Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tapa-kevitra Hanompo An’i Jehovah Izahay

Tapa-kevitra Hanompo An’i Jehovah Izahay

Tantaram-piainana

Tapa-kevitra Hanompo An’i Jehovah Izahay

NOTANTARAIN’I RAIMO KUOKKANEN

Nipoaka ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939, ary nanafika tatỳ Failandy ny tafiky ny Firaisana Sovietika. Nandeha niady niaraka tamin’ny tafika failandey ny raiko. Tsy ela dia nandatsaka baomba tao amin’ny tanànanay ny raoplanina mpiady rosianina, ka nalefan’ny reniko nipetraka tany amin’ny renibeko aho, satria nilamindamina kokoa tany.

MISIONERA tany Ouganda, any Afrika Atsinanana, aho tamin’ny 1971. Raha mbola nitory isan-trano aho indray andro, dia nahita olona be dia be nandositra sady raiki-tahotra. Nandre poa-basy aho, ka nihazakazaka nody koa. Reko fa nihananatona ahy ilay fifampitifirana, ka nitsambikina tao anaty tatatra aho, ary nandady nankany an-trano. Bala izany nandalo teo ambony lohako izany an!

Efa tsy fidiny ahy ny niaritra ny Ady Lehibe II, koa nahoana indray izahay mivady no nanao vivery ny ainay tany Afrika Atsinanana, nefa nisy hotakotaka tany tamin’izay? Satria tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah izahay.

Ny fomba nahitako ny fahamarinana

Teraka tamin’ny 1934, teto Helsinki, eto Failandy aho. Mpandoko trano ny raiko, ary nisy fotoana nandokoany ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto. Niresaka momba ny fivorian’izy ireo taminy ny Vavolombelona, ary noresahiny tamin’i Neny izany rehefa nody izy. Tsy nanatrika fivoriana avy hatrany i Neny tamin’izay, fa tatỳ aoriana izy vao nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona mpiara-miasa taminy. Tsy ela dia nampihatra izay nianarany izy, ka natao batisa tamin’ny 1940.

Nentin’ny renibeko tany ambanivohitra aho taloha kelin’izay, ary niara-nipetraka taminy nandritra ny Ady Lehibe II. Nanoratra tamin’i Bebe sy Nenitoa i Neny, ary nanazava ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahaliana azy mianaka izany, ka noresahiny tamiko. Tonga nitsidika sy nampahery anay ny solontena mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola tsy tapa-kevitra hanompo an’Andriamanitra anefa aho tamin’izay.

Nanapa-kevitra hanompo an’i Jehovah aho

Niverina teto Helsinki aho rehefa tapitra ny ady, tamin’ny 1945. Nentin’i Neny nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, nefa tsy nandeha aho indraindray fa naleoko nijery sinema. Noresahin’i Neny tamiko foana ny lahateny tany am-pivoriana, ary naverimberiny ny hoe: Efa akaiky i Hara-magedona. Resy lahatra aho, ka tsy nanapatapaka fivoriana intsony. Nitombo ny fahalalako ny fahamarinana, ka naniry handray anjara bebe kokoa tamin’ireo asan’ny fiangonana aho.

Tena tiako ny nanatrika fivoriambe. Nanao vakansy tany amin’i Bebe aho tamin’ny 1948, ary namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra, tsy lavitra ny tranony. Nisy namako hatao batisa tamin’izay, ka nasainy koa aho mba hatao batisa. Nolazaiko fa tsy nitondra akanjo hoentina ao anaty rano aho. Nilaza anefa izy fa hampindrana ahy ny akanjony, rehefa vita ny batisany. Nanaiky àry aho, ka natao batisa ny 27 Jona 1948, tamin’izaho 13 taona.

Nisy naman’i Neny nilaza taminy fa natao batisa aho. Nanontany ahy izy rehefa nihaona izahay, hoe nahoana aho no nandray fanapahan-kevitra lehibe toy izany, nefa tsy niteny taminy akory. Nohazavaiko fa efa azoko tsara ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ary fantatro fa tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny amin’izay ataoko aho.

