanao gazety, fa ny hitovy amin’ny namany no tena imatimatesan’ny tanora, ary “aleony mihitsy maty toy izay hiavaka amin’ny besinimaro.” Mirotoroto ny fiainana ankehitriny, ka tsy miaraka firy amin’ny zanany ny ray aman-dreny. Tsy manao ezaka koa izy ireo mazàna, mba hahatonga ny fiainana ao an-tokantrano hahafinaritra sy hanjakan’ny fitiavana. Raha avelan’ny ray aman-dreny hitranga izany, dia ho resin’ny fitaoman’ny namany ny ankizy, ary hitondra voka-dratsy ho azy ireo izany.

Mihasarotra koa ny fiainam-pianakaviana amin’izao “andro farany” izao, satria tia vola sy tia fahafinaretana ary tia tena ny olona, araka ny efa voalazan’ny Baiboly. Tsy mahagaga àry raha manjary ‘tsy mankatò ray aman-dreny, tsy misaotra, tsy mena-mivadika, ary tsy tia ny mpianakaviny’ ny ankizy.—2 Timoty 3:1-3.

Tokony ho voajanahary ny ‘fitiavana ny mpianakavy.’ Io fitiavana io no mahatonga ny ray aman-dreny hikarakara ny zanany, sy mahatonga ny zanaka hiraiki-po amin’ny ray aman-dreniny. Lasa mitady olon-kafa hitia azy anefa ny ankizy, raha tsy maneho ilay fitiavana voajanahary ny ray aman-dreniny. Any amin’ny namany izy matetika no mitady izany fitiavana izany, ka ny toetra sy ny fomba fisainan’ireny no tahafiny. Tsy voatery hitranga anefa izany, raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny ray aman-dreny ao an-tokantrano.—Ohabolana 3:5, 6.

Andriamanitra no namorona ny fianakaviana

Rehefa avy nitso-drano ny fanambadian’i Adama sy Eva Andriamanitra, dia nandidy azy ireo hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.” Taorian’izay vao nanomboka nisy ny fianakaviana, ahitana ray sy reny ary zanaka. (Genesisy 1:28; 5:3, 4; Efesianina 3:14, 15) Nomen’i Jehovah fahaizana voajanahary ny olombelona mba hitaizany ny zanany. Mila tari-dalana fanampiny anefa izy ireo, fa tsy toy ny biby. Nomen’i Jehovah àry ny Soratra Masina, mba hitari-dalana azy ireo eo amin’ny fitondran-tena sy ny fanompoana an’Andriamanitra ary ny fitaizana tsara ny zanany.—Ohabolana 4:1-4.

Izao, ohatra, no toromarika nomeny, izay miantefa voalohany indrindra amin’ny raim-pianakaviana: “Aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao hianao, na mandeha any an-dàlana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7; Ohabolana 1:8, 9) Mariho fa tokony ho ao am-pon’ny ray aman-dreny aloha ny lalàn’Andriamanitra. Nahoana izany no tena ilaina? Satria mandaitra kokoa ny fampianarana rehefa tena avy ao am-po, fa tsy an-tendro-molotra fotsiny. Rehefa manao izany ihany ny ray aman-dreny, vao afaka manohina ny fon’ny zanany. Tokony ho modely koa ny ray aman-dreny, izany hoe hampihatra izay ampianariny. Tonga dia fantatry ny ankizy mantsy raha mihatsaravelatsihy izy ireo.—Romanina 2:21.

Tokony ‘hotezaina araka ny fananarana sy ny fomba fisainan’i Jehovah’ ny ankizy, dieny mbola zazakely. (Efesianina 6:4; 2 Timoty 3:15) Dieny mbola zazakely hoe? Izany tokoa! Hoy ny renim-pianakaviana iray: “Indraindray isika ray aman-dreny mieritreritra hoe mbola kely loatra ny zanatsika, ka tsy hahay zavatra. Afaka miana-javatra betsaka anefa izy ireo, ary tena tokony hohararaotintsika izany.” Tena tia mianatra ny ankizy, ary hianatra hitia izy raha ampianarin’ny ray aman-dreny matahotra an’Andriamanitra. Ho tsapany amin’izay fa natao hiarovana azy ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreniny. Mba hahasambatra ny ankizy àry, dia tokony ho namana be fitiavana ny ray aman-dreny, hifampiresaka tsara aminy, ary haneho faharetana sady ho hentitra rehefa mampianatra. *

Arovy ny zanakao

Nanoratra ho an’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ny talen-tsekoly iray any Alemaina, nanao hoe: “Tianay ny hampirisika anareo handray anjara bebe kokoa amin’ny fanabeazana ny zanakareo. [Andraikitrareo] ny mamolavola ny toetran’izy ireo, fa aza avela ho ny tele na ny naman-dratsy eny ivelany mihitsy.”

