Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo i Kristy Rehefa Mampihatra Fahefana

Tahafo i Kristy Rehefa Mampihatra Fahefana

Tahafo i Kristy Rehefa Mampihatra Fahefana

TAONA maro lasa izay, dia nisy fandinihana natao momba ny fitondran-tenan’ny olombelona. Nozaraina roa ireo olona nasaina nandray anjara tamin’izy io. Nasaina nogadraina ny antokon’olona voalohany, ary notendrena hiambina azy ireo ny antokon’olona faharoa. Nahavariana ny vokatra azo. Fa inona no nitranga?

Voalaza fa “nanjary nanambany sy nihetraketraka ary nanasazy imbetsaka an’ireo nigadra ny ankamaroan’ireo [niambina], rehefa afaka andro vitsivitsy. Lasa natahotra kosa ireo nigadra, ary nankatò tsy sazoka.” Nanatsoaka hevitra toy izao àry ny mpikaroka nanao an’ilay fandinihana: Mety hanjary hanampatra fahefana daholo ny ankamaroan’ny olona, na iza na iza.

Fomba tsara sy ratsy ampiharana fahefana

Mazava ho azy fa vokatra tsara no azo, rehefa mahay mampihatra fahefana ireo manana izany. Mahazo tari-dalana tsara ny olona, ary mandray soa eo amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy. (Ohabolana 1:5; Isaia 48:17, 18) Nasehon’ilay fandinihana noresahina tetsy aloha anefa, fa mety hisy foana ny olona lasa manampatra fahefana. Miresaka momba izany ny Baiboly, ka milaza hoe: ‘Raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento ny vahoaka.’—Ohabolana 29:2; Mpitoriteny 8:9.

Miteraka vokany ratsy ny fanamparam-pahefana, na dia antony tsara aza no anaovana izany. Vao haingana, ohatra, dia niala tsiny ampahibemaso ny tompon’andraikitry ny sekolim-pinoana iray any Irlandy. Nanampatra fahefana tamin’ny mpianatra mantsy ny mpampianatra sasany. Azo antoka fa noho ny antony tsara no nanaovan’ny maro taminy an’izany. Niteraka vokany tena ratsy anefa ny fomba nampiasain’ny sasany. Nilaza ny gazety iray fa “voadona ny sain’ny ankizy maro, satria nahery setra loatra sady nasiaka ny maro tamin’ireo frera mpampianatra.” (Ny Gazetinny Irlandey, anglisy) Ahoana àry no hampiharanao fahefana, mba hahatonga ny olona hanao izay tsara indrindra vitany, fa tsy ho tezitra noho ny teninao na ny ataonao?—Ohabolana 12:18.

Nomena an’i Jesosy Kristy “ny fahefana rehetra”

Diniho ny modely navelan’i Jesosy Kristy. Hoy izy tamin’ny mpianany, taloha kelin’ny niakarany ho any an-danitra: “Efa nomena ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.” (Matio 28:18) Nanjary natahotra ve ny mpianany rehefa nahare izany? Nieritreritra ve izy ireo hoe hanjary hitovy toe-tsaina tamin’ireo mpitondra tany Roma i Jesosy? Nalaza ho nampiasa hery mantsy izy ireny, mba hampanginana ny mpanohitra, na ny mpikomy.

Tsy milaza an’izany mihitsy ny Baiboly! Toy ny ataon’ny Rainy ihany no ataon’i Jesosy Kristy rehefa mampihatra fahefana. Marina fa Mahery Indrindra i Jehovah, sady manan-jo ho Mpanjakan’izao Rehetra Izao. Tiany hanompo azy an-tsitrapo anefa ny olony, fa tsy hankatò azy befahatany na tsy sazoka, na noho ny tahotra. (Matio 22:37) Tsy manampatra fahefana mihitsy i Jehovah. Mampiseho izany ilay fahitana mahavariana hitan’i Ezekiela mpaminany.