Vao mainka tapa-kevitra aho

Vao mainka aho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah, rehefa nampian’ireo rahalahy teo anivon’ny fiangonana. Niaraka tamiko nitory isan-trano izy ireo, ary nanome ahy anjara tany am-pivoriana, saika isan-kerinandro mihitsy. (Asan’ny Apostoly 20:20) Enina ambin’ny folo taona aho no nanao lahateny ho an’ny besinimaro voalohany. Voatendry ho mpikarakara ny fianarana Baiboly aho, taoriana kelin’izay. Izany rehetra izany no nanampy ahy hihamatotra. Mbola nila niezaka mafy anefa aho, mba handresy ny tahotra olona.

Takelaka no nampiasain’ireo mpitory tamin’izany, mba hampahafantarana ny lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Takelaka lava roa no nentina, ary nofatorana izy ireo, ka ny iray nanarona ny vatana teo aloha, ary ny iray tao aoriana.

Nitondra takelaka aho indray mandeha, ary nijoro teo amoron-dalana. Tamy avy any anefa ny mpiara-mianatra tamiko maromaro. Nijerijery ahy izy ireo ka menatra aho. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hananako herim-po, ary nijanona teo ihany niaraka tamin’ilay takelaka. Nandresy ny tahotra olona aho tamin’izay. Nanomana ahy izany mba tsy hivadika rehefa nisy fitsapana lehibe kokoa tatỳ aoriana.

Voantso ho miaramila, niaraka tamin’ny Vavolombelona tanora hafa, aho. Nankany amin’ny toby miaramila izahay, nefa tsy nety nanao fanamiana. Nogadrain’ny manam-pahefana àry izahay, ary voaheloka enim-bolana an-tranomaizina. Niampy valo volana ny sazinay, satria izay no faharetan’ny raharaha miaramila. Herintaona sy roa volana àry no tontalin’ny fotoana nigadranay, noho ny tsy fivadihanay.

Niara-nandinika ny Baiboly isan’andro izahay tao am-ponja. Maro taminay no nahavaky ny Baiboly manontolo indroa tamin’izay. Vao mainka tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah izahay, rehefa nafahana. Maro aminay no mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana hatramin’izao.

Niverina tany amin’ny ray aman-dreniko aho, rehefa tafavoaka ny fonja. Taorian’izay no nihaonako tamin’i Veera, anabavy be zotom-po, natao batisa vao haingana. Nivady izahay tamin’ny 1957.

Takariva nanova ny fiainanay

Nitsidika mpiandraikitra tao amin’ny sampana izahay indray takariva, ary nanontany anay ny iray tamin’izy ireo raha tianay ny hanao ny asan’ny faritra. Nivavaka izahay nandritra ny alina, ary tapa-kevitra fa handeha, ka niantso tany amin’ny biraon’ny sampana. Midika izany fa tsy maintsy niala tamin’ny asako aho, na dia be karama aza, satria hanompo manontolo andro izahay. Tapa-kevitra izahay fa ho loha laharana eo amin’ny fiainanay foana ilay Fanjakana. Nanomboka ny asan’ny faritra izahay, tamin’ny Desambra 1957, tamin’izaho 23 taona ary i Veera 19 taona. Nitsidika sy nampahery ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Failandy izahay nandritra ny telo taona, ary tena nahafinaritra anay izany.

Nahazo fanasana aho, tamin’ny faramparan’ny 1960, mba hankany Brooklyn, any New York, hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Nahazo fampiofanana momba ny asan’ny sampana nandritra ny folo volana aho tamin’izany, niaraka tamin’ny rahalahy failandey roa hafa. Ny vadinay kosa tsy nandeha, fa niasa tao amin’ny Betelan’i Failandy.

Nampanantsoin’ny Rahalahy Nathan Knorr aho, rehefa hifarana ilay fiofanana. Izy no prezidàn’ny fikambanana tamin’izay. Nanontany izy raha tianay mivady ny ho misionera any Madagasikara. Nanoratra tamin’i Veera aho hanontany ny heviny, ary nanaiky avy hatrany izy. Niomana haingana hankany Madagasikara izahay, rehefa tafaverina teto Failandy aho.

Fifaliana sy fahadisoam-panantenana

Tonga tany Antananarivo renivohitra izahay, tamin’ny Janoary 1962. Nanao satroka vita tamin’ny volom-biby sy akanjo mafana be izahay rehefa niainga, satria ririnina teto Failandy tamin’izay. Tsy maintsy nanova haingana ny fomba fitafinay anefa izahay, satria nafana be tany Madagasikara. Tsy nisy afa-tsy efitra fatoriana iray tao amin’ilay tranon’ny misionera nivantananay. Efa nisy mpivady misionera nipetraka tao, ka tsy maintsy natory teo an-davarangana izahay sy Veera.