Raha ny tele na ny naman-dratsy eny ivelany mantsy no avela hitaiza ny ankizy, dia ny fanahin’izao tontolo izao no hamolavola ny fisainany. (Efesianina 2:1, 2) Manohitra ny fanahin’Andriamanitra anefa ny fanahin’izao tontolo izao, ka mitady hanimba ny ankizy, izay mora fitahina sy tsy ampy fahendrena. Noho izany, dia mety hitsiry ao am-po sy ao an-tsain’izy ireo ny fomba fihevitr’ity tontolo ity, izay ‘araka ny nofo sy araka ny demonia.’ (Jakoba 3:15) Manimba tsikelikely ny fo izany. Inona no vokany rehefa simba ny fo? Hoy i Jesosy: “Ny olona tsara dia mamoaka zavatra tsara avy amin’ny tahiry tsaran’ny fony, fa ny olona ratsy fanahy kosa mamoaka zavatra ratsy avy amin’ny tahiry ratsy ananany. Fa izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Lioka 6:45) Mampirisika antsika àry ny Baiboly hoe: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.”—Ohabolana 4:23.

Mazava ho azy fa ny ankizy dia ankizy ihany, ka mafy loha ny sasany na maditra mihitsy aza. (Genesisy 8:21) Inona no azon’ny ray aman-dreny atao? Hoy ny Baiboly: “Miraikitra amin’ny fon’ny zaza ny hadalana; fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.” (Ohabolana 22:15) Misy mihevitra fa masiaka loatra izany fomba fitaizana izany, ka tsy tokony hampiharina intsony. Ekena aloha fa mandrara antsika tsy hanao teny maharary na hahery setra ny Baiboly. Misy heviny hafa koa anefa ilay hoe “tsorakazo”, na dia azo raisina ara-bakiteny aza. Ny tiana horesahina eto dia ny fahefan’ny ray aman-dreny, izay ampiharina amin’ny fomba hentitra sy amim-pitiavana, ary natao mba hitondra soa mandrakizay ho an’ny ankizy.—Hebreo 12:7-11.

Miaraha miala voly amin’ny zanakao

Mila milalao sy miala voly ny ankizy, mba hampivelatra tsara ny sainy. Hendry ny ray aman-dreny, raha manao izay hahatonga ny zanany hiraiki-po aminy, ka miara-miala voly aminy isaky ny afaka manao izany. Afaka manampy azy ireo hifidy fialam-boly tsara izy amin’izay, ary ho tsapan’ireo ankizy fa tena tia miaraka aminy ny ray aman-dreniny.

Matetika, ohatra, no niara-nilalao baolina tamin’ny zanany lahy ny raim-pianakaviana iray Vavolombelon’i Jehovah, rehefa avy niasa. Nanao kilalao isan-karazany niaraka tamin’ny zanany koa ny renim-pianakaviana iray, ary tena tian’ireo ankizy izany. Tsaroan’ny vehivavy iray fa tamin’izy mbola kely, dia faly erỳ izy mianakavy niara-nitsangantsangana tamin’ny bisikileta. Efa lehibe avokoa izao ireo ankizy ireo, nefa mbola tiany foana ny ray aman-dreniny, sady tia an’i Jehovah izy, ary vao mainka aza mitombo izany fitiavana izany.

Rehefa asehon’ny ray aman-dreny amin’ny teniny sy ny ataony fa tena tiany ny zanany, ary mahafinaritra azy ny miaraka aminy, dia misy vokany lalina eo amin’ny ankizy izany, ary tadidiny mandrakizay mihitsy aza. Nanontaniana, ohatra, ny kilasy iray tamin’ny Sekolin’i Gileada, ka maro tamin’izy ireo no nilaza fa ny modely sy ny fampaherezan’ny ray aman-dreniny no nahatonga azy hanao fanompoana manontolo andro. Tena nandray soa tokoa ireo ankizy ireo, ary sambatra erỳ ny ray aman-dreniny! Marina fa tsy ny ankizy rehetra no ho afaka hanompo manontolo andro rehefa lehibe. Azo antoka anefa fa handray soa sy hanome voninahitra anao ny zanakao, raha miezaka ho tena namana sy modely ho azy ianao.—Ohabolana 22:6; Efesianina 6:2, 3.

Afaka mahomby ianao na mitaiza irery aza

Tsy manana afa-tsy ray na reny ny ankizy maro. Sarotra kokoa ny mitaiza irery, nefa afaka ny hahomby ianao. Mampahery an’ireo mitaiza irery ny ohatr’i Eonika, Kristianina jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Tantarain’ny Baiboly fa tsy Kristianina ny vadiny, ka tsy nanohana azy mihitsy teo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. Nanome ohatra tsara anefa i Eonika tamin’ny fampianarany an’i Timoty zanany. Mbola zazakely i Timoty dia efa nampiofanin’ny reniny sy Loisa renibeny. Tena nisy vokany teo aminy izany fitaizana tsara izany, ka tsy voatariky ny naman-dratsy izy.—Asan’ny Apostoly 16:1, 2; 2 Timoty 1:5; 3:15.

