Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Handraisanao Fanapahan-kevitra Mampifaly An’Andriamanitra?

Ahoana no Handraisanao Fanapahan-kevitra Mampifaly An’Andriamanitra?

Ahoana no Handraisanao Fanapahan-kevitra Mampifaly An’Andriamanitra?

NANAM-BOLA be ny lehilahy iray, ary saika hametraka izany tany amin’ny banky. Nisy nilaza taminy anefa hoe tsara kokoa raha ampiasainy hitrandrahana vatosoa ilay vola. Nampanantena io olona io fa tsy maintsy hahazo tombony izy. Nanapa-kevitra hanaraka ny teniny àry ilay lehilahy, ka nampiasa ny volany hitrandrahana vato. Tsy nahomby anefa izy, ka very fotsiny ny volany.

Asehon’io zava-nitranga io fa sarotra ny mandray fanapahan-kevitra tsara. Misy fanapahan-kevitra maro tsy maintsy raisintsika anefa eo amin’ny fiainana. Mety hitondra fahombiazana na fahavoazana ho antsika izy ireny, ary mety hiankinan’ny aina mihitsy aza. Ahoana àry no handraisana fanapahan-kevitra tsara?

“Ity no làlana”

Manapa-kevitra isika isan’andro hoe inona ny sakafo hohanina, ny akanjo hanaovana, ny toerana haleha, sy ny sisa. Mety hisy vokany lehibe ny fanapahan-kevitra sasany heverina ho tsy dia misy dikany. Mety tsy ho afaka amin’ny sigara intsony, ohatra, ny olona iray manandrana mifoka indray mandeha. Tsy tokony hieritreritra mihitsy àry isika, fa tsy misy dikany ny fanapahan-kevitra raisintsika amin’ny zavatra heverina ho madinika.

Aiza anefa no misy tari-dalana mba handraisana fanapahan-kevitra tsara, na amin’ny zavatra heverina ho madinika aza? Tsara erỳ raha mba manana mpanolo-tsaina azo itokisana isika, rehefa handray fanapahan-kevitra sarotra! Ary tena misy izany. Izao no lazain’ny boky tranainy iray, izay mbola azo ampiharina ankehitriny: “Na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) Tenin’iza ireo, ary ahoana no ahazoanao antoka fa mendri-pitokisana ny tari-dalany?

Ao amin’ny Baiboly io fanomezan-toky io. Olona an-tapitrisany no mianatra ny Baiboly, ary miaiky fa avy amin’i Jehovah, Andriamanitra Mpamorona, izy io. (2 Timoty 3:16, 17) Mahalala antsika sy izay ilaintsika i Jehovah, ka izy no mpanome tari-dalana tsara indrindra. Fantany koa ny hoavy, satria izy no ‘manambara ny farany hatramin’ny voalohany, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory, dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako.’ (Isaia 46:10) Natoky ny Tenin’i Jehovah àry ny mpanao salamo, ka nilaza hoe: “Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105) Ahoana anefa no anazavan’i Jehovah ny lalantsika, amin’izao fiainana manjombona izao? Ahoana no handraisantsika fanapahan-kevitra mampifaly azy?

Araho ny toro lalan’ny Baiboly

Nomen’i Jehovah Andriamanitra toro lalana ny Kristianina, mba handraisany fanapahan-kevitra tsara. Toy ny mianatra sy mampiasa fiteny vaovao ny mianatra sy mampihatra ireny toro lalana ireny. Rehefa hainao tsara mantsy ny fiteny iray, dia fantatrao foana raha vao misy olona tsy manaraka fitsipi-pitenenana, satria hafahafa ny zavatra lazainy. Mety tsy ho fantatrao marina ilay fitsipi-pitenenana tsy narahiny, nefa fantatrao fa diso ny fiteniny. Toy izany koa rehefa mianatra ny toro lalan’ny Baiboly ianao ary mahay mampihatra izany. Ho fantatrao mazàna, raha tsy mety na tsy araka ny toro lalan’Andriamanitra ny fanapahan-kevitra iray.

Aoka hatao hoe misy tovolahy mifidy izay ho taovolony. Tsy faritan’ny Baiboly mazava hoe inona no taovolo tsy mety, nefa misy toro lalana ao anatiny. Hoy ny apostoly Paoly: “Iriko ... ny vehivavy mba hihaingo amin’ny akanjo milamina tsara, sy amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena, fa tsy amin’ny randram-bolo niangaliana fatratra, na amin’ny volamena na perla na fitafiana tena lafo vidy. Aoka kosa ny fihaingoany hifanentana amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra, izany hoe, amin’ny alalan’ny asa tsara.” (1 Timoty 2:9, 10) Niresaka momba ny vehivavy i Paoly teo, nefa mihatra amin’ny lehilahy koa ilay toro lalana hoe tokony hihaingo amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena. Mila manontany tena àry ilay tovolahy hoe: ‘Maotina sy mendrika ny Kristianina ve ilay taovolo hofidiko?’