Nianatra teny frantsay izahay, satria anisan’ny fiteny ofisialy tany Madagasikara izy io. Sarotsarotra ilay izy, satria niteny anglisy ny Anabavy Carbonneau, ilay nampianatra anay. I Veera anefa tsy nahay teny anglisy, ka tsy maintsy nadikako tamin’ny teny failandey ny fampianarany. Ny teny soedoà kosa no hain’i Veera kokoa rehefa mianatra, ka nohazavaiko taminy tamin’ny teny soedoà ny fitsipi-pitenenana frantsay. Tsy ela dia nihanahay teny frantsay izahay, ka nanomboka nianatra teny malagasy indray.

Lehilahy tsy nahay afa-tsy teny malagasy no nampianariko Baiboly voalohany tany Madagasikara. Nijery ireo andinin-teny tamin’ny Baiboly failandey aho, ary niara-nitady izany tamin’ny Baiboly malagasy izahay avy eo. Tsy tena haiko ny nanazava ireo andinin-teny, nefa tsy ela dia nanohina ny fony ny fahamarinana ara-baiboly, ka tonga hatramin’ny batisa izy.

Nitsidika an’i Madagasikara i Milton Henschel, solontenan’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, tamin’ny 1963. Nasiana biraon’ny sampana tany Madagasikara taoriana kelin’izay, ary voatendry ho mpiandraikitra ny sampana aho, sady nanohy ny asan’ny faritra sy ny vondrom-paritra. Nitahy anay foana i Jehovah nandritra izany. Nisy 85 ny isan’ny mpitory tany Madagasikara tamin’ny 1962, nitombo ho 469 anefa izany tamin’ny 1970.

Nahita taratasy teo am-baravarana izahay, indray andro, rehefa avy nitory, tamin’ny 1970. Nampanantsoina tany amin’ny minisitry ny atitany ny misionera Vavolombelon’i Jehovah rehetra. Nilazana izahay tany fa tsy maintsy miala an’i Madagasikara avy hatrany. Nanontany aho hoe inona no heloka vitanay ka nahatonga izany. Namaly ilay tompon’andraikitra hoe: “Monsieur Kuokkanen a, tsy nisy fahadisoana nataonareo mihitsy.”

Nanazava aho hoe: “Efa valo taona anie izahay no teto e! Efa eto no fonenanay, dia alefa fotsiny toy izao ve izahay?” Nitady hevitra hijanonana izahay, nefa tsy maintsy nanainga daholo ihany tao anatin’ny herinandro. Nikatona ny sampana, ary rahalahy teo an-toerana no niandraikitra ny asa. Nahazo fanendrena ho any Ouganda izahay, talohan’ny nandaozanay ireo rahalahy malalanay tany Madagasikara.

Fanendrena vaovao

Tonga tany Kampala, renivohitr’i Ouganda, izahay andro vitsivitsy taorian’ny nialanay tany Madagasikara. Nianatra ny teny luganda avy hatrany izahay. Mahafinaritra ilay fiteny satria hoatran’ny mihirahira ny olona rehefa miteny azy, saingy sarotra ianarana ilay izy. Nitory tamin’ny teny anglisy àry izahay mivady, rehefa avy nianatra teny anglisy tamin’ny misionera hafa i Veera.

Nafana sy be orana tany Kampala, ka tsy zakan’i Veera. Nafindra tao amin’ny tanànan’i Mbarara àry izahay, satria tsy dia mafana loatra any. Mbola tsy nisy Vavolombelona tany, ary nahita vokatra tsara izahay rehefa nitory voalohany. Nivoaka avy any an-dakozia ny vehivavy iray, rehefa nandre ahy nitory tamin’ny vadiny. Margaret no anarany, ary nanaiky hianatra Baiboly tamin’i Veera izy. Nandroso ara-panahy izy, ary natao batisa. Lasa mpitory mafana fo izy tatỳ aoriana.

Nisy ady teo an-tanàna

Nipoaka ny ady an-trano tamin’ny 1971, ka nisy fifampitifirana teo akaikin’ny tranon’ny misionera tao Mbarara. Tamin’izay aho no voatery niafina ny miaramila sy nandady tao anaty tatatra mandra-pahatongako tany an-trano, araka ilay voalaza tetsy aloha.