Tanora maro ankehitriny no tsara toetra toa an’i Timoty, na dia tsy manana afa-tsy ray na reny aza, na koa misy tsy Vavolombelona amin’ireo ray aman-dreniny. Ohatra amin’izany i Ryan, 22 taona. Mpanompo manontolo andro izy, nefa ny reniny irery no nitaiza azy sy ny zokiny lahy ary ny zokiny vavy. Mamo lava mantsy ny rainy, ary nandao azy ireo raha mbola efa-taona monja i Ryan. Hoy izy: “Tapa-kevitra i Neny fa hanampy anay rehetra hanompo an’i Jehovah foana, ary niezaka tamin’ny fony manontolo tokoa izy mba hahavitany izany.”

Hoy koa i Ryan: “Namana tsara ihany no navelan’i Neny hiarahanay. Norarany izahay mba tsy hifanerasera tamin’ireo lazain’ny Baiboly fa naman-dratsy, na teo anivon’ny fiangonana izany na tany ivelany. Nampianariny koa izahay mba hahay handanjalanja amin’ny fianarana tokony hatao.” Matetika ny renin’i Ryan no be atao sy reraky ny asa, kanefa nikarakara sy naneho fitiavana ny zanany foana izy. Hoy ihany i Ryan: “Satriny foana hiaraka aminay sy hiresaka aminay. Hentitra izy nefa nanam-paharetana koa, ary nanao izay azony natao mba tsy ho tapatapaka ny fianaram-pianakavianay. Tsy nampandefitra ny toro lalan’ny Baiboly mihitsy izy na hiodina aza ny tany aman-danitra.”

Miaiky i Ryan fa ny olona namela soritra lalina indrindra teo amin’ny fiainany sy ny an’ireo zokiny, dia ny reniny izay tena tia azy ireo sy tia an’Andriamanitra. Aza mora kivy àry na miraviravy tanana, rehefa misy zavatra tsy mandeha tsara eo amin’ny fitaizanao ny zanakao. Miezaha mafy foana hampianatra azy ireo, na manambady ianao na tsy manambady, ary na Vavolombelona ny vadinao na tsia. Na dia misy aza mantsy tanora miala amin’ny fahamarinana toa an’ilay zanaka adala, dia mety hiverina ihany izy, rehefa hitany fa poakaty ny fiainana any amin’izao tontolo izao sady tsy misy fitiavana. Marina tokoa fa rehefa ‘mandeha amin’ny fahitsiana ny olona marina’, dia ho “sambatra ny zanany mandimby azy.”—Ohabolana 20:7; 23:24, 25; Lioka 15:11-24.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Manazava momba izany ny pejy 55-59 ao amin’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/​Sary, pejy 11]

Andriamanitra no Nifidy ny Ray Aman-drenin’i Jesosy

Nifidy tsara izay hitaiza ny Zanany i Jehovah, rehefa nandefa azy tetỳ an-tany. Tsara homarihina fa mpivady mahantra sy natahotra an’Andriamanitra no nofidiny. Tsy nampihanta an’i Jesosy izy ireo fa nampianatra azy ny Tenin’Andriamanitra, ary nampiofana azy hiasa mafy sy handray andraikitra. (Ohabolana 29:21; Fitomaniana 3:27) Nampianarin’i Josefa nandrafitra i Jesosy. Izy no lahimatoa ka azo inoana fa nasain’izy mivady nanampy azy ireo, mba hikarakara ireo zandriny izay niisa enina, fara fahakeliny.—Marka 6:3.

Nankany Jerosalema isan-taona izy mianakavy, mba hankalaza ny Paska. Niara-niasa ilay fianakaviana rehefa nanomana ilay dia. Tsy nisy fiara fitaterana tamin’izany, nefa 200 kilaometatra ny lalana hodiavina mandroso sy miverina. Sivy mianaka koa izy ireo, fara fahakeliny, ary lavitra ilay lalana, ka maro ny zavatra tsy maintsy nalamina mialoha. (Lioka 2:39, 41) Na izany aza anefa, dia tsy nataon’i Josefa sy Maria ambanin-javatra ny fankanesana tany Jerosalema. Mety ho nohararaotin’izy ireo koa izany mba hampianarana ny zanany an’ireo zava-niseho tantarain’ny Baiboly.

“Nankatò” ny ray aman-dreniny foana i Jesosy, ary ‘nihanitombo fahendrena sy nihalehibe ary nihanahazo sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.’ (Lioka 2:51, 52) Mendrika ny fatokisan’i Jehovah tokoa i Josefa sy Maria. Tena ohatra tsara ho an’ny ray aman-dreny izy ireo!—Salamo 127:3.