Nanome toro lalana hafa afaka manampy ny tanora koa i Jakoba, mpianatr’i Jesosy. Hoy izy: “Ry mpanitsakitsa-bady, tsy fantatrareo ve fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao, dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.” (Jakoba 4:4) Ahoana no azo ampiharana izany? Halan’ny Kristianina ny hoe ho naman’izao tontolo izao, izay fahavalon’Andriamanitra. Raha ny taovolon’ny namany anefa no tahafiny, ahoana no ho fiheveran’ny olona azy? Naman’Andriamanitra sa naman’izao tontolo izao? Afaka mandinika ireo toro lalan’ny Baiboly ireo ilay tovolahy mifidy taovolo, raha te handray fanapahan-kevitra tsara. Manampy antsika hanapa-kevitra tokoa ny toro lalan’Andriamanitra. Ary rehefa zatra manaraka azy ireny isika, dia handray fanapahan-kevitra tsara, izay tsy hitondra fahavoazana ho antsika.

Misy toro lalana maro ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Marina fa mety tsy hisy andinin-teny mifandray mivantana amin’ny toe-javatra misy antsika. Hahasoa antsika anefa ny mamaky ny tantaran’ireo olona nanaraka ny tari-dalan’Andriamanitra, sy ireo tsy niraharaha ny fampitandremany. (Genesisy 4:6, 7, 13-16; Deoteronomia 30:15-20; 1 Korintianina 10:11) Hahita toro lalana afaka manampy antsika handray fanapahan-kevitra mampifaly an’Andriamanitra isika, rehefa mandinika ny niafaran’izy ireny.

Andeha hojerentsika, ohatra, ny resak’i Jesosy Kristy sy ny apostoly Petera. Nanontany an’i Petera ireo lehilahy mpamory ny hetra drakma roa hoe: “Tsy mba mandoa ny hetra drakma roa angaha ny mpampianatra anareo?” Hoy i Petera: “Mandoa izy.” Nanontany an’i Petera i Jesosy taoriana kelin’izay hoe: “Avy amin’iza no ahazoan’ny mpanjaka etỳ an-tany ny haba na ny hetra isan-dahy? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-kafa?” Namaly i Petera hoe: “Avy amin’ny olon-kafa”, ka hoy i Jesosy: “Koa afaka amin’ny fandoavan-ketra àry ny zanaka. Fa mba tsy hanafintohinantsika azy, dia mankanesa any an-dranomasina ary manipaza lelam-pintana, ka raiso izay trondro azonao voalohany. Ary rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita statera iray ianao. Alao izany ka omeo azy, ho avy amiko sy avy aminao.” (Matio 17:24-27) Inona avy no toro lalan’Andriamanitra hitantsika ao amin’io fitantarana io?

Tsy nazava tamin’i Petera tamin’ny voalohany fa tsy voatery handoa hetra i Jesosy, satria Zanak’Andriamanitra. Nanampy azy tamin-katsaram-panahy àry i Jesosy, ka nametraka fanontaniana maromaro hampisaintsainana azy. Afaka manahaka an’i Jesosy koa isika, ka hangoraka ny hafa rehefa manao fahadisoana izy, fa tsy hanasongadina izany na hanakiana mafy azy.

Azon’i Petera taorian’izay, fa tsy te hanafintohina ny hafa i Jesosy matoa nandoa ilay hetra isan-dahy. Izao àry no toro lalana hafa azontsika ianarana avy amin’ilay tantara: Zava-dehibe kokoa ny mihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, noho ny manizingizina ny zontsika.

Inona no hahatonga antsika hanaja ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, rehefa manapa-kevitra? Ny fitiavana azy ireo. Nampianatra i Jesosy Kristy fa ny fitiavana ny namana toy ny tena no didy faharoa, aorian’ny fitiavana an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo. (Matio 22:39) Miaina eo amin’ny tontolo iray anjakan’ny fitiavan-tena anefa isika, sady mirona ho tia tena satria mpanota. Ilaina àry ny manavao ny saina, mba hitiavana ny namana toy ny tena.—Romanina 12:2.

Maro no nanao izany fiovana izany, ka lasa mihevitra ny hafa isaky ny mandray fanapahan-kevitra, na kely na lehibe. Hoy i Paoly: “Efa voantso ho amin’ny fahafahana ianareo, ry rahalahy. Aoka anefa tsy hampiasainareo handrisihana ho amin’ny asan’ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa kosa noho ny fitiavana.” (Galatianina 5:13) Ahoana no hampiharantsika izany? Nisy tovovavy iray nifindra tany ambanivohitra, mba hampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Nanaraka ny fomba fiakanjon’ny olona tany an-tanàn-dehibe ihany izy tany. Reny anefa tatỳ aoriana fa lasa resa-be tao an-tanàna ny fomba fiakanjony, na dia noheverina ho maotina aza izany tany aminy. Maotina tokoa ny fitafiany, nefa nanapa-kevitra hanao akanjo tsotra kokoa izy, “mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin’Andriamanitra.”—Titosy 2:5.