Efa tao an-trano i Veera rehefa tonga aho. Nanamboatra “manda” tamin’ny kidoro sy fanaka izahay, teo an-joron-trano. Tsy nivoaka ny trano izahay nandritra ny herinandro, ary nanara-baovao tamin’ny radio. Tonga teny amin’ny rindrinay indraindray ny bala, ary nitampify tao anatin’ilay manda kelinay izahay. Tsy nampirehitra jiro izahay tamin’ny alina, mba tsy hisy hahalala hoe nisy olona tao an-trano. Nisy miaramila niantsoantso teo am-baravarana indray mandeha. Tsy nihetsika izahay fa nivavaka mangina tamin’i Jehovah. Rehefa nitsahatra ilay fifampitifirana, dia tonga nisaotra anay ireo mpiray tanàna satria nieren-doza. Nihevitra mantsy izy ireo fa i Jehovah no niaro anay rehetra, ary nino izany koa izahay.

Tsy dia nisy olana loatra taorian’izay. Nisy filazana anefa tamin’ny radio indray maraina, hoe noraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Ouganda, ka tokony hiverina amin’ny fivavahany taloha ireo Vavolombelona rehetra. Niezaka nanazava tamin’ny manam-pahefana aho, fa tsy nahazo rariny mihitsy. Nankany amin’ny biraon’ny Filoham-pirenena Idi Amin koa aho, ka nangataka hihaona taminy. Nilazana anefa aho fa sahirana loatra izy. Niverina tany imbetsaka aho, fa tsy tafahaona taminy mihitsy. Tsy maintsy niala tany Ouganda àry izahay tamin’ny Jolay 1973.

Herintaona lasa folo taona

Nalahelo izahay rehefa nandao an’ireo rahalahy malalanay tany Ouganda, toy ny tsapanay tamin’izahay voaroaka avy tany Madagasikara. Voatendry ho any Sénégal izahay taorian’izay, nefa nankany Failandy aloha. Tsy nalefa tany Sénégal indray anefa izahay, fa nasaina nijanona teto Failandy. Toa nifarana hatreo ny asa misioneranay. Lasa mpisava lalana manokana izahay, ary nanao ny asan’ny faritra indray.

Nisy zavatra tsy nampoizinay anefa tamin’ny 1990. Nanontany anay ny foibe any Brooklyn raha tianay ny hiverina any Madagasikara mandritra ny herintaona, satria efa nalalaka kokoa ny asantsika tany. Te handeha izahay nefa nisy zava-manahirana roa lehibe: Efa antitra ny raiko ka nila mpikarakara, ary tsy salama i Veera. Nampalahelo fa nodimandry ny raiko tamin’ny Novambra 1990. Nihatsara kosa ny fahasalaman’i Veera, ka afaka nanohy ny asa misionera indray izahay. Niverina tany Madagasikara àry izahay tamin’ny Septambra 1991.

Herintaona no tokony ho nijanonanay tany, nefa nitatra ho folo taona izany. Nitombo ho 11 600 ireo mpitory 4 000 nandritra izany fotoana izany. Tena tiako ny asa misionera, nefa nisy fotoana nahakivy ahy ihany. Natahotra mantsy aho sao dia nanao an-tsirambina ny fihetseham-pon’ny vady malalako sy ny fikarakarana ny fahasalamany. Nomen’i Jehovah hery anefa izahay hanohizanay ny fanompoana. Nody teto Failandy izahay tamin’ny 2001, ary voatendry hanompo ato amin’ny sampana. Mbola mafana fo amin’ny asan’ilay Fanjakana izahay, ary tsy hadinonay mihitsy ny fiainanay tany Afrika. Tapa-kevitra hanao ny sitrapon’i Jehovah izahay, na aiza na aiza anendreny anay.—Isaia 6:8.

[Sarintany, pejy 12]

(Jereo ny gazety)

FAILANDY

EOROPA

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

MADAGASIKARA

[Sarintany, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

AFRIKA

OUGANDA

[Sary, pejy 14]

Tamin’ny mariazinay

[Sary, pejy 14, 15]

Tamin’izaho mpiandraikitra ny faritra teto Failandy, 1960 . . .

. . . Tamin’izahay misionera tany Madagasikara, 1962

[Sary, pejy 16]

Izaho sy Veera ankehitriny