Nahita anjely efatra nanohana ny zon’Andriamanitra hitondra, i Ezekiela. Samy nanana tarehy efatra izy tsirairay. Hoy i Ezekiela: “Ny toetry ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona; ary tamin’ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ny liona izy efatra, ary tamin’ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’omby, ary samy nanana ny tarehin’ny voromahery koa izy efatra.” (Ezekiela 1:10) Mifanitsy amin’ny toetra efatra lehibe indrindran’Andriamanitra ireo tarehy efatra ireo. Mifandanja tanteraka foana ny fomba anehoan’i Jehovah azy ireo. Lazain’ny Tenin’Andriamanitra mazava tsara ireo toetra ireo. Tsy inona izany fa ny fitiavana, izay mifanitsy amin’ilay tarehin’olona, ny fanaovana ny rariny, mifanitsy amin’ilay tarehin’ny liona, ary ny fahendrena, mifanitsy amin’ilay tarehin’ny voromahery. Miaraka amin’ireo toetra telo ireo foana ny toetra fahefatra, dia ny hery, izay mifanitsy amin’ilay tarehin’omby. Inona no dikan’izany rehetra izany? Asehon’ilay fahitana fa tsy mampiasa ny heriny tsy voafetra sy ny fahefany amin’izao fotsiny i Jehovah, fa ampiarahiny foana amin’ny toetrany lehibe indrindra hafa izany.

Manahaka ny Rainy i Jesosy Kristy, ka maneho fitiavana sy fahendrena ary manao ny rariny foana, rehefa mampihatra fahefana. Tena nahazo famelombelomana ireo mpianany nanompo teo ambany fahefany. (Matio 11:28-30) Ny fitiavana no tena mampiavaka an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, fa tsy ny hery na ny fahefana!—1 Korintianina 13:13; 1 Jaona 4:8.

Ahoana no ampiharanao fahefana?

Mampiasa azy io ve, ohatra, ianao mba hanerena ny mpianakavinao hanao izay tianao? Mankatò anao noho ny tahotra ve ny fianakavianao, sa noho ny fitiavany anao? Mankatò anao ve izy ireo satria mahery ianao? Azon’ny loham-pianakaviana eritreretina ireo fanontaniana ireo, mba hahatonga azy hanaiky hatrany ny fomba nandaminan’Andriamanitra ny fianakaviana.—1 Korintianina 11:3.

Ary ahoana raha manana fahefana eo anivon’ny fiangonana kristianina ianao? Ireto misy toro lalana nomen’i Jehovah Andriamanitra, mba hanampiana anao hahita raha mahay mampihatra fahefana ianao na tsia. Mandiniha tena raha manaraka azy ireo toy ny nataon’i Jesosy Kristy ianao.

‘Tokony halemy fanahy amin’ny rehetra ny mpanompon’ny Tompo, hahafehy tena rehefa misy mahasosotra, halemy fanahy rehefa mampianatra an’ireo tsy mora manaiky.’—2 Timoty 2:24, 25.

Nanana fahefana be teo anivon’ny fiangonana kristianina ny olona sasany, tamin’ny taonjato voalohany. ‘Nandidy ny sasany tsy hampianatra zavatra hafa’, ohatra, i Timoty. (1 Timoty 1:3) Azontsika antoka anefa fa nanahaka ny toetran’Andriamanitra izy tamin’izay rehetra nataony. Azo inoana mantsy fa nanaraka ny torohevitr’i Paoly izy, ka ‘nalemy fanahy tamin’ny rehetra’ teo anivon’ny fiangonana kristianina, rehefa nampianatra sy nikarakara azy ireo. Tanora kokoa noho ny ankamaroan’ny anti-panahy tamin’izany fotoana izany izy, ka nila nanaja ny zokiolona toy ny rainy. Nila niahy ny tanora koa izy, ka nitondra azy ireo toy ny rahalahiny. (1 Timoty 5:1, 2) Rehefa tia sy miahy ny hafa toy izany ny mpiandraikitra, dia ho toy ny fianakaviana mifankatia ny fiangonana kristianina, fa tsy orinasa feno olona mafy fo sy masiaka.—1 Korintianina 4:14; 1 Tesalonianina 2:7, 8.

“Fantatrareo fa manjakazaka amin’ny firenena entiny ny mpitondra, ary manampatra ny fahefany ireo lehibe. Tsy mba toy izany kosa eo aminareo. Fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.”—Matio 20:25, 26.