Ahoana no ataonao raha tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra momba ny fitafiana sy taovolo na zavatra hafa tianao manokana ianao? Matokia fa ho faly i Jehovah, raha mihevitra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa ianao, rehefa manapa-kevitra.

Tsinjovy ny hoavy

Ankoatra ny toro lalan’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, inona koa no tokony hoheverintsika rehefa hanapa-kevitra? Marina fa toy ny lalana tery sy mikitoantoana ny fomba fiainan’ny Kristianina, nefa afaka manao safidy malalaka mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo. (Matio 7:13, 14) Mila mihevitra izay ho vokatry ny fanapahan-kevitsika eo amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra sy ny fahasalamantsika ara-tsaina, ara-pihetseham-po, ary ara-batana isika.

Eritrereto hoe misy asa tianao hatao, ary angamba tsy misy maha ratsy azy io mihitsy. Ho afaka hanatrika fivoriana sy fivoriambe ianao, ary betsaka noho izay noeritreretinao ny karama. Tena miaiky ny fahaizanao koa ilay mpampiasa, ary te hanome anao andraikitra sahaza izany fahaizanao izany. Ary io karazan’asa io mihitsy ilay tena tianao. Misy tokony hanakana anao tsy hanaiky azy io ve? Ahoana, ohatra, raha efa hitanao mialoha hoe mety ho revo tanteraka amin’ilay asa ianao? Marina fa mety hilaza ilay mpampiasa hoe tsy voatery hiasa amin’ny ora tsy fiasana ianao. Kanefa mety ho ianao mihitsy ve no haniry hanao ezaka mihoatra noho ny tokony hatao, mba hamitana asa iray? Mety ho lasa matetika ve izany asa fanampiny izany? Moa ve izany mety hahatonga anao tsy hiaraka amin’ny fianakavianao, na tsy hanao ny fanompoanao an’Andriamanitra, izay tsy tokony hatao an-tsirambina mihitsy?

Eritrereto ny fanapahan-kevitra lehibe iray noraisin’i Jim momba ny asany. Niezaka mafy izy ka nahazo toerana ambony kokoa tao amin’ny orinasa niasany. Lasa anisan’ireo mpitantana ny sampan’ilay orinasa tany Azia sy Etazonia ary Eoropa àry izy, tatỳ aoriana. Takatr’i Jim anefa rehefa nitotongana ny toe-karena tany Japon, fa tsy misy dikany ny fikatsahana vola sy fahefana. Nanjavona mantsy ilay vola be nandaniany ny heriny, ary tsy nanana tanjona intsony izy. Nieritreritra izy hoe: ‘Hanao ahoana re ny fiainako rehefa afaka folo taona e?’ Hitany tamin’izay fa nisy heviny kokoa ny tanjona notratrarin’ny vady aman-janany, izay efa nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maromaro. Naniry ho sambatra sy ho afa-po toa azy ireo koa i Jim, ka nanomboka nianatra Baiboly.

Tsy ela dia hitany fa nisakana azy tsy hahatontosa ireo andraikitry ny Kristianina ny fomba fiainany. Tsy nanam-potoana firy hianarana Baiboly sy hiarahana tamin’ny mpiray finoana taminy mantsy izy, satria nivezivezy tany Azia sy Etazonia ary Eoropa foana. Tsy maintsy nisafidy izy hoe: ‘Hanova ny fomba fiainako ve aho, sa hanohy izay efa nataoko hatramin’ny 50 taona?’ Nivavaka izy ary nandinika izay mety ho vokatry ny safidiny. Nanapa-kevitra izy avy eo, fa asa iray ihany no hataony ao amin’ilay orinasa, mba hananany fotoana hanompoana an’Andriamanitra. (1 Timoty 6:6-8) Nahafa-po azy ilay fanapahan-keviny, satria lasa afaka nanao asa kristianina be dia be izy.

Tena hisy vokany àry ny fanapahan-kevitra raisinao, na lehibe na kely. Mety hitondra fahombiazana na fahavoazana ho anao ny fanapahan-kevitra raisinao anio, ary mety hiankinan’ny ainao mihitsy aza. Handray fanapahan-kevitra tsara ianao, raha mihevitra ny toro lalan’ny Baiboly sy ny feon’ny fieritreretan’ny hafa, ary mitsinjo izay ho vokatr’ilay izy amin’ny hoavy. Mandraisa àry fanapahan-kevitra mampifaly an’Andriamanitra.

[Sary, pejy 13]

Mety hisy vokany lehibe ny fanapahan-kevitra heverina ho tsy dia misy dikany

[Sary, pejy 14]

Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy azy hanapa-kevitra?

[Sary, pejy 15]

Naneho fangorahana i Jesosy rehefa niresaka tamin’i Petera