“Manjakazaka” ireo mpitondra tsy refesi-mandidy eto amin’ity tontolo ity. Tereny hanao izay tiany ny olom-peheziny, ary rahonany hosazina raha tsy mety manao izany. Nanantitrantitra anefa i Jesosy Kristy hoe tokony hanompo ny hafa isika fa tsy hanery azy. (Matio 20:27, 28) Tia sy niahy ny mpianany foana izy. Tsy ho sarotra amin’ny hafa ny hiara-miasa aminao, raha manahaka an’i Jesosy ianao. (Hebreo 13:7, 17) Ho mora kokoa amin’izy ireo koa ny hanaiky ny fahefanao, ary ho vonona hanao mihoatra noho izay angatahinao mihitsy aza izy, satria tsy noterena.—Matio 5:41.

‘Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra eo ambany fiandraiketanareo, tsy manjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra, fa ho modely ho an’ny andian’ondry.’—1 Petera 5:2, 3.

Fantatr’ireo mpiandraikitra amin’izao andro izao, fa mbola hampamoahin’Andriamanitra izy ireo, ny amin’ny fomba ikarakarany ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. Zava-dehibe amin’izy ireo io andraikitra io. Miezaka mikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra an-tsitrapo sy amim-pahazotoana ary amim-pitiavana izy ireo. Toy ny apostoly Paoly, dia tsy miseho ho tompon’ny finoan’ny olona iandraiketany izy ireo, fa miasa mafy mba hanatanjahana ny finoany kosa.—2 Korintianina 1:24.

Manome torohevitra amim-pahalemem-panahy ny anti-panahy rehefa manitsy olona nanao fahadisoana, na rehefa manampy Kristianina hafa mba ho matotra. Mitadidy ity fampahatsiahivana nomen’ny apostoly Paoly ity izy ireo: “Ry rahalahy isany, raha misy olona sendra manao fahadisoana nefa tsy fantany akory, dia aoka izay olona araka ny fanahy eo aminareo hiezaka hanitsy azy amim-pahalemem-panahy, sady mitandrina tsara ny tenanao sao mba halaim-panahy koa ianao.”—Galatianina 6:1; Hebreo 6:1, 9-12.

‘Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka. Mitafia fitiavana fa fatorana mampiray tonga lafatra izy io.’—Kolosianina 3:13, 14.

Ahoana no hataonao raha misy tsy manaraka tsara ny fitsipika kristianina? Manahaka an’i Jehovah sy Jesosy ve ianao, ka mitadidy fa tsy lavorary izy ireo? (Isaia 42:2-4) Sa ianao manizingizina hoe tokony harahina amin’ny an-tsipiriany foana ny lalàn’Andriamanitra? (Salamo 130:3) Tadidio fa tokony ho tsara fanahy isika raha mbola azo atao, ary tsy ho hentitra loatra raha tsy rehefa misy ilana izany ihany. Hanjary tena hifampatoky ianao sy ny olona eo ambany fahefanao, rehefa maneho fitiavana ianao.

Miezaha mafy hanahaka an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, rehefa mampihatra fahefana. Tadidio ilay fomba hafakely nilazan’i Davida mpanao salamo ny fampiharan’i Jehovah fahefana amin’ny vahoakany. Nihira toy izao izy: “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho. Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy. Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.” Izao koa no vakintsika momba an’i Jesosy: “Izaho no mpiandry tena tsara ary fantatro ny ondriko, ary ny ondriko koa mahalala ahy, toy ny ahafantaran’ny Ray ahy sy ahafantarako ny Ray. Ary foiko ho an’ny ondry ny aiko.” Aiza isika no hahita modely tsara kokoa noho izany hotahafina, rehefa mampihatra fahefana?—Salamo 23:1-3; Jaona 10:14, 15.

[Teny notsongaina, pejy 18]

Maneho fitiavana sy fahendrena ary manao ny rariny foana i Jehovah, rehefa mampiasa ny heriny

[Sary, pejy 18]

Tsy maintsy omen’ny anti-panahy torohevitra feno fitiavana indraindray ny olona nanao fahadisoana

[Sary, pejy 19]

Nanoro hevitra an’i Timoty i Paoly mba hanaja ny zokiolona toy ny rainy, ary hiahy ny tanora, ka hitondra azy ireny toy ny rahalahiny

[Sary, pejy 20]

Maneho fitiavana sy fahendrena ary manao ny rariny i Jesosy Kristy, rehefa mampihatra fahefana